FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • w92 15/1 p. 28-30
  • Fanoharana: Fanalahidy mba Hanohinana ny Fo

Tsy misy video mifandray amin’io.

Miala tsiny fa tsy mety miseho ilay video.

  • Fanoharana: Fanalahidy mba Hanohinana ny Fo
  • Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—1992
  • Lohatenikely
  • Mitovitovy Aminy
  • Fanoharana izay mampianatra
  • Ny fomba hahitana fanoharana
  • Ataovy toy ny iainana ny fitantarana ao amin’ny Baiboly
  • “Tsy Niteny Tamin’izy Ireo ... Izy Raha Tsy Tamin’ny Fanoharana”
    “Andao Hanara-dia Ahy”
  • Fanoharana Mifanentana
    Boky ho An’ny Sekolin’ny Fanompoana Teôkratika
  • “Tsy Nisy Nolazainy Taminy, Afa-tsy Tamin’ny Fanoharana”
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—2002
  • Manaova Fanoharana Mandaitra
    Miezaha Hahay Hamaky Teny sy Hampianatra
Hijery Hafa
Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—1992
w92 15/1 p. 28-30

Fanoharana: Fanalahidy mba Hanohinana ny Fo

NANDOSITRA i Davida mba hamonjena ny ainy. I Saoly, mpanjaka voahosotra teo amin’ny Isiraely, no fahavalony. Kanefa lehilahy feno fankahalana an’i Davida i Saoly, ary resin’ny fialonana. Tamin’izany fitadiavany hamono olona izany, dia nitondra miaramila 3 000 niaraka taminy izao ilay mpanjaka. Vitsy lavitra noho ireo i Davida sy ny olony ka niafina tao amin’ny lalina tamin’ny zohy iray tany an’efitra.

Rehefa niara-nitampify tao anatin’ny haizina i Davida sy ireo olony, dia nahagaga fa nanjary niova ny tarehin-javatra. Niditra nankao amin’io zohy io mihitsy i Saoly mpanjaka mba hiavela. Nitsaitsaika nanatona an’ilay fahavalony tsy nanam-piarovana i Davida, nitana fiadiana. Nefa gaga ny olon’i Davida fa tsy namono ilay mpanjaka izy. Nanapaka kely tamin’ny sisin’ny kapaotin’i Saoly fotsiny izy. Na dia izany aza dia nanenenan’i Davida ny nanao azy, ka hoy izy hoe: “Sanatria amiko eo anatrehan’i Jehovah, raha hanao izany zavatra izany amin’ny tompoko izay voahosotr’i Jehovah ka haninjitra ny tànako aminy, fa voahosotr’i Jehovah izy.” — 1 Samoela 24:2-7 [24:1-6, MN].

Io fitantarana ao amin’ny Baiboly io dia mampianatra lesona lalina momba ny fanajana ny fahefana nomen’Andriamanitra. Manohina ny fo koa izy io, ary angamba aza mandaitra kokoa noho ny torohevitra mivantana. Toy izany ny herin’ireo fitantarana voarakitra ao amin’ny Tenin’Andriamanitra ho fianarana ho antsika. — Romana 15:4.

Mifanaraka amin’izany, ny Vavolombelon’i Jehovah dia miezaka hanao mihoatra noho ny fanambarana ny zava-misy fotsiny rehefa mitory ny vaovao tsara izy ireo, na mitarika fampianarana Baiboly any an-tokantrano, na manao lahateny momba ny Soratra masina, na mitory tsy ara-potoana. Miezaka hanohina ny fo izy amin’ny fitantarana zavatra nitranga sy amin’ny fampiasana fanoharana. Manazava toy izao ilay bokin’izy ireo hoe Boky ho an’ny sekolin’ny fanompoana teokratika: “Manaitra ny fahalianana ny fanoharana ary manamafy ireo hevi-dehibe. Manosika hieritreritra izany ary manamora ny fahazoana ireo hevi-baovao. Ny fanoharana tsara fantina dia sady mitaky fahiratan-tsaina no mitaky fihetseham-po. (...) Azo atao indraindray ny mandresy na mialoha fitsarana an-tendrony amin’ny alalan’ny fanoharana iray.”a — Pejy faha-168.

Ao amin’ilay bokiny hoe Essentials of Public Speaking (Ireo zavatra ilaina amin’ny fandaharan-teny ampahibemaso), dia manao fanamarihana toy izao i Warren DuBois: “Aoka ilay mpanoratra na ilay mpandahateny haneho ny heviny amin’ny alalan’ny asa na tenin’olombelona, ary dia hisy aina sy loko ny foto-dresaka tsy mahaliana indrindra.” Araka izany, ny fanampiana aina sy loko ny hafatra iray efa velombelona sady manome fiainana dia azo antoka fa hanampy ny minisitra kristiana hanohina ny fo.

Fanoharana izay mampianatra

Karazana fanoharana inona no misy vokany tsara indrindra? Mazàna, dia izay miorina amin’ny zavatra azon’ny mpihaino ifandraisany mora foana. Nanome ohatra tsara dia tsara momba izany i Jesosy Kristy. Tao amin’ny Toriteniny teo an-tendrombohitra, dia niresaka ny amin’ny zavatra fantatry ny rehetra toy ny sira sy ny jiro ary ny voronkely, izy. (Matio 5:1–7:29). Ohatra, ny rehetra dia nahafantatra ireo jiro narehitra tamin’ny diloilon’oliva izay natao teo ambonin’ny fanaovan-jiro indraindray. Noho izany, dia tsy maintsy nahatakatra tsara ireo mpianatr’i Jesosy fa tokony ho mpitondra fahazavana ara-panahy izy ireo rehefa nilazany hoe: “Tsy misy olona mandrehitra jiro ka mametraka azy ao ambanin’ny vata famarana, fa apetrany eo amin’ny fanaovan-jiro, ka dia mazava amin’izay rehetra ao an-trano izany. Aoka hazava eo imason’ny olona toy izany koa ny fahazavanareo, mba hahitany ny asa soa ataonareo ka hankalazany ny Rainareo Izay any an-danitra.” (Matio 5:15, 16). Ireo fanoharana tsy sarotra mifanentana amin’ny foto-dresaka iray dia hanampy ny minisitra kristiana hanazava hevitra sy ireo fampianaran’ny Baiboly.

Angamba ireo fanoharana mahery indrindra nataon’i Jesosy dia ireo izay niompana tamin’ny olona. Diniho ireo izay voarakitra ao amin’ny Lioka toko faha-15 sy 16. Nanakiana an’i Jesosy ho nandray mpanota sy mpamory hetra ny mpanora-dalàna sy ny Fariseo. Ho valin’izany, dia nanao tantara nampihetsi-po momba ny olona izy. Niresaka ny amin’ny mpiandry ondry iray nahita ny ondriny very izy, ny vehivavy iray nahita indray ny volany very, ny zanakalahy mpandanilany foana iray niverina tany an-tranony, ary ny mpitandrin-draharaha tsy marina iray.

Mety ho tena hanampy ny minisitra kristiana iray ny fanoharana momba ny zava-misy sy ny fanandraman-javatra niainana. Ohatra, mariho ny fomba nanazavan’i Alexander H. Macmillan, nitety tany be dia be tamin’ny naha-mpandahateny ampahibemaso nandritra ny 60 taona, ny amin’ny toetran’ny maty. Fotoana fohy talohan’ny nahafatesan’ny rainy, izay nino fa tsy maty na oviana na oviana ny fanahy, dia nanao resadresaka toy izao taminy i Macmillan:

“Nanontany ahy nivantana toy izao ny raiko: ‘Moa ve aho, anaka, hanirery ao am-pasana eo am-piandrasana ilay fanjakana hanomboka ny asany ho famenoana ny tany amin’ny fahatanterahana?’

“Izany dia fanontaniana tsy ho voavalin’ny tanora iray avy hatrany ho fahafahampon’ny zokiolona iray izay tsy nino izany fomba fihevitra momba ny toetran’ny maty izany mihitsy.

“Namaly aho tamin’ny fanontaniana azy hoe: ‘Natory tsara ve i Dada tamin’ny alina?’

“Namaly izy hoe: “Eny, anaka, natory tsara aho rehefa avy nomen’ny dokotera pilina mampatory.’

“ ‘Nanirery ve ianao tao amin’ny torimasonao?’

“ ‘Tsia, tsy nanirery aho. Raha izao moa aho no afaka hatory foana, satria tsy mandre fanaintainana aho rehefa matory.’ ”

Avy eo i A. H. Macmillan dia namaky tamin’ny rainy ny Joba 14:13-15 sy ny toko faha-3:17-19, ary niteny hoe: “Hitanao àry ry Dada fa ao anatin’ny torimasom-pahafatesana ny maty ary tsy mahalala na inona na inona rehefa ao amin’izany toe-piainana izany, koa ahoana no hahafahany hanirery?”

Fampianarana mandaitra re izany! Raha Vavolombelon’i Jehovah ianao, dia azonao atao koa ny mampiasa andinin-teny sy fanoharana mba hanohinana ny saina sy ny fo.

Ny fomba hahitana fanoharana

Nefa, aiza no mety hahitanao fanoharana na fanandraman-javatra niainana mandaitra? Maro be no mety ho azo avy ao amin’ny rakitry ny fanandraman-javatra hitanao manokana. Ohatra, mila ny mampiseho ireo fitahiana entin’ny finoana, ny herin’ny vavaka na ny fifaliana amin’ny fanompoana, ve ianao? Raha kristiana nanolo-tena ianao, dia azo inoana fa afaka hitantara fitrangan-javatra samihafa teo amin’ny fiainanao manokana. Mety handre fanandraman-javatra tsara dia tsara ianao any amin’ny fivorian’ny kongregasiona, na rehefa miresaka amin’ny kristiana sahala aminao. Na koa, mety hamaky fanandraman-javatra mampahery iray ao amin’ny Annuaire des Témoins de Jéhovah ianao. Raha ny marina, ny Index des publications de la Société Watch Tower dia manome fomba hahitana fanandraman-javatra vita an-tsoratra avy any amin’ny tany rehetra.

Ahoana no ahafahanao mitantara fanandraman-javatra iray amin’ny fomba mandaitra? Voalohany indrindra, ny famoronana fahatsinjovan-javatra mialoha dia manampy anao hitana ny sain’izay mihaino anao. Mety hampiditra fanandraman-javatra iray ianao amin’ny fitenenana hoe: “Ny mpitory maharitra iray dia nianatra nivantana ny amin’ny fomba itahian’i Jehovah ireo izay matoky azy.” Avy hatrany izay mihaino anao dia hanontany tena ny amin’ireo fitahiana azon’ilay mpitory ilay Fanjakana manontolo andro. Ataovy azo antoka fa hilaza azy ireo ianao.

Miezaha hitantara ny fanandraman-javatra iray amin’ny fomba fiteninao manokana. Manomeza antsipiriany satria manampy hery ny tantara iray ny fanaovana toy izany. Amin’ny fanomezana sary mazava mampiseho ireo toe-javatra tafiditra, dia afaka manohina mora foana ireo mihaino anao ianao. Nefa ataovy azo antoka mba tsy ho variana mitantara ianao ka tsy ho takany ny antony itantaranao ilay fanandraman-javatra. Fadio koa ny manitatra, satria na dia mety hahatonga ny tantara iray hahaliana kokoa aza izany, dia mety hampihena ny fahafahana hino izay lazainao. Noho izany antony izany ihany, dia mitandrema mba tsy hilaza tsaho na hitantara fanandraman-javatra tsy azonao hamarinina.

Ataovy toy ny iainana ny fitantarana ao amin’ny Baiboly

Ireo fanandraman-javatra ahitana fianarana indrindra dia hita ao amin’ny Baiboly mihitsy. Ohatra, aoka hatao hoe maniry hampiseho amin’ny mpianatra Baiboly iray na amin’ny mpihaino ianao fa afaka miandany amin’i Jehovah Andriamanitra ny ankizy kely. Mety hanapa-kevitra ianao ny hampiasa ilay fitantarana momba ilay zazavavy tsy fantatra anarana niresaka tamin’ny vadin’i Namana momba an’i Elisa mpaminanin’i Jehovah. Vakio aloha ilay fitantarana ao amin’ny 2 Mpanjaka 5:1-5. Mety hanontany ianao avy eo hoe: “Toy inona, araka ny hevitrao, ny hasarotry ny nitanan’io ankizivavikely io tsy fivadihana tamin’Andriamanitra tao amin’ny tany iray nanjakan’ny fanompoam-pivavahana diso? Moa ve tsy nila herim-po izy mba hiresahana tamin’ny fomba nampiaiky momba an’i Jehovah sy ny mpaminaniny?”

Mety hanampy anao hanao fitantarana velombelona ny fikarohana mialoha. Mety hahita fanazavana manampy ianao eo ambanin’ny lohateny hoe NAAMAN sy SYRIE ary ELISÉE, ao amin’ny Index des publications de la Société Watch Tower. Ireo fakàn-teny ao amin’ny Fandikan-tenin’izao tontolo izao vaovao (anglisy), dia mety hitarika anao avy eo amin’ny fitantarana ao amin’ny 2 Mpanjaka ho any amin’ny Salamo 148:12, 13, izay amakiantsika toy izao: “Na ny zatovolahy, na ny zatovovavy, na ny antitra, na ny tanora, — Samia midera ny anaran’i Jehovah avokoa, fa ny anarany ihany no misandratra; ambonin’ny tany sy ny lanitra ny voninahiny.” Fampaherezana toy inona moa izany ho an’ny tanora mba hiresahana ny tenin’Andriamanitra amim-pahasahiana! — Asan’ny apostoly 4:29-31.

Raha minisitra kristiana ianao, ‘tandremo ny fampianaranao’ amin’io lafiny io. (1 Timoty 4:16). Aza mianina amin’ny filazana ny fahamarinana fotsiny — asehoy an-tsary koa izany. Ataovy velombelona sady misy heviny ireo fitantarana ao amin’ny Baiboly. Mampiasà fanandraman-javatra sy fanoharana mifanentana. Fomba fanohinana ny fo ireo.

[Fanamarihana ambany pejy]

a Navoakan’ny Watchtower Bible and Tract Society of New York, Inc.

[Sary, pejy 29]

Toa an’i Jesosy, dia afaka mampiasa fanoharana velombelona ny minisitra kristiana amin’ny andro ankehitriny mba hampitana ny hafatra entiny sy hanohinana ny fo

    Fitehirizam-boky Malagasy (1965-2025)
    Hiala
    Hiditra
    • Malagasy
    • Hizara
    • Firafitra
    • Copyright © 2025 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
    • Fifanekena
    • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
    • Firafitry ny Fifanekena
    • JW.ORG
    • Hiditra
    Hizara