Mandresy ny Famoizam-po ny Fanantenana!
AO AMIN’NY Webster’s Ninth New Collegiate Dictionary, ny famoizam-po dia faritana ho ny “famoizana tanteraka ny fanantenana”. Mazava àry fa, mba handresena ny famoizam-po, dia mila fanantenana isika!
Ny olona tsy nambinina iray, teren’ny tsy fisiana hiaina eny amoron-dalana dia tsy hamoy fo tanteraka raha manana fanantenana. Ny fanantenana dia afaka manome herim-po sy tanjaka mba hiaretana mihitsy aza ho an’ireo mijaly noho ny aretina fahaketrahana. Tsy maintsy azo itokiana anefa ilay fanantenana! Inona no dikan’izany?
Ny fototra ho an’ny fanantenana
Hevero izay nanjo an’i Saraha, vadin’i Abrahama patriarka. Rehefa nanakaiky ny faha-90 taonany izy, dia mbola momba ihany ary namoy fo hatramin’ny ela noho ny tsy niterahany mihitsy. Rehefa 99 taona anefa ny vadiny, dia namerina ny fampanantenana izay nataony taona maro talohan’izay i Jehovah — hanana “taranaka” na mpandova tokoa i Abrahama. Fantatr’i Abrahama fa fampanantenana azo nitokiana izany. Alao sary an-tsaina ny tsy maintsy ho hasambaran’i Saraha rehefa nitranga tamin’ny fomba nahagaga ilay fisehoan-javatra nahafaly ary niteraka an’i Isaka izy! (Genesisy 12:2, 3; 17:1-4, 19; 21:2). Tsy diso toerana ny fitokian’i Abrahama an’Andriamanitra, toy ny nanazavan’ny apostoly Paoly azy hoe: “Ary tsy niahanahana ny amin’ny teny fikasan’Andriamanitra tamin’ny tsi-finoana izy [Abrahama], fa nampaherezin’ny finoana ka nanome voninahitra an’Andriamanitra”. — Romana 4:20.
Rehefa nanoratra ho an’ireo Jiosy tonga Kristiana tamin’ny androny i Paoly dia nanjohy hevitra fa afaka niantehitra tamin’ny fampanantenan’Andriamanitra famonjena tamin’ny alalan’i Jesosy izy ireo noho ny antony mari-pototra roa. Rehefa nanonona ny fampanantenan’Andriamanitra tamin’i Abrahama sy ny nampanarahany izany tamin’ny fianianana ilay apostoly, dia nanao izao fanaporofoan-kevitra izao: “Ny olona dia mianiana amin’izay lehibe noho ny tenany; ary ny fianianany dia ataony mba hahamafy ny teny hampitsahatra ny fifandirana rehetra. Ary amin’izany, raha Andriamanitra ta-haneho kokoa amin’ny mpandova araka ny teny fikasana ny tsi-fiovan’ny sitrapony, dia nataony mafy tamin’ny fianianana izany, mba ho zavatra roa loha tsy mety miova, izay tsy hain’Andriamanitra andaingana, no hahazoantsika famporisihana mafy, dia isika izay nandositra hihazona ny fanantenana napetraka eo anoloantsika.” (Hebreo 6:16-18). Eny, marina sy azo itokiana ireo fampanantenan’Andriamanitra. Tsitoha i Jehovah, ary izy no hany afaka miantoka ny fahatanterahan’ny teniny manokana.
Fanantenana — “Sady mafy no tsy mihetsika”
I Paoly dia nanoratra fa ny fanantenana kristiana dia “sady mafy no tsy mihetsika”. (Hebreo 6:19). Fantatr’i Paoly hoe taiza no namaka ny fanantenany. Nanazava toy izao izy: “Miditra any anatin’ny efitra lamba [ilay fanantenana]”. Inona no dikan’izany? Nanisy fitenenana miharihary ny amin’ilay tempoly fahiny tao Jerosalema i Paoly. Tao anatin’izy io no nisy ny efitry ny Masina Indrindra nisaraka tamin’ny sisa amin’ilay trano tamin’ny alalan’ny efitra lamba iray. (Eksodosy 26:31-33; Matio 27:51). Marina aloha fa efa rava hatramin’ny ela ny tempoly ara-bakiteny tao Jerosalema. Koa inona àry, amin’izao andro izao, no mifanitsy amin’io Masina Indrindra io?
Ny lanitra mihitsy, izay misy ny tenan’Andriamanitra eo amin’ny seza fiandrianana! Nanazava izany i Paoly rehefa nilaza fa taorian’ny niakaran’i Jesosy ho any an-danitra, dia “tsy mba niditra tao amin’izay fitoerana masina nataon-tànana [tao amin’ny tempolin’i Jerosalema], izay tandindon’ny tena fitoerana masina [izy], fa ho any an-danitra tokoa, mba hiseho eo anatrehan’Andriamanitra ankehitriny ho antsika”. (Hebreo 9:24). Koa ny fanantenana kristiana, izay manampy antsika hiady amin’ny famoizam-po àry, dia tsy miankina amin’ny mpanao politika olombelona, fa amin’ny fandaharana iray any an-danitra. Izy io dia miankina amin’Ilay notendren’Andriamanitra, dia i Jesosy Kristy izay nanome ny ainy ho avotra noho ny fahotantsika, ary miseho eo anatrehan’Andriamanitra ho antsika izao. (1 Jaona 2:1, 2). Ankoatra izany, araka ny aseho matetika ao amin’ireo tsanganana ao amin’ity gazety ity, dia io Jesosy io ihany no ilay voatendrin’Andriamanitra hanapaka amin’ny maha-Mpanjakan’ny Fanjakan’Andriamanitra any an-danitra, ary efa manao izany izy hatramin’ny 1914. Io Fanjakana any an-danitra io dia hanaisotra tsy ho ela ireo zavatra izay mitarika olona maro aoka izany ho amin’ny famoizam-po.
Fanantenana — “vatofantsiky ny aina”
Mba hampiekena ireo mpamaky ny taratasiny fa manana fiorenany tsara ny fanantenan’izy ireo famonjena amin’ny alalan’i Jesosy, dia nampiasa fampitovian-javatra i Paoly. Nohazavainy fa io finoana io dia “ananantsika ho vatofantsiky ny aina”. — Hebreo 6:19.
Fantatry ny mpanao dia lavitra toa an’i Paoly tsara ny vatofantsika. Ireo vatofantsika fahiny dia saiky mitovitovy amin’ireo amin’izao andro izao ihany, vita amin’ny vy izy ireny mazàna, ary manana tendrony roa toy ny nify mba hitanana mafy ny fanambanin’ny ranomasina. Tamin’ny taona 58 am.f.i. tany ho any, teny an-dalana ho any Roma, dia notandindomin’ny faharendrehana ny sambo nisy an’i Paoly. Raha nandroso tao amin’ny rano nihanarivo hatrany ilay sambo, dia “nandatsaka vatofantsika efatra teo am-bodi-sambo” ireo tantsambo. Noho ireo vatofantsika ireo dia tafita soa aman-tsara tamin’ilay tafiodrivotra ilay sambo. — Asan’ny Apostoly 27:29, 39, 40, 44.
Inona àry no tsy maintsy ataonao mba hahatonga ny fanantenanao ho azo antoka toy ny vatofantsika ka hahafahanao hiaritra zava-manahirana ara-bola, tsy fahasalamana ara-batana na ara-pihetseham-po, na izay “tafiodrivotra” hafa rehetra mety ho tonga eny amin’ny lalanao? Ataovy aloha izay hahazoan’ny tenanao antoka fa mendrika itokiana ireo fampanantenan’ny Baiboly. “Ataovy azo antoka ny zava-drehetra”. (1 Tesaloniana 5:21, NW). Rehefa miresaka aminao, ohatra, ny Vavolombelon’i Jehovah amin’ny manaraka, dia henoy izay lazainy. Raha mahalana izy ireo vao mitsidika eo amin’ny toerana misy anao, dia tadiavo izy ireo any amin’ny Efitrano Fanjakana akaiky indrindra. Tsy hoterena hiaraka amin’izy ireo akory ianao, fa hasaina kosa mba hanaiky fampianarana maimaimpoana ny Baiboly izay nalamina mba hatao any amin’ny toerana sy amin’ny fotoana mety aminao.
Ny fianarana toy izany dia hanome toky anao fa Andriamanitra dia “Mpamaly soa izay mazoto mitady Azy”. (Hebreo 11:6). Hianaranao fa, tsy ho ela ny Fanjakan’Andriamanitra tapahin’i Kristy Jesosy Mpanjaka, dia hanaisotra ny fandraisana kolikoly sy ireo tsy fitoviana ara-tsôsialy izay mahatonga olona maro aoka izany hamoy fo amin’izao andro izao. Eo ambanin’io Fanjakana io, dia haverina ho paradisa indray ity tany ity, ary hanome fiainana mandrakizay ho an’izay tia azy Andriamanitra. (Salamo 37:29; Apokalypsy 21:4). Fanantenana be voninahitra re izany!
Vakio amim-pitandremana ny Baiboly mba hahitana fa marina io fanantenana io. Avy eo dia miezaha mafy mba hampitombo fifandraisana manokana sy akaiky amin’Andriamanitra, ka ho tonga sakaizany toy ny naha-izany an’i Abrahama. (Jakoba 2:23). Koa satria i Jehovah no ilay “Mpihaino vavaka”, dia lazao aminy ny fanahianao. Rehefa feno fahatsorana ny fomba fanatonanao, ny vavaka ataonao dia hanampy anao hanaisotra izay manavesatra anao ary handresy ny famoizam-ponao. Mety hanokatra lalana mihitsy aza ny fanahin’Andriamanitra mba hanova ny toe-javatra izay mampahory anao. — Salamo 55:22; 65:2; 1 Jaona 5:14, 15.
“Hazòny mafy”
Rehefa avy nanoro hevitra ireo mpianatra namany i Paoly hoe “ataovy azo antoka ny zava-drehetra”, dia izao no nanampiny: “Hazòny mafy izay tsara”. (1 Tesaloniana 5:21, NW). Fomba iray anaovana izany ny fifaneraserana amin’ireo olona izay mihazona mafy koa ny fanantenana kristiana. Nampitandrina toy izao i Solomona mpanjaka hendry: “Izay miara-dia amin’ny hendry dia ho hendry; fa izay misakaiza amin’ny adala dia hidiran-doza.” (Ohabolana 13:20). Aza mamela ny fitsarana an-tendrony na ny fahatsiarovan-tena ho sanganehana hanakana anao tsy hitady fifaneraserana tsara. Eo anivon’ny Vavolombelon’i Jehovah ohatra, dia misy olona izay tsy nanam-panantenana tamin’ny lasa. Kanefa ny fianaran’izy ireo ny Baiboly niampy ny fifaneraserana mahafaly amin’ireo mpiray finoana, dia manamafy ny fifandraisan’izy ireo amin’i Jehovah, ary manome azy fanantenana azo itokiana, toy ny vatofantsika. Moa ve izany tena mandresy tokoa ny famoizam-po? Azo antoka fa izany.
Raiso ny ohatr’i Annmarie, izay tonga tamin’ny famoizam-po noho ny fizakana fitondrana feno herisetra nampiharin’ny vadiny taminy. “Nanapa-kevitra ny hamarana ny fiainako aho”, hoy ny fanazavany, “kanefa noho ny antony sasany dia nanapa-kevitra ny hivavaka tamin’Andriamanitra aho aloha. Tsaroako aho niteny hoe: ‘Nahoana ianao no tsy afaka manampy ahy? Nanantena anao hatramin’ny ela aho fa tsy nisy vokany izany.’ Namarana ny vavaka nataoko aho tamin’ny fiheverana fa tsy misy zava-kendrena ny fiainana, koa tsy maninona na dia maty aza aho. Tamin’izay fotoana izay, dia nisy nandondòna tao am-baravarana. Nanapa-kevitra ny tsy hiraharaha izany aho tamin’ny fanantenana fa na iza na iza no ao, dia handeha izy amin’ny farany.
“Nitohy ihany ilay dondòna, ary nanjary nanahy aho. Namafa ny ranomasoko aho ary nandeha nijery izay tao am-baravarana, tamin’ny fanantenana ny ho afaka haingana mba hahafahako hanao izay nokasaiko. Noho i Jehovah anefa”, hoy i Annmarie, “dia tsy izany no nitranga, satria, rehefa namoha ny varavarana aho, dia nahita vehivavy roa nijoro teo. Sanganehana marina tokoa aho, ary tsy tena azoko izay nolazain’izy ireo. Nanolotra ahy boky izay manazava fa misy zava-kendrena ny fiainana, anefa izy ireo. Izany indrindra no nilaiko mba hamelomana indray ny fahalianako amin’ny fiainana.” Nandamina fianarana ny Baiboly tsy tapaka niaraka taminy ireo mpitsidika azy ireo. Nianatra ny ho tonga sakaizan’Andriamanitra i Annmarie. Izany kosa, ho setriny, dia nanome azy zava-kendrena teo amin’ny fiainana. Izao izy dia manampy ny hafa mba hampitombo fatokiana an’Andriamanitra.
Angamba ianao nanantena fifaranan’ny famoizam-po, saingy tsy takatrao izay rehetra tafiditra amin’izany. Raha toa anefa ianao ka efa nivavaka hoe: “Ho tonga anie ny fanjakanao. Hatao anie ny sitraponao etỳ an-tany tahaka ny any an-danitra”, dia nivavaka ny hahatongavan’ny Fanjakan’Andriamanitra tapahin’i Jesosy Kristy izay hanafoana ireny zavatra mahatonga ny olona tso-po hamoy fo ireny ianao izany. (Matio 6:10). Ny fianaranao manokana ny Baiboly sy ny fifaneraseranao amin’ny hafa manana fatokiana mitovy amin’izany dia hanatanjaka ny fitananao mafy ilay fanantenana ny hahatongavan’ny Fanjakan’Andriamanitra sy ny hamerina indray ny paradisa eto amin’ny tanintsika. (1 Timoty 6:12, 19). Izany ilay fanantenana be voninahitra ambaran’ity gazety ity ao amin’ny nomerao tsirairay. Raiso amim-pahatsorana tanteraka ilay fanantenana mba hiadiana amin’ny famoizam-po. Marina tokoa fa ny fanantenana “dia tsy mitondra ho amin’ny fahadisoam-panantenana”. — Romana 5:5, NW.
[Sary, pejy 7]
Ny fianarana ny Baiboly dia manome antsika fanantenana izay miasa toy ny “vatofantsiky ny aina”.