Lehilahy Iray Nahita Fianarana
“HEVERO ny fiantsoana anareo, ry rahalahy, fa tsy firy no olon-kendry araka ny nofo, tsy firy no olona mahery, tsy firy no avo razana”. (1 Korintiana 1:26). Araka ny asehon’ireo teny ireo, dia mampidi-doza ny fanekena ho vonton’ny fahendren’izao tontolo izao na ny fananana toerana ara-tsosialy ambony. Mety hisakana ny tena tsy hanaiky ny vaovao tsara izany zavatra izany. — Ohabolana 16:5; Marka 10:25.
Na dia izany aza, dia nisy olon-kendry araka ny nofo sasany nanaiky ny fahamarinana tamin’ny andron’i Paoly, ary iray tamin’ireny ny tenany mihitsy. Mpitory ny filazantsara be zotom-po i Paoly izay olona tena nahita fianarana sady toa avy amina fianakaviana ambony. Nasehony tamin’izany fa ireo olona nambinina eo amin’ity tontolo ity dia afaka manompo an’i Jehovah raha mahitsy ny fony. Afaka mampiasa ny fahaizany tsy ara-pivavahana ao amin’ny fanompoana an’i Jehovah mihitsy aza izy ireo. — Lioka 16:9.
Teratany avy any Tarsosy
Teraka tany Tarsosy i Paoly, dia tao amin’ny “tanàna tsy kely laza” araka ny nilazalazany azy tatỳ aoriana. (Asan’ny Apostoly 21:39). Azo inoana fa tao no nahazoany fahaizana fiteny maro — indrindra fa ny fahaizana tsara dia tsara ny fiteny grika — izay nisy vidiny tsy hay notombanana teo amin’ny asa misionera nataony. Ny fiainana tany Tarsosy dia nahatonga an’i Paoly hifampikasoka be, tsy tamin’ny fomban’ny Jiosy ihany, fa tamin’ny kolontsain’ny Jentilisa koa. Nampiasa izany fanandraman-javatra izany izy, taona maromaro tatỳ aoriana, tamin’ny naha-apostolin’ny Jentilisa azy. Nahay nilaza ny fahamarinana tamin’ny fomba nety ho takatr’izy ireo izy. (1 Korintiana 9:21). Ho ohatra, dia diniho ny lahateny nataony tamin’ireo Ateniana izay voatantara ao amin’ny Asan’ny Apostoly toko faha-17. Tamin’izay izy dia nampiditra tamim-pahakingana tao anatin’ny fanambarany ny fahamarinana, firesahana momba ny fivavahana ateniana sy fanononana ny tenin’ny poetin’izy ireo mihitsy aza.
Olom-pirenena romana
Nanana tombontsoa ara-nofo hafa iray i Paoly. Olom-pirenena romana izy, ary nampiasa izany koa izy ho fampandrosoana ny vaovao tsara. Tany Filipy, dia nokapohina sy natao an-tranomaizina tsy nandalo fitsarana izy sy ny namany. Tsy ara-dalàna ny fanaovana izany tamin’olom-pirenena romana iray. Rehefa nanintona ny sain’ireo manam-pahefana tamin’izany zava-nisy izany i Paoly, dia namela azy hijanona sy hanompo tao amin’ilay kongregasiona izy ireo talohan’ny nandehanany tany amin’ilay toerana nanaraka. — Asan’ny Apostoly 16:37-40.
Tatỳ aoriana, rehefa nijoro teo anatrehan’ny Governora Festosy i Paoly dia nanararaotra ny naha-olom-pirenena romana azy mba hangatahana fitsarana ambony teo anatrehan’i Kaisara. Tamin’izany izy no niaro ny vaovao tsara teo anatrehan’ny manam-pahefana ambony tao amin’ny Empira romana. — Asan’ny Apostoly 25:11, 12; Filipiana 1:7.
Nahazo fampiofanana azo nampiasaina izay hita fa nahasoa tatỳ aoriana i Paoly. Nampianarina hanao lay izy, azo inoana fa ny rainy no nanao izany. Noho izany, dia afaka nanohy hatrany ny fanompoana izy rehefa nihena ny tahirim-bola. (Asan’ny Apostoly 18:1-3). Nahazo fianarana lalina ara-pivavahana koa izy. Nobeazina ho “Fariseo, zanaky ny Fariseo” izy. (Asan’ny Apostoly 23:6). Marina tokoa fa izy dia nianatra teo anilan’ny tongotr’i Gamaliela, iray tamin’ireo mpampianatra jiosy nalaza indrindra. (Asan’ny Apostoly 22:3). Ny fianarana toy izany, izay angamba azo ampitahaina amin’ny fianarana ambony any amin’ny oniversite amin’izao andro izao, dia toa milaza fa tena ambony ny fianakavian’i Paoly.
Fomba fijery araka ny tokony ho izy
Ny ivom-piainana nisy an’i Paoly sy ny fiofanana azony dia nanolotra hoavy namirapiratra ho azy teo amin’ny Jodaisma. Afaka ny ho lasa lavitra izy. Raha vantany vao nanaiky an’i Jesosy ho Mesia anefa i Paoly, dia niova ny zava-nokendreny. Rehefa nanoratra ho an’ireo Filipiana izy, dia nosoritany ny sasany tamin’ireo tombontsoa araka an’izao tontolo izao nananany taloha ka hoy izy: “Izay azoko ho tombony dia nataoko fatiantoka kosa noho ny amin’i Kristy. Eny tokoa, fa ataoko ho fatiantoka avokoa ny zavatra rehetra noho ny fihoaran’ny hatsaran’ny fahalalana an’i Kristy Jesosy Tompoko”. — Filipiana 3:7, 8.
Io lehilahy nahita fianarana io dia tsy nitodika ny lasa ka nanembona izay nety ho vitany noho ny fianarana araka an’izao tontolo izao nataony; tsy nampiasa io “fianarana be loatra” io mba hampitahorana ny hafa koa izy. (Asan’ny Apostoly 26:24; 1 Korintiana 2:1-4). Naneho finoana tanteraka an’i Jehovah Andriamanitra kosa izy ka nanisy fitenenana ny amin’ireo tombontsoa nananany teo aloha tamin’ny filazana hoe: “Manadino izay zavatra ao aoriana [aho] ka miezaka hanatratra izay zavatra eo aloha, eny, miezaka hanatratra ny marika aho hahazoako ny lokan’ny fiantsoan’Andriamanitra any ambony ao amin’i Kristy Jesosy”. (Filipiana 3:13, 14). Nankamamy ireo zavatra ara-panahy i Paoly.
Na dia izany aza, dia nampiasa izany fiofanana nataony teo aloha izany i Paoly teo amin’ny fanompoana an’i Jehovah. Rehefa nilaza ny amin’ireo Jiosy izy nanao hoe: “Vavolombelon’ireny aho fa mazoto ho an’Andriamanitra izy”, dia niresaka ny amin’ny fanandraman-javatra hitan’ny tenany manokana izy. (Romana 10:2). Tamin’ny naha-Fariseo nafana fo azy, dia azo antoka fa nanana fahazotoana ho an’Andriamanitra sy ho an’ny Soratra Masina izy. Rehefa tonga Kristiana i Paoly, dia voalanjalanjan’ny fahalalana marina ny zotom-pony, ary afaka nampiasa ny fianarana azony taloha izy ho amin’ny zava-kendrena marina. Ao amin’ny bokin’ny Hebreo, ohatra, dia nampiasa ny fahalalany lalina momba ny tantaran’ny Isiraelita sy ny fanompoam-pivavahana tao amin’ny tempoly izy mba hampisehoana ny fahambonian’ny fandehan-javatra kristiana.
Amin’izao andro izao, ny sasany izay hendry araka ny nofo dia mandray koa ny vaovao tsara. Misy olona manana izao karazana fahaizana manokana rehetra izao, sy mpiasa avy amin’izao karazana anton-draharaha sy fanaovana taozavatra rehetra izao, nanaiky ny fahamarinana ary nampiasa ny fiofanana azony eo amin’ny fanompoana an’i Jehovah. Na dia izany aza, na manao ahoana na manao ahoana fianarana tsy ara-pivavahana azony, ny Kristiana dia tsy hanadino na oviana na oviana fa ireo fahaizana tena ilaina dia ara-panahy. Ireo no “zavatra lehibe kokoa” noho izy afaka mitarika antsika ho amin’ny fiainana mandrakizay. — Filipiana 1:10, NW.