Ny Fampiasana Sary Ara-pivavahana sy ny Fampiasana Ratsy Azy Ireo
NY TOERANA dia tany St. Petersburg, any Rosia. Ny daty dia ny faha-2 Aogositra 1914. Nisy olona nitabataba niangona teo amin’ny rovan’ny tzar sady nanofahofa icônes (takela-kazo kely misy sary hoso-doko ara-pivavahana). Nisy alitara naorina teo afovoan’ny efitrano malalaka iray. Nisy sary hoso-doko nampiseho vehivavy iray mitrotro zazakely teo ambonin’ilay alitara. Io icône io dia antsoina hoe “Vladimir Renin’Andriamanitra”. Heverin’ilay vahoaka ho ny harena masina indrindran’i Rosia izy io.
Raha ny marina, io icône io dia inoana fa mahavita fahagagana. Tamin’ny 1812, rehefa nandeha hifanehatra tamin’i Napoléon ireo tafika rosiana, dia nivavaka teo anoloany ny Jeneraly Kutuzov. Izao indray koa, rehefa avy nampiditra ny taniny tao amin’ny ady ny Tzar Nicholas II, dia nitsangana teo anoloany. Nanangana ny tanany havanana izy, ary nanao izao voady izao: “Mianiana ampahibemaso aho fa tsy hanaiky ny hisian’ny fandriampahalemana na oviana na oviana raha mbola misy fahavalo tavela koa eto amin’ny tany rosiana.”
Tapa-bolana taorian’izay, ilay tzar dia nanao dia masina nankany Moscou mba hangataka ny fitahian’Andriamanitra ho an’ireo tafiny. Tao amin’ny Katedralin’ny Assomption izy dia nandohalika ary nivavaka teo anoloan’ny iconostase lehibe iray feno firavaka — faritra nitokana iray nisy sary hoso-doko nampiseho an’i Jesosy, i Maria, anjely ary “olo-masina”.
Tsy nahavita nisakana loza ireny fanaovan-javatra ara-pivavahana ireny. Tao anatin’ny efa-taona latsaka, ireo tafika rosiana dia namoy olona maherin’ny enina tapitrisa, ary faritany be dia be no veriny. Ankoatra izany, ny tzar sy ny vadiny ary ireo zanany dimy dia novonoina tamin-kerisetra. Nisolo toerana ny fanapahan’ireo mpanjaka naharitra an-jatony taona maro ny fitondram-panjakana revolisionera iray izay nanohitra ny fivavahana, ka nanomboka nanapaka ilay tany. Hita fa tsy nisy vokany ny fitokian’ny Tzar Nicholas tamin’ireo icônes.
Kanefa, hatramin’izao any Rosia sy any amin’ny tany hafa, dia olona an-tapitrisany maro no mbola mankamasina icônes. Izany dia mampipoitra fanontaniana lehibe maro. Ahoana no fomba fijerin’Andriamanitra ny fanompoam-pivavahana atao eo anoloan’ny sary toy izany? Ary ahoana ny amin’ny fanao anantonana azy ireo eo amin’ny rindrin’ny trano?
Inona no lazain’ny Baiboly?
Fony teto an-tany i Jesosy, dia nankatò ny Lalàn’Andriamanitra nomena tamin’ny alalan’i Mosesy. Anisan’izany ny faharoa tamin’ilay antsoina hoe ny Didy Folo, izay manambara hoe: “Aza manao sarin-javatra voasokitra ho anao, na ny mety ho endriky ny zavatra izay eny amin’ny lanitra ambony, na izay etỳ amin’ny tany ambany, na izay any amin’ny rano ambanin’ny tany. Aza miankohoka eo anatrehany, ary aza manompo azy; fa Izaho, Jehovah Andriamanitrao, dia Andriamanitra saro-piaro”. — Eksodosy 20:4, 5.
Araka izany, dia tsy nanompo an’Andriamanitra tamin’ny alalan’ny sary na sary sokitra nataon-tanan’olona i Jesosy. Ny fanompoam-pivavahany kosa dia nifanaraka tamin’izao fanambarana nataon’ny Rainy izao: “Izaho no Jehovah, izany no anarako, ka ny voninahitro tsy homeko ny hafa, na ny fiderana Ahy ho an’ny sarin-javatra voasokitra.” — Isaia 42:8.
Ankoatra izany, i Jesosy dia nanazava ny antony tokony hivavahana amin’Andriamanitra tsy mila fanampian-javatra azo tsapain-tanana. “Avy ny andro”, hoy izy, “raha ny tena mpivavaka hivavaka amin’ny Ray amin’ny fanahy sy ny fahamarinana; fa ny Ray koa mitady ny mpivavaka aminy ho tahaka izany. Andriamanitra dia Fanahy; ary izay mivavaka aminy tsy maintsy mivavaka amin’ny fanahy sy ny fahamarinana.” — Jaona 4:23, 24.
Sahala amin’i Jesosy, ireo tena mpianany dia nampianatra ny hafa ny fanompoam-pivavahana araka ny tokony ho izy. Ohatra, ny apostoly Paoly, indray mandeha, dia niresaka tamina filozofa grika maromaro izay nampiasa sampy mba hivavahana tamin’ireo andriamaniny tsy hita maso. Niresaka tamin’izy ireo momba ilay Mpamorona ny olombelona izy ka nanao hoe: “Tsy mety raha ny fomban’Andriamanitra no ataontsika ho tahaka ny volamena, na volafotsy, na vato voasoratry ny fahaizana aman-tsain’olombelona.” Tatỳ aoriana, io apostoly io ihany dia nanazava fa ‘finoana no andehanan’ny Kristiana, fa tsy fahitana’, ary koa fa ny Kristiana dia tsy maintsy ‘mandositra ny fanompoan-tsampy’. — Asan’ny Apostoly 17:16-31; 2 Korintiana 5:7; 1 Korintiana 10:14.
Ny zava-niseho iray teo amin’ny fiainan’ny apostoly Petera dia mampiseho fa mailaka nanitsy izay fanaovan-javatra rehetra nety ho nitarika ho amin’ny fanompoan-tsampy izy. Rehefa niankohoka teo amin’ny tongony i Kornelio, ilay manamboninahitra tao amin’ny tafika romana, dia nanda i Petera. Nampitsangana an’i Kornelio izy ka nanao hoe: “Mitsangàna; fa izaho dia olona ihany.” — Asan’ny Apostoly 10:26.
Raha ny amin’ny apostoly Jaona kosa, dia talanjona sady raiki-tahotra aoka izany izy noho ireo fahitana avy tamin’Andriamanitra, ka niankohoka teo amin’ny tongotry ny anjely iray. “Tandremo”, hoy ny torohevitr’ilay anjely. “Aza manao izao; fa mpanompo namanao ihany aho sady naman’ny mpaminany rahalahinao sy izay mitandrina ny teny amin’ity boky ity; Andriamanitra ihany no ivavaho.” (Apokalypsy 22:8, 9). Nankasitraka io torohevitra io ilay apostoly. Tamim-pitiavana, dia nitana an-tsoratra io fisehoan-javatra io izy, mba hahasoa antsika.
Amin’ny ahoana anefa no ifandraisan’ireo zava-niseho ireo amin’ny fampiasana sary ara-pivavahana? Eritrereto izao: Raha tsy nety ny niankohofan’i Kornelio teo anoloan’ny iray tamin’ireo apostolin’i Kristy, ahoana ny amin’ny fankamasinana sarin’“olo-masina” tsy manana aina? Ary raha tsy nety ny niankohofan’ny iray tamin’ireo apostolin’i Kristy teo anoloan’ny anjely velona iray, ahoana àry ny amin’ny fankamasinana sarin’anjely tsy manana aina? Tena mifanipaka amin’izao fampitandreman’i Jaona izao tokoa ireo fanaovan-javatra ireo: “Anaka, arovy ny tenanareo amin’ny sampy.” — 1 Jaona 5:21.
Fitaovana fampianarana sy fandravahana
Izany akory tsy midika fa ny fananana sary iray mampiseho zava-niseho ara-baiboly dia fanompoan-tsampy. Ity gazety ity dia mampiasa tsara sary mampiseho zava-niseho ara-baiboly ho fitaovana fampianarana. Ambonin’izany, ireo sary mampiseho zava-niseho ara-baiboly dia azo ampiasaina mba handravahana ireo rindrin-trano. Kanefa, ny Kristiana marina iray dia tsy haniry hampiseho sary iray izay fantatra fa ankamasinin’ny hafa. Tsy hanantona eo amin’ny rindriny sary iray manolana ny hevitry ny teny ao amin’ny Baiboly koa izy. — Romana 14:13.
Ny ankamaroan’ireo icônes-n’ny Tontolon’ireo Fivavahana Lazaina fa Kristiana dia mampiseho faribolana mazava manodidina ny lohan’i Jesosy, i Maria, anjely ary “olo-masina”. Antsoina hoe auréole izy io. Taiza no niandohan’io auréole io? “Tsy kristiana ny niandohany”, hoy ny fieken’ny The Catholic Encyclopedia (fanontana tamin’ny 1987), “satria efa nampiasain’ireo mpanakanto sy mpanao sary sokitra mpanompo sampy ho famantarana ny amin’ny fahamendrehana sy herin’ireo andriamanitra samihafa.” Fanampin’izany, ilay boky hoe The Christians, nataon’i Bamber Gascoigne, dia misy sary iray azo avy tany amin’ny Tranombakoka Capitolini any Roma ka mampiseho andriamanitra-masoandro iray misy auréole. Nivavahan’ireo Romana mpanompo sampy io andriamanitra io. Tatỳ aoriana, hoy ny fanazavan’i Gascoigne, “ny auréole-n’ilay masoandro” dia “nindramin’ny Kristianisma”. Eny tokoa, mifamatotra amin’ny fanompoan-tsampy atao amin’ny masoandro ilay auréole.
Mety ve ny fanantonana amin’ny rindrin’ny tokantrano kristiana iray, sary mampifangaro fisehoan-javatra ara-baiboly sy famantarana fampiasa amin’ny fanompoan-tsampy? Tsia. Manome izao torohevitra izao ny Baiboly: ‘Inona no ikambanan’ny tempolin’Andriamanitra amin’ny sampy? Koa mivoaha eo aminy hianareo, ka misaraha aminy, hoy Jehovah, ary aza manendry izay zavatra tsy madio; ary Izaho dia handray anareo.’ — 2 Korintiana 6:16, 17.
Arakaraka ny fandehan’ny fotoana, ireo milaza azy ho Kristiana dia nanomboka tsy niraharaha io torohevitra io. Nitombo ny fivadiham-pinoana, araka ny efa nolazain’i Jesosy sy ireo apostoliny mialoha. (Matio 24:24; Asan’ny Apostoly 20:29, 30; 2 Petera 2:1). Tany am-piandohan’ny taonjato fahefatra am.f.i., i Constantin, emperora romana, dia nanao ny Kristianisma nivadi-pinoana ho ny fivavahan’ny Fanjakany. Izao dia nisy mpanompo sampy tsy nitsaha-nitombo isa nanomboka niantso ny tenany hoe “Kristiana”. Ny fanao nahazatra teo amin’izy ireo dia ny fivavahana tamin’ireo sarin’ilay emperora. Fanaon’izy ireo koa ny nanantona sarin’ireo razany sy olo-malaza hafa. “Araka ny fanompoana natao tamin’ilay emperora”, hoy ny fanazavan’i John Taylor ao amin’ny bokiny hoe Icon Painting, “ny olona dia nivavaka tamin’ny sariny natao hoso-doko teo amin’ny lamba na hazo, ary avy teo nankeo amin’ny fankamasinana icônes dia dingana kely iray monja.” Noho izany, ny fanompoan-tsampy natao tamin’ny sary dia nosoloana ny fankamasinana sarin’i Jesosy, i Maria, anjely ary “olo-masina”.
Ahoana no nanamarinan’ireo mpitarika ny fiangonana azy io?
Araka ny The Encyclopedia of Religion, ireo mpitarika ny fiangonana dia nampiasa ireo fialan-tsiny fampiasan’ireo filozofa mpanompo sampy taloha ihany. Olona toa an’i Plutarque, i Dio Chrysostom, i Maxime avy any Tyre, i Celsus, i Porphyre ary i Julien dia samy niaiky fa tsy manana aina ireo sampy. Kanefa ireo mpanompo sampy ireo dia nanamarina ny fampiasana sampy tamin’ny filazana fa fitaovana nanampy azy tamin’ny fivavahana tamin’ireo andriamaniny tsy hita maso izy ireo. Ilay manam-pahaizana rosiana momba ny icônes antsoina hoe Leonid Ouspensky dia miaiky toy izao ao amin’ny bokiny hoe The Meaning of Icons: “Ireo Rain’ny Eglizy dia nampiasa ny filozofia grika, ka nampifanaraka ny fahazoana azy io sy ny fiteniny tamin’ny teolojia kristiana.” — Ampitahao amin’ny Kolosiana 2:8.
Olona maro no nahita fa sarotra takarina ny fanamarinana ny fankamasinana sary atolotry ny teolojia. “Ny fanavahana eo amin’ny fivavahana amin’ny icône iray noho izay asehony, sy ny fivavahana aminy mihitsy (...) dia manify aoka izany, ka tsy hisy hahita azy afa-tsy ireo nahita fianarana ambony”, hoy ny ambaran’i John Taylor ao amin’ny Icon Painting.
Etsy an-danin’izany kosa, izay lazain’ny Baiboly momba ireo sary ara-pivavahana dia mora azo. Raiso ho ohatra i Emilia, monina ao Johannesburg, atsy Afrika Atsimo. Katolika nafana fo izy taloha ary zatra ny nandohalika sy nivavaka teo anoloan’ny sary. Avy eo, dia nisy Vavolombelon’i Jehovah iray nandondòna teo am-baravarany. Nientam-po aoka izany izy nahita tao amin’ny Baiboliny amin’ny teny portogay fa manana anarana Andriamanitra, dia hoe Jehovah. (Salamo 83:18, Almeida). Nandritra ny fianarany ny Baiboly, dia hoy izy nanontany: “Inona no tsy maintsy hataoko mba tsy hampahatezitra an’i Jehovah?” Notondroin’ilay Vavolombelona ireo sary teo amin’ny rindriny, ary nasainy novakiny ny Salamo 115:4-8. Ny alin’iny, rehefa nody ny vadin’i Emilia, dia nilazany fa naniry hanala ireo sariny ara-pivavahana izy. Nanaiky ny vadiny. Ny ampitson’iny, dia nasainy nopotehin’ny zanany roa lahy, i Tony sy i Manuel, sy nodorany, ireo sary. Ankehitriny, 25 taona eo ho eo atỳ aoriana, moa ve i Emilia manenina noho izany nataony izany? Tsia. Raha ny marina aza, izy sy ny fianakaviany dia nanampy maro tamin’ireo mpiara-monina aminy ho tonga mpivavaka sambatra amin’i Jehovah.
Fisehoan-javatra mitovy amin’izany be dia be no efa nitranga. Ho vokatry ny asa fanaovana mpianatra ataon’ny Vavolombelon’i Jehovah maneran-tany, dia olona an-tapitrisany maro no mianatra ny hivavaka amin’Andriamanitra “amin’ny fanahy sy ny fahamarinana”. Ianao koa dia afaka ny hahazo ireo fitahiana azo avy amin’io fomba fivavaka ambony io, satria, araka ny nolazain’i Jesosy, ‘ny Ray dia mitady ny mpivavaka aminy ho tahaka izany’. — Jaona 4:23, 24.
[Sary, pejy 26]
Ny Tzar Nicholas II mitso-drano ireo tafiny amin’ny alalan’ny icône iray
[Sary nahazoan-dalana]
Photo by C.N.