“Aoka Hanan-kaja Amin’ny Olona Rehetra ny Fanambadiana”
“Aoka hanan-kaja amin’ny olona rehetra ny fanambadiana, ary aoka tsy ho voaloto ny fandriana”. — HEBREO 13:4.
1. Inona no nianaran’ny olona maro momba ny fanambadiana mahomby?
OLONA an-tapitrisany maro, na dia amin’izao andro mahamora ny fisaraham-panambadiana izao aza, no manana fanambadiana maharitra. Nahita fomba ahombiazana izy ireo, na dia teo aza ny tsy fitovian-toetra sy ny tsy fitovian’ny fiaviana. Hita eo amin’ireo Vavolombelon’i Jehovah ny fanambadiana toy izany. Amin’ny ankamaroan’ny tarehin-javatra, ireo mpivady ireo dia miaiky fa nahita ny mamy sy ny mangidy izy ireo, ary nanana antony itarainana ny amin’ny andaniny avy mihitsy aza. Na dia izany aza, dia nianatra namakivaky ireo onjam-pahasahiranana madinidinika izy ireo ary nanao izay hizoran’ny sambon’ny fanambadiany amin’ny lala-mahitsy hatrany. Inona avy no sasany amin’ireo antony nahatonga azy ireo ho afaka hanohy? — Kolosiana 3:13.
2. a) Inona avy ireo anton-javatra manorina sasany izay manohana ny fanambadiana? b) Inona avy ireo antony sasany izay afaka mampirodana ny fanambadiana? (Jereo ny faritra voafefy eo amin’ny pejy faha-14.)
2 Ny fanazavana nataon’ny sasany izay nanana fanambadiana kristiana sambatra sy naharitra dia tena mampahafanta-javatra tokoa. Hoy ny lehilahy iray manambady hatramin’ny 16 taona: “Isaky ny nitranga ny zava-nanahirana iray, dia tena nanao fiezahana izahay mba hihainoana ny fomba fiheveran’ny andaniny avy.” Izany dia mampisongadina ny antony iray manamafy ny fanambadiana maro — ny fifampiresahana malalaka sy tsy miolakolaka. Nilaza toy izao ny vehivavy iray manambady hatramin’ny 31 taona: “Zavatra lohalaharana foana ny fifampitantanana sy ny fanaovan-javatra mampifalifaly mba hitanana ny fifankatiavanay.” Ary izany dia lafiny fanampiny iray amin’ny fifampiresahana. Ny mpivady hafa iray efa hatramin’ny 40 taona eo ho eo izao, dia nanantitrantitra ny maha-zava-dehibe ny fitanana fahaizana mandray zavatra amin’ny vazivazy, ny fahaizana mihomehy tena sy mifampihomehy. Nilaza koa izy ireo fa izany dia nanampy mba hahafahana hahita izay tsara indrindra sy izay ratsy indrindra ao amin’ny andaniny avy ary anefa dia mbola mifaneho fitiavana tsy mivadika ihany. Notononin’ilay lehilahy ny fahavononana hiaiky ny fahadisoana sy hiala tsiny rehefa avy eo. Ao amin’izay misy ny toe-tsaina tia milefitra, ny fanambadiana dia mahay milefitra fa tsy mba tapaka. — Filipiana 2:1-4; 4:5.
Rivo-piainana miovaova
3, 4. Fiovana inona no nitranga teo amin’ny fihetsika mikasika ny tsy fivadihana ao amin’ny fanambadiana? Afaka manome ohatra ve ianao?
3 Nandritra ny am-polony taona vitsivitsy lasa izay, nanerana izao tontolo izao, dia niova ny fomba fiheverana mikasika ny tsy fivadihana ao anatin’ny fanambadiana. Misy olona manambady sasany mino fa tsy misy maha-ratsy azy ny hoe ‘mangala-pitia kely any ivelany’, izay teny maoderina entina manatsaratsara ny fanitsakitsaham-bady, indrindra raha toa ka mahafantatra sy manaiky izany ilay vady.
4 Nanazava ny tarehin-javatra toy izao ny mpiandraikitra kristiana iray: “Izao tontolo izao dia nanary tanteraka izay fiezahana lehibe rehetra mba hiainana mifanaraka amin’ny lalàna ara-pitondran-tena. Ny fitondran-tena madio dia nanjary noheverina ho lany andro.” Misy olo-malaza ara-politika, sy eo amin’ny fanatanjahan-tena, ary eo amin’ny fialam-boly mandika an-karihary ny fari-pitsipika ara-pitondran-tenan’ny Baiboly, ary ny olona toy izany dia mbola ankalazaina ihany. Saiky tsy misy zavatra mahamenatra mihitsy mifamatotra amin’izay mety ho karazana fanaovan-dratsy na faharatsiana ara-pitondran-tena. Mahalana vao asiana vidiny eo amin’ireo lazaina fa olona ambony ny fahadiovam-pitondran-tena sy ny tsy fivadihana. Avy eo, miorina amin’ilay fitenenana hoe ‘izay mety amin’ny hafa ve tsy mba hety amiko koa’, dia manaraka ny ohatr’ireo olona ambony ireo ny sarabambem-bahoaka ka manala tsiny izay zavatra melohin’Andriamanitra. Izany dia toy ilay nambaran’i Paoly hoe: “Dia olona tsy mahalala henatra intsony ka nanolo-tena ho amin’ny fijejojejoana hanao izay fahalotoana rehetra amin’ny fieremana.” — Efesiana 4:19; Ohabolana 17:15; Romana 1:24-28; 1 Korintiana 5:11.
5. a) Ahoana no fiheveran’Andriamanitra ny fanitsakitsaham-bady? b) Inona no tafiditra ao amin’ny fampiasan’ny Baiboly ny teny hoe “fijangajangana”?
5 Tsy niova ny fari-pitsipik’Andriamanitra. Fomba fihevitr’Andriamanitra ny hoe izay miray trano nefa tsy mpivady ara-dalàna dia mijangajanga. Ny fivadihana ao anatin’ny fanambadiana dia mbola fanitsakitsaham-bady ihany.a Nilaza mazava ny apostoly Paoly hoe: “Moa tsy fantatrareo va fa ny olona tsy marina tsy mba handova ny fanjakan’Andriamanitra? Aza mety hofitahina hianareo: fa ny mpijangajanga sy ny mpanompo sampy sy ny mpaka vadin’olona [“mpanitsakitsa-bady”, NW ] sy ny sodomita (...) dia tsy mba handova ny fanjakan’Andriamanitra. Ary efa mba toy izany ihany ny sasany aminareo, saingy efa voasasa hianareo, efa nohamasinina hianareo, efa nohamarinina hianareo, tamin’ny anaran’i Jesosy Kristy Tompo sy tamin’ny Fanahin’Andriamanitsika.” — 1 Korintiana 6:9-11.
6. Fampaherezana inona no mety ho hitantsika ao amin’ny tenin’i Paoly ao amin’ny 1 Korintiana 6:9-11?
6 Hevitra mampahery iray ao amin’io andinin-teny io ilay tenin’i Paoly hoe: “Efa mba toy izany ihany ny sasany aminareo, saingy efa voasasa hianareo”. Eny, maro amin’ireo izay nihazakazaka tamin’ny “fanaranam-po amin’ny ratsy” teo amin’izao tontolo izao no nanjary nahatsiaro saina ka nanaiky an’i Kristy sy ny sorona nataony, ary dia voasasa ho madio izy ireo. Nifidy ny hampifaly an’Andriamanitra amin’ny fananana fiainana misy hatsaran-toetra izy ireo ary sambatra kokoa, ho vokatr’izany. — 1 Petera 4:3, 4.
7. Tsy fitovian-kevitra inona no misy eo amin’ny fahatakarana ny atao hoe “fahalotoam-pitondran-tena”, ary ahoana no fomba fihevitry ny Baiboly?
7 Etsy an-danin’izany, ny fomba famaritan’izao tontolo izao maoderina ny atao hoe fahalotoam-pitondran-tena dia nohalefahina aoka izany hany ka tsy mitovy amin’ny fomba fijerin’Andriamanitra. Ny rakibolana iray dia mamaritra ny atao hoe “maloto ara-pitondran-tena” ho “mifanohitra amin’ny fari-pitsipika ara-pitondran-tena ekena”. Ny “fari-pitsipika ara-pitondran-tena ekena” amin’izao andro izao, izay manala tsiny ny firaisana aloha sy ivelan’ny fanambadiana ary koa ny sodomia, no ilay melohin’ny Baiboly ho fahalotoam-pitondran-tena. Eny, araka ny fomba fijerin’ny Baiboly, ny fahalotoam-pitondran-tena dia fandikana mibaribary ny lalàna ara-pitondran-tena nomen’Andriamanitra. — Eksodosy 20:14, 17; 1 Korintiana 6:18.
Voakasika ny kongregasiona kristiana
8. Ahoana no ahafahan’ny fahalotoam-pitondran-tena hisy heriny eo amin’ireo izay ao anatin’ny kongregasiona kristiana?
8 Manjaka aoka izany ny fahalotoam-pitondran-tena amin’izao andro izao, hany ka mety hitondra fanerena eo amin’ireo ao anatin’ny kongregasiona kristiana mihitsy aza. Afaka manan-kery eo amin’izy ireo izy io amin’ny alalan’ireo fandaharana miely patrana sy mampietry ao amin’ny televiziona, ny vidéo, ary ireo zavatra azo vakina vetaveta. Na dia ampahany kely monja amin’ny Kristiana aza no voakasika, dia tsy maintsy ekena fa, ny ankamaroan’ny fandroahana noho ny tsy fibebahana tamin’ny fitondran-tena tsy mendrika ny Kristiana eo amin’ny laharan’ny Vavolombelon’i Jehovah, dia mifandray amin’ny endri-pahalotoam-pitondran-tena eo amin’ny lahy sy ny vavy. Etsy an-danin’izany, dia misy lafiny tsara ihany, satria miaiky ny fahadisoany amin’ny farany ny ampahany maro be amin’ireny voaroaka ireny, manomboka fomba fiaina madio indray, ary atỳ aoriana dia tafaverina indray ao amin’ny kongregasiona. — Ampitahao amin’ny Lioka 15:11-32.
9. Ahoana no ampiasan’i Satana amin’izay tiany, ireo tsy mitandrina?
9 Tsy misy isalasalana fa i Satana dia mandehandeha tahaka ny liona mierona, vonona ny handrapaka izay tsy mitandrina. Ny teti-dratsiny, na “asa feno hafetsena”, dia mamandrika Kristiana tsy mitandrina maro isan-taona. Toe-tsaina tia tena sy tia fahafinaretana ary maimay eo amin’ny lahy sy ny vavy no manjaka foana eo amin’ny tontolony. Mampanaram-po ny filan’ny nofo izy io, ary manary ny fifehezan-tena. — Efesiana 2:1, 2; 6:11, 12, NW, fanamarihana ambany pejy; 1 Petera 5:8.
10. Iza avy no mety ho voan’ny fakam-panahy, ary nahoana?
10 Iza ao amin’ny kongregasiona no mety ho voan’ny fakam-panahy haloto fitondran-tena? Ny ankamaroan’ny Kristiana, na loholona ao amin’ny kongregasiona eo an-toerana izy ireo, na mpiandraikitra mpitety faritany, na Betelita, na mpisava lalana mitory mandritra ny ora maro isam-bolana, na ray aman-dreny miasa mafy mamelona ankohonana, na tanora miatrika ny fanerena ataon’ireo mitovy taona aminy. Iombonan’ny olona rehetra ny fakam-panahy momba ny filan’ny nofo. Ny fanintonana eo amin’ny lahy sy ny vavy dia mety ho taitra amin’ny fotoana tsy anampoizana azy indrindra. Araka izany, dia afaka nanoratra toy izao i Paoly: “Koa izay manao azy fa efa mijoro tsara, dia aoka izy hitandrina, fandrao ho lavo. Tsy misy fakam-panahy nahazo anareo afa-tsy izay zakan’ny [“iombonan’ny”, NW ] olombelona”. Mampalahelo fa nisy Kristiana sasany nanana toeram-piandraiketana, resin’io fitaoman-dratsin’ny fahalotoam-pitondran-tena io. — 1 Korintiana 10:12, 13.
Voatarika ary voafitaka
11-13. Inona avy ireo tarehin-javatra sasany izay nitarika ho amin’ny fahalotoam-pitondran-tena?
11 Inona avy ireo fakam-panahy na tarehin-javatra izay nitarika ny sasany ho amin’ny lalana feno hadalan’ny fanitsakitsaham-bady sy ny fijangajangana? Maro sady sarotra ireo fakam-panahy ireo, ary mety hiovaova arakaraka ny tany na ny kolontsaina. Misy anefa tarehin-javatra fototra sasany izay mipoitra any amin’ny tany maro. Misy milaza, ohatra, fa ny sasany dia nandamina fikoranana izay nisian’ny zava-pisotro misy alkaola azo nanaranam-po. Ny hafa dia voasinton’ny mozika manaitra fanirian-dratsy, sy ny fandihizana mihantsy eo amin’izao tontolo izao. Any amin’ny faritra sasany atsy Afrika, dia misy lehilahy manankarena — tsy mpino — izay manana vadikely maro; nisy vehivavy sasany nalaim-panahy hitady tsy fananana ahiahy ara-bola tao amin’ny toe-javatra toy izany na dia mahatafiditra fahalotoam-pitondran-tena aza izany. Any amin’ny faritra hafa, dia nandao ny fianakaviany ny lehilahy kristiana manambady, mba hitady fivelomana any amin’ireo toeram-pitrandrahana na any an-toeran-kafa. Avy eo, ny fahatokiany sy ny tsy fivadihany dia nosedraina tamin’ny fomba izay tsy ho nandalovany raha tany an-tranony izy.
12 Any amin’ireo tany mandroso, dia latsaka tao anatin’ny vovon’i Satana ny sasany rehefa niaraka irery matetika tamin’ny olona tsy lahy na tsy vavy toa azy, tsy nisy olona fahatelo — toy ny fiarahana tsy tapaka mitokana ao anatin’ny fiara noho ny fianarana mitondra fiarakodia.b Ireo loholona manao fitsidihan’ny mpiandry koa dia mila mitandrina mba tsy ho irery miaraka amin’ny anabavy iray rehefa manome torohevitra azy. Mety hanjary ho feno fihetseham-po ny resadresaka ka hiteraka tarehin-javatra mahasanganehana ho an’ny andaniny roa. — Ampitahao amin’ny Marka 6:7; Asan’ny Apostoly 15:40.
13 Ireo toe-javatra voalaza tetsy aloha dia nitarika Kristiana sasany tsy ho mailo ary nanao fahalotoam-pitondran-tena. Toy izay nitranga tamin’ny taonjato voalohany, izy ireo dia namela ny tenany ‘halaim-panahy sy ho voatariky ny filany’ izay nitarika azy ireo hanota. — Jakoba 1:14, 15; 1 Korintiana 5:1; Galatiana 5:19-21.
14. Nahoana ny fitiavan-tena no anton-javatra fototra raha misy fanitsakitsaham-bady?
14 Ny fandinihana amim-pitandremana ny fandroahana dia mampiseho fa ny fahalotoam-pitondran-tena dia manana anton-javatra fototra iombonana. Amin’ny toe-javatra toy izany dia misy endriky ny fitiavan-tena sasany. Nahoana isika no miteny izany? Satria amin’ny fanitsakitsaham-bady, dia misy olona tsy manan-tsiny sasany ho voaratra. Mety ho ilay vady ara-dalàna izany. Raha misy zanaka, dia azo antoka fa ho izy ireo izany, satria, raha miafara amin’ny fisaraham-panambadiana ny fanitsakitsaham-bady, dia ireo zanaka, izay maniry tsy fananana ahiahy ao amin’ny fianakaviana tafaray, no mijaly indrindra. Ilay mpanitsakitsa-bady dia mieritreritra voalohany indrindra ny fahafinaretana sy ny tombontsoan’ny tenany manokana. Fitiavan-tena izany. — Filipiana 2:1-4.
15. Inona avy ireo anton-javatra sasany mety ho nitarika ho amin’ny fanitsakitsaham-bady?
15 Mazàna ny fanitsakitsaham-bady dia tsy fanaovan-javatra tampoka noho ny fahalemena. Nisy fahasimbana tsikelikely sy tsy tsikarika akory tao amin’ny fanambadiana mihitsy. Angamba nanjary fahazarana fotsiny na tsizarizary ny fifampiresahana. Mety ho kely dia kely ny fifampaherezana. Mety ho tsy nifaneho fankasitrahana ny andaniny avy. Mety ho tsy nifanome fahafaham-po teo amin’ny firaisana ireo mpivady nandritra ny fotoana sasany. Azo antoka fa rehefa mitranga ny fanitsakitsaham-bady, dia tao koa ny fihenan’ny fifandraisana tamin’Andriamanitra. Tsy heverina mazava ho Andriamanitra velona izay mahita ny eritreritra sy ny ataontsika intsony i Jehovah. Mety hanjary teny fotsiny, fisiana tsy manana ny maha-izy azy izay tsy anisan’ny fiainana andavanandro mihitsy aza “Andriamanitra” ao an-tsain’ilay mpanitsakitsa-bady. Amin’izay, dia manjary mora foana ny manota amin’Andriamanitra. — Salamo 51:3, 4; 1 Korintiana 7:3-5; Hebreo 4:13; 11:27.
Fanalahidin’ny fanoherana
16. Ahoana no hahafahan’ny Kristiana iray hanohitra ny fakam-panahy hivadika?
16 Raha misy Kristiana alaim-panahy handeha amin’ny lalan’ny fivadihana, anton-javatra inona avy no tokony hoheverina? Voalohany indrindra, dia tokony hasiana fiheverana ny dikan’ny fitiavana kristiana, miorina mafy amin’ny fotopoto-pitsipiky ny Baiboly. Tsy tokony havela mihitsy ny fitiavana ara-batana na ny fitiavana entin’ny fahamaimaizana eo amin’ny lahy sy ny vavy hifehy ny fihetseham-pon’ny tena ka hanosika hianjera ao anatin’ny fitiavan-tena, ary hitondra fahoriana ho an’ny hafa. Tokony hojerena araka ny fomba fihevitr’Andriamanitra kosa ilay tarehin-javatra. Tokony hojerena ao anatin’ny faritra lehibe kokoa misy ny kongregasiona izy io, dia ny fahafaham-baraka entin’ny fitondran-tena ratsy iray eo amin’ny kongregasiona sy eo amin’ny anaran’i Jehovah. (Salamo 101:3). Azo halavirina ny loza amin’ny fananana ny sain’i Kristy ny amin’ilay raharaha, ary avy eo dia manao zavatra mifanaraka amin’izany. Tsarovy fa tsy ho levona mandrakizay ny fitiavana tsy misy fitiavan-tena toy ny an’i Kristy. — Ohabolana 6:32, 33; Matio 22:37-40; 1 Korintiana 13:5, 8.
17. Ohatra mampahery ny amin’ny tsy fivadihana inona avy no ananantsika?
17 Ny fomba iray hanoherana dia ny fanatanjahana ny finoan’ny tena sy ny fahitan’ny tena ilay fanantenana ho avy. Izany dia midika ho fitanana ho faran’izay ambony ao am-po ireo ohatra miavaka momba ny tsy fivadihana navelan’ireo lehilahy sy vehivavy fahiny, ary ny tenan’i Jesosy mihitsy aza. Nanoratra toy izao i Paoly: “Koa amin’izany, satria misy vavolombelona maro be toy izany manodidina antsika toy ny rahona, dia aoka isika koa hanaisotra izay rehetra mitambesatra amintsika mbamin’ny ota izay malaky mahazo antsika, ary aoka isika hihazakazaka amin’ny faharetana amin’izao fihazakazahana filokana napetraka eo anoloantsika izao, mijery an’i Jesosy, Tompon’ny finoantsika sy Mpanefa azy, Izay naharitra ny hazo fijaliana, fa tsy nitandro henatra, mba hahazoany ny fifaliana napetraka teo anoloany, ka dia efa mipetraka eo amin’ny ankavanan’ny seza fiandrianan’Andriamanitra Izy. Fa hevero tsara ilay naharitra ny fanoherana nataon’ny mpanota taminy, fandrao ho ketraka hianareo, ka ho reraka ny fanahinareo.” (Hebreo 12:1-3). Tsy hanao izay hahafefika ny sambon’ny fanambadiany ny olon-kendry iray fa hieritreritra kosa ny amin’ny fomba hanamboarana izay simba mba hamonjena ilay fanambadiana, ka amin’izany dia hanalavitra ny fandriky ny famitahana sy ny fananana fiainana roa sosona. — Joba 24:15.
18. a) Nahoana ny hoe famitahana no tsy teny mahery loatra mba hilazalazana ny fanitsakitsaham-bady? b) Ahoana no fiheveran’Andriamanitra ny fanefana ny voady?
18 Moa ve ny famitahana izay fivadihana, teny mahery loatra ho an’ny fahalotoam-pitondran-tena? Ny hoe mivadika dia mamadika ny fatokiana na fitokiana. Azo antoka fa ny voadim-panambadiana dia mahatafiditra fatokiana sy fampanantenana ny ho tia sy hankamamy, na inon-kidona na inon-kihatra, na amin’ny soa na amin’ny ratsy. Izy io dia mahatafiditra zavatra izay heverin’ny maro fa lany andro amin’izao andro iainantsika izao — ny fanajana ny teny nomena tamin’ilay voadim-panambadiana. Ny famadihana izany fatokiana izany dia karazana fivadihana amin’ny vadin’ny tena. Voalaza mazava tsara ao amin’ny Baiboly toy izao ny fiheveran’Andriamanitra ny voady: “Raha mivoady amin’Andriamanitra hianao, dia aza manao ampitso lava: fa tsy ankasitrahany ny adala; koa efao ny voadinao.” — Mpitoriteny 5:3.
19. Mifanohitra amin’inona i Satana no mifaly rehefa misy Vavolombelona lavo?
19 Tsy misy isalasalana ny amin’izany. Toy ny isian’ny fifaliana lehibe any an-danitra noho ny famonjena mpanota iray, dia misy fifaliana lehibe koa etỳ an-tany eo amin’ireo vahoaka mihahohahon’i Satana, hita maso sy tsy hita maso, rehefa misy Vavolombelon’i Jehovah iray tsy mahatazona ny tsy fivadihany. — Lioka 15:7; Apokalypsy 12:12.
Fakam-panahy iombonan’ny rehetra
20. Ahoana no ahafahantsika manohitra ny fakam-panahy? (2 Petera 2:9, 10).
20 Moa ve ny fahalotoam-pitondran-tena tsy azo ialana amin’ny toe-javatra sasany? Moa ve mahery aoka izany ny nofo sy i Satana ka tsy afaka manohitra sy mitana ny tsy fivadihany ny Kristiana? Nanome fampaherezana tamin’ireto teny ireto i Paoly: “Mahatoky Andriamanitra ka tsy hamela anareo halaim-panahy mihoatra noho izay zakanareo; fa momba ny fakam-panahy dia hasiany làlana hahafahanareo koa mba hahazakanareo izany”. Eo amin’izao tontolo izao ankehitriny, dia mety ho tsy azontsika andosirana avokoa ny fakam-panahy rehetra, kanefa amin’ny fitodihana any amin’Andriamanitra amin’ny vavaka dia azo antoka fa ho afaka hahatohitra na handresy izay mety ho fakam-panahy isika. — 1 Korintiana 10:13.
21. Fanontaniana inona avy no hovaliana ao amin’ny fianarantsika manaraka?
21 Inona no omen’Andriamanitra antsika mba hanampiana antsika hahatohitra fakam-panahy sy hivoaka ho mpandresy amin’izany? Inona no ilaintsika isam-batan’olona mba hiarovana ny fanambadiantsika, ny fianakaviantsika, ary koa ny lazan’ny anaran’i Jehovah sy ny an’ny kongregasiona? Hivaofy ireo fanontaniana ireo ny lahatsoratra manaraka.
[Fanamarihana ambany pejy]
a “Ny teny hoe ‘fijangajangana’, rehefa raisina amin’ny heviny malalaka, toy izany koa ny ao amin’ny Matio 5:32 sy 19:9, dia manondro miharihary fanao mahakasika ny lahy sy ny vavy maro samihafa ivelan’ny fanambadiana ary tsy ara-dalàna. Ny teny hoe porneia [ilay teny grika ampiasaina ao amin’ireo andinin-teny ireo] dia mahatafiditra fampiasana amin’ny fomba ratsy indrindra, na araka ny natiora na tsia, ireo faritra maha-lahy sy maha-vavy fara faharatsiny; ankoatra izany, milaza fisian’ny namana izy io — lehilahy, vehivavy, na biby iray.” (Ny Tilikambo Fiambenana 15 Septambra 1983, pejy faha-30). Fanitsakitsaham-bady: “Firaisana an-tsitrapo eo amin’olona iray manambady sy ny hafa iray tsy vadiny ara-dalàna.” — The American Heritage Dictionary of the English Language.
b Mazava ho azy fa ho fisehoan-javatra azo atao tsara ny hitondran’ny rahalahy iray ny anabavy iray amin’ny fiarany, ary ny tarehin-javatra toy izany dia tsy tokony hadika vilana.
Tadidinao Ve?
◻ Inona avy no anton-javatra sasany izay manampy mba hanatanjaka ny fanambadiana?
◻ Nahoana isika no tokony hanalavitra ny fiheveran’izao tontolo izao momba ny fari-pitsipika ara-pitondran-tena?
◻ Inona avy no fakam-panahy sy tarehin-javatra sasany izay mety hitarika ho amin’ny fahalotoam-pitondran-tena?
◻ Inona ilay fanalahidy lehibe indrindra mba hanoherana ny ota?
◻ Ahoana no anampian’Andriamanitra antsika amin’ny fotoan’ny fakam-panahy?
[Efajoro, pejy 14]
ANTON-JAVATRA IOMBONAN’NY FANAMBADIANA MAHARITRA
◻ Fifikirana amin’ny fomba hentitra amin’ireo fotopoto-pitsipiky ny Baiboly
◻ Samy manana fifandraisana matanjaka amin’i Jehovah ny andaniny avy amin’ny mpivady
◻ Ny lehilahy manaja ny vadiny sy ny fihetseham-pony ary ny heviny
◻ Fifampiresahana tsara ny amin’ireo zavatra andavanandro
◻ Tadiavo izay hampifaliana ny andaniny avy
◻ Fahaizana mandray zavatra amin’ny vazivazy; afaka mihomehy tena
◻ Aza mihambahamba miaiky fahadisoana; aza mihambahamba mamela heloka
◻ Tano ho velona hatrany ny fifankatiavana
◻ Miraisa hina eo amin’ny fitaizana sy ny fifehezana ny ankizy
◻ Miray tsy tapaka amin’ny vavaka amin’i Jehovah
ANTON-JAVATRA TSY MANORINA IZAY MIKIKY NY FANAMBADIANA
◻ Fitiavan-tena sy di-doha
◻ Tsy fanaovan-javatra miaraka
◻ Fifampiresahana tsizarizary
◻ Tsy fahampian’ny fifampidinihana mety eo amin’ny mpivady
◻ Tsy fahaizana mitantam-bola
◻ Fomba fitsaran-javatra tsy mitovy eo amin’ny fifampiraharahana amin’ny zanaka sy/na ny zana-bady
◻ Lehilahy miasa hariva be na manao tsirambina ny fianakaviana noho ny adidy hafa
◻ Tsy fikarakarana izay ilain’ny fianakaviana ara-panahy
[Sary, pejy 15]
Mitondra fahasambarana maharitra ny fitanana ny fanambadiana ho mendri-kaja