FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • w92 1/2 p. 4-7
  • Mbola Hisy Hafiriana ny Faharetan’Andriamanitra?

Tsy misy video mifandray amin’io.

Miala tsiny fa tsy mety miseho ilay video.

  • Mbola Hisy Hafiriana ny Faharetan’Andriamanitra?
  • Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—1992
  • Lohatenikely
  • Mitovitovy Aminy
  • Nahoana Andriamanitra no maneho faharetana aoka izany?
  • Ohatra iray ny amin’ny faharetan’Andriamanitra
  • Ny antony aharetan’Andriamanitra ankehitriny
  • Ny raharaha momba ny fanapahana
  • Mandraisa soa dieny izao avy amin’ny faharetan’Andriamanitra
  • Tsy ho ela intsony!
  • Manàna Faharetana toa An’i Jehovah sy Jesosy
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—2012
  • Manàna Faharetana toa An’i Jehovah
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—2006
  • Miezaha Foana Hanam-paharetana
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah (Fianarana)—2023
  • Afaka Maneho Faharetana ve Ianao?
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—1994
Hijery Hafa
Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—1992
w92 1/2 p. 4-7

Mbola Hisy Hafiriana ny Faharetan’Andriamanitra?

TOKONY ho 3 000 taona lasa izay, dia nanoratra toy izao ny lehilahy nanam-pahendrena iray: “Misy andro anapahan’ny olona ny namany ka ampidirany loza aminy.” (Mpitoriteny 8:9). Hatramin’ny nanaovany an’io fanamarihana io, dia tsy nisy zavatra nihatsara. Nandritra ny tantara, dia nisy olon-tokana na antokon’olona nandrombaka ny fahefana, nifandimby, nanapaka sy nifetsy ny olona hafa. Niaritra izany tamim-paharetana i Jehovah Andriamanitra.

Naneho faharetana i Jehovah raha mbola nandefa olona an-tapitrisany maro ho faty an’ady sy nanaiky tsy rariny ara-toekarena nibaribary ireo fitondram-panjakana. Amin’izao andro izao izy dia mbola maneho faharetana ihany raha mbola eo am-panimbana ny sosona ôzônina sy mandoto ny atmôsfera sy ny ranomasina ny olombelona. Tsy maintsy mampangirifiry azy mihitsy ny fahitana ny fahasimban’ny tany mahavokatra tsara sy ny fanimbana mihoa-pampana ny ala sy ireo zavaboary velona dia.

Nahoana Andriamanitra no maneho faharetana aoka izany?

Misy fanoharana tsotra iray mety hanampy antsika hamaly io fanontaniana io. Hevero ny fiantraikany eo amin’ny raharaha iray rehefa tratra aoriana foana ny mpiasa iray. Inona no tokony hataon’ilay tompony? Ny rariny fototra dia mety hitaky ny handroahany avy hatrany ilay mpiasa. Nefa mety hitadidy ity ohabolana ao amin’ny Baiboly ity izy: “Be saina [fahaiza-manavaka, MN] izay mahatsindry fo; fa ny malaky tezitra mampiseho ny fahadalany.” (Ohabolana 14:29). Ny fahaiza-manavaka dia mety hahatonga azy hiandry alohan’ny hanaovan-javatra. Mety hanapa-kevitra ny hamela fotoana ho an’ny mpisolo toerana izy hiofanany mba tsy hahatapatapaka ny asa intsony.

Mety hahatonga azy hiandry koa ny fahaizana mipetraka eo amin’ny toeran’ny hafa. Ahoana raha ampitandremana ilay mpiasa manao tsirambina mba hahitana raha hanitsy ny fitondrantenany izy? Nahoana no tsy miresaka aminy ka mamantatra raha toa ilay fahadisoam-potoana fanaony ka avy amin’ny olana iray azo vahana na avy amin’ny fahazaran-dratsy tsy ahitam-panafana? Na dia mety hanapa-kevitra ny haneho faharetana aza ilay tompon-draharaha dia tsy hoe tsy misy fetrany akory ny faharetany. Na tsy maintsy manao fiovana ilay mpiasa na ho tojo fandroahana izy amin’ny farany. Ho ara-drariny tsotra izao izany ho an’ilay raharaha mihitsy sy ho an’ireo mpiasa manaraka fitsipika.

Amin’ny fomba mitovy amin’izany koa no anehoan’i Jehovah Andriamanitra faharetana eo anoloan’ny fanaovan-dratsy mba hamelana fotoana hahatongavana amin’ny vahaolana ara-drariny ho an’ny zava-manahirana sasany. Ambonin’izany, ny faharetany dia manome fahafahana ho an’ny mpanao ratsy mba hanovana ny fomba fiainany sy hahazoana soa mandrakizay. Noho izany, ny Baiboly dia tsy mampirisika antsika haneho tsy fahafaliana noho ny faharetan’Andriamanitra. Izao kosa no lazainy: “Ny fahari-pon’ny Tompontsika dia ekeo ho famonjena.” — 2 Petera 3:15.

Ohatra iray ny amin’ny faharetan’Andriamanitra

Naneho faharetana Andriamanitra talohan’ny Safodrano lehibe tamin’ny andron’i Noa. Heniky ny herisetra ilay tontolo tamin’izany andro izany ary tena ratsy. Izao no vakintsika: “Hitan’i Jehovah fa be ny faharatsian’ny olona tambonin’ny tany (...) Dia hoy Jehovah: Haringako tsy hisy ambonin’ny tany ny olona izay noforoniko.” (Genesisy 6:5, 7). Eny, i Jehovah dia nisaintsaina vahaolana farany ho an’ny zava-manahirana momba ny faharatsiana tamin’izany, dia ny famongorana ny olona ratsy. Nefa tsy nanao zavatra avy hatrany izy. Nahoana?

Satria tsy ny rehetra akory no ratsy. Marina teo imason’Andriamanitra i Noa sy ny fianakaviany. Noho ny amin’izy ireo àry, dia niandry tamim-paharetana i Jehovah mba hamelana ireo olo-marina vitsy hiomana mba hahazoana famonjena. Ankoatra izany, izany fiandrasana naharitra izany dia nanome ho an’i Noa ny fahafahana ho tonga “mpitory ny fahamarinana”, sy nanome ho an’ireo olona ratsy ny fahafahana hanova ny fomba fiainany. Hoy ny Baiboly: “Niandry ny fahari-pon’Andriamanitra tamin’ny andron’i Noa, raha mbola namboarina ny sambo-fiara, izay nidiran’ny olona vitsy, dia izy valo mianaka, ka dia namonjena azy ny rano.” — 2 Petera 2:5; 1 Petera 3:20.

Ny antony aharetan’Andriamanitra ankehitriny

Amin’izao andro izao, dia tsy misy hafa amin’izany ny toe-javatra. Heniky ny herisetra indray ny tany manontolo. Toy ny tamin’ny andron’i Noa, Andriamanitra dia efa nitsara an’ity tontolo ity, izay lazain’ny Baiboly fa “tehirizina ho amin’ny andro fitsarana sy fandringanana ny ratsy fanahy”. (2 Petera 3:7). Rehefa tonga izany, dia tsy hisy fanimbana ny tontolo iainana intsony na fampahoriana ny osa na hetahetam-pahefana mihoa-pampana.

Nahoana àry Andriamanitra no tsy nandringana ny olona tsy tia azy hatrizay ela be izay? Satria nisy zava-manahirana tsy maintsy nalamina sy raharaha lehibe tsy maintsy namboarina tao. Jehovah tokoa dia miroso ho amin’ny vahaolana maharitra ho an’ny zava-manahirana momba ny faharatsiana mahafaoka zavatra maro be, anisan’izany ny famonjena ny olombelona mahitsy amin’ny fanandevozan’ny aretina sy ny fahafatesana.

Amin’ny fitadidiana izany zava-kendrena farany izany, dia nikasa ny hanome Mpamonjy hanolotra avotra noho ny fahotantsika i Jehovah. Momba azy, dia milaza toy izao ny Baiboly: “Fa toy izao no nitiavan’Andriamanitra izao tontolo izao: nomeny ny Zanani-lahy Tokana, mba tsy ho very izay rehetra mino Azy, fa hanana fiainana mandrakizay.” (Jaona 3:16). Nila an’arivony taona maro ny fanomanana ny fomba hahatongavan’i Jesosy sy hanaovany sorona ny ainy ho tombontsoan’ny taranak’olombelona. Nandritra izany taona rehetra izany, dia naharitra tamim-pitiavana Andriamanitra. Nefa nahoana ny fandaharana toy izany no mendrika ny handrasana?

Nanome ny avotra ho an’ny taranak’olombelona i Jesosy, efa ho roa arivo taona lasa izay. Nahoana àry Andriamanitra no mbola maneho faharetana ihany? Voalohany indrindra, ny fahafatesan’i Jesosy dia manamarika ny fiandohan’ny fandaharam-pampianarana manokana iray. Ny taranak’olombelona dia tsy maintsy mianatra ny amin’izany fandaharana mampiseho fitiavana izany sy omena fahafahana hanaiky na handa izany. Maka fotoana izany nefa kosa fotoana lany amin’ny fomba tsara. Hoy ny Baiboly: “Ny Tompo [Jehovah, MN] tsy mahela ny teny fikasany, araka izay ataon’ny sasany ho fahelany; fa mahari-po aminareo Izy, ka tsy tiany hisy ho very, fa mba ho tonga amin’ny fibebahana izy rehetra.” — 2 Petera 3:9.

Ny raharaha momba ny fanapahana

Nisy raharaha lehibe iray nila fotoana koa. Nilaina ny nandamina ny zava-manahirana momba ny fanapahana ny olombelona. Voalohany indrindra, dia teo ambany fanapahan’Andriamanitra ny olombelona. Nefa, tany amin’ny saha Edena, dia niala tamin’izany ireo ray aman-drenintsika voalohany. Nifidy ny tsy hiankina tamin’Andriamanitra izy ireo, ary naniry hanapaka ny tenany. (Genesisy 3:1-5). Raha ny marina anefa, dia tsy noforonina mba hanapaka ny tenany ny olombelona. Nanoratra toy izao i Jeremia mpaminany: “Jehovah ô, fantatro fa tsy an’ny olombelona ny làlan-kalehany, na an’ny mpandeha ny hahalavorary ny diany.” — Jeremia 10:23, Ohabolana 20:24.

Na dia izany aza, satria nipoitra ny raharaha momba ny fanapahana, dia namela fotoana tamim-paharetana i Jehovah mba handaminana izany. Izy tokoa dia namela an’arivony taona maro tamim-pahalalahan-tanana ho an’ny olombelona mba hanandramana ny endri-pitondrana rehetra azony nosaintsainina. Inona no vokany? Nanjary niharihary fa tsy misy fanapahan’olombelona afaka manafoana ny fampahoriana na ny tsy rariny na ireo antony hafa miteraka tsy fahasambarana.

Rehefa heverina tokoa ny tantaran’ny olombelona, hisy olona afaka hilaza marina ve fa manao ny tsy rariny Andriamanitra rehefa manambara ny fikasany hanaisotra ny fitondram-panjakan’olombelona rehetra ka hanolo izany amin’ny azy irery? Azo antoka fa tsia! Miandry amim-patokiana ny fahatanterahan’ity faminaniana ao amin’ny Baiboly ity isika: “Ary amin’ny andron’ireo mpanjaka ireo Andriamanitry ny lanitra dia hanorina fanjakana izay tsy ho rava mandrakizay; ary izany fanjakana izany tsy havela ho an’olon-kafa, fa ireo fanjakana rehetra ireo dia hotorotoroiny sy holevoniny, fa izy kosa hitoetra mandrakizay.” — Daniela 2:44.

Ilay Mpanjakan’io Fanjakana any an-danitra io dia i Jesosy tafatsangana tamin’ny maty. Ny fanomanana azy ho amin’izany toerana izany — ary koa ny fifidianana ireo olombelona hiara-manjaka aminy — dia nila fotoana. Nandritra izany fotoana rehetra izany, dia naneho faharetana Andriamanitra.

Mandraisa soa dieny izao avy amin’ny faharetan’Andriamanitra

Amin’izao andro izao, dia olona an-tapitrisany maro any amin’ny tany tsy latsaky ny 212 no mandray soa avy amin’ny faharetan’Andriamanitra. Nanjary tafaray izy ireo noho ny faniriana hankatò an’Andriamanitra sy hanompo ny fitondram-panjakany any an-danitra. Rehefa miara-mivory any amin’ny Efitrano Fanjakanany izy ireo dia mianatra ny maha-tsara ny fampiharana ireo fotopoto-pitsipiky ny Baiboly eo amin’ny fiainany. Tsy mandray anjara amin’ny politika mampisaratsarak’ity tontolo ity izy ireo na dia manaiky ireo fitondram-panjakan’olombelona aza ny tenany, raha mbola mamela amim-paharetana izany hiasa koa Andriamanitra. — Matio 22:21; Romana 13:1-5.

Ny fiaraha-miasa toy izany eo anivon’ny olona maro be dia manamarina an’i Jehovah ho Ilay hany afaka mitondra fifanarahana eo amin’ny olona manana safidy malalaka izay mianatra ny ho tia azy sy maniry hanompo azy. Tsy isalasalana fa efa nahita azy ireny ianao satria manohy ilay asa natombok’i Jesosy izy ireo, dia ny fitoriana ny vaovao tsaran’ny Fanjakan’Andriamanitra. Nanambara mialoha ny fara herin’io asa io i Jesosy rehefa niteny hoe: “Hotorina amin’ny tany onenana manontolo ity vaovao tsaran’ny fanjakana ity ho vavolombelona amin’ny firenena rehetra, vao ho tonga ny farany.” — Matio 24:14, MN.

Tsy ho ela intsony!

Ny porofo hita maso dia mampiharihary fa efa madiva ho tanteraka ireo fandaharana mba handraisan’ny fitondram-panjakan’Andriamanitra marina ny fitantanana ny raharahan’ny tany. Rehefa avy nilazalaza ny vokatra mampidi-dozan’ny tsy fahombiazan’ny fanapahan’olombelona efa hitantsika nandritra ity taonjato ity i Jesosy, dia niteny hoe: “Raha vao hitanareo fa tonga izany zavatra izany, dia aoka ho fantatrareo fa akaiky ny fanjakan’Andriamanitra.” — Lioka 21:10, 11, 31.

Tsy ho ela Andriamanitra dia hanaisotra ny ratsy tsy ho eo amin’ny sehatry ny tany intsony. Hahita fahatanterahany ara-bakiteny ity tenin’ny mpanao salamo ity: “Ny mpanao ratsy hofongorana (...) Fa rehefa afaka kelikely, dia tsy hisy ny ratsy fanahy; handinika ny fonenany hianao, fa tsy ho hita izy.” (Salamo 37:9, 10). Afaka maka sary an-tsaina tontolo iray tsy misy faharatsiana ve ianao? Iza no hitondra ny raharaha amin’izany? Hoy ny Baiboly: “Araka ny fahamarinana no hanjakan’ny mpanjaka [Kristy Jesosy nomena fiandrianana any an-danitra], ary ny lehibe [ireo voatendriny mahatoky etỳ an-tany] hanapaka araka ny rariny. Ny asan’ny fahamarinana ho fiadanana; ary ny vokatry ny fahamarinana dia ho fiadanana sy fahatokiana mandrakizay; ary ny oloko hitoetra ao amin’ny fonenana mandry fahizay sy ao amin’ny fitoerana mahatoky ary ao amin’ny fialan-tsasatra feno fiadanam-po.” — Isaia 32:1, 17, 18.

Araka izany, ny fitondram-panjakan’Andriamanitra any an-danitra dia hanafoana ny voka-dratsin’ny asa ratsin’ny olombelona ary handamina ireo izay manantena Azy hiditra ao amin’ny fitambaran’olona mirindra. Raha milazalaza izany firindrana izany ny Baiboly dia miteny hoe: “Ny amboadia hiara-mitoetra amin’ny zanak’ondry; ny leoparda hiara-mandry amin’ny zanak’osy; ary ny zanak’omby sy ny liona tanora sy ny omby kely mifahy hiray toerana, ary ny zazakely no hiroaka azy. (...) Tsy handratra na hanimba eran’ny tendrombohitro masina izy; fa ny tany ho henika ny fahalalana an’i Jehovah, tahaka ny anaronan’ny rano ny fanambanin’ny ranomasina.” — Isaia 11:6-9.

Endrey izany vokatra mahatalanjon’ny fanehoan’Andriamanitra faharetana! Noho izany, toy izay hitaraina fa niandry ela loatra Andriamanitra, nahoana no tsy mandray soa avy amin’ny faharetany mba hanekenao mihitsy ny Fanjakany? Ianaro avy amin’ny Baiboly hoe inona avy ireo fari-pitsipiny ary aoka ianao hiaina mifanaraka amin’izany. Aoka ianao hifanerasera amin’ny hafa izay manaiky azy amim-pifanarahana tsara. Amin’izay dia hitondra fitahiana mandrakizay ho anao ny faharetan’Andriamanitra.

    Fitehirizam-boky Malagasy (1965-2025)
    Hiala
    Hiditra
    • Malagasy
    • Hizara
    • Firafitra
    • Copyright © 2025 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
    • Fifanekena
    • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
    • Firafitry ny Fifanekena
    • JW.ORG
    • Hiditra
    Hizara