Fijaliana Mandrakizay — Nahoana no Fampianarana Mampikorontan-tsaina?
“Reko fa noroahinareo, hono, ilay pasiteranareo. Fa naninona?”
“Tsy nitsahatra nilaza taminay izy tsinona hoe hankany amin’ny helo avokoa izahay rehetra ka.”
“Inona no lazain’ilay pasitera vaovao?”
“Milaza koa ilay pasitera vaovao hoe hankany amin’ny helo izahay.”
“Koa inona no tsy mampitovy izany?”
“Ny tsy mampitovy izany dia izao: Rehefa nilaza izany ilay pasitera teo aloha, dia toy ny hoe nahafaly azy ilay izy; fa rehefa nilaza izany kosa ilay lehilahy vaovao, dia toy ny hoe mahavaky fo azy ilay izy.”
VOASORATRA ao anatin’ny boky iray misy sary manazava azy io tantara io. Araka ny fisehony eo, izy io dia mampiseho taratra fa misy mpampianatra ny Baiboly maro, mbamin’ny mpiangona koa, tsy mahazoazo loatra ny fampianarana momba ny helo. Amin’ny lafiny miitatra kokoa, izy io dia manamafy koa izay nomarihin’ilay teolojiana kanadiana atao hoe Clark H. Pinnock manao hoe: “Teo amin’ireo lahatsoratra ara-teolojia izay nanakorontana ny feon’ny fieritreretan’olombelona nandritra ireo taonjato, dia heveriko fa vitsy ihany no afaka nahatonga fitebitebena lehibe kokoa noho ilay fanazavana nekena momba ny helo ho famaizana mandrakizay tsapan’ny vatana sy ny fanahy.”
Zavatra tafiditra ara-pitondran-tena
Nahoana àry no misy olona maro sosotra amin’ireo sarin’ny afobe izay aseho ao amin’ny Tontolon’ireo Fivavahana Lazaina fa Kristiana? (Jereo ilay faritra voafefy.) Nanazava toy izao ny Profesora Pinnock: “Manakorontan-tsaina lalina ilay hevitra hoe tsy maintsy mandalo fampijalijaliana ara-batana sy ara-tsaina mandritra ny fotoana tsy manam-pahataperana ny zavaboary mahatsiaro saina iray. Ary ny fieritreretana fa natao tamin’izy ireo izany noho ny fandidian’Andriamanitra, dia manafintohina ny fiekeko mafy mikasika ny fitiavan’Andriamanitra.”
Eny, mametraka zava-manahirana ara-pitondran-tena ilay fampianarana ny amin’ny fijaliana mandrakizay. Ireo Kristiana tso-po, ohatra, dia misaintsaina ny amin’ireo fanontaniana napoitran’ilay teolojiana katolika atao hoe Hans Küng, manao hoe: “Moa ve ilay Andriamanitra fitiavana tokony (...) hitazana mandritra ny mandrakizay io fampijalijaliana ara-batana sy ara-tsaina ny zavaboariny io, dia fampijalijaliana tsy misy farany, tsy misy fanantenana, tsy misy antra, tsy misy fitiavana ary tsy mifaditra ovana?” Nanohy ny teniny toy izao i Küng: “Moa ve mpitaky trosa mafy fo toy izany izy? (...) Ahoana no ho fiheverantsika olombelona iray izay manome fahafaham-po ny hetahetany valifaty amin’ny fomba tsy azo ivalozana sy tsy mety afa-po toy izany?”a Amin’ny ahoana tokoa moa ilay Andriamanitra izay milaza amintsika ao amin’ny Baiboly mba ho tia ny fahavalontsika, no afaka haniry hampijalijaly mandrakizay ireo fahavalony? (1 Jaona 4:8-10). Tsy mahagaga raha misy olona sasany manatsoaka hevitra fa tsy mifanaraka tsotra izao amin’ny toetran’Andriamanitra ny toetran’ny helo, ary io fampianarana io dia tsy misy dikany ara-pitondran-tena.
Mpino maro hafa no manandrana mampangina ny fieritreretany amin’ny fanalavirana ireny fanontaniana ireny. Tsy mampanjavona ireo zavatra mahavery hevitra ireo anefa ny tsy firaharahana ireny fanontaniana ireny. Inona avy ireo zavatra tafiditra ara-pitondran-tena mifamatotra amin’io fampianarana io? Nanoratra toy izao ny Profesora Pinnock ao amin’ny Criswell Theological Review: “Tsy azo leferina eo amin’ny lafiny ara-pitondran-tena ny fijaliana mandrakizay satria izany dia mampiseho an’Andriamanitra ho toy ny persona faran’izay tsy mifaditra ovana iray lian-dra, izay mitana Auschwitz iray maharitra mandrakizay ho an’ireo mahita faisana, izay tsy avelany ho faty akory.” Nanontany toy izao izy: “Ahoana no ahafahan’ny olona iray manana fangorahana ao anatiny, hitoetra ho tony eo am-pandinihana hevitra toy izany [ilay fampianarana mahazatra momba ny helo]? (...) Ahoana no ahafahan’ny Kristiana mampiseho andriamanitra iray feno habibiana sy mpamaly faty toy izany?”
Rehefa nampiseho ny fitaoman-dratsy mety ho nananan’io fampianarana io teo amin’ny fitondran-tenan’ny olombelona i Pinnock, dia nanazava hoe: “Manontany tena mihitsy aza aho hoe faharatsiana mihoa-pampana inona avy no efa nataon’ireo izay nino Andriamanitra iray izay mampijalijaly ny fahavalony?” Namaran-teny toy izao izy: “Moa ve izany tsy hevitra faran’izay mampikorontan-tsaina izay mila fandinihana indray?” Eny, raha lazaina fa avy amin’Andriamanitra ny habibiana toy izany, dia tsy mahagaga raha mamerina mandinika ny helo mirehitra afo ireo mpiangona mora mangoraka. Ary inona no hitan’izy ireo? Zava-manahirana hafa iray manohitra ilay hevitra momba ny fijaliana mandrakizay.
Ny helo sy ny rariny
Olona maro izay mieritreritra ny amin’ny fampianarana mahazatra momba ny helo no mahita fa toa mampiseho an’Andriamanitra ho manao zavatra tsy ara-drariny izy io, ka manafintohina ny fahafantarany voajanahary ny rariny. Amin’ny fomba ahoana?
Afaka mahita valiny iray ianao amin’ny fampitahana ilay fampianarana momba ny fijaliana mandrakizay amin’ny fari-pitsipika iray momba ny rariny izay nomen’Andriamanitra: “Maso solon’ny maso, nify solon’ny nify”. (Eksodosy 21:24). Ho fanaporofoan-kevitra, dia ampiharo amin’ilay fampianarana momba ny helo mirehitra afo io lalàn’Andriamanitra nomena ny Isiraely fahiny io, dia lalàna momba ny famaliana ara-drariny. Azo inoana fa ho tonga amin’ny fanatsoahan-kevitra inona ianao? Izao: Ireo mpanota izay nahatonga fijaliana mandrakizay ihany no mendrika hahazo fijaliana mandrakizay mitovy amin’izany ho valiny — fijaliana mandrakizay solon’ny fijaliana mandrakizay. Koa satria anefa ny olombelona (na toy inona na toy inona faharatsiany) dia tsy afaka mahatonga afa-tsy fijaliana misy fetrany ihany, ny fanamelohana azy ireo ho amin’ny fijaliana mandrakizay dia miteraka tsy fifandanjana eo amin’ny habetsahan’ny helok’izy ireo sy ny habetsahan’ny sazy tsy manam-petra ao amin’ny helo mirehitra afo.
Raha lazaina amin’ny teny tsotra, dia ho henjana loatra ilay famaizana. Ho tafahoatra lavitra ny “maso solon’ny maso, nify solon’ny nify” izy io. Rehefa dinihinao fa nanalefaka ny hevitra momba ny valifaty ny fampianaran’i Jesosy, dia mety hiaiky ianao fa ho sahirana ny Kristiana marina hahita ny maha-ara-drariny ny fijaliana mandrakizay. — Matio 5:38, 39; Romana 12:17.
Fanamarinana ilay fampianarana
Na dia izany aza, dia mpino maro no manohy manandrana manamarina ilay fampianarana. Amin’ny fomba ahoana? Niteny ho an’ny ankamaroan’ireo mpiaro ilay fampianarana ilay mpanoratra britanika atao hoe Clive S. Lewis ao amin’ny bokiny hoe The Problem of Pain: “Tsy misy mihitsy fampianarana tiako hesorina kokoa noho izy io ao amin’ny Kristianisma, raha nananako ny fahefana hanao izany. Ananany anefa ny fanohanana fenon’ny Soratra Masina, ary indrindra, ny an’ny tenin’ny Tompontsika mihitsy.” Araka izany, dia misy mpanohana miaiky fa mahatsiravina ny fijaliana mandrakizay, kanefa eo ihany izy dia mino fa tsy maintsy ekena ilay fampianarana satria heveriny fa ampianarin’ny Baiboly izany. Hoy ny fanamarihana nataon’i Pinnock teolojiana: “Amin’ny fiekena fa mahasosotra ilay izy no antenain’izy ireo hanaporofoana ny fahatokiany tsy mivaona eo anoloan’ny Baiboly, sy hanaporofoana herim-po sasany eo amin’ny finoany fahamarinana mampahatahotra toy izany, satria fotsiny hoe mampianatra izany ny soratra masina. Amin’izy ireo, dia toy ny hoe ny tsy fetezan’ny Baiboly ho diso no tandindomin-doza. Izany tokoa ve anefa no izy?”
Mety hanontany tena koa ianao raha toa ny fahatokiana eo anoloan’ny Baiboly tsy mamela anao hanan-tsafidy fa hanaiky io fampianarana io. Inona no tena lazain’ny Baiboly?
[Fanamarihana ambany pejy]
a Eternal Life? — Life After Death as a Medical, Philosophical, and Theological Problem, pejy faha-136.
[Efajoro, pejy 5]
SARY TELO MITOVY HEVITRA
Ny Fanekem-pinoana Westminster, izay eken’ny Protestanta maro, dia milaza fa ireo izay tsy mankany an-danitra dia “hatsipy ao anatin’ny fijaliana mandrakizay, ary hofaizina amin’ny fandringanana mandrakizay”. “Ao amin’ny Kristianisma Katolika Romana”, hoy ny fanazavan’ny The Encyclopedia of Religion, “ny helo dia inoana ho toetran’ny famaizana tsy manam-pahataperana (...) izay voamariky (...) ny fijaliana amin’ny afo sy ny fampijalijaliana hafa.” Nanampy teny toy izao io firaketana io: “Ny Kristianisma Ortodoksa Tatsinanana” dia manaiky koa “ilay fampianarana hoe ny helo no anjara ho amin’ny afo mandrakizay sy ny famaizana miandry ireo voaozona.” — Boky faha-6, pejy faha-238-239.