“Manao Ahoana, Tompoko ô! Fantatrao ve hoe Iza no Anaran’Andriamanitra?”
TAO amin’ny biraon’ny sampan’ny Vavolombelon’i Jehovah any Brezila no naharaisana izao taratasy manaraka izao, avy amin’ny mpirahavavy kambana 12 taona any amin’ny tanànan’i Fortaleza:
“Tany amin’ny taona 1990, fony tao amin’ny kilasy fahadimy izahay, dia nandamina varotra fampisehoana momba ny siansa sy ny zavakanto ary ny kolontsaina ny sekolinay. Nanazava tamin’ny mpampianatra izahay fa nirinay mba ho hafa noho izay nokasain’ireo mpianatra hafa homanina ny fampisehoanay. Koa satria efa nandre anay niresaka momba an’i Jehovah sy ny Baiboly izy teo aloha, dia nanipy hevitra izy hoe: ‘Raha izany no izy, dia afaka manoratra momba ny Andriamanitrareo ianareo!’
“Nahita izany ho toy ny fahafahana hanao fanambarana izahay ka nanapa-kevitra ny hametraka miaraka, zavatra aseho ahitana boky sy gazety momba ny Baiboly izay miompana amin’ny anaran’i Jehovah. Namerina ireo teny ao amin’ny Salamo 83:18 tamin’ny sora-baventy izahay, ary nametaka izany teo amin’ny sarina Baiboly mivelatra iray. Nametraka dikan-tenin’ny Baiboly samy hafa mirakitra ny anarana hoe Jehovah teo amin’ny latabatra iray koa izahay. Teo amin’io latabatra io ihany, dia nampiseho santionana zavatra vita an-tsoratra momba ny Baiboly izahay. Terỳ amin’ny lafiny aoriana amin’ilay latabatra, dia nasianay magnétoscope sy televizera mba hampisehoana amin’ireo mpitsidika santionany iray nampiasana ny anarana hoe Jehovah tao amin’ny sinema iray tena fanta-bahoaka.
“Nandritra ilay varotra fampisehoana, rehefa nisy olona tonga teo amin’ny latabatray, dia niteny izahay hoe: ‘Manao ahoana, tompoko ô! Fantatrao ve hoe iza no anaran’Andriamanitra?’ Rehefa avy nanome an’ilay mpitsidika fahafahana hamaly izahay, dia nanohy niteny hoe: “Jereo ireto! Misy dikan-tenin’ny Baiboly maromaro mampiseho fa Jehovah no anarany’, sady nanondro ilay anarana tao amin’ny Baiboly samy hafa izahay, toy ny an’i João Ferreira de Almeida, ny Baibolin’i Jerosalema, ary ny Fandikan-tenin’Izao Tontolo Izao Vaovao. Avy eo izahay dia nandefa ilay sary ahitana ny personnage lehibe indrindra ao amin’ilay sinema mampiharihary ny hoe Jehovah ho ny anaran’Andriamanitra. Rehefa nisy olona naneho fahalianana, dia nanome azy ireo gazety na taratasy mivalona misy fanazavana misimisy kokoa izahay.
“Ny iray tamin’ireo tanora tonga teo amin’ny latabatray dia nangataka an’ilay boky hoe Les Jeunes S’interrogent — Réponses Pratiques. Nandinika an’ilay boky hoe Ny Fomba Hahitana Fiainam-pianakaviana Sambatra ny mpampianatra anay ary nihiaka hoe: ‘Andre! Mahaliana izany raha boky!’ Tamin’ny faran’ilay varotra fampisehoana, dia nahapetraka boky 7 sy taratasy mivalona 18 ary gazety 67 izahay. Nahazo ny laharana fahatelo izahay tao amin’ilay varotra fampisehoana. Nefa, ambonin’ny zavatra rehetra, dia tena faly izahay noho ny tombontsoa nampahafantatra ny anaran’Andriamanitra hoe Jehovah.”