Sary avy any Amin’ny Tany Nampanantenaina
Sinay — Tendrombohitr’i Mosesy Sady Tendrombohitry ny Famindram-po
REHEFA mieritreritra ny Tendrombohitra Sinay ianao, dia azo inoana fa i Mosesy no tonga ao an-tsainao. Fa nahoana? Satria nahazo ny Lalàn’Andriamanitra teo amin’ny tendrombohitra iray teo amin’ny Saikinosin’i Sinay i Mosesy. Tendrombohitra iza? Tena mety ho ilay aseho etsy ambony.a
Any amin’ny tapany atsimon’io saikinosy io, eo afovoan’ireo sampan’ny Ranomasina Mena eo ho eo, dia misy fitohitohizan-tendrombohitra misy tendrony roa. Io toerana io amin’ny ankapobeny dia mifanaraka tsara amin’ireo fitantarana ao amin’ny Baiboly momba an’i Mosesy. Ny tendrony iray dia antsoina hoe Jebel Musa, izay midika hoe “Tendrombohitr’i Mosesy”.
Misy fitantarana ara-baiboly samihafa mahatonga io anarana io hety tsara. Tsaroanao ve fa teo am-piandrasana ny andian’ondrin’i Jetro i Mosesy fony niseho taminy tao amin’ny roimemy iray tao anaty lelafo ny anjely iray? Taiza moa izany? Milaza ny Baiboly fa izany dia tany “Horeba, tendrombohitr’Andriamanitra”, izay antsoina koa hoe Tendrombohitra Sinay. (Eksodosy 3:1-10; 1 Mpanjaka 19:8). Rehefa avy nitarika ny vahoakan’Andriamanitra hivoaka an’i Egypta i Mosesy, dia nitondra azy ireo teo. Ny Eksodosy 19:2, 3 dia milaza fa “tandrifin’ny tendrombohitra no nitobian’ny Isiraely teo. Ary Mosesy niakatra ho ao amin’Andriamanitra, dia niantso azy Jehovah tao an-tendrombohitra”.
Tamin’izay i Mosesy no nianika voalohany ny Tendrombohitra Sinay, ary tsy hoe fiakarana kely fotsiny no nataony. Izao no vakintsika: “Jehovah nidina nankeo an-tendrombohitra Sinay, dia teo an-tampon’ny tendrombohitra; ary Jehovah niantso an’i Mosesy hankeo an-tampon’ny tendrombohitra”. — Eksodosy 19:20.
Mpizaha tany an’arivony maro amin’izao andro maoderina izao no nikely aina nanaraka lalan-kely voasoritra mba ho eny amin’ny tendrony tamin’ny alina, nijanona teny mba hitazana ny fiposahan’ny masoandro ary avy eo dia niverina nidina indray mandra-pahatongan’ny fisakafoana antoandro. Tsy izany anefa no nataon’i Mosesy. Hoy Andriamanitra taminy: “Miakara eto amiko eto an-tendrombohitra ka mitoera eto, dia homeko anao ny vato fisaka izay misy ny lalàna sy ny didy”. Tamin’izay i Mosesy dia “nitoetra tao amin’ny tendrombohitra efa-polo andro sy efa-polo alina”. — Eksodosy 24:12-18.
Mora azo àry raha mifamatotra amin’io tendrombohitra io ny anaran’i Mosesy. Kanefa nahoana no hoe “tendrombohitry ny famindram-po”? Fony i Mosesy teny an-tampony nandray ny Lalàna, ny vahoaka nijanona teo amin’ny lohasaha teo ambany (angamba teo amin’ny Lohasahan’i er-Raha hita etsy amin’ny sary) dia nanao hadalana. Nanery ny rahalahin’i Mosesy hanamboatra andriamanitra izy ireo. Hoy i Arona: “Romboty ary ny kavim-bolamena (...) ka ento etỳ amiko.” Noho izany dia nanao ombilahy volamena izy ireo mba hivavahany. Nampahatezitra an’ilay Andriamanitra marina izany ka nitarika ho amin’ny fahafatesan’olona an’arivony maro. (Eksodosy 32:1-35). I Arona anefa nanehoana famindram-po ka tsy novonoina. Fa nahoana?
Ny teny nataon’Andriamanitra ao amin’ny Eksodosy 32:10 dia mahatonga hihevitra fa tsy nihevitra an’i Arona ho ny tompon’andraikitra voalohany ny amin’ny fahotan’ny Isiraely izy. Ary rehefa tonga ilay fotoana hampiharana ny famaizana, “ny taranak’i Levy rehetra” dia nifidy ny hiandany tamin’Andriamanitra, ka tsy isalasalana fa anisan’izy ireo i Arona. (Eksodosy 32:26). Koa na dia meloka aza i Arona, dia nahazo ny famindram-pon’Andriamanitra teo am-pototry ny Tendrombohitra Sinay.
Tatỳ aoriana, dia nilaza ny faniriany hahalala an’i Jehovah tsaratsara kokoa sy hahita ny voninahiny i Mosesy. (Eksodosy 33:13, 18). Na dia tsy azon’i Mosesy natao aza ny nahita ny tavan’Andriamanitra, dia nampisehoan’i Jehovah ny sasany tamin’ny Voninahiny izy, tamin’ny fanamafisana fa ‘hamindra fo amin’izay hamindrany fo’ Izy. (Eksodosy 33:17–34:7). Tena nety indrindra ny nanantitranteran’Andriamanitra ny amin’ny famindram-pony, satria ny Baiboly dia mampiasa imbetsaka ny hoe “famindram-po” momba ny fifampiraharahan’Andriamanitra tamin’ny Isiraely, izay nampidiriny tao anatin’ny fanekena iray tao Sinay. — Salamo 103:7-13, 18.
Ireo mpitsidika ny Tendrombohitra Sinay amin’izao andro izao dia mahita monasitera, izay zara raha hampahatsiahy ny olona ny amin’ilay fanompoam-pivavahana marina nianaran’i Mosesy fony izy teny ambonin’ilay tendrombohitra. Ny fivavahana ao amin’io monasitera io kosa dia mifantoka amin’ny icônes (takela-kazo kely misy sary hoso-doko ara-pivavahana). Ilay aseho eto dia “Ny Tohatra Mankany Amin’ny Paradisa”. Miorina amin’ny boky iray nataon’i John Climacus, frera byzantin iray, izy io. Rehefa avy nandany teo amin’ny 40 taona teo ho eo tao amin’ny efitrano bitika iray tao amin’ilay monastera izy, dia tonga mpifehy azy io ary nanoratra momba ny tohatra ara-panoharana iray mankany an-danitra. Mariho anefa fa, eo amin’io sary io, dia sintonina demonia hidina ho any amin’ny fampijaliana mandrakizay ao amin’ny afobe ny mpikambana sasany ao amin’ny klerjy. Sary mazava tsara, kanefa tsy araka ny Soratra Masina! — Mpitoriteny 9:5, 10; Jeremia 7:31.
Mifanohitra amin’io fampianaran-diso io, ny fahamarinana dia hoe “Andriamanitra mamindra fo sy miantra, mahari-po sady be famindrampo sy fahamarinana” ny Tsitoha. (Eksodosy 34:6). Nanatona akaiky an’io Andriamanitra be famindram-po i Mosesy teo amin’ny Tendrombohitra Sinay.
[Fanamarihana ambany pejy]
a Mba hahitana sary lehibe kokoa, dia jereo ny Calendrier des Témoins de Jéhovah 1993.
[Sary nahazoan-dalana, pejy 8]
Pictorial Archive (Near Eastern History) Est.
[Sary nahazoan-dalana, pejy 9]
Pictorial Archive (Near Eastern History) Est.
[Sary nahazoan-dalana, pejy 9]
Pictorial Archive (Near Eastern History) Est.