FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • w92 15/8 p. 26-29
  • Nanombana Izay ho Lany ve Ianao?

Tsy misy video mifandray amin’io.

Miala tsiny fa tsy mety miseho ilay video.

  • Nanombana Izay ho Lany ve Ianao?
  • Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—1992
  • Lohatenikely
  • Mitovitovy Aminy
  • Bebe kokoa noho ny fahaiza-mitsara zavatra
  • Fomba fijery voalanjalanja
  • Fiarovana ny tena fahendrena
  • Mahasoa ny Mikatsaka Harena Ara-panahy
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—2004
  • Ny fanantenanao: Andriamanitra sa ny harena?
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—1986
  • Mafy Orina ve ny Fatokisanao An’Andriamanitra?
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—2006
  • Ahoana no Hahaizanao Manapa-kevitra?
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—2013
Hijery Hafa
Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—1992
w92 15/8 p. 26-29

Nanombana Izay ho Lany ve Ianao?

“AHOANA hoe? Lavinao ve ny fanolorana tsara dia tsara toy izany?” Sarotra tamin’ilay mpitantan-draharaha ny hino izay vao ren’ny sofiny. Ilay mpiasa teo ambany fifehezany, vehivavy nohajaina noho ny fahaizany ny asany sy ny fitondrantenany tsara, dia vao avy nanda fanolorana iray hanao fianarana any ivelan’ny taniny mandritra ny roa taona, iantohan’ny toeram-piasana. Fa nahoana izy no nanao izany?

Ny fanekena ilay fanolorana, hoy ny fanazavan’ilay vehivavy, dia hidika ho fisarahana amin’ny vadiny sy ny zanany roa mandritra ny roa taona. Halahelo azy ireo mafy izy. Ary mbola zava-dehibe kokoa fa, hanao tsirambina ny andraikitra nomen’Andriamanitra azy amin’ny maha-vady sy reny izy. Ho lafo loatra ny vidiny ara-pihetseham-po sy ara-panahy haloa. Araka izany, rehefa avy nanombana izay ho lany izy, dia nanapa-kevitra ny handa ilay fanolorana.

Inona no ho nataonao raha teo amin’ny toerany ianao? Miharihary fa tsy ary hanaiky ny fanapahan-kevitra nataon’io vehivavy io akory ny olona rehetra. Ny sasany, toy ireo mpiara-miasa taminy, dia angamba nihevitra fa nanarinary foana ny fahafahana sarobidy iray hisondrotra teo amin’ny asany izy. Ny hafa aza dia niampanga azy mihitsy ho tsy nieritreritra ny hoavin’ny fianakaviany, satria, tsy tokony hohadinoina fa handalo haingana anie ny roa taona e. Kanefa dia tsy fanapahan-kevitra natao maimaika sy noho ny fihetseham-po akory ny azy. Izany dia niorina tamin’ny fanjohian-kevitra ara-dalàna sy fotopoto-pitsipika mitsinjo ny lavitra. Inona avy izany?

Bebe kokoa noho ny fahaiza-mitsara zavatra

Tao amin’ny fanoharana iray nataony, ilay lehilahy hendry indrindra nandia ny tany, i Jesosy Kristy, dia nanome ny fitsipika harahina. “Fa iza moa aminareo, raha ta-hanao tilikambo, no tsy mipetraka aloha mihevitra izay ho lany hanaovany izany, na misy hahavitany azy, na tsia?” hoy i Jesosy nanontany. “Fandrao rehefa nanao ny fanorenana izy ka tsy mahavita, dia handatsa azy izay rehetra mahita ka hanao hoe: Io olona io dia nanomboka nanao trano, fa tsy nahavita.” — Lioka 14:28-30.

Hiara-manaiky ny rehetra fa fahendrena ny fanombanana izay ho lany alohan’ny hanapahana ny hanao zava-dehibe iray. Raha maniry hividy trano ny olona iray, ohatra, moa ve izy ho maimaika fotsiny hanisy sonia fanekena iray, tsy mamantatra akory ny vidiny sady tsy manao izay hahazoana antoka raha manana ny fahafahana ara-bola hamitana ilay raharaha ny tenany? Hoheverina ho adala izy raha manao zavatra toy izany. Eny, fahaiza-mitsara zavatra ny manombana izay ho lany alohan’ny hanombohana fanaovan-javatra iray.

Inona marina tokoa anefa, no hevitra nasongadin’i Jesosy tamin’io fanoharana io? Taloha kelin’ny nampidirany ilay fanoharana, dia niteny toy izao izy: “Na zovy na zovy no tsy mitondra ny hazo fijaliana ka tsy manaraka Ahy, dia tsy azo ekena ho mpianatro izy.” (Lioka 14:27). Araka izany, dia asehon’ny teny manodidina fa i Jesosy dia tsy nanome torohevitra momba ny fahaiza-mitsara zavatra fotsiny eo amin’ny asantsika mahazatra andavanandro. Niresaka ny amin’ny fanombanana izay ho lany mifandray amin’ny fahatongavana ho mpianany kosa izy.

Tamin’ilay fanoharana nataony, dia nasehon’i Jesosy fa ny fahatongavana ho mpianany dia mitaky fiovana sy sorona. Nahoana? Satria izao fandehan-javatra izao dia tia fatratra ny zavatra ara-nofo sady atosiky ny fitiavan-tena. Ny ankamaroan’ny olona dia miahy indrindra ny amin’izay hanomezana fahafaham-po ny faniriany ara-nofo, tsy miraharaha firy na tsy miraharaha mihitsy izay ilainy ara-panahy na ny fifandraisany amin’Andriamanitra. (2 Timoty 3:1-4). Izany fihetsika, na fisainana izany anefa, dia mifanohitra mivantana amin’izay nasehon’i Jesosy Kristy. “Ny Zanak’olona”, hoy izy, “tsy tonga mba hotompoina, fa mba hanompo ka hanolotra ny ainy ho avotra hisolo ny maro.” Nametraka ny vidiny ambony indrindra ho an’ny zavatra ara-panahy fa tsy ho an’ny zavatra ara-nofo izy rehefa nilaza hoe: “Ny fanahy no mahavelona; ny nofo tsy mahasoa na inona na inona”. — Matio 20:28; Jaona 6:63.

Noho izany, rehefa nanoro hevitra ireo izay naniry ho tonga mpianany mba hanombana izay ho lany i Jesosy, dia niresaka voalohany indrindra ny amin’ireo zavatra nisy vidiny ara-panahy, fa tsy ara-nofo. Inona no zava-dehibe kokoa ho azy ireo, ireo tombontsoa ara-nofo atolotr’izao tontolo izao, sa ireo soa ara-panahy entin’ny fahatongavana ho mpianatra? Izany no nahatonga an’i Jesosy hanatsoaka hevitra toy izao taorian’ilay fanoharana sy ny iray hafa nifandray taminy: “Ary toy izany koa hianareo rehetra, izay tsy mahafoy izay rehetra anananareo, dia tsy azo ekena ho mpianatro.” (Lioka 14:33). Moa ve izay ho tonga mpanara-dia azy, haniry sy ho vonona ny hanao sorona toy izany, sa kosa izany, vidiny lafo loatra haloa?

Fomba fijery voalanjalanja

Na dia toa mety hitondra soa izay mora tazana kokoa sy haingana kokoa aza ny zavatra ara-nofo, ireo soa avy amin’ny zava-kendrena ara-panahy dia mbola maharitra sy mahafapo lavitra. Nanao fanjohian-kevitra toy izao i Jesosy: “Aza mihary harena ho anareo etỳ an-tany, izay misy kalalao sy harafesina manimba, sady misy mpangalatra manamitrano sy mangalatra. Fa miharia harena ho anareo any an-danitra, izay tsy misy kalalao na harafesina manimba, sady tsy misy mpangalatra manamitrano na mangalatra.” (Matio 6:19, 20). Amin’izao androntsika izao, dia nahatonga fahavoazana lehibe ho an’ny maro izay tsy nametraka ny fitokiany afa-tsy tamin’ny harena ara-nofo ny fisondrotan’ny vidim-piainana, ny fitotongan’ny vidin’ireo tahirin’entana azo vidina sy amidy, ny fatiantoka mahazo ny banky, ary ny toy izany. Mampirisika antsika anefa ny apostoly Paoly mba ‘tsy hijery izay hita, fa ny tsy hita. Fa ny hita dia ho vetivety foana, fa ny tsy hita no haharitra mandrakizay.’ (2 Korintiana 4:18). Ahoana anefa, no ahafahantsika mamboly toe-tsaina toy izany?

Afaka manao izany isika amin’ny fanahafana an’i Jesosy Kristy, ilay Modely na Ohatra fakan-tahaka ho antsika. Fony izy tetỳ an-tany, dia tsy nampijaly tena velively izy, araka ny porofoin’ny nandraisany anjara indraindray tamin’ny fankalazana na fanasana tamin’ny fampakaram-bady. Na dia izany aza, dia niharihary fa nomeny ny toerana voalohany ireo zavatra ara-panahy. Mba hanatanterahana ny sitrapon’ny Rainy, dia vonona ny hamoy na dia ireo zavatra heverina fa teny ilaina aza izy. Nanambara toy izao izy indray mandeha: “Ny amboahaolo manan-davaka, ary ny voromanidina manana fialofana; fa ny Zanak’olona tsy mba manana izay hipetrahan’ny lohany.” (Lioka 9:58). Noraisiny ho zava-dehibe aoka izany sy ahitam-pahafinaretana aoka izany ny fanaovana ny sitrapon’ny Rainy, hany ka hoy izy tamim-pahatsorana tanteraka: “Ny haniko dia ny manao ny sitrapon’Izay naniraka Ahy sy ny mahavita ny asany.” — Jaona 4:34.

Nasehon’i Jesosy ny fahaizany manombana vidin-javatra tamin’ny fomba nandavany ny fakam-panahy nalefan’i Satana. Nataon’ny Devoly izay hampiasan’i Jesosy ny hery nomen’Andriamanitra azy mba hanasoavana ny tenany, mba hanomezana fahafaham-po izay nilainy ara-batana, ary mba hahazoana laza sy hahamamy hoditra eo amin’izao tontolo izao. Fantatr’i Jesosy tsara fa ny soa mampisalasala toy izany dia mety ho azo amin’ny vidiny lafo dia lafo — dia ny famoizana ny fankasitrahan’Andriamanitra — vidiny lafo kokoa noho izay nivononany haloa, satria zava-tsarobidy taminy mihoatra noho ny zavatra hafa rehetra ny fifandraisany tsara tamin’ny Rainy. Izany no antony nandavany mazava sy tsy nisy fihambahambana ny fanolorana nataon’i Satana. — Matio 4:1-10.

Amin’ny maha-mpanara-dia an’i Kristy antsika, dia azo antoka fa irintsika ny hanana fahaizana manombana vidin-javatra toy ny an’ny Mpampianatra antsika. Eto amin’ity fandehan-javatra fehezin’i Satana ity, dia misy zavatra maro toa mety hitondra soa tsara dia tsara saingy afaka manimba ny fifandraisantsika amin’Andriamanitra, raha ny marina. Ny zavatra toy ny fitadiavana toerana ambonimbony kokoa hatrany any am-piasana, ny fikatsahana fianarana ambony mba hampisondrotana ny toeran’ny tena, ny fifaneraserana amin’ny olona tsy mpino amin’ny fikendrena ny hanambady azy, na ny fidirana hanao raharaha maizimaizina dia afaka mitarika mora foana ho amin’ny fahaverezan’ny finoana sy famoizana ny fankasitrahan’i Jehovah amin’ny farany. Tsy maintsy manombana amim-pitandremana izay ho lany isika rehefa miatrika fakam-panahy toy izany.

Fiarovana ny tena fahendrena

Taona vitsivitsy lasa izay, dia nisy lehilahy tanora kristiana tao amin’ny tanàna lehibe iray any Extrême-Orient, nahazo fahafahana handeha tany ivelany mba hanohy ny fianarany. Na dia efa nahazo fianarana tsy ara-pivavahana tsara sy asa be karama aza izy, dia noheveriny fa tsy ampy izany; naniry ny hanatsara ny fari-piainany izy. Nanandrana nampisaintsaina azy ny Kristiana namany nifanaraka tamin’ireo hevitra ao amin’ny Soratra Masina vao avy nodinihintsika ireo, fa tsy laitra nakisoka izy ary dia nanatanteraka ilay volavolan-kevitra. Na dia nanandrana nifikitra tamin’ny finoany aza izy tamin’ny voalohany, tsikelikely dia nanary ny fankasitrahany an’ireo fahamarinana ao amin’ny Baiboly izy, ary nanomboka namaka ny fisalasalana. Teo amin’ny herintaona teo ho eo monja, dia very tanteraka ny finoany ary nilaza tena ho agnostique izy. Ekena aloha fa ny fahazoana fisondrotana ambonimbony kokoa noho ny fianarana tsy ara-pivavahana lasa lavitra dia nitondra fahafaham-po sasany ho azy. Mba hahazoana ilay voninahitra mihelina anefa, dia vidiny mavesa-danja toy inona no tsy maintsy naloany — ny faharendrehan’ny finoany ary ny mety hamoizany ny fiainana mandrakizay! — 1 Timoty 1:19.

Etsy an-danin’izany, ireo izay tsy manaiky hamela na inona na inona handrahona ny fifandraisany amin’Andriamanitra dia nijinja fitahiana lehibe avy amin’i Jehovah.

Ohatra iray amin’izany ny lehilahy tanora iray izay nanao ny asa fanamboarana sy fampihaingoana ny aty trano ho raharaha, tao amin’ilay tanàna lehibe voalaza tetsy aloha ihany. Volana vitsivitsy monja taorian’ny nanombohany nianatra ny Baiboly niaraka tamin’ny Vavolombelon’i Jehovah, dia niatrika fanolorana nanintona iray izy — hanao asa fanavaozana nitentina tany amin’ny 54 000 000 FMG tany ho any. Izany anefa dia hahatafiditra tsy fanarahana ny lalàna sy fitsipika momba ny fanorenan-trano mba hanasiana fanorenana tsy ara-dalàna sasany. Koa satria nianarany fa tsy maintsy manara-dalàna ny Kristiana, dia takany fa ny fanekena ilay asa dia mety hidika ho famoizana ny fankasitrahan’Andriamanitra. (Romana 13:1, 2). Rehefa avy nandanjalanja tamim-pitandremana ilay raharaha izy, dia nolaviny ilay asa. Inona no vokany? Nitarika ho amin’ny fiovana lehibe teo amin’ny fandrosoany ara-panahy io asam-pinoana io. Tao anatin’ny herintaona, dia nandroso ka tonga hatramin’ny fanoloran-tena sy ny batisa izy. Namidiny ilay raharahany ary nahazo asa izay namela azy hanana fotoana bebe kokoa ho an’ny zava-kendrena ara-panahy izy. Manompo an’i Jehovah amim-pifaliana sy zotom-po izy izao.

Ireo lehilahy tanora roa ireo dia samy nanombana izay ho lany. Fa inona no naha-samy hafa ny safidin’izy ireo? Ny fahendrena araka an’Andriamanitra! Ahoana izany? Ny fahendrena dia ny fahaizana mampiasa ny fahalalana amin’ny fomba izay mazàna mitondra soa maharitra. Ary ny fahendrena araka an’Andriamanitra dia midika ho fampiasana ny fahalalana mifanaraka amin’ny fikasan’Andriamanitra ny amintsika. Na dia samy nanana fahalalana sasany momba ny Baiboly aza ireo lehilahy tanora roa ireo, ny fampiharan’izy ireo izany dia nitarika ho amin’ny vokany roa samy hafa. Hoy ny bokin’ny Ohabolana: “Raha latsaka ao am-ponao ny fahendrena, ary mamin’ny fanahinao ny fahalalana, dia hiaro anao ny fisainana mazava, ary hiambina anao ny fahalalana, ka hamonjy anao amin’ny lalan-dratsy”. — Ohabolana 2:10-12.

Ny Tenin’Andriamanitra, ny Baiboly no loharanon’ny tena fahendrena izay azonao itodihana foana mba hahazoana fitarihana rehefa manao fanapahan-kevitra lehibe ianao. Aza mihevi-tena ho hendry, fa araho ilay torohevitra hoe: “Matokia an’i Jehovah amin’ny fonao rehetra, fa aza miankina amin’ny fahalalanao; maneke Azy amin’ny alehanao rehetra, fa Izy handamina ny làlanao.” (Ohabolana 3:5, 6). Tokony hanetry tena isika ary ho vonona ny hampianarina, ka tsy ho kirina sy hanana ny toe-tsain’izao tontolo izao tsy tia fiankinana izay manjaka aoka izany ankehitriny.

Eny, tsy afaka mandositra ny fijinjana izay afafintsika isika, ary tena ara-drariny sy ara-dalàna raha tsy maintsy mizaka izay vokatry ny fanapahan-kevitra na safidy ataontsika isika. (Galatiana 6:7, 8). Koa tombano izay ho lany alohan’ny fanaovan-javatra rehetra. Aza mamela izay toa tombontsoa hanaisotra aminao ny fiainanao ara-panahy na ny fifandraisanao amin’i Jehovah Andriamanitra. Mivavaha mba hahazo fahendrena sy fahaiza-mitsara zavatra mba hanaovana ny fanapahan-kevitra mety, satria ireo fanapahan-kevitra ataonao izao dia mety hidika ho fiainana na fahafatesana — mandrakizay! — Ampitahao amin’ny Deoteronomia 30:19, 20.

[Sary, pejy 28]

Ireo asa ara-panahy ve no hapetrany eo amin’ny toerana voalohany eo amin’ny fiainany sa ny anton’asa fivelomany?

    Fitehirizam-boky Malagasy (1965-2025)
    Hiala
    Hiditra
    • Malagasy
    • Hizara
    • Firafitra
    • Copyright © 2025 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
    • Fifanekena
    • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
    • Firafitry ny Fifanekena
    • JW.ORG
    • Hiditra
    Hizara