‘Tsy nanadino na oviana na oviana ny andron’i Jehovah aho’
NOTANTARAIN’I LYLE REUSCH
HATRAMIN’IZAY nahatsiarovako saina, ny fiainam-pianakavianay dia niompana tamin’ny finoana mafy ilay tontolo vaovao hanjakan’ny fahamarinana ho avy. Ny raiko sy ny reniko dia namaky avy tao amin’ny Baiboly ho anay ankizy ny amin’ny ‘lanitra vaovao sy tany vaovao’ ary ny amin’ny ‘ombivavy sy ny bera hiara-komana, ny liona hihina-mololo tahaka ny omby, ary zazakely no hiraoka azy.’ Nataony toy ny tena misy izany, ary naka sary an-tsaina ny tenako ho ilay zazakely aho. — 2 Petera 3:11-13; Isaia 11:6-9.
Tamin’ireo taona 1890, i August Reusch, raibeko, dia nianatra ireo fahamarinana fototra ao amin’ny Baiboly tamin’ny alalan’ny fifanoratana tamin’i Charles T. Russell. Nitory tamin’ny fomba niitatra izy tao an-tranony sy tamin’ny nanodidina azy, izay tany avaratra andrefan’ny faritanin’i Kanada, dia Yorkton ankehitriny, any Saskatchewa. Namerimberina niteny ireo zanany lahy toy izao foana izy: “Miomàna ianareo, rankizy, hiatrika ny 1914!” Nameno fahatsapana fahadodonana tao amin’ny raiko ny finoana fa antomotra ny andron’i Jehovah, hany ka nitohy nandritra ny androm-piainany izany ary noraisiko ho fomba fiaina.
Ohatra tsara teo amin’ny fandraisam-bahiny i Dada sy i Neny. Nisy antoko-mpianatra ny Baiboly avy any Saskatoon, any Saskatchewan, Fiangonan’ny Mpianatra ny Baiboly, nivory tsy tapaka tao an-tranonay. Nilasy matetika tao aminay ireo mpanompo mpitety faritany (nantsoina hoe mpivahiny). Nandray soa ara-panahy izahay sy i Verne rahalahiko ary i Vera anabaviko. Tao lalandava ny fahatsapana ny maha-tena izy ny hafatra momba ilay Fanjakana sy ny ilàna maika dia maika ny hiresahana izany amin’ny hafa. (Matio 24:14). Tsy nahatakatra akory aho hoe izaho ity ange ka handany ny ampahany lehibe indrindra amin’ny fiainako amin’ny fanohizana ny asan’ireny mpivahiny ireny, amin’ny fanompoana amin’ny maha-mpiandraikitra mpitety faritany ao amin’ny Vavolombelon’i Jehovah, mandritra ireo taona ho avy.
Tamin’ny 1927 i Dada dia nitondra ny fianakaviana nifindra ho any Berkeley, any Kalifornia. Avy eo, nandritra ny fotoana nahalasan-davitra ny fitotongan’ny toe-karena tamin’ny 1933, dia nahazo diplaoma avy tao amin’ny lise aho. Nihevitra ny tenanay ho nambinina izahay sy i Verne rahalahiko tamin’ny nahazoana asa tao amin’ny orinasa Ford Motor Company tany Richmond, any Kalifornia. Indray andron’ny lohataonan’ny 1935, anefa, dia nieritreritra aho hoe: ‘Raha samy tsy maintsy miasa mafy ihany, dia aleoko miasa mafy ho amin’ny zavatra mendrika ny hanaovana toy izany.’ Ny androtr’io ihany aho dia nametraka ny fialako, ary ny ampitso dia nanoratra fangatahana hanompo tao amin’ny Betela, ny foibe maneran-tanin’ny Vavolombelon’i Jehovah, any Brooklyn, New York. Rehefa avy nanatrika ilay fivoriambe nampientam-po tany Washington, D. C., aho tamin’ny Jona 1935, dia nekena hiasa tao amin’ny Betela.
Ny asan’ny Betela
I Nathan Knorr, mpitantan-draharaha tao amin’ny fanaovam-pirinty, dia nametraka ahy hiasa tao amin’ny fiandraiketana ny fitaovana. Niedinedina erỳ aho tamin’izay. Noho izaho vao tovolahikely 20 taona dia nihevitra ahy ho tena zavatra aho. Afaka nivezivezy tamin-kalalahana tao amin’ny toeram-piasana aho, ary tsy nisy nanontany izay asa ataoko ao mihitsy. Nankasitraka ny fomba fiasako ny rahalahy Knorr, nefa nahatsikaritra zava-nanahirana momba ny fihetsika izy. Naharitra niezaka namolavola ahy izy mba hahafahako hamboly fanetren-tena.
Afaka fotoana vitsivitsy anefa vao takatro fa tena niezaka nanampy ahy ny rahalahy Knorr. Niala tsiny noho ny fihetsiko àry aho, ary nampahafantatra ny fahavononako hihatsara. Izay no fiandohan’ny fifandraisana naharitra sady nafana tamin’ny rahalahy Knorr, izay tonga prezidà fahatelon’ny Fikambanana Watch Tower tamin’ny Janoary 1942.
Ankoatra ny fanaovana ny asa fiandraiketana, dia nianatra nampiasa ny ankamaroan’ireo milina tao amin’ny fanambarana boky aho, na nanampy tamin’izany. Tamin’ny farany aho, dia nanao asa birao, nanao asa fanoratana sy fandefasana entana nohafarana tao amin’ny fanontam-pirinty. Tena be asa indrindra sady fotoana nampihetsiketsika ny lohataona sy ny fahavaratra tamin’ny taona 1943. Teo antenatenan’ny Ady lehibe faharoa izao tontolo izao, ary niaritra famelezana sy fisamborana ary sazy an-tranomaizina noho izao karazana fiampangana tsy ara-drariny rehetra izao ny Vavolombelon’i Jehovah. Tamin’ny 1940, dia namoaka didy ny Fitsarana tampony tany Etazonia fa hotakin’ny sekoly amin’ny mpianatra ny hiarahabany saina. Izany dia nanetsika onjan-kerisetra tao amin’ny 44 tamin’ireo fanjakana 48 nisy tamin’izany. Noroahina avy tany an-tsekoly ireo ankizy Vavolombelona, nosamborina ireo ray aman-dreny, ary nanao izay hialan’ny Vavolombelona tao an-tanàna ny vahoaka. Nisy olona notifirina, ny hafa indray nohosorana tara (goudron) sy nopetahana volom-borona.
Rehefa niverina niady tany amin’ny fitsarana ny Vavolombelon’i Jehovah, dia tonga teo ambony latabatro mba hatao pirinty ilay boky lehibe mikasika ny raharaham-pitsarana voaforona taratasy vita pirinty avy amin’ny fitsarana sy tahirin-taratasy fahazoan-dalana mitondra raharaha any amin’ny fitsarana ary antontan-taratasy nataon’ny fiasana ara-dalàn’ny Fikambanana. Niasa ora maro ivelan’ny ora fiasana avokoa izahay rehetra mba hanatratrarana ny fotoana farany ilàna azy. Ny didy navoakan’ny fitsarana tampony tamin’ny May sy Jona 1943, rehefa notapahina mba hanomezana rariny ny Vavolombelon’i Jehovah ny 12 tamin’ireo raharaha 13 nisy, dia tonga anisan’ireo fitantarana voalahatra ao amin’ny tantara eken’ny lalàna. Velom-pankasitrahana aho nahita nivantana ny fomba nanokafan’i Jehovah ny lalana hiarovana sy hampiorenana ara-dalàna ny vaovao tsara. — Filipiana 1:7.
Ny Sekolin’ny fanompoana teokratika
Tamin’ny lafin-javatra sasany dia tsy ampy fitaovana izahay tamin’izany andro izany mba hanatanterahana ilay asa lehibe voambara mialoha ao amin’ny Matio 24:14, MN, izany hoe ‘ny fitoriana ny vaovao tsaran’ny Fanjakana amin’ny tany onenana manontolo alohan’ny hahatongavan’ny farany’. Ny rahalahy Knorr, tamin’ny naha-prezidàn’ny Fikambanana azy, dia nahita ny ilàna hanaovana fandaharam-pampianarana iray. Niaraka tamin’ireo mpikambana lehilahy hafa tao amin’ny fianakavian’ny Betela, dia nahazo fanasana hisoratra anarana amin’ny “Fianarana mialoha ao amin’ny fanompoana teokratika” aho. Tamin’ny farany izy io dia nivoatra ka tonga Sekolin’ny fanompoana teokratika, izay nampiharina tao amin’ireo kongregasionan’ny Vavolombelon’i Jehovah hatramin’ny 1943.
Nivory tao amin’ny efitrano fivorian’ny fianakavian’ny Betela izahay tamin’ny alatsinainy takarivan’ny 16 Febroary 1942, ary nanome ny toromarika voalohany ho an’ny lahateny ny rahalahy Knorr. “Ireo sora-tanan’ny Baiboly” no foto-kevitra novelabelariny. Ny rahalahy T. J. Sullivan no mpiandraikitra ny sekoly sy nanome anay torohevitra hanampiana anay hihatsara. Rehefa nandeha ny fotoana, dia notolorana io fanendrena ho mpiandraikitra ny sekolin’ny Betela io, izay noraisiko ho toy ny tombontsoa lehibe, aho. Nefa tonga indray tamin’izay ny fotoana fanitsiana.
Nanakiana sy tsy ampy fanajana tafahoatra aho tamin’ny fanomezana torohevitra rahalahy be taona iray, ka niteny tamiko tamim-pahatsorana ny rahalahy Knorr hoe: “Tsy misy olona mankasitraka izany rehefa mampihatra fahefana amin’ny fomba mahatafintohina ianao.” Rehefa nanazava tsara ilay raharaha izy ka nivoaramena noho izany ny sofiko, dia nihanalefaka ny maso manja sady lehiben’ny rahalahy Knorr. Tamin’ny feo feno hatsaram-panahy no namakiany ny Salamo 141:5, manao hoe: “Aoka ny marina hamely ahy; ho halemem-panahy izany: ary aoka izy hiteny ahy mafy; ho diloilo tsara dia tsara tsy hamaky ny lohako izany.” (Dikan-tenin’ny mpanjaka Jacques). Nampiasa an’io andinin-teny io imbetsaka aho rehefa anjarako ny nanome torohevitra fanitsiana ho an’ny hafa.
Talohan’ny nisian’ny Sekolin’ny fanompoana teokratika, dia vitsy taminay no nanana fahafahana hanao lahateny ampahibemaso misimisy. Nony maty ny rahalahy Rutherford dia niezaka mafy ny rahalahy Knorr mba hampitombo ny fahaizany mandahateny. Tao ambonin’ny efitranony mivantana no nisy ny efitranoko tao amin’ny Betela, ka afaka nandre azy nizatra nanao ny lahateniny aho. Imbetsaka ara-bakiteny no namakiany mafy ilay lahateny ampahibemaso hoe “Ny fandriampahalemana — Afaka ny haharitra ve izy io?” talohan’ny nanaovany izany tao amin’ny fivoriambe tao Cleveland tamin’ny 1942.
Nitety faritany
Rehefa avy nanompo 13 taona tao amin’ny Betela aho dia nanendry ahy hanompo teny amin’ny saha fitoriana tamin’ny naha-mpiandraikitra ny distrika, ny rahalahy Knorr. Tamin’izy nanome ahy toromarika tena ilaina amin’ny fanendrena ahy vaovao, dia niteny izy hoe: “Manana ny tombontsoa hahita mivantana ny fomba ifandraisan’i Jehovah amin’ny vahoakany ianao izao, ry Lyle.” Nitadidy izany tao an-tsaina aho, nivimbina valizy roa, ary nanomboka nanao ny asako tamin’ny naha-mpiandraikitra mpitety faritany tamin’ny 15 May 1948. Talohan’ny nanombohako ny asan’ny distrika, dia nanompo tamin’ny naha-mpiandraikitra ny fizaran-tany nandritra ny volana vitsivitsy aho.
Ny fitambaran’olona na kongregasiona voalohany nokarakaraiko, dia iray kely tany ambanivohitra, any Waseca, Minnesota. Nanoratra nialoha tamin’i Dick Cain, namana hiara-hanompo amiko (tamin’ny naha-mpiandraikitra prezidà, araka ny niantsoana azy tamin’izany) aho mba hitsena ahy teny amin’ny fiarandalamby. Mpitory maharitra manokana izy tamin’izany, ary mba hitsitsiana vola, dia nifindra fotsiny avy tao amin’ilay efitrano nohofany nandaniany ny ririnina izy, mba ho ao amin’ny fonenany amin’ny fahavaratra, dia lay iray. Kanefa mbola tsy tena fotoam-pahavaratra akory any Minnesota rehefa volana May! Tamin’io alina io, dia nipararetra tao anaty lay aho, ary niteny anakampo raha ho zatra avy hatrany an’io fomba fiaina io. Tratran’ny sery nahery naharitra herinandro maromaro aho, nefa velona ihany.
Nandritra ireo taona voalohandohany, rehefa nitsidika kongregasiona sy fizaran-tany samy hafa aho, dia nipetraka tany an-tranon’ireo rahalahy ary tsy nitondra valizy. Hitako avokoa izao karazam-pilasiana rehetra izao, anisan’izany ny fatoriana teo amin’ny ngorodon’ny lakozia sy teo amin’ny sezalavan’ny efitrano fandraisam-bahiny ary tao amin’ny efitra mahamay mihiboky ny efitrano mifanolotra amin’ny tafo. Indraindray aho dia nipetraka tamina trano nisy mpikambana tao amin’ny fianakaviana iray nanohitra ny zavatra inoantsika. Nisy lehilahy tsy mpino iray, tany Wisconsin, nivandravandra tamiko nandritra ny herinandro rehefa tonga sy lasa aho. Nony injay izy mamo indray alina nody tao an-trano, ka reko tsy nahy nandrahona fa “handroaka ilay tsy manjary io”, dia nanatsoaka hevitra aho fa tonga ny fotoana tsy maintsy handehanana. Nefa azo lazaina fa maningana ary fanaitairana fotsiny miaraka amin’ny asa nanendrena ahy ny fanandraman-javatra tsy mahafinaritra. Natao ho fihomehezana ireny tatỳ aoriana.
Nahita namana aho
Tsaroako tsara izany. Tao amin’ny fivoriamben’ny fizaran-tany iray tany Tiffin, Ohio, aho dia nahita an’i Leona Ehrman, vehivavy tanora iray sady tsara tarehy no manja maso, avy any Fort Wayne, any Indiana. Nobeazina tao amin’ny finoana kristiana koa izy ary mpitory maharitra nahatoky nandritra ny taona maromaro. Tsy namela hifanerasera ny fandehanana tsy tapaka, nefa nifandray hatrany an-taratasy izahay. Avy eo, tamin’ny 1952, dia nanontany azy aho hoe: “Tianao ve?” ary niteny izy hoe “Eny, tiako!” dia notanterahinay izany. Nivady izahay. Matetika izahay no anontanian’ny olona ny amin’ny antony tsy anorenanay trano sy fianakaviana mihitsy, nefa moa nilaza izahay fa manana fianakaviana, dia rahalahy sy anabavy ary ray sy reny any amin’ireo fanjakana 44 anompoanay. — Marka 10:29, 30.
Nisy nanontany hoe: ‘Mbola tsy reraka mihitsy ve ianareo ary nahatsiaro ho te hiala?’ Eny, mihoatra noho ny indray mandeha. Nefa teo aminay, rehefa mahatsiaro ketraka ny iray dia manohy miaritra ny iray. Indray maka aza aho dia nanoratra tamin’i Verne rahalahiko, nanontany azy raha azo atao ny miasa miaraka aminy ao amin’ny raharaha fanaovana hoso-doko nosahaniny. Nilaza izy fa nanantena an’izany satria nifanakaiky aoka izany izahay rehefa nihalehibe. Kanefa nanoro hevitra ahy izy mba handinika tsara amim-pitandremana ny fanapahan-kevitro. Avy eo aho dia nahatsiaro ireo teny fanaon’ny rahalahy Knorr matetika sy miverimberina amin’ny mpikambana ao amin’ny fianakavian’ny Betela, manao hoe: “Tsy mitaky fiezahana betsaka akory ny fialana, fa mitaky herim-po sy fijoroana kosa ny fifikirana amin’ny asa nanendrena ny tena.” Mbola torohevitra tsara foana izany tamin’izay.
Tsy misy mpiandraikitra mpitety faritany manambady ho afaka ny hifikitra amin’ny asa nanendrena azy raha tsy manana vady mahatoky sy manohana sahala amin’ny nasehon’i Leona tamiko. Ny toetrany feno hafanam-po sy fitiavana ary ny fihetsiny sariaka lalandava any amin’ireo kongregasiona dia nahatonga azy ho mamy hoditra tamin’olona an’arivony maro. Tsy sasatra na oviana na oviana aho ny miteny aminy fa tena tiako tokoa izy. Izany dia azoko antoka fa manampy azy hifikitra koa amin’ilay asa.
Porofon’ny fitahian’i Jehovah
Ny asa voalohany indrindra ataon’ny mpiandraikitra ny distrika dia miompana indrindra amin’ny fivoriamben’ny fizaran-tany, izay anompoany isan-kerinandro amin’ny maha-mpitari-draharaha sy mpanao lahateny ampahibemaso ary mpiandraikitra ny sekoly. Miharihary ny fitahian’i Jehovah an’io fandaharana io raha ny amin’ireo fivoriamben’ny fizaran-tany an-jatony maro niandraiketako, izay tsy nisy na dia iray aza tsy vita. Marina fa voasembantsembana ny sasany nefa tsy nisy na dia iray aza nofoanana.
Tany Wooster, any Ohio, tamin’ny lohataonan’ny 1950, raha nanonona ny hira famaranana ny fotoam-pivoriana ny asabotsy alina aho, dia nisy vahoaka voaforon’ny mpanohitra maherin’ny arivo nitangorona tao ivelan’ilay trano fanaovam-pety nanaovana ilay fivoriambe. Nitondra kesika maro feno lamokan’atody ireo vahoaka mba hitorahana anay rehefa mirava. Nodinihinay àry ny toe-javatra ary nataonay izay hitohizan’ny fandaharana tamin’ny hira sy fitantarana zavatra hita ary lahateny ara-baiboly tsy ara-potoana. Nitoetra ho tony sy nanana faharetana ireo Vavolombelona 800.
Nony tamin’ny roa maraina, dia namirifiry tsy nisy toy izany ny andro. Ary ho toy ny fanomanana ny fivoahana, dia nitondra ny fantson-drano vonjy taitra nivoaka ireo mpandray olona ka nanomboka nanasa ireo atody niparitaka nanenika ny sisin-dalana teo anoloan’ny trano. Nitangorona indray ny vahoaka, ary nandao ny hafanan’ilay fitobian’ny fiarabe teo akaiky teo. Nefa fandrebirebena fotsiny no nataon’ireo mpandray olona fa navoakanay mangingina avy tao amin’ny varavarana an-damosin’ilay trano ny mpanatrika. Tonga soa aman-tsara teny amin’ny fiarany avokoa ny rehetra. Nitranga koa ny fanembantsembanan’ny vahoaka tany amin’ireo fivoriambe hafan’i Ohio, natao tany Canton sy Defiance ary Chillicothe. Nefa nihena ny herisetram-bahoaka nony nanomboka nanan-kery teo amin’ireo mpandika lalàna ny fanapahan-kevitry ny fitsarana tampony tany Etazonia.
Tamin’ny farany, dia nitaky fiovana nilaina ireo zava-manahirana ara-pahasalamana. Teo antenatenan’ireo taona 1970 àry dia nanendry ahy tamin-katsaram-po ny Fikambanana hanompo amin’ny maha-mpiandraikitra ny fizaran-tany tany amin’ny faritra atsimon’i Kalifornia, izay nifanakekezan’ireo kongregasiona sady mora hatonina ireo toerana fikarakarana fahasalamana. Raha mahafaoka fandehanana betsaka kokoa sy fikarakarana ary fiandraiketana fizaran-tany maro be ny asan’ny mpiandraikitra ny distrika, ny asan’ny mpiandraikitra ny fizaran-tany kosa dia mahafaoka fandaminana ireo fivoriamben’ny fizaran-tany sy fanendrena izay handray anjara ary fihainoana ny famerenana tapany amin’ny fandaharana. Ambonin’izany, ireo Sekoly ho an’ny mpitory maharitra dia mila ny halamina sy hokarakaraina. Noho izany, ny asan’ny mpiandraikitra mpitety faritany, na distrika izany na fizaran-tany, dia manontolo andro, ary fomba fiaina andraisana valisoa.
Mbola miandry amim-pahadodonana ny andron’i Jehovah
Hatramin’ny nahatsiarovako saina voalohany indrindra, maherin’ny 70 taona lasa izay, dia nanana fahatsapana fahadodonana mafy mandrakariva aho. Ny andro manarakaraka ny ampitso foana i Haramagedona tamiko. (Apokalypsy 16:14, 16). Sahala amin’ny raiko, sy ny rainy teo alohany, dia niaina ny fiainako araka ny nampirisihan’ny apostoly toy izao aho: “Amin’ny tsy fanadinoana na oviana na oviana ny fahatongavan’ny andron’i Jehovah”. Nahita mandrakariva ilay tontolo vaovao nampanantenaina ho toy ny ‘zavatra tena izy na dia tsy hita aza’ aho. — 2 Petera 3:11, 12, MN; Hebreo 11:1, MN.
Ho tanteraka tsy ho ela io fanantenana naorina tao amiko hatramin’ny fahazazako io. “Ary ny ombivavy sy ny bera hiara-komana”, “ny liona hihina-mololo tahaka ny omby”, ary “zazakely no hiraoka azy”. (Isaia 11:6-9). Ny fampanantenana mampientam-po toy izany dia azo antoka noho ny tenin’i Jesosy nomena an’i Jaona ao amin’ny Apokalypsy 21:5 hoe: “Hoy Ilay mipetraka eo ambonin’ny seza fiandrianana: Indro, havaoziko ny zavatra rehetra. Ary hoy koa Izy: Soraty; fa mahatoky sy marina ireo teny ireo.”