Fanontanian’ny Mpamaky
◼ Rehefa misy maty, moa ve mety amin’ny kristiana ny manome voninkazo ho an’ilay fianakaviana na mandefa voninkazo any amin’ilay trano misy ny faty?
Any amin’ny tany sasany dia mahazatra ny fanaovana toy izany. Nefa nisy heviny ara-pivavahana ny fampiasana voninkazo amin’ny fandevenana indraindray. Noho izany, dia aoka hodinihintsika amin’ny antsipiriany sasany ilay raharaha, indrindra fa satria misy fanao sasany izay toa mety hifamatotra toy izany amin’ny fivavahan-diso. Mariho izao fanazavana avy ao amin’ny Ny firaketana momba ny fivavahana (1987) [anglisy] izao:
“Mifampitohy amin’ny faritra masina amin’ny alalan’ny fifandraisany amin’ireo andriamanitra sy andriamanibavy ny voninkazo. Ilay andriamanibavin’ny lohataona sy ny voninkazo romana atao hoe Flora, dia mitondra hatsaran-tarehy sy hanitra ho an’ireo voninkazo (...) Azo nampitonena sy notolorana fanompoam-pivavahana ireo andriamanitra (...) tamin’ny fanolorana sakafo sy voninkazo.
“Hita maneran-tany ny fifandraisan’ny voninkazo amin’ireo fombafomba amin’ny fahafatesana. Nandrakotra ny maty sy ny fasany tamin’ny voninkazo ny Grika sy ny Romana. Lanjaina amin’ny “lotus” ny bodista maty any Japana, ary ireo fasana any amin’ireo toeram-pandevenana dia mety ho eo ambonina “lotus” voasokitra. (...) Ny Tahisiana dia mametraka fehezam-boninkazo voafono ampanga eo anilan’ny faty, aorian’ny fahafatesana ary avy eo dia mandraraka ranomanitra vita tamin’ny voninkazo eo ambonin’ilay faty mba hanamora ny lalany miditra any ankoatra masina (...) Mety hahitana voninkazo amin’ny endrika emboka manitra na ranomanitra koa amin’ireo fotoana masina.”
Noho ny fahafantarany fa nampiasaina nifandray tamin’ny fivavahan-diso ny voninkazo, dia nahatsapa ny kristiana sasany fa tsy tokony hanome na handefa voninkazo amin’ny fandevenana izy ireo. Mety hanome taratry ny faniriana hifady ny fombafomban’izao tontolo izao koa ny fihetsiny, satria tsy maintsy ho “tsy naman’izao tontolo izao” ireo mpanara-dia an’i Jesosy. (Jaona 15:19). Kanefa, misy heriny eo amin’io raharaha io ireo andinin-teny ao amin’ny Baiboly mifandray aminy sy ny fihetseham-po ao amin’ilay toerana.
Anisan’ireo fanomezan-tsoa avy amin’Andriamanitra hifalian’ny velona ny voninkazo. (Asan’ny apostoly 14:15-17; Jakoba 1:17). Nampiasaina tamin’ny fanompoam-pivavahana marina ny hakanton’ny voninkazo noforoniny. Noravahana tamin’ny “vonin’ny amygdala (...) sy ny voniny” ny fanaovan-jiro tao amin’ny tabernakely. (Eksodosy 25:31-34). Ireo sary sokitra tao amin’ny tempoly dia nahafaoka voninkazo natao tohy vakana sy hazo palmie. (1 Mpanjaka 6:18, 29, 32, MN). Mazava ho azy fa ny fampiasan’ny mpanompo sampy ny voninkazo na ny voninkazo natao tohy vakana dia tsy nidika fa voatery nifady ny fampiasana azy ireo foana ny mpivavaka marina. — Asan’ny apostoly 14:13.
Ahoana àry ny amin’ny raharaha ankapobeny kokoa momba ny fanarahana fanao, toy ireo fanao amin’ny fandevenana? Miresaka fanao maro ny Baiboly ka ny sasany, tsy mety amin’ny mpivavaka marina ary ny hafa, arahin’ny vahoakan’Andriamanitra. Ny 1 Mpanjaka 18:28, dia miresaka ny amin’ny ‘fanao’ teo amin’ireo mpivavaka tamin’i Bala momba ny ‘fiantsoana mafy sy ny fitetehan-tena’ — fanao iray izay tsy ho narahin’ny mpivavaka marina. Etsy an-danin’izany, ny Rota 4:7, MN dia tsy manoro hevitra mba hankahala ny “fanao fahiny teo amin’ny Isiraely mikasika ny [fomba fampiharana ny] zo momba ny fanavotana.”
Ireo fanao azon’Andriamanitra ekena aza dia nety ho nitranga tao amin’ireo raharaha ara-pivavahana hentitra. Rehefa nanome toromarika momba ny fankalazana ny Paska Andriamanitra, dia tsy nanisy firesahana ny amin’ny fampiasana divay, nefa hatramin’ny taonjato voalohany dia fanao ny mampiasa divay amin’ny kapoaka. Tsy nandà an’io fanao ara-pivavahana io i Jesosy mbamin’ny apostoliny. Tsy nahita izany ho tsy azo ekena izy ireo ka dia nanaraka izany. — Eksodosy 12:6-18; Lioka 22:15-18; 1 Korintiana 11:25.
Mitovy amin’izany ireo fanao sasany amin’ny fandevenana. Fanao teo amin’ny Egyptiana ny fanosorana zava-manitra ny faty. Tsy nanohitra avy hatrany toy izao i Josefa patriarka nahatoky: ‘Fanaon’ny mpanompo sampy izany, ka tsy maintsy mifady izany isika Hebreo’. Tsy nanao izany izy fa ‘nasainy nanosotra zava-manitra an-drainy ny mpanompony izay mpanao fanafody [mpitsabo, MN]’, ary mazava ho azy fa mba hahafahana mandevina an’i Jakoba any amin’ny Tany Nampanantenaina. (Genesisy 49:29–50:3). Tatỳ aoriana ny Jiosy dia nampiasa fomba fandevenana hafa, toy ny fampandroana ilay faty sy ny fandevenana azy ny androtry ny nahafatesany. Nanaiky ny fanao jiosy toy izany ny kristiana voalohany. — Asan’ny apostoly 9:37.
Kanefa, ahoana raha toa ny fomba fandevenana iray ka hita fa manana heviny miorina amin’ny fahadisoana ara-pivavahana, toy ny finoana ny fanahy tsy mety maty? Tsarovy, araka ilay firaketana, fa “mametraka fehezam-boninkazo voafono ampanga eo anilan’ny faty, aorian’ny fahafatesana ary avy eo dia mandraraka ranomanitra vita tamin’ny voninkazo eo ambonin’ilay faty mba hanamora ny lalany miditra any ankoatra masina” ny sasany. Ny fisian’ny fanao toy izany dia tsy midika fa tsy maintsy manalavitra izay zavatra mitovy amin’izany ny mpanompon’Andriamanitra. Na dia tsy nino ny “lalana miditra any ankoatra masina” aza ny Jiosy, dia hoy ny Baiboly hoe: “Dia noraisiny ny fatin’i Jesosy ka nofonosiny lambam-paty mbamin’ny zava-manitra, araka ny fanaon’ny Jiosy, raha mamboatra faty halevina.” — Jaona 12:2-8; 19:40.
Tokony hifady ireo fanao mifanipaka amin’ny fahamarinana ao amin’ny Baiboly ny kristiana (2 Korintiana 6:14-18). Na dia izany aza, ny karazan-javatra sy sary ary fanao rehetra, tamin’ny fotoana sasany na tamin’ny toerana sasany, dia noraisina tamin’ny fomba diso na nampifamatorina tamina fampianarana tsy araka ny Soratra masina. Nivavahana ny hazo, noheverina ho masina ny zavatra miendrika fo, ary nampiasaina tamin’ireo fetin’ny mpanompo sampy ny emboka manitra. Midika ve izany fa tsy mahazo mampiasa emboka manitra mihitsy ny kristiana iray, na manisy hazo amin’ny fandravahana, na manao firavaka miendrika fo?a Tsy fanatsoahan-kevitra azo ekena izany.
Tokony hihevitra an’izao ny kristiana marina iray: Moa ve ny fanarahana fanao iray mampiseho amin’ny hafa fa nanaraka finoana na fanao tsy araka ny Soratra masina aho? Mety hanan-kery eo amin’ny valin’izany ny vanim-potoana na ny toerana. Ny fanao (na ny sary) iray dia nety ho nanana heviny ara-pivavahana diso, efa an’arivony taona maro lasa izay na mety ho toy izany amin’izao andro izao any amin’ny tany lavitra iray. Nefa aza mandeha manao famotopotorana mandany fotoana fa manontania tena hoe: ‘Inona no fiheverana iombonana ao amin’izay misy ahy?’ — Ampitahao amin’ny 1 Korintiana 10:25-29.
Raha toa ka fantatra tsara fa manana heviny ara-pivavahana diso ny fanao iray (na sary iray, toy ny lakroa), dia halaviro izany. Ny kristiana, araka izany, dia tsy handefa voninkazo miendrika lakroa na fo menamena, raha toa ka heverina ho manana heviny ara-pivavahana izany eo an-toerana. Na koa mety hisy fanao sasany ampiasana voninkazo amin’ny fandevenana na any amin’ny toeram-pandevenana, izay manana heviny ara-pivavahana. Tokony hanalavitra izany koa ny kristiana. Izany anefa akory tsy milaza fa ny fanomezana tsotra fotsiny fehezam-boninkazo amin’ny fandevenana na fanolorana voninkazo ny namana iray any amin’ny hôpitaly dia tsy maintsy tokony hoheverina ho fanaovan-javatra ara-pivavahana izay tsy maintsy halavirina.b
Mifanohitra amin’izany, fa any amin’ny tany maro be, ny fanao momba ny fanomezana voninkazo dia miely patrana ary heverina ho hatsaram-panahy mety izany. Ny voninkazo dia afaka manome hatsaran-tarehy sasany ary afaka mahatonga ny fotoana mampalahelo iray hahafinaritra kokoa. Mety ho fihetsika mampiseho fiaraha-miory sy fiahiana koa izany. Any amin’ny toeran-kafa, dia mety ho fomba ny maneho fihetseham-po toy izany amin’ny alalan’ny fanaovan-javatra mampiseho fahalalahan-tanana, toy ny fanomezana sakafo ho an’ireo olona marary na zoim-pahoriana. (Tsarovy ny firaiketam-po tamin’i Dorkasy satria naneho fiheverana sy fiahiana ny hafa izy [Asan’ny apostoly 9:36-39]). Rehefa miharihary fa tsy mifamatotra amin’ny finoana diso ny fanaovana izany, ny Vavolombelon’i Jehovah sasany dia zatra ny manome voninkazo tsara tarehy ho an’ny namana iray any amin’ny hôpitaly na rehefa misy maty. Ary eo amin’ny isam-batan’olona, dia mety hampiseho ny fiheverany sy ny fihetseham-pony izy amin’ny fanaovan-javatra azo ampiharina. — Jakoba 1:27; 2:14-17.
[Fanamarihana ambany pejy]
a Nampiasa emboka manitra vita tamin’ny voninkazo fotoana lava ny mpanompo sampy tamin’ireo fetiny, nefa tsy hoe tsy nety tamin’ny vahoakan’Andriamanitra ny nampiasa emboka manitra teo amin’ny fanompoam-pivavahana. (Eksodosy 30:1, 7, 8; 37:29; Apokalypsy 5:8). Jereo koa ilay hoe “S’agit-il de décorations idolâtriques?” ao amin’ny Réveillez-vous! tamin’ny 22 Aprily 1977.
b Tokony hoheverina koa ny fanirian’ny fianakaviana satria ny sasany mampahafantatra fa izay maniry handefa voninkazo dia tsy hanao izany fa hanome vola fanomezana ho an’ny kongregasiona kosa na ho an’ny asa fiantrana iray.