FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • w91 15/10 p. 31
  • Fanontanian’ny mpamaky

Tsy misy video mifandray amin’io.

Miala tsiny fa tsy mety miseho ilay video.

  • Fanontanian’ny mpamaky
  • Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—1991
  • Mitovitovy Aminy
  • “Ho Fahatsiarovana ho Anareo” Izany
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—2013
  • Paska
    Fandalinana ny Soratra Masina, Boky 2
  • Inona moa ny Paska?
    Valin’ireo Fanontaniana Ara-baiboly
  • Fanontanian’ny Mpamaky
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah (Fianarana)—2024
Hijery Hafa
Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—1991
w91 15/10 p. 31

Fanontanian’ny mpamaky

◼ Nahoana moa i Jesosy no nanorina ny Fahatsiarovana, tsy niaraka afa-tsy tamin’ireo apostoly ihany, fa tsy mba tamin’ireo mpianatra hafa hampidirina ao anatin’ny fanekena vaovao?

Io fanontaniana io dia toa miorina amin’ny fiheverana diso fa nivory niaraka tamin’ireo apostoliny i Jesosy tamin’io takariva io mba hanorina ny Sakafo harivan’ny Tompo niaraka tamin’ny kongregasiona kristiana voaforon’ireo voahosotra efa tao anatin’ny fanekena vaovao. Kanefa, tamin’ny 14 Nisana, taona 33 am.fan.ir., dia mbola tsy niforona ny kongregasiona kristiana, ary niara-nivory tamin’ireo apostoliny hankalaza ny Paska jiosy fanao isan-taona i Jesosy.

Mazava ho azy fa nanana mpianatra hafa ankoatra ireo 12 lahy fantatra ho apostoly i Jesosy. Herintaona talohan’ny nahafatesany izy, dia naniraka mpianatra 70 hanao dia fitoriana. Taorian’ny nitsanganany indray dia “niseho tamin’ny rahalahy tsy omby diman-jato Izy”. Ary nisy mpianatra “tokony ho roa-polo amby zato” nivory tamin’ny andro Pentekosta. (1 Korintiana 15:6; Asan’ny apostoly 1:15, 16, 23; Lioka 10:1-24). Nefa aoka hodinihintsika ny amin’ilay antokon’olona niaraka tamin’i Jesosy fony izy nanorina ny fankalazana fanao isan-taona fantatra ho ny Sakafo harivan’ny Tompo.

Mamaritra ilay fotoana ny Lioka 22:7, 8, amin’ny filazana hoe: “Ary tonga ny andro fihinanana ny mofo tsy misy masirasira, dia ilay tsy maintsy hamonoana ny Paska. Ary Jesosy naniraka an’i Petera sy Jaona ka nanao hoe: Mandehana, ka amboary ny Paska hohanintsika.” Mitohy toy izao ilay fitantarana: “Lazao amin’ny tompon-trano hoe: Izao no lazain’ny Mpampianatra aminao: Aiza ny efitrano hiarahako mihinana ny Paska amin’ny mpianatro?” Tamin’io takariva io àry dia niaraka tamin’ireo 12 lahy nanao ny fankalazana jiosy i Jesosy. Hoy izy tamin’izy ireo: “Naniry koa raha naniry Aho hiara-mihinana ity Paska ity aminareo, dieny mbola tsy mijaly Aho.” — Lioka 22:11, 15.

Hatramin’ny nanombohany tany Egypta, dia fankalazana ataon’ny mpianakavy ny Paska. Tamin’izy nanorina ny Paska, dia niteny tamin’i Mosesy i Jehovah fa ondry iray no tsy maintsy hovonoina ho an’ny isan-tokantrano. Raha vitsy loatra ny mpianakavy ka tsy nahalany ondry iray manontolo, dia azo nasaina ny fianakaviana mpifanila trano mba hiara-mihinana ilay sakafo. Araka izany, dia araka ny fandrindran-kevitra, ho an’ny Paska tamin’ny 33 am.fan.ir., raha nivory niaraka tamin’ny fianakaviany manokana, araka ny fanao, ny ankamaroan’ireo mpianatr’i Jesosy mba hihinana izany sakafo izany.

Nefa i Jesosy dia “naniry koa raha naniry” hihinana izay tsy maintsy ho ny Paska ara-dalàna farany, sy ny alina farany nialoha ny hahafatesany, niaraka tamin’ireo mpanara-dia azy akaiky azy indrindra izay niara-dia taminy nandritra ny tapany lehibe tamin’ny fanompoany. Teo am-pifaranan’izany sakafon’ny Paska izany i Jesosy dia niresaka tamin’izy ireo ny amin’ny fankalazana vaovao iray izay tsy maintsy hataon’ny mpanara-dia azy rehetra amin’ny hoavy. Ny divay amin’izany fankalazana kristiana mbola amin’ny hoavy izany dia hampiseho ny ran’ny “fanekena vaovao” izay hisolo ny faneken’ny Lalàna. — Lioka 22:20.

Ny takarivan’ny 14 Nisana, taona 33 am.fan.ir., anefa, dia mbola tsy nanan-kery ny fanekena vaovao, satria mbola tsy natolotra ny fanatitra ara-dalàna, dia i Jesosy. Mbola nanan-kery ny faneken’ny Lalàna. Mbola tsy voahombo tamin’ny hazo izy io. Ankoatra izany, dia tsy hiharihary mandra-pahatongan’ny andro Pentekosta fa nosoloana ny fanekena vaovao sy ny Isiraely ara-panahy ny fanekena taloha sy ny Isiraely ara-nofo. — Galatiana 6:16; Kolosiana 2:14.

Noho izany, dia tsy nisy tao anatin’ny fanekena vaovao na ireo apostoly nahatoky 11 na ny mpianatra hafa na iza na iza tamin’io takariva io. Ary tsy nampiseho tsy fankasitrahana velively ny mpianatra jiosy hafa akory i Jesosy tamin’ny famelana azy ireo hivory niaraka tamin’ny fianakaviany mba hankalaza ny Paska.

    Fitehirizam-boky Malagasy (1965-2025)
    Hiala
    Hiditra
    • Malagasy
    • Hizara
    • Firafitra
    • Copyright © 2025 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
    • Fifanekena
    • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
    • Firafitry ny Fifanekena
    • JW.ORG
    • Hiditra
    Hizara