FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • w92 1/4 p. 32
  • Fanontanian’ny Mpamaky

Tsy misy video mifandray amin’io.

Miala tsiny fa tsy mety miseho ilay video.

  • Fanontanian’ny Mpamaky
  • Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—1992
  • Mitovitovy Aminy
  • “Vehivavy Tsara Tarehy Ianao”
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah (Besinimaro)—2017
  • Saraha
    Fandalinana ny Soratra Masina, Boky 2
  • Ilay Nantsoin’Andriamanitra hoe “Andriambavy”
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah (Besinimaro)—2017
  • Abrahama sy Saraha—Tahafo ny Finoan’izy Ireo!
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—2004
Hijery Hafa
Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—1992
w92 1/4 p. 32

Fanontanian’ny Mpamaky

Nanambady an’i Saraha, vadin’i Abrahama, tokoa ve i Farao, araka ny asehon’izany amin’ny fandikana ny Genesisy 12:19 ao amin’ireo fandikan-tenin’ny Baiboly sasany?

Tsia, voasakana ny hangalan’i Farao an’i Saraha (Saray) ho vadiny. Noho izany, dia tsy simba ny voninahitra sy ny fahamendrehan’i Saraha.

Manampy antsika hahita izany ny fandinihana ny zava-nitranga eo amin’ny teny manodidina. Ny mosary no nanery an’i Abrahama (Abrama) hitady fialofana tany Egypta nandritra ny fotoana fohy. Natahotra izy satria nety ho notandindomin-doza ny ainy tany noho ny hatsaran-tarehin’i Saraha vadiny. Mbola tsy niteraka zanakalahy avy tamin’i Saraha i Abrahama, noho izany, raha niharan’ny fahafatesana tany Egypta izy, dia ho tapaka ny lalana mitondra ho amin’ilay Taranaka, ilay Taranaka izay avy aminy no hitahiana ny firenena rehetra ambonin’ny tany. (Genesisy 12:1-3). Noho izany, dia nangataka an’i Saraha hilaza ny tenany ho anabaviny i Abrahama, satria raha ny marina dia anabaviny izy, zanakavavin’ny rainy. — Genesisy 12:10-13; 20:12.

Tsy hoe tsy nisy fototra akory ny fahatahorany. Nanazava toy izao i August Knobel manam-pahaizana: “Nangataka an’i Saray hampahafantatra ny tenany ho anabaviny i Abrahama tany Egypta mba tsy hamonoana azy. Raha toy ny vehivavy manambady no nahalalana azy, dia nety ho naka azy ny Egyptiana iray tamin’ny famonoana fotsiny ny vadiny sady tompony; raha toy ny anabavy kosa no nahalalana azy, dia nisy ny fomba hahazoana azy avy amin’ilay anadahy amin’ny alalan’ny raharaham-pihavanana.”

Ireo tandapa egyptiana anefa, dia tsy nifampiraharaha tamin’i Abrahama momba ny fanambadian’i Farao an’i Saraha. Nitondra an’i Saraha tsara tarehy tao an-tranon’i Farao fotsiny izy ireo, ary ilay mpanapaka an’i Egypta dia nanome fanomezana maro an’i Abrahama, ilay noheverina ho anadahiny. Nanaraka izany anefa, dia nasian’i Jehovah areti-mandoza ny ankohonan’i Farao. Rehefa naharihary tamin’i Farao tamin’ny fomba tsy voalaza ny toe-javatra marina, dia nilaza tamin’i Abrahama izy hoe: “Nahoana ianao no nilaza hoe: ‘Anabaviko izy’, ka dia nadiva haka azy ho vady aho? Koa ankehitriny, indro ny vadinao. Ento izy ka mandehana!” — Genesisy 12:14-19, MN.

Ny The New English Bible sy ireo fandikan-tenin’ny Baiboly hafa dia mandika ilay ampahany natao sora-mandry amin’ilay andininy toy izao: “ka dia nalaiko ho vady izy” na fomba fiteny mitovy amin’izany. Na dia tsy voatery ho diso aza io fandikana io, ny fomba fiteny toy izany dia mety hahatonga hihevitra fa nanambady tokoa an’i Saraha i Farao, ary tanteraka marina ilay fanambadiana. Azo atao ny manamarika fa ao amin’ny Genesisy 12:19 ny matoanteny hebreo nadika hoe “maka” dia mampiseho toe-javatra mbola tsy tomombana, izay asa mbola tsy tanteraka. Ny fandikan-tenin’izao tontolo izao vaovao dia mandika io matoanteny hebreo io mifanaraka amin’ny teny manodidina ary amin’ny fomba izay mampiseho mazava ny endrik’ilay matoanteny — “ka dia nadiva haka azy ho vady aho.”a Na dia “nadiva haka” an’i Saraha ho vadiny aza i Farao, dia mbola tsy nisy dingana na inona na inona vita na fankalazana notanterahina.

Na dia nokianina matetika aza i Abrahama tamin’ny fomba nitondrany raharaha, dia nanao zavatra ho tombontsoan’ilay Taranaka nampanantenaina ary ny olombelona rehetra koa izy. — Genesisy 3:15; 22:17, 18; Galatiana 3:16.

Tamin’ny zava-nitranga nitovy tamin’izany izay nety ho tena nampidi-doza, i Isaka izay nanana an’i Rebeka ho vadiny, dia nitandrina mba tsy hahafantarana ny maha-manambady an-dRebeka. Tamin’io fotoana io, i Jakoba zanany lahy, izay avy aminy no hipoiran’ilay Taranaka, dia efa teraka ary azo inoana ho efa zatovo. (Genesisy 25:20-27; 26:1-11). Kanefa, ny antony nanosika tao ambadik’io tetika ara-drariny io dia nety ho tsara sahala amin’ny an’i Abrahama. Nandritra ny mosary, i Isaka sy ny fianakaviany dia nonina tany amin’ny faritanin’ny mpanjakan’ny Filistina natao hoe Abimeleka. Raha fantany fa vadin’i Isaka i Rebeka, dia nety ho nikaroka fomba hoenti-mamono ny fianakavian’i Isaka sisa rehetra i Abimeleka, ary nety ho nidika ho fahafatesana ho an’i Jakoba izany. Tamin’io toe-javatra io koa, dia nanelanelana i Jehovah mba hiaro ireo mpanompony sy ny lalana mitondra ho amin’ilay Taranaka.

[Fanamarihana ambany pejy]

a Toy izao no azo vakina ao amin’ny fandikan-teny nataon’i J. B. Rotherham: “Nahoana no nilaza ise hoe: Anabaviko izy; ary noho izany dia nadiva haka azy any amiko ho vady aho?”

    Fitehirizam-boky Malagasy (1965-2025)
    Hiala
    Hiditra
    • Malagasy
    • Hizara
    • Firafitra
    • Copyright © 2025 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
    • Fifanekena
    • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
    • Firafitry ny Fifanekena
    • JW.ORG
    • Hiditra
    Hizara