FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • w92 1/2 p. 23-28
  • ‘Sambatra Izay Rehetra Manohy Miandry An’i Jehovah

Tsy misy video mifandray amin’io.

Miala tsiny fa tsy mety miseho ilay video.

  • ‘Sambatra Izay Rehetra Manohy Miandry An’i Jehovah
  • Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—1992
  • Lohatenikely
  • Mitovitovy Aminy
  • Voafafy ny voan’ny asa misionera
  • Ireo zava-nanahirana tany Espaina
  • Ny fitoriana teo ambanin’ny didy jadona katolika
  • Fanenjehana sy fandroahana
  • Fanendrena vaovao, fiteny vaovao
  • Manomboka ny fotoam-pahasahiranana
  • Ny fitoriana tany Maroc silamo
  • Fanendrena vetivety ihany ve?
  • Fitsapana sy fitahiana
  • Fitarana teto El Salvador
  • Feno Zavatra Tsy Nampoizina ny Fanompoana
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—2001
  • Avy teo Amin’ny Fahantrana Faraidiny Nankeo Amin’ny Harena Lehibe Indrindra
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—1999
  • Naneho Hatsaram-panahy Tsy Manam-paharoa Taminay Foana i Jehovah
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah (Fianarana)—2017
  • Miteraka Fitomboana Eran-tany ny Misionera
    Vavolombelon’i Jehovah—Mpitory ny Fanjakan’Andriamanitra
Hijery Hafa
Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—1992
w92 1/2 p. 23-28

‘Sambatra Izay Rehetra Manohy Miandry An’i Jehovah

NOTANTARAIN’I DOMENICK PICCONE

Nifindra avy tany Italia nankany Etazonia ny ray aman-dreniko nandritra ny fiandohan’ireo taona 1920, ary tamin’ny farany dia niorim-ponenana tany Filadelfia Atsimo, izay fantatra tamin’ny anarana hoe Italia Kely tamin’izany. Tamin’ny 1927 izy ireo dia nifanerasera tamin’ny mpianatra ny Baiboly, izay nanjary fantatra ho ny Vavolombelon’i Jehovah tatỳ aoriana.

TERAKA tamin’ny 1929 aho, ka noho izany dia niaina tao amin’ny fahamarinana ao amin’ny Baiboly hatramin’ny fahazazana. Mbola tsaroako fa nivory tao an-tranonay ireo Vavolombelona talohan’ny hivoahana hitory tany amin’ireo tanàna katolika romana hirihiriny any amin’ilay faritra fitrandrahana arintany any Pennsylvania, izay nisamborana imbetsaka an’ireo rahalahy. Vita batisa tao amin’ny fivoriamben’ny Vavolombelon’i Jehovah tany St. Louis, any Missouri, aho tamin’ny 1941. Avy eo dia nanomboka niharatsy ny toe-draharaha.

Nanomboka nifanerasera tamina karazana tanora ratsy toetra teo amin’ny manodidina aho ary nanomboka nifoka sy niloka teny an-joron-dalana. Soa ihany fa hitan’ireo ray aman-dreniko fa tsy nahafehy ahy intsony izy ireo, ka dia nanapa-kevitra izy ireo ny hifindra tany amin’ny faritra hafa iray tao amin’ilay tanàna. Tsy faly aho satria namoy ny namako mpiriorio rehetra. Kanefa mamisavisa ny lasa aho ankehitriny ary tena velom-pankasitrahana ny raiko. Nanao sorona ara-bola tokoa izy mba hisintonana ahy hiala tamin’ireo nanodidina. Raha afaka nandeha an-tongotra ho any am-piasana izy teo aloha, dia voatery nandeha “métro” ela be izy izao. Nefa nanosika ahy hiverina ho ao amin’ny tontolo teokratika izany fifindra-monina izany.

Voafafy ny voan’ny asa misionera

Nila ho isan-taona, dia nanao dia lavitra nankany South Lansing, any New York izahay mba hanatrika ny fizarana diplaoman’ny Sekoly fianarana Baibolin’i Gileada, an’ny Watchtower. Ny fahitana ireo misionera ireo nalefa naneran-tany, dia nampitsiry tao am-poko faniriana hanao ny asa misionera. Noho izany, rehefa nahavita ny fianarako tany amin’ny lise aho, dia nirotsaka ho minisitra mpitory maharitra mandavantaona, nanomboka tamin’ny May 1947.

Anisan’ny mpitory maharitra tanora tao amin’ny kongregasionanay i Elsa Schwarz, ary tena be zotom-po izy teo amin’ny asa fitoriana. Nampirisika azy mandrakariva ho tonga misionera ny ray aman-dreniny, koa azo inoana fa azonareo vinanina ny niafarany. Nivady izahay tamin’ny 1951. Raha mbola niara-nanompo tamin’ny naha-mpitory maharitra tany Pennsylvania izahay, dia nangataka mba hanatrika ny sekoly misioneran’i Gileada. Tamin’ny 1953, dia nasaina hanatrika ny kilasy faha-23-n’i Gileada izahay. Taorian’ny dimy volana nanaovana fianarana feno sy fiomanana tany Gileada, dia nizarana diplaoma izahay tao amin’ny fivoriambe tao Toronto, Kanada, ary nandray ny fanendrena anay, dia i Espaina!

Ireo zava-nanahirana tany Espaina

Raha mbola teo am-panomanana ny fiaingana ho any amin’ny nanendrena anay ho misionera izahay tamin’ny 1955, dia nanana fanontaniana be dia be izahay sy i Elsa. Espaina! Hanao ahoana re izy izany e? Teo ambany fanapahan’ilay katolika mpanao jadona, ilay mpitari-tafika ambony atao hoe Francisco Franco, ilay firenena ary teo ambany fandrarana ny asan’ny Vavolombelon’i Jehovah. Ahoana no hitarihanay raharaha eo ambanin’ny toe-piainana toy izany?

Nahafantatra avy tamin’ireo rahalahy tao amin’ny foiben’ny Fikambanana tao Brooklyn izahay fa nosamborina niaraka tamin’ny rahalahy maro be i Frederick Franz, prezidà lefitry ny Fikambanana Watch Tower tamin’izany, sy i Alvaro Berecochea, misionera avy any Arzantinina. Nisy fivoriambe niafina nalamina tany anaty hazo akaikin’i Barcelone. Kanefa nahafantatra ny amin’io fivoriana niafina io ny pôlisy ary nisambotra ny ankamaroan’ireo mpanatrika.a

Nilazana izahay fa angamba tsy hisy ho afaka hitsena anay rehefa tonga any Barcelone izahay. Toy izao ny toromarika nomena anay: “Mitadiava hôtely, ary avy eo dia ampahafantaro ny Fikambanana any New York ny adiresy.” Nataonay an-tsaina ilay tenin’i Isaia manao hoe: “Sambatra izay rehetra miandry [manohy miandry, NW] azy [Jehovah]. (...) Ny sofinao dia handre teny ao ivohonao manao hoe: Ity no làlana ka andehano.” (Isaia 30:18, 21). Tsy hanao afa-tsy ny hanohy hiandry an’i Jehovah sy hanaraka ny fitarihan’ny fandaminany izahay.

Nanao veloma ireo ray aman-dreny aman-tsakaizanay tonga tany New York mba hanao veloma anay izahay, ary tsy ela, ny sambo nandehananay, ny Saturnia, dia nisosa nidina ny reniranon’i Hudson ho any Atlantika. Izay no fotoana farany nahitako ny raiko. Roa taona tatỳ aoriana, raha mbola tany an-tany hafa aho, dia maty izy taorian’ny aretina naharitra iray.

Tamin’ny farany izahay dia tonga tany amin’ny nanendrena anay, ny seranan’i Barcelone. Nanjombona sady nanorana ny andro tamin’izay, nefa rehefa nandalo ny fandoavana fadin-tseranana izahay dia nahita ny “fibaliakan” ’ireo endrika miramirana. Tonga teo nitsena anay i Alvaro Berecochea niaraka tamin’ny rahalahy espaniola vitsivitsy. Tena faly tokoa izahay nahafantatra fa nafahana ireo rahalahintsika.

Tonga ny fotoana tsy maintsy nianaranay ny fiteny espaniola. Tamin’izany andro izany ny misionera dia tsy maintsy nianatra fitenim-pirenena tamin’ny fomba sarotra, tsy nisy boky fianarana na mpampianatra. Tsy nisy fianarana fitenim-pirenena tany. Tsy maintsy nanatratra ny ora tokony ho an’ny asa fitoriana izahay sady nianatra ilay fiteny — tsy nisy tany hitombenana, raha azo atao ny milaza izany.

Ny fitoriana teo ambanin’ny didy jadona katolika

Vao teo am-panombohana ny fandaminan’i Jehovah tany Espaina tamin’izany. Tamin’ny 1955, dia nisy tampon’isan’ny mpitory 366 tany amin’ny tany iray nisy mponina 28 tapitrisa teo ho eo. Tsy nisy afa-tsy kongregasiona folo tao amin’ilay tany manontolo. Hijanona ho toy izany maharitra ve izy io? Raha vantany vao nanomboka nitory isan-trano izahay mivady dia nahita fa toy ny paradisa i Espaina ho an’ireo izay mampiely ny vaovao tsara. Eny, noana ny fahamarinana ny olona.

Nefa ahoana no nanaovana ny asa fitoriana satria teo ambany fandrarana izy io? Mazàna izahay no tsy nitsidika ny trano rehetra teo amin’ny lalana iray, na ny fitambaran’efitrano rehetra tao amin’ireo trano avo. Voaforona trano avo feno fitambaran’efitrano misy rihana dimy na enina maro be i Barcelone, koa notoroana hevitra izahay hanomboka tany amin’ny rihana ambony indrindra vao nanohy nidina. Angamba hitsidika fitambaran’efitrano iray monja isaky ny rihana izahay na handingana rihana vitsivitsy mihitsy aza. Izany fomba fiasa izany dia nampananosarotra kokoa ny pôlisy tamin’ny fanatratrarana anay rehefa nisy tompon-trano nirehitra fatratra namadika anay.

Natao tany an-tranon’olona manokana ireo fivorian’ny kongregasiona, ary voaforona antoko-mpianatra ny boky telo ka hatramin’ny efatra ireo kongregasiona. Izany dia namela ny mpiandraikitra ny kongregasiona hitsidika ny tsirairay avy tamin’ireo fianarana ny boky ireo, indray mandeha isam-bolana. Ny mpitarika ny fianarana ny boky no tompon’andraikitra tamin’ny fitarihana ny fivoriana rehetra izay natao tamin’ny alina roa samy hafa tamin’ny herinandro, voaforona antokon’olom-bitsy nisy olona 10 ka hatramin’ny 20.

Tsy maintsy nianatra fomba fiaina vaovao izahay. Tamin’izany fotoana izany dia tsy nisy fandaharana ho an’ny tranon’ny misionera tany Espaina. Raha mbola azo natao koa izany, dia niara-nipetraka tamin’ireo rahalahy tany an-tranony izahay. Tena zava-tsarotra ho an’i Elsa ny nianatra nahandro tamin’ny fatana arina! Tamin’ny farany izahay dia afaka nividy fatana solitany kely iray, izay tena fihatsarana mihitsy!

Fanenjehana sy fandroahana

Fotoana fohy taorian’izay, dia nahare izahay fa nisy onjam-panenjehana nanomboka tany Andalousie, izay nahavoasambotra ny mpitory maharitra manokana iray. Nampalahelo fa nitondra karine nisy ny anarana sy ny adiresin’ireo rahalahy tany amin’ny faritra rehetra tao amin’ilay tany izy io. Naharay tatitra hatrany izahay fa voasambotra isan-tanàna ireo rahalahintsika. Nihananakaiky an’i Barcelone hatrany ny be midina. Farany, dia nahatratra an’i Barcelone ny fanenjehana.

Volana vitsivitsy talohan’izay, dia nitondra ahy tany amin’ny paositra ny pôlisy mba hadinina. Navoaka aho afaka ora maromaro ary nihevitra fa izay no faran’ilay raharaha. Avy eo ny ambasadin’i Amerika dia nampiantso ahy ary nanipy hevitra fa mba hisakanana ny fahasahiranana raha voaroaka, dia tokony handao ilay tany an-tsitrapo aho. Fotoana fohy taorian’izay, dia nampahafantatra anay ny pôlisy fa tsy maintsy mandeha ao anatin’ny folo andro izahay. Satria tsy nanam-potoana hanoratana tany amin’ny Fikambanana Watch Tower izahay, inona no nataonay? Ny toe-javatra dia toa nilaza fa tokony handeha ho any amin’ny saha misionera akaiky indrindra any ivelan’i Espaina izahay, dia i Portugal, any andrefana.

Fanendrena vaovao, fiteny vaovao

Vantany vao tonga tany Lisbonne, any Portugal, izahay tamin’ny Jolay 1957, dia voatendry ho misionera tany Porto, tanàna iray any avaratra lavitra an’i Lisbonne. Noheverina ho ny renivohitra faharoan’ilay tany izy io ary tany amin’ny faritra iray malaza noho ny divainy. Nanao ireo fivoriany tao ambany rihan’ny trano avo iray tao amin’ny faritanàna be mpivarotra ny kongregasiona niroborobo iray. Voarara koa ny asa fitoriana tany Portugal, satria teo ambany fitondrana jadon’i Salazar ilay tany. Kanefa hafa tanteraka noho ny tany Espaina ny toe-javatra. Natao tany an-tranon’ireo rahalahy ny fivoriana, ary antokon’olona nisy olona 40 ka hatramin’ny 60 no nanatrika. Tsy nisy famantarana fa toeram-pivorian’ny Vavolombelon’i Jehovah izany trano izany. Na dia tsy nahay teny portogay aza aho dia voatendry ho mpiandraikitra ny kongregasiona. Teo indray izahay dia mbola nianatra fiteny vaovao tamin’ny fomba sarotra.

Afaka herintaona teo ho eo tatỳ aoriana, dia voatendry ho any Lisbonne izahay. Teto, dia sambany izahay vao mba nanana fonenana anay manokana, dia efitrano iray nahatazana ny tanànan’i Lisbonne. Voatendry hikarakara fizaran-tany iray izahay, dia ny Repoblikan’i Portugal iray manontolo. Rehefa tonga tany Portugal izahay dia tsy nisy afa-tsy mpitory 305 sy kongregasiona dimy tany.

Manomboka ny fotoam-pahasahiranana

Ahitana izao soratra izao eto amin’ny sasany tamin’ireo sarintany mampiseho an’i Portugal sy ireo zanataniny: “Tsy milentika na oviana na oviana ny masoandro eo amin’ny faritany portogay.” Izany tokoa no marina satria nanana zanatany tany amin’ny faritra maro maneran-tany i Portugal, ka ny roa tamin’ireo lehibe indrindra dia i Mozambika sy i Angola, any Afrika. Tamin’ny 1961, dia toa nisy zava-nanahirana nokotrehina tany amin’ireny zanatany ireny, ary nahatsapa ny ilàna hampitomboana ny heriny ara-tafika i Portugal.

Inona izao no hataon’ireo rahalahy tanora rehefa voantso ho amin’ny raharaha miaramila izy ireo? Ny sasany afaka nahazo lalana tsy hanao izany noho ny fahasalamana, fa niorina mafy tamin’ny fialanalanana kristiana kosa ny ankamaroany. Tsy ela dia nanomboka ny onjam-panenjehana nahery vaika iray. Naharay tatitra ny sampana fa nisy mpitory maharitra manokana voasambotra ary niharan’ny kapoka mafy dia mafy avy tamin’ny pôlisy miafina, dia ny P.I.D.E. (Polícia Internacional e Defesa do Estado) malaza ratsy. Voantso tany amin’ireo paositry ny pôlisy ny sasany taminay misionera mba hadinina. Avy eo dia mpivady telo no nomena 30 andro mba hialany tao amin’ilay tany. Nanao fitarainana izahay rehetra.

Voantso tsirairay tany amin’ny paositry ny pôlisy ny mpivady misionera mba hofotopotoran’ny talen’ny P.I.D.E. Voalohany, dia i Eric Britten, mpiandraikitra ny sampana, sy i Christina vadiny no nadinina. Avy eo dia i Eric Beveridge sy i Hazel vadiny, ary farany dia izahay sy i Elsa no nalaina am-bavany. Niampanga anay tamin’ny fomba diso ho nampiasain’ny kôminista mba handravana ny tontolo tandrefana amin’ny fampianarantsika mikasika ny fialanalanana ny lehiben’ny pôlisy. Very maina ny fitarainana nataonay.

Toy inona moa ny alahelo nandao ireo rahalahy sy anabavy 1 200 izay namakivaky fotoan-tsarotra noho ny fanapahana mampahorin’ny mpitondra jadona iray tsy nisaina! Raha lasa nankany Espaina ry Beveridge ary niverina nankany Angletera ry Britten, taiza kosa ny fanendrena anay manaraka? Tany Maroc miozilimanina!

Ny fitoriana tany Maroc silamo

Teto indray koa dia nanohy niandry an’i Jehovah izahay. Fanendrena vaovao sy fomba fiaina vaovao ary fiteny vaovao! Ny teny arabo sy frantsay ary espaniola no fiteny ôfisialy ao amin’ny fanjakan’i Maroc, izay nisy Vavolombelona 234 tao amina kongregasiona valo. Ny silamo no fivavahana ôfisialin’ilay tany, ary tsy nekena ho ara-dalàna ny fiovana finoana teo anivon’ny miozilimanina. Noho izany dia tsy afaka nitory afa-tsy tany amin’ny mponina eoropeana tsy miozilimanina ihany izahay.

Raha vao nanomboka tonga ny misionera tamin’ny faramparan’ireo taona 1950, dia hita ny fitomboana. Nefa nanomboka nampihatra fanerena teo amin’ny mponina eoropeana ny fitondram-panjakan’i Maroc, ary nisy fifindra-monina lehibe ho an’ny hafa firenena, anisan’izany ny rahalahy maro be.

Koa satria nihavitsy ny mponina tsy miozilimanina nitorianay, dia nahatsapa izahay fa voatery hitady fomba voalanjalanja hiresahana tamin’ny miozilimanina, ary nitarika ho amin’ny fitarainana tany amin’ny pôlisy izany. Rehefa nanjary nihanatetika ny fitarainana tany Tangier sy ny tanàna hafa, dia nilazana izahay tamin’ny farany fa 30 andro monja no nomena anay mba hialana tao amin’ilay tany. Tamin’ny May 1969, dia voaroaka tao amin’io tany nanendrena anay io izahay sy i Elsa.

Fanendrena vetivety ihany ve?

Nilazana izahay hiverina tany Brooklyn, ary nasaina hanatrika fivoriana iray ho an’ny mpiandraikitra ny sampana natao tamin’ny fahavaratra tamin’izay aho. Raha mbola tao aho dia nampahafantarina fa i El Salvador, any Amerika Afovoany, no toerana vaovao nanendrena anay, ary natao hiasa any aho amin’ny maha-mpiandraikitra ny sampana. Fantatro fa azo inoana mihitsy ho zara raha haharitra dimy taona eo ho eo izany, dia ny fe-potoana lava indrindra navela hijanonan’ny misionera tao amin’ilay tany, satria tsy nekena ho ara-dalàna ny asantsika tany.

El Salvador — fanendrena re izany! Nisy mpitory 1 290 teto, ka voafaoka amin’izany ny mpitory maharitra 114 tamin’ny antsalany, nanaovana tatitra isam-bolana. Matahotra an’Andriamanitra sy tia Baiboly ary mahay mandray vahiny ireo mponina. Saika isam-baravarana, dia nanasa anay handroso ary hiresaka taminy izy ireny. Tao anatin’ny fotoana fohy, dia nanana fampianarana Baiboly maro be azonay notarihina izahay.

Rehefa nandinika ny fitomboana sy ny ilàna mpitory maro teto izahay, dia nahatsapa ho nalahelo satria ho voatery handao ity toerana ity rehefa afaka dimy taona monja. Noho izany dia notapahina ny hevitra fa tokony hanandrana hanao izay haneken’ny lalàna ny asan’ny Vavolombelon’i Jehovah izahay. Natolotray ny fanjakana ny taratasy momba izany tamin’ny Desambra 1971, ary tamin’ny 26 Aprily 1972, dia faly izahay namaky tao amin’ny gazetim-panjakana Diario Oficial, fa nekena ny fangatahanay. Tsy voatery handeha intsony ireo misionera aorian’ny dimy taona fa afaka nahazo fahazoan-dalana honina maharitra eto amin’ity tany ity.

Fitsapana sy fitahiana

Nandritra ireo taona naha-tany amin’ny toerana isan-karazany nanendrena anay, dia nahazo namana tsara maro be sy nahita vokatra teo amin’ny fanompoana nataonay izahay. Nanana fanandraman-javatra tsara dia tsara i Elsa tany San Salvador niaraka tamin’ny mpampianatra iray sy ilay miaramila vadiny. Nanjary liana ny fahamarinana koa ny iray tamin’ireo mpampianatra namany. Tamin’ny voalohany, dia tsy naneho fahalianana tamin’ny Baiboly ilay vadiny; na dia izany aza dia nitsidika azy izahay raha mbola tany amin’ny hôpitaly izy, ary sariaka izy. Tamin’ny farany izy dia nianatra ny Baiboly, niala tamin’ny naha-miaramila azy, ary nanomboka nitory niaraka taminay.

Nandritra izany fotoana izany, dia nisy ramatoa iray tonga tsy nampoizina tao amin’ny Efitrano Fanjakana ary nanontany an’i Elsa raha niara-nianatra Baiboly tamin’ilay miaramila taloha izy. Nanjary hita fa vadikeliny izy io! Niara-nianatra ny Baiboly tamin’ny Vavolombelon’i Jehovah koa izy io. Tao amin’ny fivoriamben’ny distrika, dia samy natao batisa avokoa ilay miaramila taloha, ny vadiny, ilay naman’ny vadiny, ary ilay vadikeliny taloha.

Fitarana teto El Salvador

Noho ny fitomboana lehibe, dia Efitrano Fanjakana maro be no naorina, ary misy Vavolombelon’i Jehovah marisika maherin’ny 18 000 izao ao amin’ilay tany. Izany fandrosoana izany anefa dia tsy ilaozan’ny fitsapana sy ny fisedrana. Nandritra ny folo taona dia tsy maintsy nanao ny sitrapon’i Jehovah ireo rahalahy teo anatin’ny ady an-trano. Nefa nitana ny fialanalanany izy ireo ary nitoetra ho nahatoky tamin’ny Fanjakan’i Jehovah.

Izahay sy i Elsa dia tao amin’ny asa fanompoana manontolo andro nandritra ny 85 taona. Tsapanay fa rehefa manohy miandry an’i Jehovah isika ary mihaino ‘ilay teny avy ao ivoho manao hoe: Ity no làlana, ka andehano’, dia tsy ho diso fanantenana mihitsy. Nahita fahafahampo sy fiainana valian-tsoa tokoa izahay amin’ny maha-mpanompon’i Jehovah manontolo andro anay.

[Fanamarihana ambany pejy]

a Mba hahazoana fanazavana feno, dia jereo ny Annuaire des Témoins de Jéhovah, 1978, pejy faha-177–179.

[Sary, pejy 24]

Fivoriambe tany anatin’ny ala iray any Espaina, tamin’ny 1956

[Sary, pejy 25]

Zatra nitory tamin’ireo tsy miozilimanina tany Maroc izahay

[Sary, pejy 26]

Ny sampana eto El Salvador, toerana iasanay ankehitriny

    Fitehirizam-boky Malagasy (1965-2025)
    Hiala
    Hiditra
    • Malagasy
    • Hizara
    • Firafitra
    • Copyright © 2025 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
    • Fifanekena
    • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
    • Firafitry ny Fifanekena
    • JW.ORG
    • Hiditra
    Hizara