Fanontanian’ny Mpamaky
Tokony ho tonga hatraiza ny fanahian’ny Kristiana ny amin’ny mety hisian’ny zavatra mahaforona ny ra, na koa hoe taharon’ny ra, toy ny plasma nohamainina, nampidirina tao anaty sakafo efa vita?
Raha misy porofo marim-pototra tokony hinoana fa tena misy ram-biby (na taharony iray) tokoa ampiasaina amin’ny sakafo efa vita amidy eo an-toerana, dia tokony haneho fitandremana araka ny tokony ho izy ny Kristiana. Na dia izany aza, dia tsy ho fanehoana fahendrena ny ho sahiran-tsaina noho ny fiahiahiana fotsiny, na ny hiaina ao anatin’ny fanahiana tsy mitombina.
Tany am-piandohan’ny tantaran’ny olombelona, dia nanome didy ny Mpamorona antsika fa tsy tokony hihinana ra ny olombelona. (Genesisy 9:3, 4). Nambarany fa ny ra dia mampiseho ny aina, izay fanomezana avy aminy. Ny ra nesorina avy tamin’ny zavaboary iray dia tsy ho azo ampiasaina afa-tsy amin’ny sorona ihany, toy ny rehefa eo amin’ny alitara. Raha tsy izany, dia tokony haidina amin’ny tany ny ra avy amin’ny zavaboary iray, amin’ny heviny hoe haverina any amin’Andriamanitra ilay izy. Tokony hanalavitra ny hampaharitra ny ainy amin’ny fihinanana ra ny olony. Hoy ny lalàna navoakany: “Aza mihinana ny ran’ny nofo; fa ny rany no ain’ny nofo rehetra, ka izay rehetra mihinana azy dia haringana.” (Levitikosy 17:11-14). Naverina tamin’ireo Kristiana indray ny fandraran’Andriamanitra ny amin’ny fihinanana ra. (Asan’ny Apostoly 15:28, 29). Koa nila ny nifady sakafo nisy ra, toy ny hena avy tamin’ny biby nokendaina na ny boudin (saosisy natao tamin’ny ra), àry ireo Kristiana voalohany.
Teo amin’ny fampiharana izany anefa, nanao ahoana moa ny fihetsik’ireny Kristiana ireny, noho izy tapa-kevitra ny ‘hifady ny ra’? (Asan’ny Apostoly 21:25). Tokony hampihatra tsotra izao ireto tenin’ny apostoly Paoly ireto ve izy ireo: “Izay hena rehetra amidy eny an-tsena dia hano, fa aza manontany akory noho ny fieritreretana”?
Tsia. Ireo teny ao amin’ny 1 Korintiana 10:25 ireo dia miresaka ny amin’ny hena izay nety ho avy tamin’ny biby natao sorona tany amin’ny tempolin’ny mpanompo sampy. Tamin’izany fotoana izany, ny hena tavela avy tany amin’ireo tempoly dia namidy tamin’ny mpivarotra, izay nety ho nampiaraka izany tamin’ireo hena hafa namidiny tao amin’ny fivarotany. Ny tian’i Paoly holazaina dia hoe tsy voatery ho ratsy na voaloto amin’izao akory ny hena iray satria hoe avy tany amin’ny tempoly. Toa fanao tamin’izany andro izany ny nanala sy nampiasa teo amin’ireo alitaran’ny mpanompo sampy ny ran’ireo biby natao sorona teo. Koa raha nisy hena tavela avy tamin’izany namidy tany an-tsena, izay tsy nisy fifandraisana nivantana tamin’ny tempoly na tamin’ireo hevi-dison’ny mpanompo sampy, ireo Kristiana dia afaka nividy izany tsotra izao toy ny hena fividy rehetra izay nadio sady nalana tsara ny rany.
Tsy maintsy ho hafa anefa ny ho fihetsik’ireny Kristiana ireny raha toa ka fantany fa nisy hena avy tamin’ny biby nokendaina (na boudin) anisan’ny natolotr’ireo mpivarotra teo an-toerana. Ho nila ny nampihatra fitandremana izy ireny teo am-pifidianana izay hena hovidiny. Nety ho afaka nahafantatra avy hatrany ireo sakafo vita tamin’ny hena izay nisy ra izy ireny noho ny lokony niavaka tsara (tsy misy hafa amin’ny boudin amin’izao andro izao izay mora fantarina mazàna any amin’ireo tany ahitana azy). Na nety ho nanontany ny mpamono biby na mpivaro-kena iray nalaza ho azo nitokiana koa ireny Kristiana ireny. Raha tsy nisy antony tokony hinoana fa nisy ra ny hena iray, dia afaka nividy sy nihinana izany tsotra izao izy ireny.
Nanoratra toy izao koa i Paoly: “Aoka ho fantatry ny olona rehetra ny [fahalalanareo ny antonony, NW ].” (Filipiana 4:5). Azo nampiharina tamin’ny raharaha momba ny fividianana hena izany. Na ny Lalàn’ny Isiraely na ny didy navoakan’ny fitambara-mpitantana kristiana tamin’ny taonjato voalohany dia samy tsy nampiseho fa tsy maintsy nandany fotoana sy ezaka be mba hanontany momba ny hena ny olon’Andriamanitra, ka hoe ho tonga végétariens (tsy mihinana afa-tsy zavamaniry) mihitsy raha nisy fisalasalana kely fotsiny momba ny fisian’ny ra tao amin’ny hena nisy teo an-toerana.
Ny mpihaza isiraelita iray namono biby dia nanala ny ran’izany biby izany. (Ampitahao amin’ny Deoteronomia 12:15, 16.) Raha tsy nahalany ilay hena rehetra ny fianakaviany, dia azony natao ny nivarotra ny sasany taminy. Na dia ao amin’ny fatim-biby iray nalana ra tsara aza, dia hisy ra kely tavela foana ao amin’ilay hena. Kanefa tsy misy na inona na inona ao amin’ny Baiboly manipy hevitra fa ny Jiosy iray hividy hena dia nila ny nanao zavatra tafahoatra mba hahazoana fanazavana momba ny hoe firy minitra no lasa teo anelanelan’ny famonoana sy ny fanesorana ny ran’ilay biby, ny hoe mpanelira (artère) na mpamerindra (veine) iza no notapahina mba hampandehanana ny ra, ary ny fomba nanantonana ilay biby sy hoe nandritra ny hafiriana. Ankoatra izany, ny fitambara-mpitantana koa dia tsy nanoratra fa ireo Kristiana dia tsy maintsy nitandrina mafy momba io raharaha io, toy ny hoe nila valin-teny hentitra tamin’ny an-tsipiriany rehetra talohan’ny hihinanana hena.
Any amin’ny tany maro amin’izao andro izao, ny lalàna na ny fahazarana na ny fanao ara-pivavahana dia mahatonga ny sakafo vita amin’ny hena (afa-tsy ireo zavatra tsy mahazatra toy ny boudin) ho avy amin’ny biby izay tsy maintsy alana ny rany rehefa vonoina. Noho izany, ny Kristiana any amin’ny tany toy izany mazàna dia tsy mila ny hanahy be loatra ny amin’ny fomba namonoana na nikarakarana izany. Raha itarina ny hevitr’izany, dia azon’izy ireo atao tsotra izao ny ‘mihinana hena avy eny an-tsena ka tsy hanontany’, ary afaka manana feon’ny fieretreretana madio izy ireo fa mifady ra.
Nisy tatitra teknika niseho indraindray anefa momba ny fampiasana ra amin’ny zavatra amidy izay nanahiran-tsaina ny Kristiana sasany. Ny mpandraharaha sasany amin’ny taozava-baventy momba ny hena dia manjohy hevitra fa misy ra betsaka avy amin’ny biby novonoina izay azo angonina mba hampiasaina sy hahazoana tombony, hanaovana zezika na sakafom-biby ohatra. Misy mpanao fikarohana nandinika raha azo ampiasaina amin’ny hena amboarina ho sakafo hafa ny ra (na taharon’ny ra) toy izany. Ny orinasa sasany aza efa namokatra ranon-dra (plasma) ranoka, mandry na natao vovoka voafetra sasany (na zavatra avy amin’ny liomena nampiofoana), izay mety ho azo anoloana ny ampahany kely amin’ny hena hatao ao amin’ny sakafo namboarina, toy ny saosisy na pâté. Ny fandinihana hafa dia nifantoka tamin’ny fampiasana zavatra azo avy amin’ny ra ka natao vovoka, ho toy ny famenony na mba hampifangaroana ny rano sy ny tavy ao amin’ny toton-kena, ao amin’ny sakafo andrahoina anaty lafaoro, na ao amin’ny sakafo sy fisotro hafa, mba hanampiana protéine na vy.
Tsara homarihina anefa fa efa nandritra ny am-polony taona maro no nanaovana ny fikarohana toy izany. Kanefa, toa voafetra dia voafetra, na tsy misy mihitsy aza, ny fampiasana izany zavatra izany, any amin’ny ankamaroan’ireo tany. Manampy hampiseho ny anton’izany ny tatitra miavaka sasany:
“Ny ra dia loharanom-protéines manome otrikaina sy manampy eo amin’ny fiasan’ny vatana. Kanefa, ny ran’omby dia tsy nampiasaina afa-tsy tamin’ny fatrany voafetra ihany teo amin’ny sakafon’ny olombelona noho ny lokony mahery be sy ny tsirony hafa dia hafa.” — Journal of Food Science, Volume 55, Number 2, 1990.
“Ny protéines ao amin’ny ranon-dra dia manana toetra mahasoa toy ny fahafahana ho levona mora foana, ny fahaizana mifangaro amin’ny menaka ary ny tsy fifandraisana amin’ny rano (...) ary ny fampiasana azy amin’ny fanamboarana sakafo dia manolotra lafiny tsara be dia be. Kanefa, tsy misy fomba mandaitra naorina tany Japana hanadiovana tanteraka ny ranon-dra, indrindra fa aorian’ny fanesorana ny ranoka rehetra aminy.” — Journal of Food Science, Volume 56, Number 1, 1991.
Ny Kristiana sasany dia nijery indraindray ny soratra eo amin’ny fonon’ny sakafo anaty fonosana, satria fitondram-panjakana maro no mitaky ny hanoratana ny lisitr’ireo zavatra nanaovana sakafo efa vita. Ary mety hifidy ny hanao izany tsy tapaka izy ireo amin’izay sakafo rehetra ananany antony tokony hinoana fa mety hisy ra. Mazava ho azy fa ho tsara ny hifadiana sakafo izay misy zavatra toy ny ra, ranon-dra, protéine globuline na vy hemoglobinina. Ny fanazavana ara-barotra avy amin’ny fikambanam-barotra eoropeana iray amin’io raharaha io dia niaiky toy izao: “Ny fanazavana momba ny fampiasana globuline hanaovana sakafo dia tsy maintsy marihina eo amin’ny fonosan’ilay sakafo mba tsy ho voafitaka ilay mpividy raha ny amin’izay mahaforona ilay sakafo na ny hatsaran’izy io.”
Kanefa, na dia eo amin’ny fijerena ireo soratra eo amin’ny fonosana na ny fanontaniana ireo mpivaro-kena aza, dia ilaina ny fanehoana fahalalana ny antonony. Izany dia tsy milaza fa ny Kristiana tsirairay maneran-tany dia tsy maintsy mandinika ny soratra amin’ny fonosana sy ny zavatra nanaovana ny sakafo mifono rehetra, na hoe tokony hanontany ireo mpiasa amin’ny hotely na amin’ny fivarotan-tsakafo. Ho azon’ny Kristiana iray atao aloha ny hanontany tena hoe: ‘Misy porofo azo hamarinina ve fa mampiasa ra sy zavatra azo avy amin’ny ra ao amin’ireo sakafo efa vita mahazatra, ny eto amin’ity faritra na tany ity?’ Any amin’ny ankamaroan’ny toerana dia tsia no valin’izany. Noho izany, dia Kristiana maro no nanatsoaka hevitra fa tsy handany fotoana sy fiheverana be dia be hanamarinana izay mbola mety ho fetezan-javatra fotsiny, ny tenany. Ny olona iray izay tsy mitovy hevitra amin’izany dia tokony hanao zavatra araka ny feon’ny fieritreretany, nefa tsy hitsara ny hafa izay mety hanapa-kevitra momba ilay raharaha amin’ny fomba hafa noho ny azy kanefa amin’ny fihazonana fieritreretana tsara eo anatrehan’Andriamanitra. — Romana 14:2-4, 12.
Na dia azo atao aza ny manamboatra sakafo efa vita misy ra, dia toa tsy ataon’ny ankamaroan’ny olona izany noho ny vidiny, ny lalàna na ny anton-javatra hafa. Ohatra, ny Food Processing (Septambra 1991) dia nanamarika toy izao: “Ho an’ireo mpamokatra sakafo izay sahirana mampiasa ranon-dra avy amin’ny omby latsaka ny 1 isan-jato (amin’ilay sakafo vita amin’ny hena amin’ny farany) ao amin’ilay hena nafangaro zavatra hafa, dia misy fangaron-javatra hafa manolo azy io amin’ny protéine marihitra avy amin’ny ranombatsiny ka azo marihina hoe azo ekena tsara.”
Tsara hamafisina fa noho ny lalàna na ny fahazarana na ny fitiavan-javatra manokana any amin’ny tany maro, mazàna dia alana ny ra avy amin’ireo biby vonoina ary tsy ampiasaina amin’ny sakafo efa vita hafa. Raha tsy misy antony lehibe tokony hieritreretana fa hafa noho izany ny tarehin-javatra eo an-toerana, na koa fa nisy fiovana lehibe nitranga vao haingana, ny Kristiana dia tokony hitandrina mba tsy ho sahiran-tsaina noho ny mbola mety ho fetezan-javatra na ny tsaho fotsiny. Rehefa azo antoka na tena azo inoana anefa fa ampiasain’ny ankamaroan’ny olona ny ra — na amin’ny sakafo izany na amin’ny fitsaboana — dia tokony ho tapa-kevitra isika ny hankatò ny baikon’Andriamanitra mba hifady ny ra.