Manaova Batisa! Manaova Batisa! Manaova Batisa! — Fa Nahoana?
TAO anatin’ny volana vitsivitsy dia nanao batemy lehilahy sy vehivavy ary ankizy iray alina mahery aho.” Toy izany no nosoratan’ilay misionera jesoita atao hoe François Xavier mikasika ny asa nataony tany amin’ny fanjakan’i Travancore, any India. “Nandeha isaky ny vohitra aho ary nataoko Kristiana izy ireny. Ary na taiza na taiza nalehako, dia namela kopia iray nisy ireo vavaka sy didintsika tamin’ny fitenin’ny tompon-tany aho.”
Tohina mafy tamin’ny taratasin’i François Xavier ny Mpanjaka Jean tany Portiogaly, ka nandidy ny hamakiana mafy izany teny amin’ny polipitra tsirairay nanerana ny fanjakany. Ilay taratasy tamin’ny Janoary 1545 vao notononina teo dia nanomezan-dalana hatonta mihitsy. Inona no vokany? “Tsy ela, ny maro tamin’ireo mpianatra tany Eoropa dia ‘nandohalika sy nanao an-dranomaso mafy’, ka niantsoantso ny handeha ho any India sy hanova ny tsy mino an’Andriamanitra”, hoy ny nosoratan’i Manfred Barthel, ao amin’ilay bokiny hoe The Jesuits — History & Legend of the Society of Jesus. Nanampy teny toy izao izy: “Toa tsy tonga tao an-tsain’ny maro tamin’izany fotoana izany ilay hevitra hoe ny fanovana fanjakana iray manontolo anie ka mety hila zavatra bebe kokoa noho ny olona mpamafy rano voahasina vitsivitsy sy trakitra eran’ny kitapo.”
Inona, raha ny marina, no vitan’ny fanovana olona tambabe toy izany? Tamin’ny fijerena ny zava-nisy, dia nanao tatitra toy izao tany Roma ilay Jesoita atao hoe Nicolas Lancilloto: “Ny ankamaroan’ireo izay atao batemy dia manana antony manosika tsy araka ny tokony ho izy. Ireo andevon’ny Arabo sy ny Hindoa dia manantena hahazo ny fahafahany, na hahazo fiarovana amin’ny tompo mpampahory iray, na mba hahazo akanjo vaovao na hamama iray fotsiny avy amin’izany [ny batemy]. Maro no manao izany mba handosirana famaizana. (...) Heverina ho olona adala izay rehetra voatariky ny fiekeny manokana hitady famonjena amin’ny fampianarantsika. Maro no mivadi-pinoana sy miverina amin’ireo fanaon’ny mpanompo sampy narahiny taloha, tsy ela aorian’ny nahavitan’ny bateminy”.
Nananan’ireo mpizaha tany mbola tsy fantatra eoropeana tamin’izany andro izany koa ny faniriana hanova sy hanao batisa ny olona tsy mino an’Andriamanitra. Voalaza fa i Christophe Colomb dia nanao batisa ireo “Indiana” voalohany hitany tany amin’ireo Nosy Caraïbes. “Ny tetikasa ofisialin’ny Mpanjaka espaniola dia nametraka ny fanovana ho amin’ny finoana ireo mponina tera-tany ho loha laharana indrindra”, hoy ny The Oxford Illustrated History of Christianity. “Tamin’ny faran’ny taonjato fahenina ambin’ny folo, ireo Indiana 7 000 000 tao amin’ny empira espaniola, dia Kristiana, tamin’ny anarana fara faharatsiny. Miharihary fa tsy nisy fampianarana mialoha tsy kitoatoa azo natao tany amin’ny toerana nahazoantsika antontan’isa manambara fanovana olona ho amin’ny finoana (nilaza ho nanao batisa olona 14 000 tao anatin’ny indray andro, nampian’ny namana tokana, i Pedro de Gante, havan’ny Emperora Charles V, izay niaraka tamin’ireo misionera).” Ny fanovana ho amin’ny finoana tsy voadinika lalina toy izany dia mazàna narahin’ny fitondrana henjana sy nahery setra ary feno fampahoriana an’ireo tera-tany.
Ny fanantitranterana ny naha-zava-dehibe ny batisa dia nanosika ireny mpizaha tany mbola tsy fantatra sy misionera ireny hanao zavatra. Tamin’ny 1439, tamin’ny Kaonsilin’i Florence, ny Papa Eugène IV dia namoaka didy nilaza hoe: “Mitana ny toerana voalohany eo amin’ireo sakramenta ny Batemy masina, satria izy io no varavarana ho amin’ny fiainana ara-panahy; satria amin’izy io isika no tonga rantsambatan’i Kristy sy mpikambana amin’ny Eglizy. Ary satria tamin’ny alalan’ilay lehilahy voalohany no nidiran’ny fahafatesana tao amin’ny rehetra, dia tsy afaka miditra ao amin’ny fanjakan’ny Lanitra isika raha tsy hateraka indray amin’ny rano sy ny Fanahy Masina.”
Nipoitra anefa ny fifandirana ny amin’ny hoe ny batisa nataon’iza no manan-kery. “Koa satria izy io koa dia fombafomba fototra mba hidirana ao anatin’ny fitambaran’olona ao amin’ny fiangonana, ny batisa dia nihamboan’ny fiangonana maromaro nifandrafy haingana ho zo manokana. Ny tsirairay tamin’ireny fiangonana ireny dia nilaza ny tenany ho mpitana ny fampianarana nekena hatramin’izay, ary niampanga ireo hafa ho nanda ny finoana sy ho niala tamin’ny fiangonana. Tsy azo nialana ny fanovana ireo fombafomba fanaovana batisa nataon’ireo antokom-pivavahana samihafa”, hoy ny fanamarihana nataon’ny The Encyclopedia of Religion.
Ny fanaovana batisa anefa dia efa nisy talohan’ny finoana kristiana. Nampiasaina izy io tany Babylona sy tany Egypta fahizay. Tany Egypta, ny rano mangatsiakan’i Neily dia noheverina fa nampitombo tanjaka sy nanome tsy fahafatesana. Nino koa ny Grika fa ny batisa dia afaka nitondra fanavaozana na afaka nanome tsy fahafatesana ho an’ilay nanaovana izany. Ilay antokom-pivavahana jiosy any Qumran dia nanao batisa mba handraisana mpikambana vaovao ao amin’ny fikambanan’izy ireo. Notakina tamin’ireo Jentilisa niova ho amin’ny Jodaisma ny famorana, ary fito andro tatỳ aoriana dia notakina ny batisa tamin’ny fandentehana anaty rano teo anatrehan’ny mpitazana.
Miharihary fa, nohantitranterina ny naha-zava-dehibe ny batisa hatramin’ny fahagola. Fa ahoana kosa ny amin’izao andro izao? Ilaina atao ve izy io amin’izao andro maoderina izao? Raha izany no izy, nahoana? Tokony hatao batisa marina tokoa ve ianao?