FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • w91 15/7 p. 14-20
  • Hanahaka ny famindrampon’Andriamanitra ve ianao?

Tsy misy video mifandray amin’io.

Miala tsiny fa tsy mety miseho ilay video.

  • Hanahaka ny famindrampon’Andriamanitra ve ianao?
  • Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—1991
  • Lohatenikely
  • Mitovitovy Aminy
  • Ampiharina ny rariny araka an’Andriamanitra
  • Rariny mifandanja amin’ny famindrampo
  • Fiahiana izay very
  • Fifaliana any an-danitra — Ny amin’inona?
  • Fibebahana ary famindrampo miasa
  • Jehovah — Ilay Loharanon’ny Tena Rariny sy Fahamarinana
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—1998
  • Tahafo i Jehovah — Manaova ny Rariny sy ny Fahamarinana
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—1998
  • Ny rariny ho an’ny firenena rehetra, tsy ho ela intsony
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—1989
  • Fifaliana Noho Ilay Mpanota Nibebaka
    I Jesosy no Lalana sy Fahamarinana ary Fiainana
Hijery Hafa
Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—1991
w91 15/7 p. 14-20

Hanahaka ny famindrampon’Andriamanitra ve ianao?

“Aoka hanahaka an’Andriamanitra hianareo tahaka ny zanaka malala”. — EFESIANA 5:1.

1. Nahoana no tokony ho zava-dehibe mahaliana antsika rehetra ny fanahafana ny hafa?

NA AMIN’NY tsara na amin’ny ratsy, dia manahaka ny hafa ny ankamaroan’ny olona. Ireo izay manodidina antsika ka mety hotahafintsika, dia afaka manan-kery lehibe eo amintsika. Nampitandrina toy izao ilay mpanoratra nahazo tsindrimandry ny Ohabolana 13:20: “Izay miara-dia amin’ny hendry dia ho hendry; fa izay misakaiza amin’ny adala dia hidiran-doza”. Noho ny antony tsara àry, dia hoy ny Tenin’ Andriamanitra: “Aza ny ratsy no alain-tahaka, fa ny tsara. Izay manao ny tsara no avy amin’Andriamanitra; fa izay manao ny ratsy tsy mba nahita an’Andriamanitra”. — 3 Jaona 11.

2. Iza no tokony hotahafintsika, ary amin’ny fomba ahoana?

2 Manana ohatra tsara dia tsara ao amin’ny Baiboly ny amin’ny lehilahy sy vehivavy maro izay azontsika tahafina isika. (1 Korintiana 4:16; 11:1; Filipiana 3:17). Kanefa ilay lehibe indrindra tokony hotahafintsika dia Andriamanitra. Ao amin’ny Efesiana 4:31–5:2, rehefa avy nanamarika toetra sy fanao izay tokony hohalavirintsika ny apostoly Paoly, dia nampirisika antsika “hifampiantra sy hifamela heloka”. Izany dia mitarika antsika ho amin’ilay fampirisihana fototra hoe: “Koa amin’izany dia aoka hanahaka an’Andriamanitra hianareo tahaka ny zanaka malala; ary mandehana amin’ny fitiavana”.

3, 4. Inona no filazalazana ny amin’ny tenany nomen’Andriamanitra, ary nahoana isika no tokony haneho fiheverana ny maha-Andriamanitra tia ny rariny azy?

3 Inona àry ireo fomba sy toetran’Andriamanitra izay tokony hotahafintsika? Misy lafiny maro ny toetra maha-izy azy sy ny asany, araka izay mety ho hita avy amin’ny fomba nilazalazany ny tenany tamin’i Mosesy hoe: “Jehovah, Andriamanitra mamindra fo sy miantra, mahari-po sady be famindrampo sy fahamarinana, mitahiry famindrampo ho an’ny olona arivo mandimby, mamela heloka sy fahadisoana ary fahotana, kanefa tsy mety manamarina ny meloka, fa mamaly ny heloky ny ray amin’ny zanaka sy ny zafy hatramin’ny zafiafy sy ny zafindohalika”. — Eksodosy 34:6, 7.

4 Koa satria “tia fahamarinana sy rariny” i Jehovah, dia tokony hanjary hahafantatra sy hanahaka io lafiny amin’ny toetra maha-izy azy io amin’ny fomba hentitra isika. (Salamo 33:5; 37:28). Izy no ilay Mpamorona, ary koa Mpitsara tampony sy Mpanome lalàna ny taranak’olombelona, koa ampihariny amin’ny rehetra ny rariny. (Isaia 33:22). Izany dia aseho mazava tsara eo amin’ny fomba nitakiany ny rariny sy nanaovany izay hanatanterahana izany teo amin’ny Isiraely vahoakany, ary tatỳ aoriana kokoa, tao amin’ny kongregasiona kristiana.

Ampiharina ny rariny araka an’Andriamanitra

5, 6. Ahoana no nihariharian’ny rariny teo amin’ny fifandraisan’Andriamanitra tamin’ny Isiraely?

5 Rehefa nifidy ny Isiraely ho vahoakany Andriamanitra, dia nanontany azy raha ‘hihaino ny feony tokoa izy ireo ka hitandrina ny fanekeny’. Vory teo am-pototry ny tendrombohitra Sinay izy ireo raha namaly hoe: “Izay teny rehetra nolazain’i Jehovah dia hataonay”. (Eksodosy 19:3-8). Andraikitra lehibe toy inona moa izany! Tamin’ny alalan’anjely, Andriamanitra dia nanome lalàna 600 teo ho eo ho an’ny Isiraelita izay nanana andraikitra hitandrina izany tamin’ny naha-vahoaka nanolo-tena ho azy. Ary raha nisy tsy nanao toy izany? Nanazava toy izao ny manam-pahaizana iray momba ny Lalàn’Andriamanitra: “Mafy ny teny izay nampilazaina ny anjely, ka samy voavaly marina [mifanaraka amin’ny rariny, MN] avokoa ny fahadisoana rehetra mbamin’ny fahotana”. — Hebreo 2:2.

6 Eny, ny Isiraelita iray izay tsy nankatò dia niatrika ‘famaliana mifanaraka amin’ny rariny’, tsy rariny misy tsininy avy amin’olombelona akory, fa rariny avy amin’ny Mpamorona antsika. Namoaka sazy isan-karazany noho ny fandikan-dalàna Andriamanitra. Ny sazy lehibe indrindra dia ny ‘famongorana’, na famonoana ho faty. Izany dia nihatra tamin’ny fandikana lehibe toy ny fanompoan-tsampy, ny fanitsakitsaham-bady, ny fandriana amin’ny havana akaiky, ny fandriana amin’ny biby, ny sodomia, ny fanaovana sorona zaza, ny famonoana olona, ary ny fampiasana ny ra amin’ny fomba ratsy. (Levitikosy 17:14; 18:6-17, 21-29). Ambonin’izany, ny Isiraelita rehetra izay nandika lalàn’Andriamanitra an-tsitrapo tsy nisy fibebahana dia azo ‘nofongorana’. (Nomery 4:15, 18; 15:30, 31). Rehefa notanterahina io rariny araka an’Andriamanitra io, ny vokany dia nety ho tsapa tsara teo amin’ireo taranak’ilay mpanao ratsy.

7. Inona no vokatra sasany avy tamin’ny fampiharana ny rariny teo amin’ny vahoakan’Andriamanitra fahiny?

7 Nanamafy ny maha-lehibe ny fandikana ny lalàn’Andriamanitra ny sazy toy izany. Ohatra, raha nanjary mpimamo sy tenda an-kanina ny zanakalahy iray, dia tsy maintsy nentina teo anatrehan’ny mpitsara matotra. Raha hitan’izy ireo fa mpanao ratsy an-tsitrapo tsy nibebaka izy, dia tsy maintsy nandray anjara tamin’ny famonoana ho faty notakin’ny rariny ireo ray aman-dreniny. (Deoteronomia 21:18-21). Isika izay ray aman-dreny dia afaka mahazo an-tsaina fa tsy mora ny manao izany. Fantatr’Andriamanitra anefa fa nilaina izany mba tsy hihanahan’ny faharatsiana teo amin’ireo mpivavaka marina. (Ezekiela 33:17-19). Izany dia nalamin’Ilay azo natao ny nilaza ny aminy hoe: “Ny lalany rehetra dia amin’ny rariny avokoa. Andriamanitra mahatoky Izy, ka tsy misy ratsy [tsy rariny, MN] ao aminy; marina sy mahitsy Izy”. — Deoteronomia 32:4.

8. Tamin’ny ahoana ny rariny no nanamarika ny fifandraisan’Andriamanitra tamin’ny kongregasiona kristiana?

8 Rehefa afaka taonjato maro, dia nanda ny firenen’Isiraely Andriamanitra ary nifidy ny kongregasiona kristiana. Tsy niova anefa i Jehovah. Mbola nitana ny rariny ihany izy, ary azo nolazalazaina ho toy ny “afo mandevona” izy. (Hebreo 12:29; Lioka 18:7, 8). Noho izany dia nanohy nandray fepetra izy mba hampidirana tsikelikely tahotra araka an’Andriamanitra tao amin’ny kongregasiona iray manontolo tamin’ny fandroahana ireo mpanao ratsy. Tsy maintsy noroahina ny kristiana nanolo-tena izay nanjary mpanao ratsy tsy nibebaka.

9. Inona no atao hoe fandroahana, ary manatanteraka inona izy io?

9 Inona no tafiditra amin’ny fandroahana? Mahita fianarana misy ohatra azo tsapain-tanana isika amin’ny fomba nandaminana zava-nanahirana iray tamin’ny taonjato voalohany. Nisy kristiana iray tany Korinto latsaka tao anatin’ny fahalotoam-pitondrantena niaraka tamin’ny vadin-drainy ary tsy nibebaka, koa nandidy ny handroahana azy avy tamin’izany kongregasiona izany i Paoly. Tsy maintsy natao izany mba hiarovana ny fahadiovan’ny vahoakan’Andriamanitra, satria “ny masirasira kely dia mahazo ny vongana rehetra”. Ny fandroahana azy dia ho nisakana ny faharatsiany tsy hitondra fanalam-baraka an’Andriamanitra sy ny vahoakany. Ny fifehezana hentitra tamin’ny naha-voaroaka azy dia nety ho nandona mafy ny sainy ary nampiditra tao aminy sy tao amin’ny kongregasiona ny tahotra mendrika an’Andriamanitra. — 1 Korintiana 5:1-13; ampitahao amin’ny Deoteronomia 17:2, 12, 13.

10. Ahoana no tsy maintsy ho fihetsiky ny mpanompon’Andriamanitra rehefa misy olona iray voaroaka?

10 Ny didin’Andriamanitra dia hoe: raha misy ratsy fanahy voaroaka, ireo kristiana dia tsy maintsy mitsahatra ‘tsy miharoharo aminy (...), tsy hiara-mihinana akory amin’ny toy izany’.a Amin’izay izy dia ho tafasaraka amin’ny fiarahana, tafiditra amin’izany ny fifandraisana manokana amin’ireo tsy mivadika izay manaja sy maniry handeha mifanaraka amin’ny lalàn’Andriamanitra. Mety ho havana ivelan’ny fianakaviana akaiky ny sasany, tsy anisan’ny ankohonana. Mety ho mafy ho an’ireo havana ny hampihatra an’io toromarik’Andriamanitra io, tahaka ny tsy naha-mora ho an’ireo ray aman-dreny hebreo teo ambanin’ny Lalàn’i Mosesy ny nandray anjara tamin’ny famonoana ho faty ny zanakalahy ratsy fanahy iray. Kanefa dia mazava ny didin’Andriamanitra; araka izany, dia afaka mahazo antoka isika fa ara-drariny ny fandroahana. — 1 Korintiana 5:1, 6-8, 11; Titosy 3:10, 11; 2 Jaona 9-11; jereo Ny Tilikambo Fiambenana 1 Aprily 1982, pejy faha-24-30; 15 Jolay 1988, pejy faha-28-31.

11. Ahoana no nahafahan’ny lafiny isan-karazany amin’ny toetra maha-izy an’Andriamanitra hanjary hiharihary amin’ny fandroahana?

11 Tsarovy, anefa, fa tsy hoe tia ny rariny fotsiny ny Andriamanitsika; “be famindrampo, mamela heloka sy fahadisoana” koa izy. (Nomery 14:18). Manazava ny Teniny fa afaka mibebaka sy mitady ny famelan’Andriamanitra ny voaroaka iray. Avy eo dia ahoana? Afaka mihaona aminy ny mpiandraikitra ampy fanandraman-javatra, mba hamaritana amim-bavaka sy amim-pitandremana raha manome porofon’ny fibebahana tamin’ilay fanao ratsy nitarika ny fandroahana azy izy. (Ampitahao amin’ny Asan’ny apostoly 26:20.) Raha izany no izy, dia azo raisina indray ao amin’ny kongregasiona izy, araka ny asehon’ny 2 Korintiana 2:6-11 fa nitranga tamin’ilay lehilahy tany Korinto. Misy anefa voaroaka sasany any ivelan’ny kongregasionan’Andriamanitra hatramin’ny taona maro, koa moa ve misy azo atao mba hanampiana azy ireo hahita ny lalana miverina?

Rariny mifandanja amin’ny famindrampo

12, 13. Nahoana ny fanahafantsika an’Andriamanitra no tokony hahatafiditra zavatra bebe kokoa noho ny fanomezana taratry ny rariny?

12 Izay voalaza teo, dia nifandray voalohany indrindra tamin’ny lafiny iray amin’ny toetran’Andriamanitra voalaza ao amin’ny Eksodosy 34:6, 7. Ireo andininy ireo anefa, dia mampisongadina zavatra bebe kokoa noho ny rariny ananan’Andriamanitra, ary izay ta hanahaka azy dia tsy hifantoka fotsiny amin’ny fampiharana ny rariny. Raha manamboatra sary kely maka tahaka ny tempoly naorin’i Solomona ianao, moa ve ianao tsy handinika afa-tsy ny iray amin’ireo andry eo aminy? (1 Mpanjaka 7:15-22). Tsia, satria izany dia tsy hanome anao velively sary voalanjalanja ny amin’ny toetra sy ny anjara asan’ilay tempoly. Toy izany koa, raha maniry hanahaka an’Andriamanitra isika, dia mila maka tahaka koa ireo fombany sy toetrany hafa toy ny maha-‘mamindra fo sy miantra azy, mahari-po sady be famindrampo sy fahamarinana, mitahiry famindrampo ho an’ny olona arivo mandimby, mamela heloka’.

13 Toetran’Andriamanitra tena lehibe ny famindrampo sy ny famelan-keloka, araka ny hitantsika avy amin’ny fomba nifampiraharahany tamin’ny Isiraely. Tsy nanafaka azy ireo tamin’ny sazy noho ny fahadisoana niverimberina ilay Andriamanitry ny rariny, kanefa naneho famindrampo sy famelan-keloka malalaka taminy izy. “Nampahafantatra an’i Mosesy ny làlan-kalehany Izy; ny Zanak’Isiraely nampahafantariny ny asany. Mamindra fo sy miantra Jehovah, mahari-po sady be famindrampo. Tsy mandaha-teny mandrakariva Izy, na mitahiry fahatezerana mandrakizay”. (Salamo 103:7-9; 106:43-46). Eny, ny fandinihana ny lasa teo amin’ny fifampiraharahana nataony nandritra ny an-jatony taona maro, dia manaporofo fa marina ireo teny ireo. — Salamo 86:15; 145:8, 9; Mika 7:18, 19.

14. Ahoana no nanehoan’i Jesosy fa nanahaka ny famindrampon’Andriamanitra izy?

14 Koa satria i Jesosy Kristy dia “famirapiratan’ny voninahiny [ny an’Andriamanitra] sy endriky ny tenany indrindra”, dia tokony hanampo ny hanehoany famindrampo sy fahavononana hamela heloka mitovy amin’izany isika. (Hebreo 1:3). Nanao izany izy, araka ny asehon’izay nataony tamin’ny hafa. (Matio 20:30-34). Nanantitrantitra ny amin’ny famindrampo koa izy tamin’ny teniny izay vakintsika ao amin’ny Lioka toko faha-15. Ny fanoharana telo ao, dia manaporofo fa nanahaka an’i Jehovah i Jesosy, ary nanome fianarana lehibe ho antsika izy ireo.

Fiahiana izay very

15, 16. Inona no nanosika an’i Jesosy hanome ireo fanoharana ao amin’ny Lioka 15?

15 Ireo fanoharana ireo dia porofon’ny fanehoan’Andriamanitra fiheverana feno famindrampo ny mpanota, mampiseho amintsika sary mirindra hotahafina. Hevero ny toe-javatra nanodidina ireo fanoharana: “Ary ny mpamory hetra rehetra sy ny mpanota nanatona hihaino an’i Jesosy. Dia nimonomonona ny Fariseo sy ny mpanora-dalàna ka nanao hoe: Ilehity mandray ny mpanota ka miara-mihinana aminy”. — Lioka 15:1, 2.

16 Ny olona rehetra voakasika dia Jiosy. Ireo Fariseo sy mpanora-dalàna dia nirehareha noho izay noheveriny ho fanarahana tamin’ny antsipiriany ny Lalàn’i Mosesy, karazana fahamarinana araka ny lalàna. Andriamanitra anefa tsy manaiky ny fanambarana tena ho marina toy izany. (Lioka 16:15). Miharihary fa ireo mpamory hetra voalaza dia Jiosy izay namory hetra ho an’i Roma. Koa satria maro no nitaky vola tafahoatra tamin’ny Jiosy nitovy taminy, dia antokon’olona nohamavoina ny mpamory hetra. (Lioka 19:2, 8). Izy ireo dia nalahatra niaraka tamin’ny “mpanota” izay nahatafiditra olona naloto fitondrantena, mpivaro-tena mihitsy aza. (Lioka 5:27-32; Matio 21:32). Nanontany ireo filoha ara-pivavahana nitaraina anefa i Jesosy hoe:

17. Inona ilay fanoharana voalohany nataon’i Jesosy ao amin’ny Lioka toko faha-15?

17 “Iza moa no olona aminareo, izay manana ondry zato, ka very ny anankiray, no tsy mandao ny sivy amby sivi-folo any an-efitra ka mandeha hitady ilay very mandra-pahitany azy? ary rehefa hitany iny, dia ataony eo an-tsorony, ka dia faly izy; ary rehefa tonga ao an-trano izy, dia mamory ny sakaizany sy ny namany ka manao aminy hoe: Avia hiara-mifaly amiko; fa efa hitako ilay ondriko very. Lazaiko aminareo fa hisy fifaliana toy izany any an-danitra ny amin’ny mpanota iray izay mibebaka noho ny amin’ny olona marina sivy amby sivi-folo, izay tsy misy tokony hibebahany”. Afaka nahatakatra ilay fanoharana ireo filoham-pivavahana, satria fahita andavanandro ny ondry sy ny mpiandry ondry. Tsy isalasalana fa namela ny ondry 99 hiraoka ahitra teo amin’ny kijana nahazatra ilay mpiandry ondry raha mbola nandeha nikaroka ny very iray. Naharitra mandra-pahitany azy izy ka nitondra tamim-pitiavana ilay ondry raiki-tahotra tany amin’ilay andiany. — Lioka 15:4-7.

18. Araka ny asongadina ao amin’ny fanoharana faharoa nataon’i Jesosy ao amin’ny Lioka toko faha-15, inona no niteraka fifaliana?

18 Nanampy fanoharana faharoa i Jesosy: “Ary iza moa no vehivavy manana farantsakely folo, ka very ny anankiray, no tsy mampirehitra jiro ka mifafa trano sy mitady fatratra mandra-pahitany azy? Ary raha hitany iny, dia mamory ny vehivavy sakaizany sy ny namany izy ka manao hoe: Avia hiara-mifaly amiko; fa efa hitako ny farantsakely izay very. Lazaiko aminareo fa misy fifaliana toy izany eo anatrehan’ny anjelin’Andriamanitra ny amin’ny mpanota iray izay mibebaka”. (Lioka 15:8-10). Ny farantsakely dia saiky mitovy vidy amin’ny karaman’ny mpiasa mafy iray indray andro. Mety ho lova ny vola madinik’ilay vehivavy, na anisan’ny fitambaran-javatra amina firavaka. Rehefa very ilay izy, dia nikaroka mafy izy mba hahita ilay vola madinika, ary avy eo dia nifaly izy sy ireo vehivavy namany. Inona no ambaran’izany amintsika mikasika an’Andriamanitra?

Fifaliana any an-danitra — Ny amin’inona?

19, 20. Mikasika an’iza voalohany indrindra ireo fanoharana roa voalohany nataon’i Jesosy ao amin’ny Lioka toko faha-15, ary hevi-dehibe inona no antitranterin’izy ireo?

19 Ireo fanoharana roa ireo dia valin’ny fanakianana an’i Jesosy izay nanondro ny tenany, volana vitsivitsy talohan’izay, ho “Mpiandry tsara” izay manolotra ny ainy ho an’ny ondriny. (Jaona 10:11-15). Na dia izany aza, dia tsy nahakasika an’i Jesosy voalohany indrindra akory ireo fanoharana. Ny lesona nilain’ny mpanora-dalàna sy ny Fariseo hianarana dia nifantoka tamin’ny fihetsika sy ny fomban’Andriamanitra. Araka izany, dia nilaza i Jesosy fa misy fifaliana any an-danitra noho ny mpanota iray mibebaka. Nihambo ho nanompo an’i Jehovah ireo mpitondra fivavahana ireo, kanefa tsy nanahaka azy. Ny fomban’i Jesosy feno famindrampo etsy an-daniny, dia nampiseho ny sitrapon’ny Rainy. — Lioka 18:10-14; Jaona 8:28, 29; 12:47-50; 14:7-11.

20 Raha toa ka antom-pifaliana ny iray tao anatin’ny zato, dia mbola be kokoa noho izany ny amin’ny vola madinika iray tao anatin’ny folo. Na dia amin’izao andro izao aza isika dia afaka mahatsapa ny fihetseham-pon’ilay vehivavy nahita ilay vola madinika! Eto koa, dia mifantoka amin’ny lanitra ny lesona, amin’ny hoe “ny anjelin’Andriamanitra” dia mifaly miaraka amin’i Jehovah “ny amin’ny mpanota iray izay mibebaka”. Mariho ilay teny farany hoe “mibebaka”. Mikasika ny mpanota izay mibebaka marina tokoa ireo fanoharana ireo. Ary afaka mahita ianao fa izy ireo dia samy manamafy ny maha-mety ny hananana fifaliana amin’ny fibebahan’izy ireny.

21. Lesona inona no tokony hianarantsika avy amin’ireo fanoharana nataon’i Jesosy ao amin’ny Lioka toko faha-15?

21 Ireo filoha ara-pivavahana diso lalana ireo izay nahatsiaro ho afa-po tamin’ny tenany noho ny fanarahany ivelany fotsiny ny Lalàna dia tsy nahatsapa fa “mamindra fo sy miantra (...) mamela heloka sy fahadisoana ary fahotana” Andriamanitra. (Eksodosy 34:6, 7). Raha mba nanahaka an’io lafin’ny fomba sy toetra maha-izy an’Andriamanitra io izy ireo, dia ho nankasitraka ny famindrampon’i Jesosy tamin’ireo mpanota nibebaka. Ahoana ny amintsika? Moa ve isika mandray am-po ilay lesona ka mampihatra azy? Mariho àry ny fanoharana fahatelo nataon’i Jesosy.

Fibebahana ary famindrampo miasa

22. Lazao fohifohy ilay fanoharana fahatelo nomen’i Jesosy ao amin’ny Lioka toko faha-15.

22 Antsoina matetika izy io hoe fanoharana ny amin’ilay zanaka adala. Kanefa, amin’ny famakiana azy, dia mety hahatakatra ny antony iheveran’ny sasany azy ho ny fanoharana ny amin’ny fitiavan’ny ray ianao. Izy io dia miresaka ny amin’ny faralahy tao amin’ny fianakaviana iray izay nahazo ny lovany avy amin’ny rainy. (Ampitahao amin’ny Deoteronomia 21:17.) Nandeha tany an-tany lavitra io zanaka io, ka tany, dia nandany tamin-kadalana ny zava-drehetra tamin’ny fanaranam-po tamin’ny ratsy, voatery nanao ny asa fiandrasan-kisoa, ary tonga hatramin’ny faniriana fatratra ny hanin-kisoa mihitsy aza izy. Nody ny sainy tamin’ny farany, ary nanapa-kevitra ny hody izy, na dia hiasa ho an-drainy toy ny mpikarama fotsiny aza. Raha nanakaiky ny trano izy, dia nanao dingana hitondra voka-tsoa ny rainy tamin’ny fitsenana azy, tamin’ny fanaovana sakafo be mihitsy aza. Ilay lahimatoa izay nijanona niasa tao an-trano, dia tezitra noho ny famindrampo naseho. Nilaza anefa ilay ray fa tokony hifaly izy ireo satria ilay zanaka efa maty, dia velona izao. — Lioka 15:11-32.

23. Tokony hianatra inona avy amin’ilay fanoharana ny amin’ny zanaka adala isika?

23 Ny mpanora-dalàna sy ny Fariseo sasany dia nety ho nihevitra fa noharina tamin’ilay lahimatoa izy ireo, nifanohitra tamin’ireo mpanota toy ilay zandriny. Azon’izy ireo ve anefa ny hevi-dehibe tamin’ilay fanoharana? Ary isika? Izy io dia mampisongadina toetra miavaka iray ananan’ny Raintsika be famindrampo any an-danitra, dia ny fahavononany hamela heloka miorina amin’ny fibebahana sy fiovana amim-pahatsoran’ny mpanota iray. Izany dia tokony hanosika ny mpihaino mba handray amim-pifaliana ny fanavotana mpanota nibebaka. Izany ankehitriny no fomba fijerin’Andriamanitra toe-javatra sy fomba fiasany, ary manao toy izany koa izay manahaka azy. — Isaia 1:16, 17; 55:6, 7.

24, 25. Fomban’Andriamanitra inona no tokony hotadiavintsika hotahafina?

24 Mazava fa manamarika ny fomban’Andriamanitra rehetra ny rariny, koa ireo maniry ny hanahaka an’i Jehovah dia mandala sy mikatsaka ny rariny. Na dia izany aza, dia tsy atosiky ny fanaovana ny rariny amin’ny ankapobeny sy amin’ny fomba henjana fotsiny ilay Andriamanitsika. Lehibe ny famindrampony sy ny fitiavany. Asehony izany amin’ny fahavononana hamela heloka miorina amin’ny fibebahana marina. Mety àry ny nampifamatoran’i Paoly ny famelantsika heloka amin’ny fanahafana an’Andriamanitra: “[Aoka] hifamela heloka [hianareo], tahaka ny namelan’Andriamanitra ny helokareo ao amin’i Kristy. Koa amin’izany [noho izany, MN], dia aoka hanahaka an’Andriamanitra hianareo tahaka ny zanaka malala ary mandehana amin’ny fitiavana”. — Efesiana 4:32–5:2.

25 Ny kristiana marina dia niezaka hatramin’ny ela ny haka tahaka ny rariny ary koa ny famindrampo sy ny fahavononan’i Jehovah hamela heloka. Arakaraka ny hahafantarantsika azy, no tokony hahamora kokoa ho antsika ny hanahafana azy amin’ireo lafiny ireo. Ahoana anefa no ahafantsika mampihatra izany amin’ny olona iray izay nahazo fifehezana henjana ara-drariny noho izy nanaraka ny lalan’ny ota? Aoka hojerentsika.

[Fanamarihana ambany pejy]

a “Ny fanonganana amin’ny heviny ankapobeny indrindra, dia asa iniana ataon’ny antokon’olona iray tsy hanomezana ny tombontsoa maha-anisan’ny mpikambana ho an’ireo izay mpikambana tsara laza taloha (...) Ny fanonganana, tao amin’ny vanim-potoana kristiana, dia nanjary nanondroana asa fandroahana izay tsy nanomezan’ny fitambaran’olona ara-pivavahana ny sakramenta sy ny fanompoam-pivavahana miaraka amin’ny fiangonana, ary izay mety ho karazana fifandraisana ara-tsôsialy ho an’ireo mpandika lalàna.” — The International Standard Bible Encyclopedia.

Inona no nianaranao?

◻ Ahoana no nisehoan’ny rariny ananan’Andriamanitra tao amin’ny kongregasionan’ny Isiraely sy tao amin’ny kongregasiona kristiana?

◻ Nahoana isika no tokony hanahaka ny famindrampon’Andriamanitra, ho fanampin’ny rariny?

◻ Inona no nahatonga ireo fanoharana telo ao amin’ny Lioka toko faha-15, ary lesona inona no tokony hampianarin’izy ireo antsika?

[Sary, pejy 16, 17]

Lemak’i er-Raha alohan’ny Tendrombohitra Sinay (erỳ aoriana ankavia)

[Sary nahazoan-dalana]

Pictorial Archive (Near Eastern History) Est.

[Sary nahazoan-dalana, pejy 15]

Garo Nalbandian

[Sary nahazoan-dalana, pejy 18]

Garo Nalbandian

    Fitehirizam-boky Malagasy (1965-2025)
    Hiala
    Hiditra
    • Malagasy
    • Hizara
    • Firafitra
    • Copyright © 2025 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
    • Fifanekena
    • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
    • Firafitry ny Fifanekena
    • JW.ORG
    • Hiditra
    Hizara