Sary avy any Amin’ny Tany Nampanantenaina
Mifalia! Mihoatra ny Vata Fanantazana ny Diloilo
NAMPIRISIKA ny ‘zanak’i Ziona mba hiravoravo sy hifaly amin’i Jehovah’ i Joela mpaminany. Nampiasa ny diloilon’oliva mba hilazalazana ny hafaliana sy ny fanambinana azon’izy ireo izy: “Ho feno vary ny famoloana, ary hihoatra ny vata fanantazana ny divay sy ny diloilo”. — Joela 2:23, 24.
Raha niaina tany Isiraely ianao tamin’ny andron’ny Baiboly, dia ho ravoravo nanana hazo oliva iray, sahala amin’ilay aseho etsy ambony, teo akaikin’ny tranonao, na tao amin’ny sahanao.a Ho nahatonga ny fiainanao ho mora kokoa sy hahafinaritra kokoa izy io. Nahoana ny hazo oliva no zava-dehibe aoka izany? — Ampitahao amin’ny Mpitsara 9:8, 9.
Jereo akaiky aloha ilay hazonao. Ny hazo oliva dia mety ho velona mandritra ny taonjato maro, ny sasany maherin’ny arivo taona. Koa ny fandinihana azy dia azo inoana fa hampiseho vatan-kazo mivolon-davenona, feno tonony. Mety hahatratra enina metatra ilay hazonao, azo antoka fa tsy hijoalajoala toy ny sedera na ho tsara bika toy ny palmie. Ny raviny maitso lava mandefa tara-bolafotsy dia manome alokaloka mandavantaona. Kanefa dia tsy hanombana ny hasarobidin’ny hazonao voalohany indrindra amin’ny fisehoany ivelany sy ny alokaloka omeny ianao. Azo antoka fa tsy izany velively.
Ny voany no tena zavatra, dia ireo oliva maitso na mainty an’arivony maro! Io no nahatonga ny hazo oliva ho zavatra tena nilaina teo amin’ny fiainan’ny olona isan’andro sy teo amin’ireo fanaovan-javatra tany Isiraely. Rakotry ny voniny miloko tanora ilay hazo amin’ny volana May, ho fiomanana ho amin’ireo voan’oliva. (Joba 15:33). Arakaraka ny maha-matoy azy ireo, dia mety hiova ho mavo manja na mainty ilay maitso mavana teo.
Asa mafy ny fiotazana ny oliva amin’ny volana Oktobra /Novambra. Ho nikapoka ilay hazo tamin’ny hazo lava ianao mba hihintsanan’ireo voany masaka eo ambonin’ny lamba iray novelarina teo ambany. (Deoteronomia 24:20). Nosasana ireo oliva talohan’ny hikarakarana azy, toy ny fandomana azy tao anaty ranon-tsira mba hanesorana ilay tsirony mangidy voajanahary. Dia ahoana rehefa avy eo?
Izany dia hiankina amin’izay fomba ilanao hankafizana na handraisan-tsoa avy amin’ny famoriam-bokatrao manana amby ampy. Ho afaka nihinana ny oliva manta ianao, na ho afaka nandona azy tao anaty ranon-tsira na vinaingitra mba hananan’ny fianakavianao tahiry matsiro mandritra ny volana maro. Nety ho tapany lehibe tamin’ny sakafo fihinana isan’andro ny oliva, sakafo izay angamba natao tamin’ny oliva tsara tsiro sasany niaraka tamin’ny mofo vita tamin’ny varimbazaha.
Azo inoana anefa fa handefa ny ankamaroan’ny oliva ianao ho amin’ny fikarakarana ilaina mba hahazoana ilay vokatra faran’izay mahasoa sy faran’izay sarobidy: ny diloilon’oliva. Ho afaka nahazo hatsaran-diloilo isan-karazany ianao, ka ho afaka nampiasa izany tamin’ny fomba maro. Voalohany, dia ho azonao nototoina moramora na noporetina tao anatin’ny laona na nohosihosena tamin’ny tongotra mihitsy aza, ireo oliva masaka. (Mika 6:15). Izany dia ho nanome ilay diloilo ambony karazany indrindra, antsoina amin’izao fotoana izao hoe vierge extra, izay nety tamin’ireo jiro nanazava ny tabernakely. (Eksodosy 25:37; 27:20, 21). Alao sary an-tsaina ny ho fankamamianao ny tahiry tamin’io diloilo voafantina io mba hampiasaina amin’ny fahandroan-tsakafo amin’ireo fisehoan-javatra manokana!
Ny oliva, na dia ireo tsy dia tsara loatra aza, dia azo natao tao anaty famiazana mba hisintonana diloilo bebe kokoa avy amin’ny nofony, na dia ho ambanimbany kokoa aza ny hatsarany. Diloilo ny 50 isan-jato eo ho eo amin’ny nofony. Azo natao ny nampiasa famiazana nanana endriny isan-karazany, fa ny iray no natao sary eto. Napetraka tao anatin’ny fototra iray miendrika varingarina ny oliva iray manontolo na efa nisy ampahany torotoro. Nakodiadia teo amboniny ny vato lehibe fikosoham-bary iray nahodin’ny boriky na olona, ka nanery hivoaka ny diloilo izay nikoriana ka nangonina tao anaty sinibe. — Matio 18:6.
Ny diloilon’oliva dia azo nampitovina tamin’ny volamena nitsiranoka — nomena vidiny ambony dia ambony izy io ary nampiasaina tamin’ny fomba maro aoka izany. Ny hazo oliva iray dia afaka namokatra tahirin-diloilo nandritra ny taona ho an’ny fianakaviana nisy olona dimy na enina. Ho tapany lehibe indrindra tamin’ny sakafo fihinany isan’andro izany, noho izy mora levonina sy manome angôvo be dia be. (Ampitahao amin’ny Jeremia 41:8; Ezekiela 16:13.) Azonao nasiana zava-manitra ny diloilo sasany ka nampiasaina ho fanosotra na nararaka teo amin’ny lohan’ny vahiny iray ho mariky ny fahaiza-mampiantrano vahiny. (2 Samoela 12:20; Salamo 45:7; Lioka 7:46). Azonao nampiasaina toy ny fanafody nampitony teo amin’ny fery izy io. — Isaia 1:6; Marka 6:13; Lioka 10:34.
Tsy vita amin’izay akory ny fampiasanao ny tahiry manana amby ampy amin’ny diloilon’oliva. Ho azonao nampiasaina mba hanazavana ny tranonao koa izy io, ho anisan’ny fanatitra ho an’Andriamanitra, na ho toy entam-barotra ahazoana tombony. Eny, tamin’ny andron’ny Baiboly dia hazo iray faran’izay sarobidy ny oliva, koa afaka nampiasa azy io tsara i Joela mba hampisehoana ny fanambinana sy ny fifaliana. — Deoteronomia 6:11; Salamo 52:8; Jeremia 11:16; Matio 25:3-8.
[Fanamarihana ambany pejy]
a Mba hahitana io sary io lehibe kokoa, dia jereo ny Calendrier des Témoins de Jéhovah 1993.
[Sary nahazoan-dalana, pejy 24]
Pictorial Archive (Near Eastern History) Est.