Inona no Maha-ratsy ny Fitiavam-bola?
NITANTANA supermarché tao amin’ny tanàna mahantra iray atsy Afrika i Paul sy i Mary.a Tamin’ny fiasana mafy andro aman’alina, dia nahazo vola be izy ireo. Rehefa afaka kelikely, dia afaka nirehareha tamin’ny trano vaovao lehibe iray feno fanaka faran’izay lafo vidy i Mary. Raha ny amin’i Paul, izy dia afaka nivezivezy nitondra fiarakodia tsara tarehy.
Indray andro i Paul dia nohatonin’ny antokon’olona mpanohitra ny fitondrana. Izao no notakin’izy ireo: “Ny ilainay dia ny handoavan’ny anton-draharahanao vola [100 $] isam-bolana mba hanohanana ny asanay.” Noho izy ireo tsy naniry ny hiandany tamin’ny ady ara-politika, dia nanda tamin-kerim-po i Paul sy i Mary. Noho izy ireo tsy nomba ny atsy na ny aroa, dia nahiahina ho nahazo fanampiana ara-bola tamin’ny fitondrana izy ireo. Indray mandeha, tamin’ny faran’ny herinandro, raha tsy tao an-tanàna i Paul sy i Mary, dia norobaina ny fivarotan’izy ireo, ary nodorana ny fiarany sy ny tranony tsara tarehy.
Marina tokoa fa fitantarana mampalahelo ilay izy, kanefa inona no azontsika ianarana avy amin’izany? Maro amin’ireo niasa mafy mba ho tonga mpanankarena no mety ho mbola tsy voan’ny loza izay nanaisotra taminy ny harenany, kanefa ahoana ny amin’ny hoavy? Nahoana ny Baiboly no milaza fa “izay ta-hanan-karena dia latsaka amin’ny fakam-panahy sy ny fandrika ary ny filana maro tsy misy antony sady mandratra, izay mandentika ny olona ao amin’ny fandringanana sy ny fahaverezana”? — 1 Timoty 6:9.
Fiheverana voalanjalanja momba ny vola
Araka ny Baiboly, ny Kristiana marina dia tsy maintsy mamelona ireo anisan’ny ankohonany izay mbola miankina aminy. Mety hahatonga izany ho sarotra indraindray ny tarehin-javatra toy ny tsy fananana asa, na ny zava-manahirana ara-pahasalamana. Etsy an-danin’izany, ny Kristiana izay minia manao tsirambina ny famelomana ny ankohonany dia “efa nandà ny finoana (...) ka ratsy noho ny tsy mino aza”. — 1 Timoty 5:8.
Any amin’ny tanàna ambanivohitra sasany, ny olona dia mivelona amin’ny vokatry ny tany: amin’ny fambolena izay zavatra hohaniny sy amin’ny fiompiana. Ny sasany dia tsy mampiasa vola firy, satria mahazo izay ilainy eo amin’ny fiainana izy amin’ny fanaovana takalo amin’ny entam-barotra na amin’ny asa atao ho an’olona. Ny ankamaroan’ireo mpitady ny fivelomana anefa, dia mamelona ny ankohonany amin’ny fidirana amin’ny karazana asa sasany mba hahazoana karama ho valiny. Mampiasa ny vola azony izy ireo mba hividianana sakafo sy zavatra hafa mandray anjara amin’izay mahasoa ny ankohonany. Fanampin’izany, ny vola tahirizina amim-pahendrena dia afaka manome fiarovana sasany amin’ny fotoan’ny fahasahiranana na amin’ny fotoan’ny loza. Ohatra, azo ampiasaina mba hisahanana izay lany amin’ny fitsaboana na hanaovana fanamboarana lehibe amin’ny tranon’ny tena izy io. Izany no ilazan’ny Baiboly amim-pahaiza-mijery ny zava-misy fa “fialokalofana ny vola” ary izy io “no hahazoana ny zavatra rehetra”. — Mpitoriteny 7:12; 10:19.
Satria mahavita be aoka izany ny vola, dia eo ny loza ateraky ny fampitomboana fiheverana tsy araka ny tena izy momba ny herin’izy io. Mila mahafantatra ny fetran’ny herin’ny vola, raha oharina amin-javatra hafa lehibe kokoa, ny Kristiana iray. Ny Baiboly, ohatra, dia mampitaha ny hasarobidin’ny vola amin’ny fahendrena araka an’Andriamanitra, amin’ny filazana hoe: “Fa fialokalofana ny fahendrena, ary fialokalofana ny vola; ary ny mahatsara ny fahalalana dia izao: Maharo ny ain’ny manana azy ny fahendrena.” (Mpitoriteny 7:12). Amin’ny ahoana ny fahendrena araka an’Andriamanitra no manan-tombo amin’ny vola?
Fianarana avy amin’ny lasa
Ireo zava-nitranga tany Jerosalema tamin’ny taona 66 am.f.i. dia manazava ny tombony ananan’ny fahendrena araka an’Andriamanitra raha oharina amin’ny vola. Rehefa avy nahatohitra ny tafika romana mpanafika ireo Jiosy tao Jerosalema, dia toa nino fa tsara izao ny fanampoizan-javatra ara-bola eo amin’ny raharaham-barotra. Marina tokoa fa nanomboka nanefy ny volany manokana izy ireo ho fankalazana ny fahafahana vaovao azony. Natao fitomboka teo amin’ireo vola madinika, tamin’ny teny hebreo, ny fitenenana toy ny hoe “Ho an’ny fahafahan’i Ziona”, sy ny hoe “Jerosalema ilay Masina”. Ary isaky ny taona vaovao, izy ireo dia mamoaka vola vaovao misy soratra izay mampahafantatra azy ho “taona voalohany”, “taona fahatelo”, ary “taona fahefatra”. Ireo mpanao fikarohana any ambanin’ny tany dia namongatra mihitsy vola madinika vitsivitsy, tsy fahita firy, nisy soratra hoe “taona fahadimy”, izay nifanitsy tamin’ny taona 70 am.f.i. Moa ve ireo Kristiana jiosy nihevitra ny vola jiosy vaovao ho famantarana manan-kery ny amin’ny fahafahana maharitra?
Tsia, satria nitadidy ireo teny feno fahendrena nataon’ilay Mpampianatra azy ireo izy. Efa nanambara mialoha ny amin’ny fanafihan’ny Romana izay nitranga tamin’ny taona 66 am.f.i. i Jesosy. Nananatra ny mpanara-dia azy izy fa rehefa hitranga izany, dia tokony ‘handositra ho any ivelan’i Jerosalema’ izy ireo. (Lioka 21:20-22). Ny tantara dia manamarina fa nanao izany indrindra ireo Kristiana jiosy. Niharihary fa vonona ny hizaka famoizana tany sy fananana ary fahafahana hanao raharaham-barotra izy ireo noho ny fandaozana an’i Jerosalema. Efa-taona tatỳ aoriana, dia niverina ny tafika romana ary nanao fahirano ilay tanàna.
“Nisy volamena be dia be tao amin’ilay Tanàna”, hoy ny vavolombelona nanatri-maso iray, dia ilay mpanoratra tantara atao hoe Josephus. Ny vola be anefa dia tsy afaka nanavotra an’i Jerosalema tamin’ny mosary izay tsy nitsahatra “nihamafy” sy “nandany ankohonana sy fianakaviana manontolo”. Nisy mponina sasany nitelina vola madinika volamena ary nanandrana nandositra ny tanàna. Novonoin’ny fahavalony anefa izy ireny, ary notriariny hisokatra ny kibony mba hangalana ilay vola. “Ho an’ireo mpanankarena”, hoy i Josephus, “dia nampidi-doza toy ny fitoerana tao amin’ilay Tanàna ny fandaozana azy io; satria mody nolazaina hoe mpamadika ny lehilahy maro, ary dia novonoina noho ny volany”.
Tao anatin’ny enim-bolana latsaka, hatramin’ny fanombohan’ilay fahirano, dia rava i Jerosalema, ary maherin’ny iray tapitrisa tamin’ny mponina tao aminy no matin’ny mosary sy ny areti-mandringana ary ny sabatra. Nanajamba ny maro ny fitiavam-bola ka nandentika azy ireo tao anatin’ny fandringanana sy ny fahaverezana, kanefa kosa ny fampiharana ireo teny feno fahendrena dia nahatonga ireo Kristiana jiosy ho afa-nandositra.
Tsy tamin’io ihany akory ny vola no nandiso fanantenana ny olona tamin’ny fotoan-tsarotra, teo amin’ny tantara. Tompo lozabe toy inona moa ny fitiavam-bola! (Matio 6:24). Ambonin’izany, dia afaka manaisotra aminao ny fiadananao ankehitriny izy io.
Ireo fahafinaretana izay tsy azon’ny vola vidina
Ny faniriana tafahoatra ny ho tonga mpanankarena dia mety hanajamba ny olona iray ka tsy hahitany ireo fahafinaretana izay tsy mitaky vola be. Diniho, ohatra, ny fifandraisana mahafinaritra eo amin’ny fianakaviana, ny tena namana, ny zava-mahatalanjona voajanahary, ny masoandro mody mahafinaritra ny maso, ny oram-baratra manaitra ny saina, ny lanitra feno kintana, ireo sangisangy mahatsikaiky ataon’ny biby, na ireo voninkazo sy hazo eo amin’ny ala iray tsy simba.
Marina fa ny olona manankarena sasany dia manam-potoana kokoa mba hankafizana ireo fahafinaretana etsy ambony ireo, kanefa ny ankamaroan’izy ireo dia revo tafahoatra amin’ny fanandramana mitana na mampitombo ny harenany. Na dia toa mahagaga aza izany, ny fahasambarana mazàna dia mandositra na dia ireo manam-potoana tsy iasana aza. Izany dia mahagaga ireo mpanao fikarohana maoderina. “Ahoana no hanazavantsika zavatra iray irin’olona maro aoka izany fatratra, ary inoana fa karazana fanafodin’ny zava-drehetra, izay rehefa azo, dia misy vokany isan-karazany manomboka amin’ny fahadisoam-panantenana ka hatramin’ny fikorontanan-tsaina?”, hoy ny fanontaniana nataon’i Thomas Wiseman ao amin’ilay bokiny hoe The Money Motive — A Study of an Obsession.
Zavatra iray afaka manaisotra amin’ny mpanankarena iray ny fahasambarany ny fahasarotan’ny fahafantarana izay tena namany. Hitan’i Solomona Mpanjaka nanankarena fa “raha mitombo ny fananana, dia mitombo koa ny mihinana azy”. (Mpitoriteny 5:10). Mpanankarena maro koa no mizaka tebiteby eo am-piezahana hitana na hampitombo ny vidin’ny harenany. Matetika izany dia manaisotra amin’izy ireo ny torimaso ahitana fahafinaretana. Manazava toy izao ny Baiboly: “Mamy ny torimason’ny mpiasa, na homan-kely na homam-be izy; fa ny haben’ny ananan’ny manan-karena kosa no tsy ahitany tory.” — Mpitoriteny 5:11.
Mety hanimba ny fifandraisan’ny mpianakavy sy ny namana ny fitiavam-bola, satria mety haka fanahy olona hanao zavatra tsy marina na hanao heloka bevava izy io. Ireo tia vola mazàna dia mitodika any amin’ny filokana. Mampalahelo fa, ny faniriana fatratra hiloka indray mandeha fanampiny monja, dia mitarika olona maro ho ao anatin’ny trosa. “Amin’ny fotoana ankanesany atỳ amiko”, hoy ny mpitsabo aretin-tsaina iray atsy Afrika Atsimo, “[ireo mpiloka za-dratsy] dia mazàna efa tsy afaka miova na azo ampiana intsony, namoy asa, raharaham-barotra, trano, izy ireo, ary nandao azy ireo mazàna ny fianakaviany”. Marina tokoa ilay fampitandreman’ny Baiboly manao hoe: “Izay olona mahatoky tokoa dia ho be fitahiana; fa izay maimay ta-hanan-karena dia tsy maintsy hohelohina.” — Ohabolana 28:20.
“Maniry elatra (...) izy ka manidina”
Ny antony hafa iray mahatonga ny fitiavam-bola hampidi-doza, dia noho ireo fitondram-panjakan’olombelona tsy afaka miara-miasa amin’ny fomba feno, na tsy afaka miantoka ny fitanana ny sandan’ny vola tsy hihilangilana eo amin’ny lafiny iraisam-pirenena, toy ny tsy nahafahany nisakana koa ny fitotongan’ny toe-karena, ny fitambotsorana ara-toe-karena, ary ny firodanan’ny tsenam-bola. Ny hosoka sy ny halatra ary ny fisondrotam-bidin-javatra dia manamafy koa ny fahamarinan’ireo teny ara-tsindrimandry hoe: “Aza manasa-tena hanan-karena, aza entina amin’izany ny fahendrenao. Moa hampanarahinao azy va ny masonao, nefa tsy ao intsony izy? Fa maniry elatra tokoa izy ka manidina toy ny voromahery ho eny amin’ny lanitra.” — Ohabolana 23:4, 5.
Ny fisondrotam-bidin-javatra. Azo antoka fa io zava-manahirana io dia tsy voafetra fotsiny ho any amin’ireo tany mahantra. Tamin’ny fiandohan’ity taonjato ity, dia namely ireo firenena be taozava-baventy any Eoropa afovoany ny fisondrotam-bidin-javatra nitombo haingana. Talohan’ny Ady Lehibe Voalohany, ohatra, ny mark alemanina dia nitovitovy tamin’ny shilling britanika, na ny franc frantsay, na ny lire italiana. Folo taona tatỳ aoriana, ny shilling sy ny franc ary ny lire dia nitovitovy tamin’ny 1 000 000 000 000 marks. Inona no vokatry ny fidangan’ny vidin-javatra, eo amin’ny olona any amin’ny tany manan-karena? “Raha izay nitranga tamin’ireo Herim-panjakana Foibe izay resy tamin’ny fiandohan’ireo taona 1920 no raisina ho ohatra”, hoy ny fanambaran’i Adam Fergusson tao amin’ny bokiny hoe When Money Dies (Rehefa Maty ny Vola), “dia hitondra faniriana mihoa-pampana, sy herisetra, sy tsy fahasambarana, ary fankahalana aoka izany noho ny tahotra indrindra [ny fitotongan’ny sandam-bola], hany ka tsy hisy fitambaran’olona afaka ny ho tafita velona ka tsy hiharam-pahavoazana na tsy hiharam-piovana”.
Tamin’ny 1923, dia nanome vidiny vaovao ny vola fampiasany i Alemaina tamin’ny fanesorana aotra 12 ka ny 1 000 000 000 000 marks tranainy dia nanjary nitovy tampoka tamin’ny mark vaovao iray. Nampijanona ny fisondrotry ny vidim-javatra io fihetsika io, saingy nanana vokany nampidi-doza maro hafa. Nanazava toy izao i Fergusson: “Ny fanarenana indray ny tsy fihilangilanan’ny sandam-bola, izay nahatapi-pananana olona an’arivony maro, sy naka an-keriny tamin’ny olona an-tapitrisany maro ny fivelomany, ary namono ny fanantenan’ny olona an-tapitrisany maro fanampiny, dia nitaky tsy nivantana vidiny nahatsiravina kokoa noho izay tsy maintsy naloan’izao tontolo izao iray manontolo.” Ilay “vidiny nahatsiravina” tao an-tsain’ilay mpanoratra dia toa ny fitsanganan’ny Nazisma sy ny Ady Lehibe Faharoa.
Ny fahafantarana fa nandiso fanantenana olona maro aoka izany taloha ny fananana vola be tany amin’ny banky, dia tokony ho fampitandremana manjombona amin’izao fotoan’ny tsy maha-azo antoka ny toe-karena maneran-tany izao. Ny Zanak’Andriamanitra mihitsy dia nampitandrina fa handiso fanantenana ny vola, toy izay azo antoka fa efa nataony imbetsaka. (Lioka 16:9). Ho avy anefa ilay fahadisoam-panantenana ara-bola lehibe indrindra sy hiely patrana indrindra, rehefa hanatanteraka ny didim-pitsarany amin’ity tontolo ratsy ity i Jehovah Andriamanitra. “Ny harena dia tsy mahasoa amin’ny andro fahatezerana; fa ny fahamarinana no mamonjy tsy ho azon’ny fahafatesana.” — Ohabolana 11:4.
Zava-dehibe toy inona àry ny tokony hiezahan’ny tsirairay amintsika mafy mba hitana toerana marina eo anatrehan’ireo tena Sakaizantsika, dia i Jehovah Andriamanitra sy i Jesosy Kristy!
Ilay loharanon’ny fahasambarana maharitra
I Paul sy i Mary izay voalaza tetsy am-piandohana, dia Vavolombelon’i Jehovah. Nandritra ny taona maro izy ireo dia nandray anjara tamin’ny asa fitoriana ny filazantsara manontolo andro. Ny fanirian’izy ireo harena anefa, dia nahatonga azy ireo hitsahatra tsy hanatrika ireo fivorian’ny kongregasiona kristiana, ary nitsahatra tsy nizara ny finoany teo amin’ny fanompoana ampahibemaso izy ireo. Nifoha ara-panahy anefa izy ireo. “Izao aho dia afaka mahita ny naha-hadalana ny nandaniako ny fotoanako sy ny heriko rehetra tamin-javatra izay afaka manjavona ao anatin’ny minitra vitsivitsy”, hoy i Mary taorian’ny nandrobana azy sy nanimbasimbana ny tranony. Soa ihany fa nandray fianarana io mpivady io dieny mbola tsy diso aoriana loatra. Eny, ny fahavoazana lehibe indrindra mety ho vitan’ny fitiavam-bola, dia ny fanesorana amin’ny olona iray ny fifandraisana ankasitrahana amin’i Jehovah Andriamanitra sy i Jesosy Kristy. Raha tsy manana ireo Sakaiza ireo isika, inona no fanantenana mety hananantsika mba hahatafitana velona amin’ny faran’ity tontolo ratsy ity ka hiditra ao amin’ilay tontolo vaovaon’ny fahamarinana? — Matio 6:19-21, 31-34; 2 Petera 3:13.
Koa na mihevitra ny tenanao ho mpanankarena ianao na ho mahantra, dia mitandrema tena mba tsy hampitombo toetra tia vola. Miasà mba hanatratrarana sy hitanana ilay harena lehibe indrindra — toeram-pankasitrahana eo anatrehan’i Jehovah Andriamanitra. Afaka manao izany ianao amin’ny fihainoana amim-pitandremana foana ilay fanasana maika hoe: “Ny Fanahy sy ny ampakarina manao hoe: Avia; ary aoka izay mahare hanao hoe: Avia. Ary aoka ho avy izay mangetaheta; ary izay mety, aoka izy hisotro maimaimpoana amin’ny ranon’aina.” — Apokalypsy 22:17.
[Fanamarihana ambany pejy]
a Tsy nampiasaina ny tena anaran’izy ireo.
[Sary, pejy 8, 9]
Ireo lafiny roa amin’ny vola madinika iray notefena nandritra ny fikomiana jiosy, izay misy ny soratra hoe “taona faharoa”
[Sary nahazoan-dalana]
Pictorial Archive (Near Eastern History) Est.