Nahoana ny Tsara Fanahy no Mijaly?
TAONA 1914 tamin’izay, ary tafalentika tao anatin’ny ady izao tontolo izao. Tampoka teo, dia nirongatra ny tefoedra tao amina toby fitanana babo an’ady iray tany Serbia. Vao fiandohana fotsiny anefa izany. Niely ka nahatratra ireo sivily ilay aretina natahorana aoka izany ka niteraka fahafatesan’olona 150 000 tao anatin’ny enim-bolana monja. Tao anatin’ny ady sy ny revolisiona taorian’izay tany Rosia, dia telo tapitrisa no maty noho ny tefoedra. Mety tsy ho diso hevitra ianao raha manatsoaka hevitra fa nisy tsara fanahy maro sy ireo mpianakaviny azom-pahoriana anisan’ireo maty.
Ohatra iray monja ny amin’ny voina mahazo ny olombelona io. Ny tenanao mihitsy aza dia mety ho efa nahatsapa ny fijaliana ateraky ny fahafatesan’olon-tiana noho ny aretina, ny loza ary ny zava-dratsy manjo hafa. Azo ampoizina fa ketraka ianao mahita olo-mahitsy iray mijaly mafy noho ny fanaintainana avy amin’ny aretina tsy azo sitranina iray. Azo inoana fa malahelo mafy ianao mahita olona tsara fanahy iray — angamba loham-pianakaviana miasa mafy iray — maty ao amin’ny loza tsy nampoizina iray. Mety hankarary ny fonao ny mahita ny alahelon’ireo azom-pahoriana.
Maro no mihevitra fa ny olona iray manisy soa ny hafa dia tokony ho afaka amin’ny fijaliana, ho valisoany. Misy aza mihevitra fa ny fijaliana dia porofo fa mpanao ratsy ilay iharam-pahavoazana. Izany no hevitra naroson’ny lehilahy telo niaina 3 600 taona lasa teo ho eo izay. Niara-niaina tamin’ny lehilahy tsara fanahy iray nantsoina hoe Joba izy ireo. Aoka isika hitodika any amin’ny andro niainan’izy ireo, eto am-piandohan’ny fitadiavantsika valiny ho an’ilay fanontaniana hoe: Nahoana ny tsara fanahy no mijaly?
Ireo fijalian’i Joba
Rehefa tonga nitsidika an’i Joba ireo telo lahy nilaza ho sakaizany, dia tao anatin’ny fijaliana tsy hay lazaina noho ny fahoriana sy ny aretina izy. Namoy ireo zanany folo izy no sady nafoiny ny fananany ara-nofo rehetra. Nankahala azy ireo olona nanam-piheverana ambony azy teo aloha. Na dia ny vadiny aza dia tsy nanohana azy intsony ary nampirisika azy hanozona an’Andriamanitra ka ho faty. — Joba 1:1–2:13, NW; 19:13-19, NW.
Nandritra ny fito andro sy fito alina, dia nijery tamim-panginana ny fijaliany ireo mpitsidika an’i Joba. Avy eo, ny iray tamin’izy ireo dia niampanga azy ho nanana fitondrantena tsy marina izay nolazainy fa antony nanafaizana azy izao. “Masìna hianao”, hoy i Elifaza, “Tsarovy fa iza moa no very tsy nanan-tsiny? Ary taiza no nisy olo-mahitsy naringana? Araka izay efa hitako, dia izay miasa heloka sy mamafy fahoriana no mijinja izany. Ny fofonain’Andriamanitra no andringanana azy, eny, ny fofonain’ny fahatezerany no mahalevona azy.” — Joba 4:7-9.
Nanambara araka izany àry i Elifaza fa nanafay an’i Joba noho ny fahotany izao Andriamanitra. Amin’izao andro izao koa, dia misy milaza fa ireo zava-dratsy manjo dia asan’Andriamanitra nataony mba hanafaizana ny olona noho ny fanaovan-dratsy. Tsy nanafay an’i Joba noho ny fanaovana zava-dratsy anefa i Jehovah. Fantatsika izany satria hoy Andriamanitra tamin’i Elifaza tatỳ aoriana: “Mirehitra aminao sy ny sakaizanao roa lahy ny fahatezerako, satria tsy mba marina tahaka ny filàzan’i Joba mpanompoko ny filàzanareo Ahy.” — Joba 42:7.
Tsy tompon’andraikitra akory Andriamanitra
Amin’izao andro izao, dia an-tapitrisany maro — azo antoka fa misy tsara fanahy anisan’izy ireo — no mahantra fadiranovana sy rahonan’ny fahafatesana noho ny hanoanana. Misy manjary feno fahatezerana ary manome tsiny an’Andriamanitra noho ny fijaliany. Tsy azo omena tsiny noho ny mosary anefa izy. Raha ny tena izy, dia izy no Ilay manome sakafo ho an’ny taranak’olombelona. — Salamo 65:9.
Mety hanakana ny fizarana ny sakafo amin’ireo noana ny fitiavan-tena sy ny lafin-javatra hafa eo amin’ny olombelona. Ny ady no anisan’ireo antony mahatonga ny mosary. Milaza toy izao, ohatra, ny The World Book Encyclopedia: “Mety hiteraka mosary ny ady raha mandao ny sahany ny tantsaha maro ka miditra ao amin’ny tafika mitam-piadiana. Tamin’ny toe-javatra sasany, dia nisy tafika nanao mihitsy izay hisian’ny mosary mba hahatonga ny fahavalo ho mosarena ka hilavo lefona. Manapotika ireo sakafo ao amin’ny tahiry sy ireo vokatra maniry ilay tafika ary manangana fahirano mba hanapahana ny famatsian-tsakafon’ny fahavalo. Nisy fahirano maro nanakana ny entana feno sakafo tsy ho tonga tany amin’ny faritr’i Biafra nandritra ny Ady An-trano Nizeriana (1967-1970). Niteraka mosary izany, hany ka azo inoana fa mponina tany Biafra maherin’ny iray tapitrisa no maty mosary.”
Nandritra ny Ady Lehibe Faharoa indrindra, rehefa nisy olona tsara fanahy maro nijaly sy maty, no nisy nanome tsiny an’Andriamanitra tamim-pahadisoana. Kanefa ny olombelona no mandika ireo lalàn’Andriamanitra amin’ny fifankahalana sy amin’ny fiadiana amin’izy samy izy. Rehefa nanontaniana i Jesosy Kristy hoe didy manao ahoana no “voalohany amin’izy rehetra”, dia hoy ny navaliny: “Ny voalohany dia izao: ‘Mihainoa, ry Isiraely: Jehovah Andriamanitsika dia Jehovah iray ihany; koa tiava an’i Jehovah Andriamanitrao amin’ny fonao rehetra sy ny fanahinao rehetra sy ny sainao rehetra ary ny herinao rehetra’. Ary ny faharoa dia izao: ‘Tiava ny namanao tahaka ny tenanao’. Tsy misy didy hafa lehibe noho ireo.” — Marka 12:28-31.
Rehefa mandika ireo lalàn’Andriamanitra ny olombelona amin’ny famonoana olona tambambe, moa ve misy afaka manana ny rariny amin’ny fanomezan-tsiny azy noho ny fijaliana vokatr’izany? Raha milaza amin’ireo zanany mba tsy hiady amin’izy samy izy ny ray na ny reny iray, ka tsy miraharaha ny toroheviny tsara izy ireo, moa ve izy tompon’andraikitra raha maratra izy ireo? Tsy tompon’andraikitra ny amin’izany ilay ray na ilay reny, toy ny maha-tsy tompon’andraikitra an’Andriamanitra ny amin’ny fijalian’ny olombelona rehefa tsy miraharaha ireo lalàn’Andriamanitra ny olona.
Na dia mety hiteraka fijaliana aza ny tsy firaharahana ireo lalàn’i Jehovah, ny Baiboly dia tsy manondro fa asa avy amin’Andriamanitra nataony mba hanafaizana ny ratsy fanahy ireo loza amin’ny ankapobeny. Rehefa nanota ny mpivady olombelona voalohany, dia veriny ny fahafahany hahazo fitahiana sy fiarovana manokana avy aminy. Afa-tsy tamin’ny fotoana nandraisan’Andriamanitra anjara mba hanatanterahana ireo fikasany, izay nitranga tamin’ny taranak’olombelona isan’andro dia notapahin’izao fotopoto-pitsipika araka ny Soratra Masina izao: “Tsy ho an’ny haingan-tongotra ny fihoarana, ary tsy ho an’ny mahery ny ady, ary tsy ho an’ny hendry ny hanina, ary tsy ho an’ny mazava saina ny harena, ary tsy ho an’ny manam-pahalalana ny fitia; fa ny fotoana sy ny [fisehoan-javatra tsy nampoizina, NW ] dia samy mahazo azy rehetra.” — Mpitoriteny 9:11.
Samy mijaly na ny tsara fanahy na ny ratsy fanahy
Raha ny tena izy, dia samy mijaly na ny olona tsara fanahy na ny olona ratsy fanahy noho ny ota sy ny tsy fahatanterahana nolovana. (Romana 5:12). Ohatra, ny olo-marina sy ny olon-dratsy, dia samy iharan’ny aretina manaintaina. Voan’ny ‘fahosaosana matetika’ i Timoty, Kristiana nahatoky. (1 Timoty 5:23). Rehefa niresaka momba ilay “tsilo tamin’ny nofo” nahazo ny tenany ny apostoly Paoly, dia mety ho nanisy firesahana momba ny fanaintainana ara-batana iray. (2 Korintiana 12:7-9). Na dia eo amin’ireo mpanompony mahatoky aza, Andriamanitra ankehitriny dia tsy manaisotra ireo fahalemena na fetezana ho voan’ny aretina nolovana.
Mety hijaly koa ireo olona tia an’Andriamanitra noho ny tsy fahaiza-mitsara zavatra na ny tsy fampiharana torohevitra araka ny Soratra Masina indraindray. Indro misy ohatra mba hampisehoana izany: Ny olona iray tsy mankatò an’Andriamanitra ka manambady tsy mpino dia mety hijaly noho ny zava-manahirana ara-panambadiana izay ho azony nosorohina. (Deoteronomia 7:3, 4; 1 Korintiana 7:39). Raha tsy misakafo tsara araka ny tokony ho izy ny Kristiana iray sady tsy miala sasatra tsara, dia mety hanimba ny fahasalamany.
Mety hitondra fijaliana ara-pihetseham-po ho antsika isika raha tsy mahatohitra fahalemena ka manaraka fitondrantena ratsy. Nitondra fijaliana mafy ho an’i Davida Mpanjaka ny fijangajangany tamin’i Batseba. (Salamo 51). Nanandrana nanafina ilay ratsy izy, kanefa ory aoka izany. “Raha nangina aho, dia nihalany ny taolako rehetra noho ny fitarainako mandrakariva. (...) Niova ny fahatanjahako [“hamandoan’ny aiko”, NW ] toy ny azon’ny fahamainana amin’ny lohataona.” (Salamo 32:3, 4). Ny alahelo faran’izay mafy tsapan’i Davida noho ilay heloka nataony dia nampihena ny tanjany, toy ny mety hamoizan’ny hazo iray ny hamandoany mandritra ny haintany iray na noho ny fahamainana amin’ny lohataona. Toa nijaly tsy teo amin’ny ara-tsaina ihany, fa teo amin’ny ara-batana koa, izy. Ny Salamo faha-32 anefa dia mampiseho fa azo hamaivanina ny fijalian’ny olona iray toy izany amin’ny fiekeny ny fahotany amim-pibebahana sy amin’ny fahazoana ny famelan’Andriamanitra. — Ohabolana 28:13.
Mijaly mazàna ny ratsy fanahy noho ny fanarahana fitondrantena tsy mendrika, kanefa tsy sazy avy amin’Andriamanitra akory izany. Tratran’ny aretina maro i Heroda Lehibe noho ireo fahazaran-dratsiny. Tany am-piafaran’ny fiainany, dia “nianjadian’ny fara fahoriana” i Heroda, hoy ilay mpanoratra tantara jiosy atao hoe Josephus. “Voan’ny faniriana nahatsiravina ny hihaotra foana izy, rakotry ny fery ny tsinainy ary feno lo sy kankana ny faritra naha-lahy azy. Nanandrana ny hanamaivana ny fisefosefoany sy ireo fifanintontsintonana nahazo azy, tao amin’ireo rano mafana tany Callirrhoe izy, kanefa very maina foana izany. (...) Nijaly fadiranovana tsy nisy ohatra izany izy izao, hany ka nanandrana ny hamono tena tamin’ny antsy, nefa voasakan’ny zanak’olo-mpiray tam-po taminy.” — Josephus: The Essential Writings, avy amin’ny fandikan-teny sy ny fanontan’i Paul L. Maier.
Ny fifikirana amin’ny lalàn’Andriamanitra dia manome fiarovana sasantsasany amin’ny zavatra toy ny aretina azo avy amin’ny firaisana. Kanefa, nahoana ny tsara fanahy izay mikatsaka ny hahazo sitraka avy aminy no toa mijaly kokoa noho ny tokony ho izy?
Ny antony ijalian’ny olona tia an’Andriamanitra
Ny antony fototra iray ijalian’ny olona tia an’Andriamanitra dia noho izy ireo olo-marina. Izany dia asehon’ny zava-nitranga tamin’i Josefa zanak’i Jakoba patriarka. Na dia nampirisika an’i Josefa tsy an-kijanona mba hanana firaisana taminy aza ny vadin’i Potifara, dia nanontany toy izao izy: “Hataoko ahoana no hanao izany ratsy lehibe izany ka hanota amin’Andriamanitra?” (Genesisy 39:9). Izany dia nitarika ho amin’ny fanaovana azy an-tranomaizina tsy ara-drariny, ary dia nijaly noho izy olo-mahitsy i Josefa.
Nahoana anefa Andriamanitra no mamela ireo mpanompony mahatoky hijaly? Ny valin’izany dia mifandray amin’ny fanontaniana iray napoitran’i Satana Devoly, ilay anjely nikomy. Tafiditra amin’io fanontaniana io ny tsy fivadihana eo anatrehan’Andriamanitra. Ahoana no ahafantarantsika izany? Satria nasehon’ilay zava-nitranga tamin’i Joba, ilay lehilahy marina noresahina teo aloha, izany.
Tamin’ny fivoriana iray nataon’ireo anjely zanak’Andriamanitra tany an-danitra, dia nanontany an’i Satana toy izao i Jehovah: “Efa nandinika an’i Joba mpanompoko va hianao? Fa tsy misy tahaka azy eny ambonin’ny tany, fa olona marina sy mahitsy izy sady matahotra an’Andriamanitra ka mifady izay ratsy.” Ny valin-tenin’ny Devoly dia manaporofo fa nisy ady hevitra momba ny hoe hihazona ny tsy fivadihany eo anatrehan’i Jehovah ny olombelona sa tsia rehefa ao anatin’ny fitsapana. Nanantitrantitra i Satana fa i Joba dia nanompo an’Andriamanitra noho ireo fitahiana ara-nofo azony fa tsy noho ny fitiavana. Avy eo dia hoy i Satana: “Fa ahinjiro ange ny tànanao, ka tendreo izay [ananan’i Joba] rehetra — raha tsy handa Anao eo imasonao aza izy e!” Namaly toy izao i Jehovah: “Indro, eo an-tànanao izay ananany rehetra; fa ny tenany ihany no aza aninjiranao ny tànanao.” — Joba 1:6-12.
Na dia teo aza ireo zavatra rehetra azon’i Satana natao taminy, dia nifikitra tamin’ny marina ihany i Joba ary nanaporofo fa nanompo an’i Jehovah noho ny fitiavana izy. Izao mihitsy no nolazain’i Joba tamin’ireo mpiampanga azy: “Sanatria raha hanaiky ny anareo ho marina aho! Mandra-pialan’ny aiko dia [tsy hiala amin’ny tsy fivadihako aho, NW ]”. (Joba 27:5). Eny, ny mpihazona tsy fivadihana toy izany dia vonona hatrany ny hijaly noho ny fahamarinana. (1 Petera 4:14-16). Ny Baiboly dia milaza ny amin’ny olona maro nanana fitiavana tsy niova an’Andriamanitra ary nanaraka fiainana marina ho fanomezam-boninahitra azy, ka nanaporofo fa diso ireo fihamboan’i Satana fa afaka ny hampihodina ny olombelona rehetra hiala amin’i Jehovah izy. Ny olona rehetra mijaly noho ny fihazonany tsy fivadihana eo anatrehan’Andriamanitra dia afaka ny ho faly manaporofo fa mpandainga ny Devoly, no sady mampifaly ny fon’i Jehovah. — Ohabolana 27:11.
Tsy hoe tsy miraharaha ny fijalian’ireo mpanompony mahatoky akory Andriamanitra. Hoy i Davida mpanao salamo: “Jehovah manohana izay rehetra efa ho lavo sy mampitraka izay rehetra mitanondrika.” (Salamo 145:14). Ireo nanolo-tena ho an’i Jehovah dia mety ho tsy ampy herin’ny tenany manokana mba hizakana ireo fijaliana fahita amin’ny fiainana sy ny fanenjehana mihatra aminy amin’ny maha-vahoakany azy. Kanefa Andriamanitra dia manatanjaka sy manohana azy ireo ary manome azy ireo ny fahendrena ilaina mba hiaretana ny fisedrana rehetra mihatra aminy. (Salamo 121:1-3; Jakoba 1:5, 6). Raha toa ka misy mpanenjika mamono ny mpanompon’i Jehovah mahatoky sasany, dia manana ny fanantenana ny fitsanganana amin’ny maty avy amin’Andriamanitra ireo. (Jaona 5:28, 29; Asan’ny Apostoly 24:15). Na dia amin’izay aza, dia hain’Andriamanitra ny mamadika ireo vokatr’izay fijaliana rehetra mety hihatra amin’ireo izay tia azy. Namarana ny fijalian’i Joba izy ary nitahy be dia be io lehilahy nahitsy io. Ary afaka matoky isika fa tsy hanary ny olony amin’izao androntsika izao i Jehovah. — Joba 42:12-16; Salamo 94:14.
Tsy ho ela dia tsy hisy fijaliana intsony!
Koa ny rehetra àry dia iharan’ny fijaliana noho ny tsy fahatanterahana nolovana sy ny fiainana eo anivon’ity fandehan-javatra ratsy ity. Ireo olona tia an’Andriamanitra dia afaka manampo koa ny hijaly noho ny fihazonana tsy fivadihana eo anatrehan’i Jehovah. (2 Timoty 3:12). Nefa afaka mifaly izy ireo, satria tsy ho ela Andriamanitra dia hamarana ny ranomaso, ny fahafatesana, ny alahelo, ny fitarainana ary ny fanaintainana. Momba izany, dia hoy ny nosoratan’ny apostoly Jaona:
“Nahita lanitra vaovao sy tany vaovao aho; fa efa lasa ny lanitra voalohany sy ny tany voalohany, ary ny ranomasina dia tsy misy intsony. Ary nahita aho fa, indro, ny tanàna masina, dia Jerosalema vaovao, nidina avy any an-danitra tamin’Andriamanitra, voaomana tahaka ny ampakarina efa mihaingo hihaona amin’ny vadiny. Ary nahare feo mahery avy teo amin’ny seza fiandrianana aho nanao hoe: Indro, ny tabernakelin’Andriamanitra dia eo amin’ny olona, ary Izy hitoetra eo aminy, ary ireo ho olony, ary Andriamanitra no hitoetra eo aminy, dia ho Andriamaniny. Ary hofafany ny ranomaso rehetra amin’ny masony; ary tsy hisy fahafatesana intsony, sady tsy hisy alahelo, na fitarainana, na fanaintainana; fa efa lasa ny zavatra taloha. Ary hoy Ilay mipetraka eo ambonin’ny seza fiandrianana: Indro, havaoziko ny zavatra rehetra. Ary hoy koa Izy: Soraty; fa mahatoky sy marina ireo teny ireo.” — Apokalypsy 21:1-5.
Nanambara zavatra mitovy amin’izany toy izao koa ny apostoly Petera: “Isika, araka ny teny fikasany [ny an’i Jehovah Andriamanitra], dia manantena lanitra vaovao sy tany vaovao, izay itoeran’ny fahamarinana.” (2 Petera 3:13). Endre izany fahatsinjovan-javatra mahatalanjona efa antomotra! Afaka ny ho tombontsoanao mahafaly ny fiainana eto an-tany paradisa. (Lioka 23:43, NW ). Noho izany, dia aza mamela ny fijaliana amin’ny andro ankehitriny hahafeno fahatezerana anao. Miandrasa ny hoavy amim-panantenana kosa. Apetraho amin’ny tontolo vaovaon’Andriamanitra efa akaiky dia akaiky ny fanantenanao sy ny fatokianao. Manaraha lalana azon’i Jehovah Andriamanitra ekena, dia ho afaka ny hiaina mandrakizay ao amin’ny tontolo iray ho afaka amin’ny fijaliana rehetra ianao.
[Sary, pejy 4]
Na dia nijaly aza i Joba, dia nanaraka lalana azon’Andriamanitra nekena izy
[Sary, pejy 7]
Afaka ny hiaina ao amin’ny tontolo iray ho afaka amin’ny fijaliana rehetra ianao
[Sary nahazoan-dalana, pejy 3]
Collier’s Photographic History of the European War