Naleviko ny Hambom-poko ary dia Nahita Fahasambarana Aho
VEHIVAVY 23 taona feno fanirian-daza aho tamin’ny 1970. Tany amin’ny toeram-piasako tao amin’ny fikambanan’ny mpitondra fiarakodia iray, eto Ivrea, eto Italia, dia nasondrotra ho lehiben’ireo mpiasa aho. Tapa-kevitra ny ho tonga olona ambony aho. Kanefa dia ketraka sy nalahelo mafy aho. Fa nahoana?
Nandany ny ankamaroan’ny fotoanany tany amin’ireo trano fisotroan-toaka izay nilalaovany karatra niaraka tamin’ireo namany ny vadiko, ary namela ahy hiantsoroka irery ny ankamaroan’ireo andraikitra tao amin’ny fianakavianay. Nihasimba ny fifandraisanay. Nifamaly noho ny zavatra madinika indrindra izahay. Ho vokatr’izany, dia nanjary feno eritreritra tsy nanorina ny saiko.
‘Tsy misy na dia iray aza tena miahy ny aminao’, hoy aho. ‘Ny hanararaotra ny toeranao ihany no tadiavin’izy ireo.’ Hoy aho anakampo: ‘Tsy afaka ny hisy Andriamanitra, satria raha nisy izy, dia tsy ho namela ny fahoriana sy ny faharatsiana be dia be toy izao hisy. Tsy inona ny fiainana fa hazakazaka ho any amin’ny fahafatesana fotsiny.’ Tsy nety azoko ny anton’izany zavatra izany.
Fiandohan’ny fiovana
Indray andro, tamin’ny 1977, dia nisy Vavolombelon’i Jehovah roa nandondòna tao am-baravaranay. Nanasa azy ireo hiditra i Giancarlo vadiko, ary dia niditra tao an’efitra fandraisam-bahiny izy ireo mba hiresaka. Ny zava-nokendren’ny vadiko dia ny hahatongavan’izy ireo ho mpanaraka ny fivoarana miandalana toa azy, nefa izy ireo no nanova ny fomba fiheviny!
Tsy ela koa i Giancarlo dia nanomboka nanisy fiovana teo amin’ny fiainany. Nanjary nanana faharetana kokoa izy ary nanokana fotoana sy fiheverana kokoa ho ahy sy ny zanakay vavy. Nanandrana ny hiresaka tamiko momba ireo zavatra nianarany izy, nefa nofaranako tamin’ny teny henjana foana ny resaka.
Tamin’izay, indray andro, rehefa tonga ireo Vavolombelona, dia nipetraka aho ary tena nihaino tokoa. Niresaka momba ny faran’ity fandehan-javatra ity izy ireo, ary koa momba ny Fanjakan’Andriamanitra, ny tany Paradisa ary ny fitsanganana amin’ny maty. Zendana aho! Tsy natory aho nandritra ireo telo alina nanaraka! Naniry hahafantatra bebe kokoa aho, kanefa nanakana ahy tsy hanontany ny vadiko ny hambom-poko. Tamin’izay, indray andro, dia hoy izy tamiko, tsy nihomehy: “Tsy maintsy mihaino ianao anio. Ananako daholo ny valin’ireo fanontanianao rehetra.” Avy eo dia nototofany ireo fahamarinana ao amin’ny Baiboly tsotra izao aho.
Nolazain’i Giancarlo tamiko fa i Jehovah no anaran’ilay Mpamorona, fa ny fitiavana no toetrany lehibe indrindra, fa naniraka ny Zanany ho avotra Izy mba hahafahantsika hahazo fiainana mandrakizay, ary koa fa aorian’ny fandringanana ny ratsy fanahy ao Haramagedona, dia hanangana ny maty i Jesosy Kristy mandritra ny Fanjakany Arivo Taona. Nilaza izy fa ireo hatsangana amin’ny maty dia hitombo ka hahatratra ny fahatanterahana ara-tsaina sy ara-batana, ary koa fa hahazo ny fahafahana hiaina mandrakizay eto an-tany ao amin’ny Paradisa izy ireo.
Ny ampitson’iny aho dia nanaraka voalohany ny vadiko ho any amin’ny Efitrano Fanjakana. Taorian’izay, dia hoy aho taminy: “Mifankatia ireo olona ireo. Ta hanohy hiverina atỳ aho satria tena sambatra tokoa izy ireo.” Nanomboka nanatrika ireo fivoriana tsy tapaka aho, ary nisy nitarika fampianarana Baiboly niaraka tamiko. Nieritreritra betsaka momba izay nianarako aho ary tsy ela dia nanjary niaiky fa nahita ny tena vahoakan’Andriamanitra. Tamin’ny 1979, izahay mivady dia nanamarika ny fanoloranay tena ho an’i Jehovah tamin’ny batisa.
Ny fanompoana manontolo andro
Tany amin’ny fivoriamben’ny fizaran-tany tatỳ aoriana kokoa tamin’io taona io, dia nisy lahateny iray nampirisika ny hanaovana ny asa fitoriana manontolo andro. Nahatsiaro ho voatosika hanao io fanompoana io aho, ary dia nanatona an’i Jehovah tamin’ny alalan’ny vavaka momba ilay izy. Kanefa tamin’izay aho dia nitoe-jaza, ary niato ny fikasako. Tao anatin’ireo efa-taona nanaraka, dia nanan-janaka telo izahay. Ny roa tamin’izy ireo, tamin’ny fotoana samy hafa, dia nanjary voan’ny kilema ara-batana nandrahona ny ainy. Soa ihany fa samy sitrana tanteraka izy mianadahy.
Tamin’izay aho dia nihevitra fa tsy afaka ny hampihemotra intsony ny fikasako hanao ny fanompoana manontolo andro. Nilaozako ny asa fivelomako mba hifantohako kokoa tamin’ny andraikitro tamin’ny naha-vady sady reny ahy. Nanao volavolan-kevitra izahay mivady mba hivelona amin’ny fidiram-bola iray monja, ka izany dia nidika fa tsy maintsy namoy ireo zavatra tsy nilaina rehetra izahay. Kanefa dia nitahy anay tamin’ny fomba tondraka i Jehovah, ka tsy nandao anay na oviana na oviana ho voan’ny fahantrana na ny tsy fahampiam-pivelomana.
Tamin’ny 1984, dia niditra tao amin’ny fanompoana manontolo andro ka tonga mpisava lalana ny zanako vavy, izay 15 taona izao ary vao avy natao batisa vao haingana. Tamin’izay fotoana izay koa ny vadiko dia voatendry ho loholona. Ary izaho? Nihevitra aho fa mbola tsy afaka ny ho mpisava lalana, ka nametra ny hahatratra 30 ora isam-bolana teo amin’ny asa fitoriana. Tratrako ilay izy ary dia hoy aho anankampo: ‘Tsara izany! Tena mahavita betsaka tokoa ianao.’
Tamin’izay indray koa anefa dia nanjary zava-nanahirana ho ahy ny hambom-po. (Ohabolana 16:18). Tsy nitsahatra nieritreritra aho fa tena nanao zavatra tsara ary koa fa tsy nila nandroso teo amin’ny ara-panahy intsony. Nanomboka nihena ny fahasalamako ara-panahy, ary nanomboka nanary ireo toetra tsara efa azoko mihitsy aza aho. Tamin’izay aho dia nahazo ilay famaizana nilaiko.
Tamin’ny 1985, dia nivahiny tao an-tranonay ny mpiandraikitra mpitety faritany roa sy ny vadin’izy ireo avy, nandritra ny fitsidihana fanaon’izy ireo ara-potoana tao amin’ny kongregasionanay. Ny fandinihana ireo Kristiana nanetry tena sy feno fandavan-tena ireo dia tena nahatonga ahy hisaintsaina. Nanao fikarohana momba ny fanetren-tena aho tamin’ny fampiasana ireo zavatra vita an-tsoratry ny Fikambanana Watch Tower. Nieritreritra momba ny fanetren-tena lehibe asehon’i Jehovah eo amin’ny fifampiraharahany amintsika olombelona mpanota, aho. (Salamo 18:35, NW ). Fantatro fa nila ny nanova ny fomba fihevitro aho.
Nitalaho tamin’i Jehovah aho mba hanampy ahy hamboly fanetren-tena mba hanompoako azy amin’ny fomba tiany ary koa mba hitarika ahy hampiasa ireo fahaizana ananako hanomezam-boninahitra azy. Nameno taratasy fangatahana hanao ny asan’ny mpisava lalana aho ary dia nanomboka nanompo azy tao amin’ny fanompoana manontolo andro tamin’ny Martsa 1989.
Afaka milaza aho izao fa sambatra marina ary koa fa ny fandevenako ny hambom-poko no nitarika ahy ho amin’ny fahasambarana. Nahita tena antony hivelomana aho — ny hanampy ireo mahantra ho tonga amin’ny fahalalana fa tsy lavitra ireo izay mitady azy i Jehovah, ilay Andriamanitra marina. — Notantarain’i Vera Brandolini.