“Aoka Isika koa Hanaisotra Izay Rehetra Mitambesatra Amintsika”
“Malahelo sy kivy erỳ aho”, hoy i Maria, nitaraina. Raha ny amin’ny havesatr’ireo andraikitra kristiana no asiana fitenenana, dia nanampy toy izao ity vehivavy kristiana ity: “Mahita namana trotraka aho. Izaho koa mahatsapa fahasasarana sy fahaketrahana. Aza fady, ampio aho hahatakatra hoe nahoana.”
MOA ve ianao koa mahatsapa tena ho ao anatin’ny fahaketrahana, sasatra loatra mba hikarakara amin’ny fomba mety ireo andraikitrao teokratika? Moa ve indraindray toa enta-mavesatra aminao ny fanompoana kristiana, ary andraikitra tsy voasahana izany? Kristiana mahatoky maro no mandalo fotoam-pahakiviana, satria isika voahodidin’ireo hery mitaona ratsy foana izay afaka mampihena ny fifaliantsika. Tena zava-tsarotra ny ho kristiana marina amin’izao andro izao. Noho izany, indraindray ny sasany dia mety hahatsapa fa enta-mavesatra ny fanompoana kristiana.
Tadiavo ny antony
Asehon’ny Soratra masina mazava fa i Jehovah dia tsy mitaky zavatra tsy ara-drariny amintsika. Nilaza ny apostoly Jaona fa ‘tsy mavesatra ny didin’Andriamanitra’. (1 Jaona 5:3). Nilaza toy izany tamin’ireo mpanara-dia azy koa i Jesosy: “Ento ny ziogako, ka mianara amiko; fa malemy fanahy sady tsy miavona am-po Aho; dia hahita fitsaharana (famelombelomana, MN) ho an’ny fanahinareo hianareo. Fa mora ny ziogako, ary maivana ny entako.” (Matio 11:29, 30). Mazava àry fa tsy sitrapon’i Jehovah ny ahatsapantsika fa itambesaran’andraikitra tafahoatra na mitondra enta-mavesatra loatra amin’ny fanompoana ataontsika ho azy isika.
Koa ahoana àry no mety hahatonga ny kristiana mahatoky iray hihevitra ireo andraikitra kristiana sahaniny ho toy ny enta-mavesatra? Anton-javatra maromaro no mety ho tafiditra amin’izany. Mariho ireto tenin’ny apostoly Paoly ireto: “Aoka isika koa hanaisotra izay rehetra mitambesatra amintsika (...) ary aoka isika hihazakazaka amin’ny faharetana amin’izao fihazakazahana filokana napetraka eo anoloantsika izao.” (Hebreo 12:1). Ireo tenin’i Paoly ireo dia mampahafantatra fa indraindray ny kristiana iray dia mety haningo-tena amin’ny andraikitra mavesatra tsy amin’ny antony. Tsy hoe tsy maintsy tafiditra amin’izany akory ireo fahotana lehibe. Kanefa, ny kristiana iray dia mety hanao fahadisoana eo amin’ny fahaiza-mitsara zavatra izay manasarotra tokoa ny fiainany, ka mahatonga ny fihazakazahana filokana izay napetraka eo anoloantsika ho tena sarotra aminy.
Fomba fijery voalanjalanja momba ireo zavatra ara-nofo
Hevero ohatra, ny raharaha momba ny asa tsy ara-pivavahana. Any amin’ny tany maro, ireo zava-misy ara-toe-karena dia mety tsy hamela ny kristiana iray hisafidy afa-tsy ny hiasa mandritra ny ora maro. Matetika anefa, dia mikarama ny olona mba hahombiazana eo amin’ny fiainana na hanangonana aingitraingitra fotsiny. Amin’ny fanombanana indray ireo zavatra ilain’izy ireo marina, ny kristiana sasany dia nahita fa fahendrena ny manao fanovana eo amin’ny asa ataony. Izany no nitranga tamin’i Debbie sy ny vadiny, samy Vavolombelon’i Jehovah izy ireo. Hoy io anabavy io: “Niova ny toe-bolanay, ary tsy voatery hanohy hiasa manontolo andro intsony aho. Sarotra anefa ny nitsahatra tamin’izany.” Tsy ela dia nanomboka nahatsapa fihenjanana avy amin’ny fanaovan-javatra be loatra izy. Manazava izy hoe: “Ny asabotsy no hany andro malalaka anaovako ny asa ao an-tokantrano. Matetika aho no tsy nahatsapa ho te handeha hivoaka eny amin’ny saha fanompoana. Nalahelo aho noho izany, ary dia nanelingelina ahy ny feon’ny fieritreretako, mbola tiako anefa ny asako! Tamin’ny farany dia voatery niatrika ny zava-misy aho. Iray ihany ny vahaolana: Miala amin’ny asa aho.” Ekena fa ny fiovana lehibe toy izany dia mety tsy hety ho an’ny sasany. Ny fandinihana amim-pitandremana ny fandaharan’asanao anefa dia mety hampiseho ny ilàna fanovana sasantsasany.
Mety hisy fomba hafa hanafaka antsika amin’ny enta-mavesatra tsy ilaina. Nahoana raha manao dia mahafinaritra mahalana kokoa, raha hafohezina ny fotoana atokana ho an’ny fanatanjahan-tena, na fanalana andro hafa — anisan’izany ny fotoana lany ijerena televiziona? Ary na dia aorian’ny nanaovana fandanjalanjana mety amin’ireo lafin-javatra ireo aza, dia mety hilaina ny hanaovana fanovana hatrany mba hihazonana ny fahaiza-mandanjalanja toy izany.
Tena zava-dehibe ny fahalalana ny antonony
Ny fahalalana ny antonony amin’ny raharaha toy izany dia manampy antsika hahay hiatrika ireo toe-javatra vaovao rehefa mitranga izy ireny. Noho izany, dia afaka mitana fomba fijery manorina momba ny fanompoantsika isika. — Efesiana 5:15-17; Filipiana 4:5.
Mahatsapa ny tenanao ho voatery hanao sahala amin’ny an’ny hafa ve ianao eo amin’ny fanompoana an’Andriamanitra? Izany koa dia mampitombo ny fanahiana sy ny fahadisoam-panantenana eo amin’ny fiainanao. Ny ohatra tsara avy amin’ny hafa dia azo antoka fa afaka hampirisika anao hanao bebe kokoa, fa ny fahalalana ny antonony dia hanampy anao hametra zava-kendrena marim-pototra mifanaraka amin’ireo toe-javatra misy anao sy ireo fahaizanao. Milaza toy izao amintsika ny Soratra masina: “Fa aoka ny olona rehetra samy hizaha toetra ny asany avy, dia samy hanana ny hafaliana ny amin’ny tenany ihany izy, fa tsy ny (fampitahana, MN) amin’ny olon-kafa, fa samy hitondra ny entany avy ny olona rehetra.” — Galatiana 6:4, 5.
Mety hampitombo ireo enta-mavesatra iantsoroantsika koa ireo fomba amam-panao sy ireo lovantsofina eo an-toerana. Tamin’ny andron’i Jesosy ny olona dia torovana tamin’ny fiezahana hanaraka ireo fitsipika sy lovantsofina ara-pivavahana noforonin’olombelona. Amin’izao andro izao, ny vahoakan’i Jehovah dia nafahana tamin’ny lovantsofina ara-pivavahana diso. (Ampitahao amin’ny Jaona 8:32.) Ny kristiana iray anefa dia mbola mety hanjary ho sahirana tsy amin’ny antony noho ireo fomba amam-panao eo an-toerana. Ohatra, indraindray ny fisehoan-javatra toy ny fampakaram-bady dia arahin’ny fomba amam-panao manasaro-javatra be loatra. Mety tsy ho ratsy ireo fomba amam-panao ireo; mety ho tsara sady mahaliana mihitsy aza izany. Kanefa kristiana maro no mety tsy hanam-potoana na fahafahana ara-bola hanatanterahana izany zavatra rehetra izany, ary ny fiezahana mafy hanao toy izany dia mety hanampy enta-mavesatra tsy ilaina hafa.
Saintsaino izay nitranga fony i Jesosy nitsidika vehivavy iray atao hoe Marta. Toy izay handray soa feno avy amin’ny fahendrena araka an’Andriamanitra nananan’i Jesosy, i ‘Marta dia variana tamin’ny fiandraiketana raharaha maro.’ Nitambesaran’andraikitra madinika maro izy. (Lioka 10:40, MN). Nanolo-kevitra tamim-pahamoram-panahy anefa i Jesosy fa mety ny hanatsorany ireo fikarakarana sakafo nataony mba handraisan-tsoa avy amin’ny fampianarany. (Lioka 10:41, 42). Mampiseho mazava tsara izany fa ny fahaiza-mitsara sy ny fahalalana ny antonony dia hanampy anao ho tonga amin’ny fahaiza-mandanjalanja mety eo amin’ny fanompoana kristiana ataonao. — Jakoba 3:17.
Ilaina koa ny fahaiza-mitsara rehefa mifidy ireo namanao. Mampitandrina ny Ohabolana 27:3 hoe: “Mavesatra ny vato, ary mavesa-danja ny fasika; fa ny fahasosoran’ny adala dia manoatra noho izy roa tonta.” Hanana fitaomana mahery eo amin’ny fomba fisainanao foana ireo namanao akaiky. Ny fiarahana hatrany amin’ireo izay mailaka amin’ny fahitana ny fahadisoana sy amin’ny fanakianana ny hafa ao anatin’ny kongregasiona dia mety hamafy voan’ny fahakiviana sy toe-tsaina tsy manorina ao aminao. (1 Korintiana 15:33). Raha toa ka hitanao fa io no zava-manahirana, ny fanovana amim-pahendrena ny sasany amin’ireo namana iarahanao dia afaka hanamaivana ny entanao.
Manàna fiheveran-tena araka ny izy amin’ny fiaraha-mandeha amin’Andriamanitra
Mahita izao fanontaniana manaitra izao isika ao amin’ny Mika 6:8, MN: “Inona moa no ilain’i Jehovah aminao afa-tsy (...) ny fiheveran-tena araka ny izy amin’ny fiaraha-mandeha amin’Andriamanitra?” Ny hoe mihevi-tena araka ny izy dia hoe mahafantatra ny zavatra mametra ny tena. Ireo izay tsy miaiky ny zavatra mametra ny tenany dia mety hanototra ny tenany amin’ny fifanekena hanao zavatra maro loatra. Izany no nitranga tamin’ireo kristiana matotra, na dia tamin’ireo mpiandraikitra aza, ka nahatonga fahakiviana, fahadisoam-panantenana, ary fahaverezan’ny fifaliana tamin’izy ireny. Kenneth, loholona kristiana iray, dia niaiky toy izao: “Hitako ho mihaketraka ny tenako, ary dia hoy aho hoe: ‘Tsy hamela izany hitranga amiko aho.’ Koa dia nampihena ny sasany tamin’ireo fifanekena hanao zavatra nataoko aho ary nifantoka tamin’izay azoko natao.”
Na dia i Mosesy mpaminany nanetry tena aza dia nanan-java-nanahirana raha ny amin’ny fiekena ny amin’ny zavatra nametra ny herin’ny tenany. Noho izany, i Jetro rafozany dia nanampy an’i Mosesy hisaintsaina tsara ny amin’ny habetsahan’ny asa niezahany hotontosaina samy irery. “Karazan’asa inona izao ataonao amin’ny olona izao?” hoy i Jetro nanontany. “Tsy tsara izao fomba fanaovanao zavatra izao. Ho sasatra mihitsy ianao (...) satria mavesatra aminao loatra izao asa izao. Tsy afaka hanao irery izany ianao (...) Fa tokony hifidy lehilahy mahay eo amin’ny olona rehetra ianao (...) ary tsy maintsy hitranga ny hitondrany ny raharaha lehibe rehetra eo aminao, fa ny raharaha madinidinika rehetra kosa dia hokarakarainy amin’ny maha-mpitsara. Hamaivano àry ny zavatra entinao, ary tsy maintsy hiara-mitondra ny enta-mavesatra aminao izy ireo.” Avy hatrany i Mosesy dia nanomboka nanankina ny sasany tamin’ireo asany tamin’ny hafa, ary dia nahita fahamaivamaivanana tamin’izay nanjary andraikitra sarotra niantsorohana izy.—Eksodosy 18:13-26, MN.
Tamin’ny fotoana hafa koa dia nilaza toy izao tamin’i Jehovah i Mosesy: “Tsy zakako izaho irery ny mitondra ity firenena (vahoaka, MN) rehetra ity, fa mavesatra amiko loatra (izy ireo, MN)”. Ny fanankinana ny andraikitra sasany tamin’ny hafa indray koa no valiny. Mety ho izany koa no fanafodin’ny fahasahirananao raha toa ianao mahatsapa ho voatototr’ireo fifanekena hanao zavatra maro loatra. — Nomery 11:14-17.
Manampy antsika hitondra ny entana i Jehovah
Nilaza i Jesosy fa mora ny ziogany ary maivana ny entany fa tsy hoe tsy misy lanjany. Ny zioga nanasan’i Jesosy antsika mba hoentintsika dia tsy ziogan’ny fahalainana akory. Izany dia ziogan’ny fanoloran-tena feno ho an’Andriamanitra amin’ny maha-mpianatr’i Jesosy Kristy. Noho izany, amin’ny maha-kristiana marina dia eo foana ny ambaratongan-kery mitaona na ny fanerena. (Matio 16:24-26; 19:16-29; Lioka 13:24). Satria miharatsy ireo toe-javatra eo amin’izao tontolo izao, dia hitombo ireo fanerena. Kanefa dia manana antony tsara hananana fomba fijery manorina isika satria te hilaza koa ny fanasan’i Jesosy fa azon’ny hafa atao ny ho eo ambanin’ny ziogany miaraka aminy, fa hanampy azy ireo izy.a Noho izany, raha mbola manaraka ny fitarihan’i Kristy isika, dia ho azo zakaina foana ny entantsika satria hanampy antsika izy.
Mikarakara ireo izay tia azy i Jehovah, ary miaro ny fo sy ny herin-tsain’izay rehetra mametraka ny entany aminy amim-bavaka amim-pahatsorana izy. (Salamo 55:22; Filipiana 4:6, 7; 1 Petera 5:6, 7). “Isaorana anie ny Tompo (Jehovah, MN), Izay mitondra ny entantsika isan-andro isan-andro, eny Andriamanitra (marina, MN) Izay famonjena antsika”, hoy ny mpanao salamo. (Salamo 68:19). Eny, aoka ho azonao antoka fa hitondra isan’andro isan’andro ny entanao koa i Jehovah raha toa ianao ka manaisotra izay rehetra manavesatra ary mihazakazaka amim-paharetana amin’ny fihazakazahana filokana izay napetraka eo anoloanao.
[Fanamarihana ambany pejy]
a Ny fandikan-teny eo amin’ny fanamarihana ambany pejy dia hoe: “Mitoera eo ambanin’ny ziogako miaraka amiko.”
[Sary, pejy 24]
Ireo loholona feno fahendrena dia maniry hanankina amin’ny hafa ireo anjara raharaha sasany ary hizara ireo entana