Mitantara Ireo Mpitory Ilay Fanjakana
Mampamirapiratra ny Fahazavany any India Izy Ireo
NY VAOVAO tsaran’ilay Fanjakana izao dia torin’ireo Vavolombelona falifaly 11 524 any India. (Matio 24:14, NW ). Ireo 1 066 natao batisa nandritra ny taom-piasana 1991 dia mpitory ilay Fanjakana, izay mampamirapiratra ny fahazavany amin’ny hafa. Endre ny hasambaran’izy ireo nahita olona 28 866 nanatrika ny fankalazana ny Fahatsiarovana ny nahafatesan’i Kristy!
◻ Maro no nahare voalohany momba ny fanantenana mifandray amin’ilay Fanjakana, tamin’ny alalan’ny fanambarana tsy ara-potoana. Ohatra, ny Vavolombelona iray dia niresaka momba ilay Fanjakana tamin’ireo mpiara-miasa taminy, mpandrafitra tahaka azy. Nanaiky izany ny mpiara-miasa taminy iray ary nanomboka nampamirapiratra ny fahazavany tamin’ny fianakaviany sy ny namany. Ireo kosa dia nampita tamin-kafaliana ny hafatra mahatalanjona momba ilay Fanjakana tamin’ny hafa. Araka ny tatitra voaray, tao anatin’ny taona vitsivitsy monja, dia ‘olona maherin’ny 30 no nanaiky ny fahamarinana’. Nitahy azy sy ireo rahalahiny ara-panahy vaovao i Jehovah, noho izy ireo nampamirapiratra ny fahazavany.
◻ Ny rahalahy tanora iray tao amin’ny kongregasiona hafa iray dia nampamirapiratra ny fahazavany tamin’ny fanaovana fanambarana tsy ara-potoana tamin’ireo mpiara-mianatra taminy tany an-tsekoly. Liana tamin’ny fanantenana mifandray amin’ilay Fanjakana ny sasany tamin’ireo, ary nanazava ny Baiboly tamin’izy ireo izy, matetika hatramin’ny misasakalina. Ny iray tamin’izy ireo, Katolika iray, dia niandany mafy tamin’ny fahamarinana na dia nampitandreman’ny pretra ny amin’ireo ho vokatra henjana hihatra aminy aza izy raha nanohy nifanerasera tamin’ilay Vavolombelona. Niaiky anefa io mpianatra io fa ny fahamarinana ao amin’ny Baiboly no nianarany avy tamin’ireo Vavolombelona, ary dia nanohy nandray fahalalana izy. Tamin’ny farany izy dia natao batisa ary ankehitriny dia mpikarakara momba ny asa ao amin’ny kongregasiona. Mifaly ao amin’ilay fanantenana izay azo avy amin’ny fahazavana mahatalanjon’ny fahamarinana, izy! — Romana 12:12.
◻ Ny hafa iray koa izay nihaino io Vavolombelona tanora io dia mpianatra fanta-bahoaka iray, tsy nino an’Andriamanitra ary naneso ireo izay nilaza ho nino an’Andriamanitra. Indray andro anefa izy dia nandray anjara tamin’ilay fifanakalozan-kevitra ary nanao fanontaniana maro. Gaga izy rehefa nahazo valinteny araka ny fandrindran-kevitra tamin’ny fanontaniany rehetra ary tonga tamin’ny fanatsoahan-kevitra fa Tenin’Andriamanitra ny Baiboly. Nandroso tamin’ny fahalalana ny Baiboly izy ary tamin’ny farany dia natao batisa. Nanohitra azy ny rainy izay Hindoa ka tonga hatramin’ny fandroahana azy hiala tao an-trano. Kanefa novalian-tsoa ny fiorenan’io tovolahy io mafy ho amin’ny fahamarinana rehefa nanaiky ny fahamarinana ka natao batisa koa ny roa tamin’ireo rahalahiny ara-nofo sy ny roa tamin’ireo namany. Ny iray amin’ireo rahalahiny izao dia manompo ao amin’ny biraon’ny sampana any India.
◻ Nandray anjara tamin’ilay fifanakalozan-kevitra niaraka tamin’ilay Vavolombelona tanora koa ny mpitarika ireo mpianatra iray. Mpifoka tsy maty sigara sady mpidoroka be izy io. Indray mandeha izy dia saika hamono mpiara-mianatra taminy roa lahy izay nianatra ny fahamarinana niaraka tamin’ilay Vavolombelona. Noho ireo nanaiky ny fahamarinana, dia nanda ny handray anjara tamin’ny fikomian’ny mpianatra tao an-tsekoly izy ireo. Tsy nety nanome ra koa izy ireo nandritra ny fandaharana manokana natao hanangonana ra nalamin’io mpitarika ireo mpianatra io. Ankehitriny io tovolahy io dia sambatra fa Vavolombelon’i Jehovah mpitondra fahazavana.
◻ Amin’ny fitambarany, ilay mpianatra izay nampamirapiratra voalohany ny fahazavany dia nanampy ny 15 tamin’ireo mpiara-mianatra taminy ho tonga amin’ny fanoloran-tena sy ny batisa, tamin’ny fanaovana fanambarana tsy ara-potoana tamin’izy ireo.
Fifaliana ny mahita olona maro any amin’io tany midadasika io manaiky ny fanantenana ao amin’ny Baiboly ny amin’ny tontolo vaovaon’Andriamanitra, ary miaraka amin’ilay fianakavian’ny mpirahalahy maneran-tany izay angonin’i Jehovah Andriamanitra ankehitriny mba hiaina mandrakizay eo ambanin’ny fanapahan’ny Fanjakany.