FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • w93 15/4 p. 2-4
  • Helo Mirehitra Afo — Miredareda sa Mitsilopilopy?

Tsy misy video mifandray amin’io.

Miala tsiny fa tsy mety miseho ilay video.

  • Helo Mirehitra Afo — Miredareda sa Mitsilopilopy?
  • Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—1993
  • Lohatenikely
  • Mitovitovy Aminy
  • Fiverenan’ny helo indray
  • Nipoitra ny fanontaniana
  • Mandoro Tokoa ve ny Afobe?
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—2002
  • Iza no Mankany Amin’ny Afobe?
    Valin’ireo Fanontaniana Ara-baiboly
  • Tena Misy ve ny Afobe? Inona no Atao hoe Afobe Raha ny Baiboly no Jerena?
    Valin’ireo Fanontaniana Ara-baiboly
  • Maro no Mino ny Afobe
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—2008
Hijery Hafa
Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—1993
w93 15/4 p. 2-4

Helo Mirehitra Afo — Miredareda sa Mitsilopilopy?

NAMPIHOROHORO ny fon’ireo Amerikana nozanahana tamin’ny taonjato faha-18 ilay mpitory teny protestanta atao hoe Jonathan Edwards, tamin’ilay sary nataony nampiseho mazava tsara ny helo. Indray mandeha izy dia nanao sary iray nampiseho an’Andriamanitra mampikiraviravy ireo mpanota eo ambonin’ny lelafo, toy ny hala mahatsiravina. Niteny mafy ny kongregasionany toy izao i Edwards: “Ry mpanota ô, ianao dia mihantona amin’ny kofehy manify iray, misy ny lelafon’ny fahatezeran’Andriamanitra mitselatselatra manodidina azy, sady vonona mandrakariva ny handoro azy, sy hanakila azy ho tapaka.”

Taoriana kelin’ny nanaovan’i Edwards io toriteny malaza io anefa, dia nanomboka nipendrampendrana sy nitsilopilopy ireo lelafon’ny helo, raha azo atao ny milaza izany.a Marihin’ilay boky hoe The Decline of Hell, nataon’i D. P. Walker fa “tamin’ny folo taona fahefatry ny taonjato faha-18, dia notoherina ampahibemaso ilay fampianarana momba ny fampijaliana mandrakizay an’ireo voaozona”. Nihanitsilopilopy hatrany ny lelafon’ny helo nandritra ny taonjato faha-19. Ary teo antenatenan’ny taonjato faha-20, dia tsy firesaky ny olona intsony ilay fiheveran’i Edwards ny helo ho ‘fatana mirehitra afo izay ampijalijaliana mafy ara-tsaina sy ara-batana mandrakizay ireo ampitondrainy faisana’. “Tsy nampihorohoro toy ny taloha intsony ny sarin’ny helo”, hoy ny fanamarihan’ilay mpanao gazety atao hoe Jeffery Sheler, “noho izy io notafihin’ny fandalinam-pahaizana maoderina, sady nihoaran’ireo horohoro tany Hiroshima sy tamin’ny namonoan’ny Nazia ny Jiosy.”

Nisy mpitory teny maro koa nanary ny fitiavany afo sy solifara. Ireo fananarana mahery momba ny horohoron’ny helo dia nanjavona tao amin’ny toriteny ambony polipitran’ireo fiangonana nahazatra teo amin’ny Tontolon’ireo Fivavahana Lazaina fa Kristiana. Ho an’ny ankamaroan’ireo teolojiana, ny helo dia nanjary foto-kevitra lany andro loatra ho an’ny fikarohana lehibe. Taona maromaro lasa izay, dia nanao fikarohana ny mpanoratra tantara momba ny fiangonana iray mba hanaovana lahateny mikasika ny helo, tany amin’ny oniversite. Nikaroka tao amin’ireo fanoroam-pejin’ny gazetin’ny avara-pianarana maromaro izy. Tsy afaka nahita lohateny momba ny “helo” na dia iray aza izy. Araka ny gazetiboky Newsweek, dia namaran-teny toy izao ilay mpanoratra tantara: “Nanjavona ny helo. Ary tsy nisy nahamarika izany.”

Fiverenan’ny helo indray

Nanjavona hoe? Tsy tena izany loatra. Nahagaga fa, tao anatin’ireo taona faramparany, dia nipoitra indray tany amin’ny toerana sasany ny fampianarana momba ny helo. Asehon’ny fitsapana hevi-bahoaka natao tany Amerika fa ny isan’ny olona izay milaza fa mino ny helo dia nitombo ho 60 isan-jato tamin’ny 1990, raha 53 isan-jato izany tamin’ny 1981. Manampy izany ireo fihetsiketsehana ara-pilazantsara mitory ny helo, izay mihahohaho maneran-tany. Ary manjary miharihary fa ny tena fiverenan’ny helo indray ao amin’ny fisainan’ny Tontolon’ireo Fivavahana Lazaina fa Kristiana, dia tena fisehoan-javatra maneran-tany tokoa.

Moa ve anefa io fifohazana indray io misy fiantraikany eo amin’ireo mpiangona fotsiny, sa nahatratra ny klerjy koa? Ny zava-misy dia hoe: Tsy nanjavona tanteraka teo amin’ny polipitra sasany tsy tia fiovana ao amin’ny Tontolon’ireo Fivavahana Lazaina fa Kristiana, ilay helo mirehitra afo notorin’i Jonathan Edwards, 250 taona lasa izay. Nanao izao fanamarihana izao ny U.S.News & World Report tamin’ny 1991: “Na dia eo amin’ny antokom-pivavahana mahazatra sasany malala-tsaina aza, dia misy famantarana fa manomboka mieritreritra amim-pitandremana kokoa ny amin’ny helo ireo teolojiana, tsy toy ny nataony tao anatin’ny am-polony taona maro.” Mazava fa, rehefa avy natao tsirambina an-taonany maro ny helo mirehitra afo, dia fanta-daza sy heverina ho zava-dehibe indray maneran-tany. Nitana ilay toetra misy afo mirehitra mampiavaka azy ve anefa izy io?

Nipoitra ny fanontaniana

Tsy nanana fisalasalana ilay teolojiana atao hoe W. F. Wolbrecht: “Ny helo dia helo, ary tsy misy faniriana na eritreritr’olombelona afaka hanakely kokoa ny ozona mandrakizay.” Tsy mahazo antoka loatra ny amin’izany ny mpiangona maro. Na dia tsy misalasala ny amin’ny fisian’ny helo aza izy ireo, dia manana fanontaniana kosa mikasika ny toetran’ny helo. Niaiky toy izao ny teolojiana iray hafa: “Ho ahy koa, ny helo dia zava-misy tsy azo iadian-kevitra, voalaza mazava tsara ao amin’ny fanambaran’ny Baiboly, fa ny tena toetrany marina no mametraka olana.” Eny, ho an’ny teolojiana sy ny lahika mitombo isa hatrany, dia tsy ny hoe “Misy ve ny helo?” intsony izao no fanontaniana, fa ny hoe “Inona no atao hoe helo?”

Ahoana no havalinao? Inona no nolazaina taminao mikasika ny toetran’ny helo? Ary nahoana ny Kristiana tso-po no sahiran-tsaina noho io fampianarana io?

[Fanamarihana ambany pejy]

a Tamin’ny 8 Jolay 1741, dia nanao ilay toriteny hoe “Ireo Mpanota eo An-tanan’Andriamanitra Iray Tezitra” i Edwards.

[Sary nahazoan-dalana, pejy 2]

Fonony: Doré’s illustration of Tumult and Escape for Dante’s Divine Comedy

[Sary nahazoan-dalana, pejy 3]

Doré’s illustration of Devils and Virgil for Dante’s Divine Comedy

    Fitehirizam-boky Malagasy (1965-2025)
    Hiala
    Hiditra
    • Malagasy
    • Hizara
    • Firafitra
    • Copyright © 2025 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
    • Fifanekena
    • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
    • Firafitry ny Fifanekena
    • JW.ORG
    • Hiditra
    Hizara