Ny Fanaratoana Olona ao Amin’ireo Rano Maneran-tany
“Fa raha mitory ny [vaovao tsara, “NW” ] aho, dia tsy misy ho reharehako, satria tsy maintsy manao izany; fa lozako, raha tsy mitory ny [vaovao tsara, “NW” ] aho!” — 1 KORINTIANA 9:16.
1, 2. a) Iza no tena nandresy marina ilay zava-tsarotra anipazana hevitra ao amin’ny 1 Korintiana 9:16, ary nahoana no mamaly toy izany ianao? b) Andraikitra inona no neken’ny Vavolombelon’i Jehovah?
IZA amin’izao taonjato faha-20 izao no nandresy marina ny zava-tsarotra asehon’ireo tenin’i Paoly voalaza eo ambony? Iza no nandeha an-tapitrisany maro teo amin’izao tontolo izao mba hanarato lehilahy sy vehivavy izay “mahatsapa ny zavatra ilainy ara-panahy”? (Matio 5:3, NW ). Iza no nihaika ny fanaovana azy an-tranomaizina sy ny fahafatesana, ary iza no tena niharan’izany mihitsy tany amin’ny tany maro noho ny fanatanterahana ny baikon’i Kristy ao amin’ny Matio 24:14?
2 Mamaly ny tantara hoe: ny Vavolombelon’i Jehovah. Tamin’ny herintaona fotsiny, dia Vavolombelona maherin’ny efatra tapitrisa no nandeha isan-trano ‘nanambara ny vaovao tsara’ tamin’ny tany sy faritany 211 ary tamin’ny fiteny maherin’ny 200. Tsy antokona misionera nahazo fampiofanana, voafantina fotsiny ireo. Tsia, ny Vavolombelon’i Jehovah rehetra dia mahatsapa fa manana andraikitra hitory sy hampianatra isan-trano sy amin’ny toe-javatra mety rehetra, ny tenany. Nahoana izy ireo no mahatsapa fa mila mizara ny zavatra inoany amin’ny hafa? Satria takany fa mitondra andraikitra ny fahalalana. — Ezekiela 33:8, 9; Romana 10:14, 15; 1 Korintiana 9:16, 17.
Ny fanaratoana olona, zava-tsarotra tsy maintsy resena maneran-tany
3. Tsy maintsy hanao ahoana ny fitaran’ny asa fanaratoana?
3 Io asa fanaratoana lehibe io dia tsy voafetra ho amin’ny renirano na farihy sasany na ho amin’ny ranomasina iray akory aza, raha azo atao ny milaza izany. Tsia, fa araka ny baikon’i Jesosy, dia tokony hatao amin’ny “firenena rehetra” izy io. (Marka 13:10). Talohan’ny niakarany ho any amin’ny Rainy, dia nilaza toy izao tamin’ny mpianany i Jesosy: “Koa mandehana hianareo, dia ataovy mpianatra ny firenena rehetra, manao batisa azy ho amin’ny anaran’ny Ray sy ny Zanaka ary ny Fanahy Masina sady mampianatra azy hitandrina izay rehetra nandidiako anareo; ary, indro, Izaho momba anareo mandrakariva ambara-pahatongan’ny fahataperan’izao tontolo izao.” — Matio 28:19, 20.
4. a) Inona no tsy maintsy ho nahagaga ireo mpanara-dia jiosy an’i Jesosy tamin’ny taonjato voalohany? b) Manao ahoana ny fahitan’ny Vavolombelon’i Jehovah ny fitaran’ny asa fanaratoana ataony?
4 Tamin’ireo mpanara-dia jiosy an’i Jesosy, dia tsy maintsy ho nanaitra izany asa nasaina hataony izany. Nilaza tamin’ireo mpianany jiosy izy fa izao izy ireo dia tsy maintsy nankany amin’ireo Jentilisa “tsy madio” tamin’ny firenena rehetra ka hampianatra azy ireny. Nitaky fanitsiana fomba fisaina tamin’izy ireo ny fahatakarana ny maha-zava-dehibe izany asa nasaina hataony izany sy ny tena fanaovana azy io. (Asan’ny Apostoly 10:9-35). Tsy azo nialana anefa izy io; efa nilazan’i Jesosy tao amin’ny fanoharana iray izy ireo fa “ny tanimbary dia izao tontolo izao”. Noho izany, ny Vavolombelon’i Jehovah amin’izao andro izao dia mihevitra izao tontolo izao manontolo ho toerana ananany zo hanaovana ny asa fanaratoany. Tsy afaka ny hisy famerana ny fidadasiky ny rano ahazoana manarato mihatra amin’io asa nasain’Andriamanitra hataony io. Indraindray dia ilaina ny mampiseho fahamalinana any amin’izay tsy isian’ny fahalalahana ara-pivavahana. Na dia izany aza, dia manarato noho ny fahatsapana ny maha-maika ny fanaovana izany izy ireo. Fa nahoana? Satria ireo fisehoan-javatra maneran-tany sy ny fahatanterahan’ny faminaniana ao amin’ny Baiboly dia manondro fa efa eo amin’ny tapany farany amin’io asa fanaratoana atao maneran-tany io isika izao. — Matio 13:38; Lioka 21:28-33.
Fandrosoana eo amin’ny asa fanaratoana atao maneran-tany
5. Karazan’olona manao ahoana no manaiky ilay asa fanaratoana atao maneran-tany?
5 Ny ankamaroan’ireo mpandova ilay Fanjakana voahosotra dia “noharatoina” tamin’ireo firenena talohan’ny 1935, koa efa feno ny isan’izy ireo raha ny tena izy. Noho izany, nanomboka tamin’ny 1935 indrindra, ny Vavolombelon’i Jehovah dia niezaka ny hitady ireo olona manetry tena azo antsoina hoe “mpandefitra” izay “handova ny tany”. (Salamo 37:11, 29). Ireo dia olona “misento sy mitaraina noho ny fahavetavetana rehetra atao eo aminy.” Manao zavatra ho fanohanana ny Fanjakan’Andriamanitra izy ireo alohan’ny hamelezan’ny “fahoriana lehibe” ny fandehan-javatra mikororosy sy simban’i Satana sy ny handefasana ireo mpanompony rehetra ho any amin’ny “fandoroana lehibe mirehitra afo” mampiseho ny fandringanana farany. — Ezekiela 9:4; Matio 13:47-50; 24:21.
6, 7. a) Dingana inona avy no natao tamin’ny 1943 mifandray amin’ny asa fitoriana? b) Inona no vokatr’izany?
6 Nahomby ve io asa fanaratoana atao maneran-tany io hatramin’izao? Aoka havelantsika hiteny ny zava-misy. Tany amin’ny 1943, dia mbola namely mafy ny Ady Lehibe Faharoa, kanefa ireo rahalahy voahosotra nahatoky tany amin’ny foibe maneran-tanin’ny Vavolombelon’i Jehovah tany Brooklyn, any New York, dia nahatsinjo fa hisy asa fanaratoana maneran-tany lehibe tsy maintsy hotontosaina. Koa inona àry ireo dingana natao?a — Apokalypsy 12:16, 17.
7 Tamin’ny 1943, ny Fikambanana Watchtower dia nanorina sekoly ho an’ny misionera antsoina hoe Gileada (Hebreo, “Antontam-bato vavolombelona”; Genesisy 31:47, 48) izay nanomboka nampiofana misionera zato isaky ny enim-bolana mba hahafahana handefa azy ireo ho mpanarato amin’ny heviny ara-panoharana maneran-tany. Tamin’izay, dia tsy nisy afa-tsy Vavolombelona 126 329 nanarato olona tamim-paharisihana tany amin’ny tany 54. Tao anatin’ny folo taona, ireo isan’ny Vavolombelona ireo dia tena nitsambikina mihitsy ka nahatratra 519 982 tany amin’ny tany 143! Tena namokatra lehilahy sy vehivavy mpanarato tsy manan-tahotra, vonona ny handeha ho any amin’ny kolontsaina hafa noho ny azy ary hahay hampifanaraka ny tenany amin’ny rano fanaratoana vaovao, tokoa ny Sekolin’i Gileada. Ho vokatr’izany, dia nisy olona tso-po an’arivony maro nanaiky ny hafatra. Nanorina ny fototra ho an’ny fitomboana mahatalanjona izay hita mitranga ankehitriny, ireny misionera ireny niaraka tamin’ireo Vavolombelona teo an-toerana niarahany niasa.
8, 9. a) Ohatra inona avy no azo tononina raha ny amin’ny asa misionera miavaka dia miavaka? b) Fitomboana miavaka dia miavaka teo amin’ny faritaniny inona no hitan’ireo misionera? (Jereo koa ny Annuaire des Témoins de Jéhovah 1992.)
8 Mbola manompo any amin’ilay tany hafa nanendrena azy ny maintimolaly mahatoky maro avy tamin’ireny kilasy voalohany amin’i Gileada ireny, na dia efa maherin’ny 70, na 80 taona mihitsy aza. Ny ohatra iray mampiseho tsara ny maro aminy dia ny an’i Eric Britten, 82 taona, sy ny vadiny, Christina, izay nahazo diplaoma avy tamin’ny kilasy faha-15 amin’i Gileada tamin’ny 1950 ary mbola manompo any Brezila ihany. Rehefa tonga mba hanompo tany Brezila izy ireo, dia latsaka ny 3 000 ny Vavolombelona tany amin’io tany io. Ankehitriny dia maherin’ny 300 000 izy ireo! Tena ‘tonga arivo tokoa ny kely’ any Brezila satria namokatra tsara ny asa fanaratoana. — Isaia 60:22.
9 Ary inona no azontsika lazaina momba ireo misionera atsy Afrika? Nahay nampifanaraka ny tenany tamin’ny kolontsaina hafa dia hafa noho ny azy ny ankamaroan’izy ireo ary nanjary tia ireo mponina afrikana. Ny tena mampiseho izany tsara dia i John sy i Eric Cooke ary ny vadin’izy mirahalahy ireo avy, Kathleen sy Myrtle, izay manompo atsy Afrika Atsimo amin’izao fotoana izao. Nahazo diplaoma avy tamin’ny kilasy fahavalo tamin’ny 1947 i John sy i Eric. Ny tany nanompoan’izy mirahalahy ireo, tamin’ny fitambarany, dia i Angola, i Zimbabwe, i Mozambika ary i Afrika Atsimo. Nisy misionera maty tany Afrika noho ny aretina, ary ny hafa noho ny ady sy ny fanenjehana, toa an’i Alan Battey sy i Arthur Lawson, izay maty nandritra ilay ady an-trano vao haingana tatsy Libéria. Hita ho namokatra tokoa anefa ireo ranon’i Afrika. Misy Vavolombelona maherin’ny 400 000 izao manerana io kontinenta midadasika io.
Mandray anjara avokoa ny rehetra
10. Nahoana ary amin’ny fomba ahoana ireo mpitory maharitra no manao asa mendri-piderana?
10 Tsy maintsy ekena anefa fa, raha nisy an’arivony ireo misionera vahiny, ireo mpitory tsotra sy mpitory maharitrab eo an-toerana dia nanjary niisa ho an-tapitrisany maro. Manao ny ankabeazan’ny asa fitoriana maneran-tany izy ireo. Tamin’ny 1991, dia nisy mpitory maharitra sy mpanompo mpitety faritany maherin’ny 550 000 tamin’ny antsalany. Tarehimarika manaitra tokoa izany rehefa heverina ireo Vavolombelona mahatoky rehetra ireo izay manao fiezahana manokana mba handraisana anjara amin’ilay asa fanaratoana lehibe, ka mitory mandritra ny 60 ka hatramin’ny 140 ora isam-bolana amin’ny antsalany. Maro amin’izy ireo no manao izany amin’ny fahavononana hanao sorona sy fandaniana manokana lehibe. Noho ny antony inona anefa? Satria tia an’i Jehovah Andriamaniny amin’ny fony rehetra, ny sainy rehetra, ny fanahiny rehetra ary ny heriny rehetra izy ireo sady tia ny namany tahaka ny tenany. — Matio 22:37-39.
11. Inona no porofo azo antoka ny amin’ny fiasan’ny fanahin’i Jehovah eo amin’ny vahoakany?
11 Inona no azontsika lazaina ny amin’ireo Vavolombelona telo tapitrisa sy sasany hafa izay tsy ao amin’ny fanompoana manontolo andro kanefa manao izay rehetra azony atao eo amin’ny fanompoana an’i Jehovah, arakaraka ny toe-javatra misy azy? Ny sasany aminy dia vehivavy manambady, na reny mikarakara zanaka kely mihitsy aza, izay mbola manokana ny sasany amin’ny fotoanany sarobidy ho an’ilay asa fanaratoana atao maneran-tany, na dia izany aza. Ny maro aminy dia lehilahy manambady na manan-janaka ary manana asa fivelomana manontolo andro; kanefa manokana fotoana amin’ny faran’ny herinandro sy amin’ny takariva izy ireo mba hampianarana ny fahamarinana amin’ny olon-tsy fantatra. Eo koa ilay vahoaka betsaka voaforon’ireo lehilahy sy vehivavy mpitovo ary tanora izay mandray anjara amin’ny fitoriana ary manasa ny olona hanaiky ny fahamarinana amin’ny alalan’ny fitondrantenany. Antoko ara-pivavahana hafa inona no manana mpiasa an-tsitrapo tsy mandray karama maherin’ny efatra tapitrisa izay mitory ny vaovao tsara momba ny fanapahan’ny Fanjakan’Andriamanitra isam-bolana? Izany dia tena manome porofo fa miasa ny fanahin’i Jehovah! — Salamo 68:11; Asan’ny Apostoly 2:16-18; ampitahao amin’ny Zakaria 4:6.
Lafin-javatra izay manampy ho an’ny fitomboana
12. Nahoana ny olona no manaiky ny fahamarinana ary manao ahoana ny isan’izy ireo?
12 Mitondra vokatra mahatalanjona isan-taona io asa fitoriana goavana io. Tamin’ny 1991, dia nisy Vavolombelona vaovao maherin’ny 300 000 natao batisa tamin’ny fandrobohana tanteraka tao anaty rano. Izany dia mitovy amin’ny kongregasiona 3 000 mahery samy misy Vavolombelona 100 avy! Ahoana no nahazoana izany? Aoka isika hitadidy izay nolazain’i Jesosy: “Tsy misy olona mahay manatona Ahy, raha tsy taomin’ny Ray Izay naniraka Ahy (...) Voasoratra ao amin’ny Mpaminany hoe: ‘Ary izy rehetra dia hampianarin’Andriamanitra.’ Izay rehetra mandre ka mianatra amin’ny Ray no manatona Ahy.” Noho izany, dia tsy noho ny ezak’olombelona ihany no ananan’ny olona iray fihetsika tsara eo anoloan’ny fanaratoana maneran-tany. Tsapan’i Jehovah ny toetran’ny fon’ny olona ary mitaona ireo mendrika ho any aminy izy. — Jaona 6:44, 45; Matio 10:11-13; Asan’ny Apostoly 13:48.
13, 14. Fihetsika tsara dia tsara inona no nasehon’ny Vavolombelona maro?
13 Ireo mpanarato olombelona anefa no iraka ampiasain’i Jehovah mba hitaona ny olona ho any aminy. Noho izany dia zava-dehibe ny fihetsik’izy ireo eo anatrehan’ny olona sy ny faritany izay anaovany ny fanaratoany. Fampaherezana toy inona moa ny mahita fa mandray am-po ireto teny nataon’i Paoly ho an’ny Galatiana ireto ny ankamaroan’izy ireo: “Ary aza mba ketraka amin’ny fanaovan-tsoa isika; fa amin’ny fotoan’andro no hijinjantsika, raha tsy reraka isika.” — Galatiana 6:9.
14 Vavolombelona mahatoky maro no nitory nandritra ny am-polony taona maro, sady nandinika akaiky ireo fisehoan-javatra maneran-tany. Nahita ny fiakarana sy fianjeran’ny Nazisma, ny Fasisma ary ny fandehan-javatra jadona hafa, izy ireo. Ny sasany amin’izy ireo dia vavolombelona nahita maso ireo ady maro nitranga nanomboka tamin’ny 1914. Nahita ireo filohan’izao tontolo izao nametra-pitokiana tamin’ny Fikambanam-pirenena, ary avy eo dia tamin’ny Firenena Mikambana, izy ireo. Nahita ny nandrarana sy ny nanomezan-dalana ny asan’i Jehovah tatỳ aoriana tany amin’ny tany maro, izy ireo. Nandritra izany rehetra izany, ny Vavolombelon’i Jehovah dia tsy kivy teo amin’ny fanaovana izay tsara, anisan’izany ny fanompoana amin’ny maha-mpanarato olona. Endre izany fanehoana tsy fivadihana! — Matio 24:13.
15. a) Inona no fanampiana azontsika mba hahaizana mampifanaraka ny fitoriantsika amin’izay ilain’ny faritanintsika maneran-tany? b) Tamin’ny fomba ahoana no nanampian’ireo zavatra vita an-tsoratra anao teo amin’ny asa nanendrena anao?
15 Misy lafin-javatra hafa koa nanampy tamin’io fitomboana maneran-tany io. Ny iray amin’izany dia ny fahaizan’ireo mpanarato olona mampiovaova ny fihetsiny eo anatrehan’izay ilain’ny faritany. Noho ny fifindra-monin’olona avy amin’ny kolontsaina, fivavahana ary fiteny samy hafa, ny Vavolombelon’i Jehovah dia nanitatra ny fahaizany mahatakatra ireo fomba fihevitra maro samihafa ireo. Ary ny kongregasiona maneran-tany dia nitondra fanampiana goavana tamin’ny fanomanana Baiboly sy zavatra vita an-tsoratra ara-baiboly amin’ny fiteny maherin’ny 200. Ny Soratra Masina — Fandikan-tenin’izao tontolo izao vaovao, na manontolo na tapatapany, izao dia efa amin’ny fiteny 13, anisan’izany ny Tchèque sy ny Slovaque. Ny bokikely hoe Mifalia amin’ny fiainana eto an-tany mandrakizay! izao dia azo amin’ny fiteny 198, manomboka amin’ny fiteny Albaniana ka hatramin’ny fiteny Zoulou, ka efa nisy 72 tapitrisa ny natao pirinty taminy. Ny boky hoe Ilay lehilahy niavaka indrindra teto an-tany dia efa misy amin’ny fiteny 69. Ny boky hoe L’humanité à la recherche de Dieu, natonta tamin’ny fiteny 29, dia manome fahatakaran-javatra momba ny fiandohana sy ny zavatra inoan’ireo fandehan-javatra ara-pivavahana lehibe indrindra, ary hita ho fanampiana tsy manam-paharoa eo amin’ny asa fanaratoana atao maneran-tany.
16. Nanao ahoana ny fihetsika nasehon’ny sasany teo anoloan’izay ilain’ny tany hafa?
16 Zavatra hafa inona no nampandroso ilay asa fanaratoana atao maneran-tany? Olona an’arivony maro no vonona hanaiky ny ‘antson’ilay Makedoniana’. Tsy misy hafa amin’i Paoly vonona ny hifindra avy tany Azia Minora ho any Makedonia tany Eoropa, noho ny fiantsoan’Andriamanitra, dia Vavolombelona maro, ary koa loholona sy mpikarakara momba ny asa, no nifindra ho any an-tany sy faritany mila mpitory ilay Fanjakana bebe kokoa. Toy ny mpanarato ara-bakiteny nahita fa efa niasana tsara ireo rano teo amin’ny misy azy izy ireo ka mifindra ho any amin’ny rano izay vitsy sambo kokoa, kanefa be hazandrano. — Asan’ny Apostoly 16:9-12; Lioka 5:4-10.
17. Ohatra inona avy no ananantsika raha ny amin’ireo izay nanaiky ny ‘antson’ilay Makedoniana’?
17 Ireo kilasin’ny sekolin’i Gileada ho an’ny misionera dia nisy mpianatra avy amin’ny tany eoropeana samihafa izay nianatra ny teny anglisy ary avy eo dia nanolotra ny tenany mba hanompo any amin’ny tany sy kolontsaina hafa. Toy izany koa, amin’ny alalan’ny Sekolin’ny Fampiofanana ho amin’ny Fanompoana, dia misy rahalahy mpitovo maro omena fampiofanana lalina mandritra ny roa volana ary avy eo dia irahina ho any amin’ny tany hafa mba hanatanjaka ireo kongregasiona sy fizaran-tany. Ny faritra fanaratoana tsy manam-paharoa hafa dia any amin’ireo faritany misokatra ankehitriny any Eoropa Atsinanana sy any amin’ireo repoblika sovietika taloha. — Ampitahao amin’ny Romana 15:20, 21.
18. a) Nahoana ireo mpitory maharitra mazàna no mpitory mahita vokatra? b) Ahoana no ahafahan’izy ireo manampy ny hafa ao amin’ny kongregasiona?
18 Ny fanampiana hafa iray koa eo amin’ny asa fanaratoana atao maneran-tany dia ny Sekolin’ny Mpitory Maharitra izay atrehin’ny mpitory maharitra mandavantaona. Amin’ny alalan’ny fandinihana lalina ny boky hoe Brillez comme des foyers de lumière dans le monde, natao manokana ho an’ny mpitory maharitra, izy ireo dia manatsara ny fahaizany eo amin’ny fanompoana rehefa mandinika foto-kevitra toy ny hoe “Aoka isika hanaraka ny lalan’ny fitiavana”, “Manaraha an’i Jesosy ho môdely”, ary “Aoka isika hamboly fahaiza-mampianatra”. Toy inona moa ny fankasitrahan’ny kongregasiona rehetra manana ireo antokona mpanarato isan-trano mahay ireo, izay afaka mampiofana maro eo amin’io asa fanaratoana lehibe io! — Matio 5:14-16; Filipiana 2:15; 2 Timoty 2:1, 2.
Afaka mihatsara ve isika?
19. Toy ny apostoly Paoly, ahoana no ahafahantsika mihatsara eo amin’ny fanompoantsika?
19 Toa an’i Paoly, dia tiantsika ny hanana fihetsika manorina sy mijery ny eo anoloana. (Filipiana 3:13, 14). Nampifanaraka ny fitoriany tamin’ny karazan’olona sy toe-javatra rehetra izy. Hainy ny nahita hevitra iombonana sy ny nanjohy hevitra tamin’ny fampiasana ireo fihetsika sy kolontsain’ireo olona teo an-toerana. Afaka manomboka fampianarana Baiboly isika amin’ny fahaiza-mandinika tsara ny fihetsiky ny tompon-trano iray eo anoloan’ny hafatra momba ilay Fanjakana ary avy eo dia amin’ny fampifanarahana ny fampisehoantsika amin’izay ilainy. Noho ireo boky fianarana Baiboly maro isan-karazany ananantsika, dia afaka manolotra ilay mifanentana tsara amin’ny fomba fihevitr’ilay olona isika. Ny fahaizantsika manovaova ny fampisehoantsika sy mandinika tsara koa dia lafin-javatra lehibe eo amin’ny fanaratoana mitondra vokatra. — Asan’ny Apostoly 17:1-4, 22-28, 34; 1 Korintiana 9:19-23.
20. a) Nahoana no zava-dehibe aoka izany ankehitriny ny asa fanaratoantsika? b) Inona no andraikitsika isam-batan’olona ankehitriny?
20 Nahoana no zava-dehibe aoka izany ankehitriny io asa fanaratoana tsy manam-paharoa atao maneran-tany io? Satria, noho ireo faminaniana ao amin’ny Baiboly hita taratra eo amin’ireo fisehoan-javatra efa nitranga sy mbola mitranga, dia miharihary fa mandroso mankany amin’ny fiafarany feno loza ny fandehan-javatr’i Satana. Koa, inona àry no tokony hataontsika Vavolombelon’i Jehovah? Ireo lahatsoratra fianarana telo tato amin’ity gazety ity dia nampisongadina ny andraikitsika ho mazoto miasa hatrany sy ho be zotom-po amin’ny asa fanaratoana ataontsika eo amin’ny faritra anaratoantsika amin’ireo rano maneran-tany. Manana ny toky mafy orina avy ao amin’ny Baiboly isika fa tsy hanadino ny ezaka tamim-pitandremana nasehontsika teo amin’ny asa fanaratoana i Jehovah. Nanambara toy izao i Paoly: “Andriamanitra tsy mba tsy marina hanadino ny asanareo sy ny fitiavana izay nasehonareo ho voninahitry ny anarany, raha nanompo ny olona masina hianareo sady mbola manompo ihany. Ary mbola irinay hianareo rehetra samy haneho izany fahazotoana izany mba hahazo ny fahatokiana be ny amin’ny fanantenana hatramin’ny farany.” — Hebreo 6:10-12.
[Fanamarihana ambany pejy]
a Jereo koa La Révélation: le grand dénouement est proche!, pejy faha-185 sy faha-186, natontan’ny Watchtower Bible and Tract Society of New York, Inc.
b “Mpitory maharitra (...) Mpiasa manontolo andro eo anivon’ny Vavolombelon’i Jehovah.” — Rakibolana Webster’s Third New International Dictionary.
Tsaroanao Ve?
◻ Nahoana ny Vavolombelon’i Jehovah no mihevitra izao tontolo izao manontolo ho toy ny toerana ho an’ny asa fanaratoana ataony?
◻ Fitahiana inona no nentin’ny sekolin’i Gileada, fampiofanana misionera, ho an’ny asa fanaratoana?
◻ Lafin-javatra sasantsasany inona avy no nanampy tamin’ny fahombiazan’ny Vavolombelon’i Jehovah?
◻ Ahoana no ahafahantsika isam-batan’olona manatsara ny fanompoantsika kristiana?
[Tabilao, pejy 24]
VOKATRY NY ASA FANARATOANA ATAO MANERAN-TANY
Taona Tany Vavolombelona
1939 61 71 509
1943 54 126 329
1953 143 519 982
1973 208 1 758 429
1983 205 2 652 323
1991 211 4 278 820
[Sary, pejy 25]
Mbola atao ihany ny asa fanambarana eo amin’ireo mpanarato galiliana