Fanontanian’ny Mpamaky
Moa ve ny Vavolombelon’i Jehovah tsy mankalaza ny fitsingerenan’ny andro nahaterahana satria io fanao io dia nanana heviny ara-pivavahana tamin’ny andro fahiny?
Nanam-piandohana tamin’ny finoanoam-poana sy ny fivavahan-diso ny fankalazana ny fitsingerenan’ny andro nahaterahana, kanefa dia tsy izany ihany no antony lehibe tsy anaovan’ny Vavolombelon’i Jehovah io fanao io.
Fombafomba sasany izay nanana toetra ara-pivavahana taloha no tsy toy izany intsony any amin’ny toerana maro. Ny peratra mariazy, ohatra, dia nanana heviny ara-pivavahana taloha, saingy tsy toy izany intsony any amin’ny toerana maro amin’izao andro izao. Noho izany, dia Kristiana marina maro no manaiky ny fombafomba eo an-toerana amin’ny fanaovana peratra mariazy mba hanaporofoana fa manambady ny olona iray. Amin’ny raharaha toy izany, izay mahatonga hanao zavatra amin’ny ankapobeny, dia ny hoe mifandray amin’ny fivavahan-diso sa tsia ny fanao iray amin’izao fotoana izao. — Jereo ny “Fanontanian’ny Mpamaky” ao amin’ny Ny Tilikambo Fiambenana tamin’ny 1 Novambra 1972, sy 15 Febroary 1992.
Tsy azo lavina anefa fa misy boky fakàn-teny maro be mampiharihary ny fiaviana feno finoanoam-poana sy ara-pivavahana ananan’ny fankalazana ny fitsingerenan’ny andro nahaterahana. Nanao izao fanamarihana izao ny The Encyclopedia Americana (fanontana tamin’ny 1991): “Ny tontolo fahinin’i Egypta, Grisia, sy Roma, ary Persia, dia nankalaza ny fitsingerenan’ny andro nahaterahan’ireo andriamanitra sy mpanjaka ary ireo andriana.” Lazainy fa ny Romana dia nitandrina ny andro nahaterahan’i Artemisy sy ny andron’i Apollon. Mifanohitra amin’izany, “na dia nitana an-tsoratra ny taonan’ireo olom-pireneny lehilahy aza ny Isiraelita fahizay, dia tsy misy porofo ny amin’ny nanaovan’izy ireo firavoravoana tamin’ny andro fitsingerenan’ny nahaterahana.”
Miditra amin’ny antsipiriany be ny amin’ny niandohan’ny fankalazana andro nahaterahana ny boky fakàn-teny hafa: ‘Ireo fety amin’ny andro nahaterahana dia nanomboka taona maro lasa izay tany Eoropa. Ny olona dia nino ny fisian’ny fanahy tsara sy ratsy, izay nantsoina hoe kokolampo (lutin) tsara na ratsy indraindray. Ny olona rehetra dia natahotra ireny fanahy ireny, sao dia hisompatra an’ilay mpankalaza ny andro nahaterahany, ka noho izany dia nohodidinin’ny havana aman-tsakaiza izy, ka ny firarian-tsoan’izy ireo sy ny maha-eo azy ireo mihitsy dia niaro azy tamin’ny loza tsy fantatra entin’ny andro nahaterahana. Ny fanaovana fanomezana dia vao mainka nitondra fiarovana lehibe kokoa. Ny fiaraha-misakafo dia nitondra fiarovana fanampiny ary nanampy mba hitondra ny fitahian’ireo fanahy tsara. Koa ny fety amin’ny andro nahaterahana àry, tany am-piandohany, dia natao mba hahatonga ny olona iray ho voaro tamin’ny ratsy sy mba hiantohana taona tsara ho avy.’ — Birthday Parties Around the World, 1967.
Manazava ny amin’ny fiavian’ny fombafomba maro amin’ny fitsingerenan’ny andro nahaterahana koa ilay boky. Ohatra: “Ny antony [ampiasana labozia] dia efa hatrany amin’ireo Grika sy Romana izay nihevitra fa ny labozia dia nanana heriny majika. Nanao vavaka sy firarian-tsoa izy ireo mba hoentin’ny lelafon’ny labozia hiakatra ho any amin’ireo andriamanitra. Amin’izay ireo andriamanitra dia handatsaka ny fitahiany ary angamba hamaly ny vavaka nataony.” Misy filazana hafa momba ny fiaviana toy izany nangonina ao amin’ny pejy faha-258 sy faha-259 amin’ilay boky hoe Ny Fomba Fanjohian-kevitra avy Amin’ny Soratra Masina, navoakan’ny Watchtower Bible and Tract Society of New York, Inc.
Araka ny voalaza anefa, dia misy zavatra bebe kokoa tafiditra amin’io raharaha io noho ny mbola maha-ara-pivavahana na tsia ny fankalazana ny andro nahaterahana. Manisy firesahana ny amin’ny raharaha momba ny andro nahaterahana ny Baiboly, ary, amim-pahendrena, ireo Kristiana matotra dia mora andairan’ny filazana omeny.
Ireo mpanompon’Andriamanitra fahiny dia nanamarika ny fotoana nahaterahan’ny olona iray, ka izany dia nahatonga azy ireo ho afaka hanao kajy momba ny taonany. Izao no vakintsika: “Ary rehefa diman-jato taona Noa, dia niteraka an’i Sema sy Hama ary Jafeta izy.” “Tamin’ny andro fahafito ambin’ny folo tamin’ny volana faharoa tamin’ny fahenin-jato taona niainan’i Noa, (...) dia nipoitra ny loharano rehetra amin’ny lalina lehibe”. — Genesisy 5:32; 7:11; 11:10-26.
Na dia i Jesosy aza dia nilaza fa, eo amin’ny vahoakan’Andriamanitra, ny fahaterahan’ny zaza iray dia fisehoan-javatra mitondra fahafaham-po sy mahafaly. (Lioka 1:57, 58; 2:9-14; Jaona 16:21). Tsy nahatsiaro ny andro nahaterahana anefa ny vahoakan’i Jehovah; nitandrina fankalazana fitsingerenan-javatra hafa izy ireo fa tsy ny andro nahaterahana. (Jaona 10:22, 23). Hoy ny Encyclopaedia Judaica: “Ny fankalazana ny andro nahaterahana dia tsy fantatra teo amin’ny fombafomba jiosy araka ny lovantsofina.” Izao no nomarihin’ny Customs and Traditions of Israel: “Nindramina avy tamin’ireo fanaon’ny firenen-kafa ny fankalazana ny fitsingerenan’ny andro nahaterahana, satria tsy misy firesahana ny amin’io fomba io na teo amin’ireo Jiosy, na ao amin’ny Baiboly, na ao amin’ny Talmoda, na ao amin’ny soratra nataon’ireo Olon-kendry tatỳ aoriana. Raha ny marina, dia fombafomba egyptiana fahizay izy io.”
Io fifandraisana tamin’i Egypta io dia mazava avy amin’ilay fankalazana fitsingerenan’ny andro nahaterahana iray tantarain’ny Baiboly, dia fankalazana iray izay tsy notandreman’ny mpivavaka marina. Izy io dia fanasana tamin’ny fitsingerenan’ny andro nahaterahan’ilay Farao izay nanapaka fony i Josefa tany an-tranomaizina egyptiana. Ny sasany tamin’ireo mpanompo sampy ireo dia nety ho faly noho ilay fanasana, na dia nifamatotra tamin’ny fanapahan-doha ny lehiben’ny mpanao mofon’i Farao aza izany. — Genesisy 40:1-22.
Lafiny tsy nankasitrahana mitovy amin’izany no asehon’ny fankalazana fitsingerenan’ny andro nahaterahana hafa iray voalazalaza ao amin’ny Soratra Masina — dia ny an’i Heroda Antipasy, zanak’i Heroda Lehibe. Io fankalazana fitsingerenan’ny andro nahaterahana io dia tsy asehon’ny Baiboly velively ho toy ny firavoravoana tsy misy tsininy iray fotsiny. Nahatonga ny fanapahan-doha an’i Jaona Mpanao batisa kosa izy io. Avy eo, dia “avy ny mpianany, dia naka ny faty ka nandevina azy; ary dia lasa izy ka nilaza tamin’i Jesosy”, izay “niala teo handeha hitokana any an-tany foana”. (Matio 14:6-13). Heverinao ve fa ireo mpianatra, na i Jesosy dia nahatsiaro tena ho voasinton’ireo fanao amin’ny fankalazana fitsingerenan’ny andro nahaterahana?
Noho ny fahafantarana ny niandohan’ny fankalazana ny andro nahaterahana, ary mbola zava-dehibe kokoa, noho ny lafiny tsy ankasitrahana ampisehoan’ny Baiboly azy, dia manana antony lehibe tsy hanaovana izany ny Vavolombelon’i Jehovah. Tsy ilain’izy ireo ny manaraka io fombafomban’izao tontolo izao io, satria izy ireo dia afaka ny hanana sady manana fisakafoana mahafaly amin’ny fotoana rehetra mandritra ny taona. Tsy an-tery ny fanaovany fanomezana na atao noho ny faneren’ny fiaraha-miala voly iray; izany kosa dia fanaovana fanomezana vokatry ny fo, amin’ny fotoana rehetra noho ny fahalalahan-tanana sy ny tena firaiketam-po marina. — Ohabolana 17:8, NW; Mpitoriteny 2:24, NW; Lioka 6:38; Asan’ny Apostoly 9:36, 39; 1 Korintiana 16:2, 3.