Ny Voninahitry ny Volo Fotsy
HAMPIENTAM-PO toy inona moa ny hiresaka amin’ireo lehilahy sy vehivavy nahatoky fahiny! Eritrereto fotsiny ny firesahana amin’ireo lehilahy toa an-dry Noa, Abrahama, Mosesy, ary Jaona Mpanao Batisa, ary koa amin’ireo vehivavy toa an-dry Saraha, Rahaba, Rota ary Debora! Moa ve ianao tsy ho talanjona hihaino azy ireo hitanisa ireo fitantarana natrehin’ny masony momba ireo fisehoan-javatra niavaka tamin’ny fotoana lasa efa ela be?
Na dia amin’izao andro izao aza, moa ve ianao tsy faly mihaino an’ireo zokiolona mitantara fanandraman-javatra mikasika ny fomba nitanan’izy ireo sy ny hafa ny tsy fivadihany tamin’Andriamanitra teo ambany fitsapana, anisan’izany ny fandrarana, ny fikapohana, ary ny fampidirana an-tranomaizina noho ny fahamarinana? Tena azo antoka fa izany tokoa! Ny fitiavantsika an’Andriamanitra sy ny fanehoantsika fanajana azy ireo dia hitombo arakaraka ny iresahany amintsika momba ny fihetseham-pony ary indrindra ny fankasitrahany amim-pahatsorana ny fiahian’i Jehovah amim-pitiavana.
Eo anivon’ny vahoakan’Andriamanitra, dia hajaina mandrakariva ireo lehilahy sy vehivavy be taona mahatoky noho ny fanandraman-javatra sy ny fahalalana ary ny fahendrena ananan’izy ireo. Raha ny marina, izao didy manaraka izao dia anisan’ny Lalàna nomen’Andriamanitra ny Isiraelita: “Mitsangàna raha eo anatrehan’ny fotsy volo hianao, ka manajà ny tavan’ny anti-panahy, ary matahora an’Andriamanitrao: Izaho no Jehovah.” (Levitikosy 19:32). Ny teny hebreo nadika hoe fahalehibiazana na fahanterana dia avy amin’ny fototeny iray midika hoe “mihafotsy” ary nadika koa hoe “volo fotsy”. Koa nantenaina tamin’ny Isiraelita àry ny hitsanganany, ho mari-panajana ho an’ny olona iray be taona, ka nanao izany izy ireo noho ny tahotra miharo fanajana an’Andriamanitra.
Hita ve izany fihetsika mampiseho fanajana izany amin’izao andro izao? Ohatra, moa ve ireo tanora mamoha varavarana ho an’ireo be taona amin-katsaram-panahy? Moa ve ireo zatovo sy olon-dehibe mbola tanora ao anaty ascenseur iray feno olona, mazàna mba manome ny toerany ho an’ny olona be taona iray? Na, moa ve amin’ny ankapobeny mba mamela ny toerany ho an’ny zokiolona ireo tanora eny ambony aotobisy na fiarandalamby feno olona? Tsikaritra ny tsy fanaovana zavatra toy izany na dia eo amin’ireo Kristiana aza.
Mba hampifaliana an’i Jehovah Andriamanitra anefa, dia tsy maintsy manao zavatra mifanaraka amin’ny fomba fiheverany ny Kristiana, ary mifady ny fisainana sy ny fiteny ary ny asan’ireo izay ‘tia tena, tsy manoa ray sy reny, tsy misaotra, ary tsy tia ny tsara’. (2 Timoty 3:1-5). Inona àry no lazain’ny Tenin’Andriamanitra momba ny fifandraisan’ny fahatanorana amin’ny volo fotsy?
Ny herin-jatovo
Miaiky ny amin’ny tanjaky ny tanora sy ny soa azo avy aminy ny Baiboly amin’ny filazana hoe: “[Hatsaran-tarehin’ny, NW ] zatovo ny fahatanjahany”. (Ohabolana 20:29). Teo amin’ny Isiraely fahiny, ny herin’ireo Levita tanora dia nampiasaina tao amin’ny tempoly, matetika tamin’ny ankamaroan’ireo raharaha mafy kokoa. Amin’izao andro izao, dia ny ankamaroan’ireo asa any amin’ireo fanontam-pirinty, any amin’ireo trano Betela, ary any amin’ireo fandaharam-panorenana ataon’ny Fikambanana Watch Tower no ataon’ny tovolahy sy ny tovovavy izay nanolotra ny fahatanjahany sy ny fahaizany mba hampandrosoana ny tombontsoan’ilay Fanjakana. (Matio 6:33). Manana tombontsoa tsara dia tsara eo amin’ny fanompoana an’Andriamanitra izy ireo amin’izany.
Mifarana amin’izao teny izao ilay ohabolana vao notononina teo: “Ary [voninahitry, NW ] ny anti-panahy ny volo fotsy”. Rehefa atambatra amin’ny fanandraman-javatra sy ny fahendrena azo noho ny taona maro niainana ny tanjaky ny tanora, dia fitambaran-javatra tena matanjaka iray no azo.
Indro misy fanazavana: Misy mpianatra ho mpandrafitra iray mbola tanora nasaina nametaka takela-kazo, manao izay hanatanterahany ilay asa nanendrena azy amin’ny tanjaky ny tanora. Misy mpandrafitra iray efa zokinjokiny sady ampy fanandraman-javatra kokoa mahatsikaritra fa na dia eo aza ny tanjany, dia mively fantsika iray imbetsaka ilay mpanampy tanora vao mahatafalentika an’izany. Manoro hevitra ilay mpiasa efa zokiny kokoa mba hitazonan’ilay tovolahy ny marotoa eo amin’ny tendron’ny zarany fa tsy manakaiky ny lohany vy. Izany dia manampy ilay zatovolahy hively ireo fantsika mafimafy kokoa, sady hitsitsy fotoana sy hery.
Mitovy amin’izany koa fa ny vehivavy iray tanora sady mavitrika dia mety hianatra avy amin’ny fanandramana sy ny fahadisoana fa ho simba ny lamba sasany raha tsy sasana mifanaraka amin’ireo toromarika omena momba azy. Ny vehivavy iray ampy fanandraman-javatra anefa, dia mahafantatra ny hasarobidin’ny fakana fotoana mba hanavahana ireo akanjo sy ny fanasana mitokana ny fitafiana sasany. Nianarany koa fa afaka miala amin’ny fipasohana ny lamba sasany izy amin’ny famalonana azy ireo rehefa maka azy avy eo amin’ny tady fanahazana na avy ao amin’ny milina fanamainan-damba.
Ny fianarana avy amin’ny olona ampy fanandraman-javatra dia afaka manamora ny fiainana. Na dia izany aza, dia misy ihany fotoana izay tsy ahafahan’ny olona, na dia ampy fanandraman-javatra kokoa aza izy, misahana asa sasany notanterahiny mora foana taona vitsivitsy lasa izay. Nanao fanamarihana mifanaraka amin’izany toy izao ny mpanoratra iray: “Raha mba nanam-pahalalana mantsy ny tanora, ka mba nanana tanjaka ny antitra.” Nefa tsara toy inona moa rehefa mankasitraka ny tanjaky ny tanora kokoa ny efa zokinjokiny ka mizara amin’izy ireny amim-paharetana ny fanandraman-javatra azony nandritra ny taona maro — ary ireo tanora indray, manaiky fanoloran-kevitra amim-panetren-tena! Amin’izany fomba izany dia samy mandray soa ireo sokajin-taona ireo.
Fahazoana voninahitra
Tsy ampy raha ny taona fotsiny. “Tsy dia ny fahalehibiazana no mahahendry, ary tsy dia ny fahanterana no ahalalana ny rariny”, hoy i Eliho tovolahy. (Joba 32:9; Mpitoriteny 4:13). Mba hananana hasina marina noho ny volo fotsy, dia tsy maintsy ho nanao zavatra betsaka kokoa teo amin’ny fiainany ny olona be taona iray fa tsy hoe nandanilany tamin’ny hakamoana ny androny nijerena televiziona, nanatrehana fisehoan-javatra ara-panatanjahan-tena, na raha tsy izany dia niriariavana fotsiny. Ary na dia ao amin’ny fahanterana aza, dia mila manohy mianatra ny olona be taona.
Ny olona sasany dia matin-kambo amin’ny fanaovan-javatra araka izay tiany fotsiny, na milaza toy izao izy ireny: “Ny fanandramana no mpampianatra tsara indrindra.” Kanefa manoro hevitra toy izao ny Tenin’Andriamanitra: “Aoka ny hendry hihaino ka hitombo saina; ary aoka ny manam-panahy hahazo fitarihana tsara”. (Ohabolana 1:5; ampitahao amin’ny 1 Korintiana 10:11.) Tsy ny mpampianatra tsara indrindra foana akory ny fanandraman-javatra hitan’ny tenantsika. Ny antony dia satria afaka mianatra avy amin’ny fahadisoan’ny hafa isika, nefa tsy voatery hanao izany fahadisoana izany. Ambonin’izany, ny Kristiana iray dia haniry ny hitadidy ao an-tsaina fa “satroboninahitra tsara tarehy ny volo fotsy, ao amin’ny làlan’ny fahamarinana no ahazoana azy”. (Ohabolana 16:31). Tsara eo imason’i Jehovah ny fiainana nolanina tamin’ny fanompoana azy tamim-pahatokiana ary mendrika ny fanajan’ny hafa izany amin’ny maha-ohatra tsara azy. Mazava ho azy fa ny fianarana momba an’Andriamanitra sy ny fahazoana fanandraman-javatra “ao amin’ny làlan’ny fahamarinana” dia azo atomboka aloha be eo amin’ny fiainana ary tokony ho fandrosoana tsy manam-petra izany. — Romana 11:33, 34.
Izany dia azo hazavaina an’ohatra amin’ny alalan’ny fitantarana iray mikasika ankizilahy iray fito taona any Soeda. Nanontany ny mpiandraikitra ny Sekolin’ny Fanompoana Teokratika ao amin’ny kongregasiona izy raha azony natao ny nisoratra anarana tamin’ny sekoly. Nanontany azy ilay mpiandraikitra hoe: “Inona ny antony?” Tamin’izay ilay zazalahikely dia namaly hoe: “Tsy azo atao mantsy ny mandanilany foana ny fiainan’ny tena manontolo!” (Mpitoriteny 12:1). Ohatra manorina re izany ho an’ny tanora sy ny antitra koa!
Fanomezam-boninahitra ny volo fotsy
Fironana iray manelingelina eo amin’ny fiaraha-monina maoderina, ny fanisiana vidiny lehibe ny tanjaka ara-batana sy ny fahaizana omban-kery ary ny fiandranandranana amin’ny olona be taona. Manao ahoana ny tokony ho fihetsiky ny Kristiana manoloana ireo olona fotsy volo ao amin’ny kongregasiona?
Toy izay tsy hiraharaha an’ireo Kristiana be taona, dia tokony haneho fiheverana azy ireny kosa sy handany fotoana miaraka aminy isika. Ohatra, any amin’ireo fivorian’ny Vavolombelon’i Jehovah isan-kerinandro any amin’ny Efitrano Fanjakana, moa ve ianao miezaka hiarahaba an’ireo olona be taona? Tena hankasitraka tokoa ny fiarahaban’ny tanora mbamin’ny hafa koa izy ireo. Ary toy inona moa ny hafalian’ny be taona manatrika fiaraha-mikorana ataon’ny mpiray finoana avy amin’ny sokajin-taona samy hafa! Na dia mety hanana fifankazarana kokoa amin’olona manambady mitovitovy taona aminy aza ny mpivady tanora iray, dia handraisana valisoa ny fampidirana ireo olona be taona amin’ny fikoranana toy izany. — 1 Tesaloniana 3:12; 5:15.
Tena zava-dehibe tokoa ny fahaiza-maneho fiheverana rehefa miresaka amin’ny olona be taona! Indray mandeha, rehefa niresaka tamina loholona hafa iray mikasika ny fomba azo ampiasana ny tenany ao amin’ny kongregasiona ny rahalahy zokiolona iray nanompo an’i Jehovah nandritra ny 40 taona, dia niteny toy izao ilay lehilahy tanora kokoa: “Tena kely dia kely no mba azonao atao.” Fanamarihana tsy mampiseho hatsaram-panahy re izany! Kely tsy toy ny teo aloha ny hery ananan’ilay rahalahy be taona, somary nihena ny fandraisany anjara amin’ny asa fanompoana, ary toa tsy haharaka ny fisahanana ny tombontsoam-piandraiketana sasany ny fahafahany manao zavatra amin’izao fotoana izao; kanefa nanan-javatra betsaka azo natolotra izy. Nanana taona maro nanangonana fahendrena sy fanandraman-javatra sesehena tao amin’ny lalan’ny fahamarinana izy. Koa satria ny olona be taona toy izany niasa mafy tamin’ny naha-mpitory ilay Fanjakana, niaritra fanenjehana, niantsoroka ireo enta-mavesatry ny andraikitra kristiana, ary nampiofana ny hafa, dia mifaly ny vahoakan’Andriamanitra ankehitriny amin’ny fananana fandaminana matanjaka iray tohanan’ny fanahiny. Aoka àry isika haneho fanajana an’ireo olona be taona amin’ny maha-mpanolo-tsaina hendry sy mpiandry be fitiavana ary mpampianatra mamokatra azy ireny.
Misy antony tsara koa hanomezana fiheverana lehibe an’ireny fanoloran-kevitra omen’ny olona be taona ireny. Ohatra, ny rahalahy ampy fanandraman-javatra iray dia nanipy hevitra ny amin’ny tsy hametahana ny varavaran’ny Efitrano Fanjakana iray eo amin’ny lafiny andrefana amin’ilay trano. Tsy nanaraka ny fanipazan-keviny ireo rahalahy mbola zandriny izay niahy misimisy kokoa ny amin’izay noheverina ho fahatsaran’ny firafitr’ilay trano. Rehefa afaka taona maromaro tatỳ aoriana anefa, dia voatery nafindra toerana ilay varavarana satria nahatonga azy io ho simba ny rivotra sy ny orana tsy nitsahatra avy any andrefana. Mavesa-danja noho ny anton-javatra momba ny hatsaran-tarehy ny fahendrena azo ampiharina avy amin’ny fanandraman-javatra. Raha manome voninahitra ny olona be taona ireo tanora kokoa amin’ny fihainoana ny hevitra sy ny fahendrena azo ampiharina ananan’izy ireny, dia mety hitsitsy fotoana sy vola izany. Na dia tsy arahina aza ny fanipazan-kevitry ny olona be taona, dia azo omem-boninahitra izy amin’ny famelana azy hahafantatra fa nasiana fiheverana tokoa ilay izy saingy nisy anton-javatra hafa nitarika ho amin’ny fanapahan-kevitra hafa iray. — Ampitahao amin’ny Ohabolana 1:8.
Ny eo anoloana banjinina fa tsy ny any aoriana
Manaraka an’izao fomba fiheverana izao ny olona be taona sasany: “Hafa ihany ny tamin’ny andro fahiny, fony izaho sy ianao mbola tanora.” Toy izay anefa hijanona amin’izay fotoana efa lasa any, dia azon’ireo olona be taona atao ny hahazo fampaherezana amin’ny fibanjinana ny eo anoloana, dia ny andro izay handraisany ny valisoany any an-danitra na ny hahazoany indray tanjaky ny tanora eo ambany fanapahan’ny Fanjakan’Andriamanitra. Mandra-pahatongan’izany, dia ilain’izy ireo ny mahafantatra tsara ny fetran’ny tenany noho ny taonany. Izany fahafantaran-javatra izany, omban’ny fahaizana mandray zavatra amin’ny vazivazy, dia sarobidy rehefa toa tsy raharahaina ny olona be taona iray raha ny amin’ireo tombontsoam-panompoana.
Ohatra, ny rahalahy be taona iray dia mety ho nampiasaina tsy tapaka tamin’ireo fandaharan’ny fivoriamben’ny distrika taona maro lasa izay. Ankehitriny dia misy loholona mahay maro be sy lehilahy manana fahaiza-mampianatra maro azo isafidianana. Na dia azo lazaina fa tanora ihany aza ireny loholona ireny dia hita fa be zotom-po sy kinga, afaka mampianatra tsara sy manome fananarana amim-pahalemem-panahy, ary mahay mampahery ny hafa. (1 Tesaloniana 5:12, 13; 1 Timoty 5:17). Vokatr’izany, ny rahalahy be taona iray tsy miseho ao amin’ny fandaharan’ny fivoriamben’ny distrika dia mety hahatsapa ho tsy noraharahaina ary mety tsy ho faly noho ny nanomezana ireo tombontsoa an’ireo loholona tanora kokoa. Kanefa azo resena izany fihetseham-po tsy manorina mipoitra avy amin’ny tsy fahatanterahan’olombelona izany. Raha ny marina, ny rehetra ao amin’ny kongregasiona dia afaka manampy amin’ny famelana ireo be taona hahafantatra fa ilaina izy ireo, tiana izy ireo noho ny fahatokiany, ary misy vidiny ny hevitr’izy ireo.
Mazava ho azy fa mila ny mitadidy ny olona be taona iray fa tsy maintsy hajaina ireo mpiara-mivavaka aminy, tsy misy hafa amin’ny itiavany hanajana azy koa. (Matio 7:12; Romana 12:10). Tsy tokony hahatsapa ho natositosika sy hijaly noho ny fomba fiheverana tsy manorina ireo be taona, fa tokony hifaly kosa noho ireo taona maro be nanaovany fanompoana tamim-pahatokiana. Ary azo antoka fa tokony ho velom-pankasitrahana isika rehetra satria, ho vokatry ny fitahian’i Jehovah, dia misy fitomboan’isa eo amin’ireo mpiandraikitra mahafeno fepetra mba hifampizara ireo enta-mavesatry ny asa sy hiantsoroka ireo andraikitra ao amin’ny kongregasiona, raha mbola mirohotra mankao amin’ny fandaminana kristiana ireo vahoaka sesehena mahaforona ny “ondry hafa”. — Jaona 10:16; Isaia 60:8, 22; 2 Timoty 2:2.
Noho ny fanaintainana, ny toe-pahasalamana ratsy, ary ny antony hafa, dia manjary mora tezitra indraindray ireo olona fotsy volo. Izany dia mitaky fahatakarana sy fahaiza-mipetraka eo amin’ny toeran’ny hafa avy amin’ireo mpikambana hafa ao amin’ny fianakaviana na ny kongregasiona. Izany koa dia mitaky ny hanaovan’ireo olona be taona fiezahana mafy mba hitanana fihetsika manorina, mba hananana hatrany toe-tsaina sy toe-po tanora. Rehefa nandao ny Betela ny rahalahy iray tanora kokoa, mpiray efitrano tamin’ny mpikambana iray anisan’ny Fitambara-mpitantan’ny Vavolombelon’i Jehovah, taona vitsivitsy lasa izay, dia nangataka an’io mpiray efitrano taminy io ilay zokiolona hanipy hevitra mba ho tsara ny olona hasolo azy ary nilaza izy fa rahalahy tanora kokoa sady matotra no tiany mba hanampy azy hitoetra ho tanora sy harisika. Tsy nanam-pikasana ny hisotro ronono na hitaredretra ilay rahalahy voahosotra be taona satria nisy asa tokony hatao. Endre izany ohatra tsara ny amin’ny fibanjinana ny eo anoloana sy ny fitanana toe-tsaina manorina!
Tsy misy isalasalana fa “[hatsaran-tarehin’ny, NW ] zatovo ny fahatanjahany, ary [voninahitry, NW ] ny anti-panahy ny volo fotsy”. Mahatalanjona toy inona moa rehefa mampiasa ny heriny ny tanora ary mampihatra ny fahendreny ny olona be taona eo amin’ny fanarahana ny lalan’ny fahamarinana! Samy mahita fifaliana lehibe ny Kristiana antitra sy tanora raha eo am-pampandrosoana ny fanompoam-pivavahana marina amin’i Jehovah Andriamanitra, ilay “Fahagola”, amim-piraisan-kina izy ireo. — Daniela 7:13.
[Sary, pejy 28]
Manan-javatra betsaka hatolotra ireo Kristiana fotsy volo mba ho tombontsoan’ny hafa