Mamely ny Kristianisma i Dioclétien
TAMIN’NY fankalazana an’ilay andriamanitra romana atao hoe Terminus tamin’ny 23 Febroary 303 am.f.i., natao tany Nicomédie, any Azia Minora, renivohitra vaovaon’ilay empira, dia nifaninana ny olona mba hampisehoana ny fitiavany tanindrazana. Tsy teo tamin’ny fomba niavaka anefa ilay fitambaran’olona kristiana izay maromaro ihany.
Avy eo amin’ny fitazanany tao amin’ny lapa, ny Emperora Dioclétien sy i Galère lefiny dia nijery ny toeram-pivoriana kristiana teo an-toerana. Tamin’ny famantarana nifanaovana iray, dia niditra an-keriny tao amin’ilay trano kristiana ny miaramila sy mpanao fanjakana, nandroba izany, ary nandoro ireo kopian’ny Baiboly izay hitany. Farany dia noravany hatrany amin’ny fotony ilay trano.
Tamin’izany no niandohan’ny vanim-potoam-panenjehana izay nanamatroka ny fanjakan’i Dioclétien. Izany dia nopetahan’ny mpanao tantara anarana hoe “ilay fanenjehana lehibe farany”, “ilay fanenjehana nahery vaika indrindra”, ary hoe “tsy inona fa ny fanafoanana ny anarana kristiana” mihitsy aza. Ny fanaovana topy maso amin’ny fiavian’ireo zava-nitranga nampivarahontsana ireo dia tena ahitan-javatra tokoa.
Ny fanompoan-tsampy manohitra ny Kristianisma
I Dioclétien, teraka tany Dalmatie, faritra iray any Iogoslavia amin’izao andro izao, dia nisondrotra voninahitra tamin’ny alalan’ny ambaratongam-boninahitra tao amin’ny tafika romana. Nambara ho emperora tamin’ny 284 am.f.i. izy ka nanjary nalaza noho ny fanovana ara-politika fony izy nanorina ny tétrarchie, fitondrana iarahan’olona efatra manao, mba hitondrana ilay empira. Nanendry an’i Maximien, miaramila namany taloha, i Dioclétien mba hiasa teo anilany tamin’ny naha-emperora faharoa, ho Augustus (olona ambony) faharoa, nanana andraikitra manokana tany amin’ny tapany andrefan’ilay empira. Samy nanana Kaisara lefitra izay nomena zo handimby na i Dioclétien, na i Maximien. I Constance Chlore no niasa ho Kaisaran’i Maximien, ary i Galère avy any Thrace kosa no nitana fahefana teo ambanin’i Dioclétien.
Sahala amin’i Dioclétien, i Galère Kaisara dia mpanompo sampy nafana fo. Naniry fatratra ny handimby ilay emperora i Galère ka mody nilaza fa natahorany hisy famadihan-tanindrazana tao amin’ny tafika. Tsy tiany ny fitaomana tsy nitsaha-nitombo avy tamin’ireo miaramila nihambo ho Kristiana. Teo imason’ilay emperora, ny tsy fetezan’izy ireo handray anjara tamin’ny fanompoam-pivavahan’ny mpanompo sampy dia nitovy tamin’ny fihaikana ny fahefany. Noho izany dia nampirisihin’i Galère i Dioclétien mba handray fepetra hamongorana ny Kristianisma. Farany, tamin’ny ririnin’ny 302/303 am.f.i., ny emperora dia nilefitra tamin’ny fihetseham-po feno fankahalana ny Kristiana nananan’ilay Kaisara ary nanaiky ny hanaisotra tao amin’ny tafika sy ny lapam-panjakana ireny olona ireny. Tsy nankasitraka ny fandatsahan-dra anefa i Dioclétien, satria natahorany hampirisika ny hafa hanohitra an-karihary amim-pahatapahan-kevitra ireo maritiora noho ny Kristianisma.
Na dia izany aza, dia tsy afapo tamin’io fomba nikarakarana ilay zava-nanahirana io i Dioclétien fa nanontany ireo lehiben’ny miaramila sy ireo manamboninahitra tao amin’ny tafika, anisan’izany i Hieroclès, governoran’i Bithynie. Io olona niaina teo anivon’ny kolontsaina grika nafana fo io dia nanohana fanaovan-javatra tamin-kerisetra hanoherana ny Kristiana rehetra. Nitarika ho amin’ny ady tamin’ny Kristianisma ny fanohanan’i Dioclétien ireo andriamanitra nentin-drazana tao Roma. Araka ny Diocletian and the Roman Recovery, nataon’i Stephen Williams, ny fiafarany dia “ady tsy nisy fetrany hatramin’ny farany teo amin’ireo andriamanitr’i Roma sy ilay andriamanitry ny Kristiana.”
Ireo didim-panjakana
Mba hamitana hatramin’ny farany ny ezaka manokana nataony ho fanenjehana, dia namoaka didim-panjakana efatra nisesy i Dioclétien. Tamin’ny andro nanaraka ilay fanafihana tany Nicomédie, dia nandidy ny handravana ny toeram-pivoriana kristiana rehetra izy, ary nanao lalàna mba hanolorana sy handorana ireo boky masina. Tsy maintsy naetry laharana ireo Kristiana nitana toerana ôfisialy tao amin’ny fanjakana.
Rehefa nisy afo roa nanomboka nirehitra ka niitatra tao anatin’ny lapan’ilay emperora mihitsy, dia nianjera teo amin’ireo Kristiana niasa tao ny fanomezan-tsiny. Izany dia nitarika ho amin’ny didim-panjakana faharoa, izay nandidy ny fisamborana sy ny fanagadrana ireo eveka, sy ireo anisan’ny kilasin’ny mpitondra ary ireo diakona rehetra. Namela hanao fampijaliana, raha nilaina izany, ny didim-panjakana fahatelo tamin’ny fanandramana nanao izay hivadihan’ireny lehilahy ireny tamin’ny finoany, tamin’ny fitakiana ny hanolorany fanatitra ho an’ireo andriamanitra romana. Lasa lavitra kokoa ny didim-panjakana fahefatra ary nihevitra ho fandikan-dalàna nahafaty ny fanambarana tena ho nanaraka ny Kristianisma.
Ny onjan-kerisetra vokatr’izany dia niteraka kilasy iray nesoina hoe traditores (midika hoe “ireo nitolo-batana”), ireo mpamadika an’Andriamanitra sy i Kristy izay nanandrana niaro ny ainy tamin’ny fanolorana ny kopian’ny Soratra Masina nananany. Araka ny nambaran’ilay mpanao tantara atao hoe Will Durant, “dia nisy Kristiana an’arivony maro nanda ampahibemaso ny finoany (...) Ny ankamaroan’ireo nenjehina anefa dia nifahatra mafy; ary ny fahitana na ny fitantarana ny amin’ny tsy fivadihana feno herim-po teo ambanin’ny fampijaliana dia nanatanjaka ny finoan’ireo mpikambana vaovao niroa saina sy vao niditra tao amin’ilay kongregasiona natao haza lambo.” Nijaly noho ny fanaovana maritiora ireo Kristiana tany Frygia, Kapadokia, Mesopotamia, Fenisia, Egypta ary tany amin’ny ankamaroan’ireo faritra hafan’ny Empira romana.
Notombanan’ilay mpanao tantaran’ny Eglizy atao hoe Eusèbe avy tany Kaisaria, fa nisy Kristiana an’arivony maro maty nandritra ilay fanenjehana. Etsy an-danin’izany, i Edward Gibbon, ilay nanoratra ny The Decline and Fall of the Roman Empire, dia nilaza isa latsaky ny roa arivo. “Nivaofy ny maro tamin’ireny tantara ireny tamim-pisalasalana i Gibbon, noho izy ireny avy tany amin’ny tahirin-kevitra kristiana namboamboarina be, naolana mba hanomezam-boninahitra ireo maritiora sy hampiorenana ireo tsy nivadika”, hoy ny fanazavan’ny mpanoratra iray. “Tsy misy isalasalana”, hoy ny nanohizany ny teniny, “fa nisy fanitaran-javatra teo amin’ireo mpanoratra izay nanova mora foana ny fahafatesan’olona vitsivitsy ho ‘vahoaka sesehena’, mpanoratra izay tsy nanavaka ireo maritiora tsy fidiny sy ireo maritiora noho ny fihantsiana an-tsitrapo; ary ireo mpanoratra izay nitantara ny fomba namiraviran’ny biby dia tao amin’ny kianja filalaovana tamin-karomotana ireo mpamono olona nefa nampiatoin’ny ‘hery mahagaga’ mba tsy hikasika ireo Kristiana. Na dia asiana faritra malalaka aza anefa ho an’ireo zavatra noforomporonina, izay sisa tavela dia efa tena mahatsiravina.” Azo antoka fa nisy fanenjehana tena feno herisetra nitranga niaraka tamin’ny fanapotehana, fandoroana, fanendahana ny hoditra, ary fampiasana fitsongo (pince) mba hampijaliana.
Nino ny manam-pahefana sasany fa i Galère, fa tsy i Dioclétien, no tompo-marika tamin’ilay fanenjehana. Nilaza marimarina ny Profesora William Bright tao amin’ny The Age of the Fathers, hoe: “Tsy hoe tsy misy heviny ara-pitondrantena lalina akory raha tokony hitondra ny anaran’i Dioclétien, fa tsy ny an’i Galère, ilay tena niaviany, ny ezaka tampony nataon’ny fahefan’izao tontolo izao mpanompo sampy mba hanamontsamontsanana ny fiainan’ilay Fanjakana izay tsy anisan’ity tontolo ity.” Kanefa, na dia tao amin’ilay tétrarchie aza, dia nitana ny fahefana tampony i Dioclétien, araka ny antitranterin’ilay mpanoratra atao hoe Stephen Williams: “Tsy misy isalasalana fa nanana fahefana teo amin’ny tetik’asa lehibe indrindra tao amin’ilay Empira i Dioclétien hatramin’ny 304, ary nanana andraikitra lehibe indrindra teo amin’ilay fanenjehana hatramin’io daty io izy.” Narary i Dioclétien ary farany dia nanolotra ny fahefana ho an’ny hafa tamin’ny 305 am.f.i. Nandritra ny enin-taona teo ho eo taorian’izay, ilay fanenjehana nitohy dia nahitana taratry ny fankahalan’i Galère fatratra izay zavatra rehetra nisy nifandraisany tamin’ny Kristianisma.
Ny Kristianisma tamin’ny taonjato fahefatra
Ireo zava-nitranga nahatsiravina tamin’ny fiandohan’ny taonjato fahefatra ireo dia manamarina izay efa nambaran’ny apostoly Paoly sy Petera ary koa mpanoratra nahazo tsindrimandry hafa mialoha. Ilay “lehilahin’ota” nambara mialoha, ny kilasin’ny klerjy mpitondra tao amin’ireo nilaza tena ho Kristiana, dia efa niorina mafy, araka ny porofoin’ireo didim-panjakana navoakan’i Dioclétien, indrindra fa ilay faharoa. (2 Tesaloniana 2:3, 4; Asan’ny Apostoly 20:29, 30; 2 Petera 2:12). Tamin’ny taonjato fahefatra, ireo fanaon’ny mpivadi-pinoana dia efa nahazatra. Maromaro ihany ireo nilaza tena ho Kristiana no anisan’ny tafika romana. Moa ve tamin’izay tsy nisy Kristiana tsy nivadika tamin’ny “mariky ny teny tsy misy kilema” noraisina avy tamin’ireo apostoly? — 2 Timoty 1:13.
Nilaza ny anaran’ny sasany tamin’ireo niharam-pahavoazana noho ny fanenjehana i Eusèbe, ary nolazalazainy mazava tsara mihitsy aza ny fampijaliana azy ireo, ny fahoriany, ary ny naha-maritiora azy tamin’ny farany. Tsy azontsika fantarina izao na maty noho ny tsy fivadihany tamin’ny fahamarinana nampahafantarina ara-tsindrimandry nisy tamin’izany fotoana izany ireny maritiora rehetra ireny na tsia. Tsy isalasalana fa nisy sasany nanao am-po ny fampitandreman’i Jesosy mba hanalavitra ny fisaratsarahana, ny fahalotoam-pitondrantena, ary izay mety ho karazana fanekena lembenana. (Apokalypsy 2:15, 16, 20-23; 3:1-3). Miharihary fa ny nahatoky sasany izay tsy maty dia nitoetra niafina tsy hita teo amin’ny tantara. (Matio 13:24-30). Tsy azo lavina fa nahomby aoka izany ireo fepetra natao mba hanafoanana ny fanompoam-pivavahana kristiana ampahibemaso, hany ka nidera an’i Dioclétien noho izy ‘nanafoana ny finoanoam-poana momba an’i Kristy’ ny tsangambato espaniola iray. Na dia izany aza, dia tsy nahavita ny nanafoana tanteraka ny Tenin’Andriamanitra ireo fiezahana haka an-keriny sy hanapotika ireo kopian’ny Soratra Masina, lafiny iray lehibe teo amin’ny famelezan’i Dioclétien ny Kristianisma. — 1 Petera 1:25.
Noho i Satana Devoly, ilay mpanapaka izao tontolo izao, tsy nahomby tamin’ny fampanjavonana tanteraka ny Kristianisma, dia nanohy ny asany feno hafetsena izy tamin’ny alalan’ny Emperora Constantin, izay nanapaka nanomboka tamin’ny 306 ka hatramin’ny 337 am.f.i. (Jaona 12:31; 16:11; Efesiana 6:11). Tsy niady tamin’ireo Kristiana i Constantin mpanompo sampy. Hitany kosa fa nahavita izay nokendreny ny fampifangaroana ireo finoan’ny mpanompo sampy sy ny an’ireo Kristiana tao amin’ny fivavaham-panjakana vaovao iray.
Fampitandremana toy inona moa izany ho antsika rehetra! Rehefa miatrika fanenjehana feno herisetra isika, ny fitiavantsika an’i Jehovah dia hanampy antsika hanalavitra ny fanekena lembenana mba hahazoana fanamaivanana ara-batana mihelina. (1 Petera 5:9). Toy izany koa, dia tsy havelantsika hampaosa ny tanjaka kristiana ananantsika ny vanim-potoana milamina. (Hebreo 2:1; 3:12, 13). Ny fanarahana amin’ny fomba hentitra ireo fotopoto-pitsipika ao amin’ny Baiboly dia hahatonga antsika tsy hivadika hatrany amin’i Jehovah, ilay Andriamanitra izay afaka manafaka ny olony. — Salamo 18:25, 48.
[Sary nahazoan-dalana, pejy 28]
Musei Capitolini, Roma