“Inty Aho, Iraho Aho”
NOTANTARAIN’I WILFRED JOHN
Nisy miaramila birmanina nitam-piadiana nanafika anay avy teo amin’ny lafiny roa tamin’ilay renirano. Efa voaomana tsara mba hitifirana ny basiny, ary niroboka hatreny am-balahana tao anaty rano izy ireo ka nanodidina anay teo ambanin’ny tetezana teo amin’ilay lalambe.
TORA-KOVITRA izahay sy ilay namako. Inona no dikan’izao? Na dia tsy nahafantatra ilay fiteny aza izahay, tsy ela dia takatray ilay hafatra — nosamborina izahay. Tsy nisy afa-tsy servieta no nisikananay, ary nentina tsy nisy fanehoam-piheverana ho any amin’ny paositry ny polisy iray teo akaiky izahay. Tao izahay dia nadinin’ny miaramila manamboninahitra iray niteny anglisy.
Tamin’ny 1941, nandritra ny ady lehibe faharoa, no nitrangan’izany, ary nahiahina ho mpanakantsakana ny ady izahay. Rehefa avy nanazava ny amin’ny asa fitoriana kristiana nataonay izahay, ho fanomezana fahafaham-po an’ilay manamboninahitra, dia nilazany fa tena nahavoa mihitsy izahay tafavoaka velona avy tamin’ilay fanafihana. Ny ankamaroan’ireo olona ahiahina, hoy izy, dia notifirina avy hatrany, tsy nisy fanaovana fanontaniana taminy akory. Nisaotra an’i Jehovah izahay ary nanaraka ny torohevitr’ilay manamboninahitra mba tsy hijanonjanona teny ambanin’ny tetezana intsony.
Ahoana no nahatongavako tamin’io tarehin-javatra tany Birmania (Myanma ankehitriny) io? Mamelà ahy hanazava izany sy hilaza zavatra sasantsasany momba ny fiainako.
Safidy iray nataoko aloha be teo amin’ny fiainako
Teraka tany Pays de Galles tamin’ny 1917 aho, ary rehefa enin-taona, dia nifindra honina tatỳ Nouvelle-Zélande niaraka tamin’ny ray aman-dreniko sy ny zandriko lahy. Nihalehibe teo amin’ny toeram-piompian’ny raiko aho. Indray andro izy dia nitondra tao an-trano, antontam-boky tranainy novidiny tao amin’ny fivarotan-javatra efa nampiasain’olona. Nisy boky roa tamin’ny Études des Écritures, natontan’ny Watch Tower Bible and Tract Society, anisan’izy ireo. Nanjary ny fananan’ny reniko tsy foiny indrindra izy ireo, ary toa an’i Eonika renin’i Timoty, dia nanome ahy ny faniriana hampiasa ny fahatanorako hampandrosoana ireo tombontsoan’ny Fanjakan’i Jehovah, izy. — 2 Timoty 1:5.
Tamin’ny 1937, dia tsy maintsy niatrika safidy iray aho: na, handimby ny raiko mba hikarakara ny toeram-piompiany, na hilaza tamin’i Jehovah toy ny nataon’i Isaia mpaminanin’Andriamanitra hoe: “Inty aho, iraho aho.” (Isaia 6:8). Tanora aho, salama tsara ary tsy nanana andraikitra. Efa nanandrana ny fiainana teo amin’ny toeram-piompiana aho, ary tiako ilay izy. Tetsy an-danin’izany kosa, dia tsy nanana fanandraman-javatra momba ny fanompoana manontolo andro, na ny asan’ny mpisava lalana, mihitsy aho. Inona no hofidiko — hiasa teo amin’ilay toeram-piompiana, sa hanompo tamin’ny naha-mpisava lalana?
Loharanom-pampaherezana ireo mpandahateny avy tany amin’ny biraon’ny sampan’ny Vavolombelon’i Jehovah tany Aostralia. Nitsidika ny faritra nisy anay teto Nouvelle-Zélande izy ireo ary nampirisika ahy mba hampiasa ny fahatanorako sarobidy mba hanompoana an’Andriamanitra. (Mpitoriteny 12:1). Niresaka momba izany tamin’ny ray aman-dreniko aho, ary nanaiky izy ireo fa fahendrena ny hametrahana ny sitrapon’Andriamanitra teo amin’ny toerana voalohany indrindra. Nisaintsaina momba ireto teny nataon’i Jesosy Kristy tao amin’ny Toriteniny teo An-tendrombohitra ireto koa aho: “Fa katsaho aloha ny fanjakany sy ny [fahamarinan’Andriamanitra], dia hanampy ho anareo izany rehetra izany.” — Matio 6:33.
Vita àry ny safidiko! Koa satria tsy nisy sampan’ny Vavolombelon’i Jehovah teto Nouvelle-Zélande tamin’izay, dia nasaina mba hanompo tao amin’ny sampan’i Aostralia tao Sydney aho. Noho izany, tamin’ny 1937, dia niondrana an-tsambo mba ho any Aostralia aho, mba ho mpanompon’i Jehovah Andriamanitra manontolo andro.
‘Asa inona izao no hanendrena ahy hataoko?’, hoy aho nanontany tena. Zava-dehibe ve anefa izany? Tsy efa nilaza tamin’i Jehovah ve aho hoe: ‘Inty aho, ampiasao amin’izay anirianao azy’? Nandritra ny roa taona aho dia nanampy tamin’ny fanamboarana gramophones, izay nampiasain’ny Vavolombelon’i Jehovah tamin’izany andro izany mba hampihainoana lahateny ara-baiboly noraisina feo, an’ireo tompon-trano. Kanefa, ny fampiofanana voalohany indrindra azoko tao amin’io sampana io dia ny asa tao amin’ny fitahirizana ireo zavatra vita an-tsoratra.
Nankany Singapour
Tamin’ny 1939 aho dia notendrena mba ho any Extrême-Orient — mba hanompo tao amin’ny fitahirizana ireo zavatra vita an-tsoratry ny Fikambanana tao Singapour. Nampiasaina ho toy ny toerana foibe nandraisana sy nandefasana zavatra vita an-tsoratra avy tany Aostralia sy Angletera ary Etazonia ho any amin’ny tany maro tany Azia, io toerana io.
Tanàna nitenenana fiteny maro be ary nifangaroan’ny kolontsaina tatsinanana sy eoropeana i Singapour. Ny teny maleziana no fomba nifampiresahana nahazatra, ary mba hahafahana hitory isan-trano, dia tsy maintsy nianatra azy io izahay vahiny. Nanana izay nantsoina hoe karatra fanaovana fanambarana tamin’ny fiteny maro izahay. Nisy hafatra fohy vita pirinty momba ilay Fanjakana izy ireny.
Tamin’ny voalohany, dia nianarako tsianjery ilay teny maleziana tao amin’ilay karatra fanaovana fanambarana, ary avy eo dia nampitomboiko tsikelikely ireo voambolana nianarako tamin’io fiteny io. Nitondra zavatra vita an-tsoratra ara-baiboly tamin’ny fiteny maro hafa koa anefa izahay. Ho an’ireo mponina karana, ohatra, dia nanana zavatra vita an-tsoratra tamin’ny teny bengali, goujrati, hindi, malayalam, ourdou ary tamoul, izahay. Fanandraman-javatra vaovao ho ahy ny nifankahita tamin’olona niteny tamin’ny fiteny maro toy izany.
Tsaroako tsara ilay fanambarana nahatahotra natao tamin’ny Septambra 1939 momba ny fipoahan’ny ady tany Eoropa. Nanontany tena izahay hoe: ‘Hiharatsy ve izy io ka hahafaoka ny atỳ Extrême-Orient koa?’ Tamiko dia toa ny fiandohan’ny Haramagedona ilay izy — tena tamin’ny fotoana nety tsara! Nahatsiaro fahafaham-po aho satria nampiasa ny fahatanorako tamin’ny fomba feno sy araka ny tokony ho izy.
Sady niasa tao amin’ilay fitahirizana ireo zavatra vita an-tsoratra aho no nandray anjara feno tamin’ireo fivorian’ny kongregasiona sy ny asa fanompoana. Nisy fampianarana Baiboly maro notarihina, ary nanaiky hatao batisa tao anaty rano ny olona sasany. Nentina teny amin’ny moron-dranomasina iray teo akaiky izy ireo ary naroboka tao amin’ireo rano mafanan’ny seranan’i Singapour. Nanapa-kevitra ny hanao fivoriambe mihitsy aza izahay, ary nanaparitaka mangingina taratasy fanasana tamin’ireo olona liana. Faly izahay fa nisy 25 teo ho eo nanatrika izay ninoanay tamin’izay fa ho ny fivoriambenay farany talohan’ny Haramagedona.
Voafetran’ny ady aoka izany ny fifandraisana teo amin’ireo sampan’ny Fikambanana. Ny fitahirizana ireo zavatra vita an-tsoratra tao Singapour nisy anay, ohatra, dia naharay filazana fohy fa hisy mpisava lalana alemanina telo ho tonga tao Singapour indray andro any, nandeha sambo tsy voalaza anarana ary ho any amin’ny toerana tsy voatonona nanendrena azy ireo. Herinandro vitsivitsy taorian’izay dia tonga izy ireo ary nandany adiny folo nampientana niarahana taminay. Na dia nanahirana aza ny fiteny, dia takatray fa tany Shanghai no toerana nanendrena azy ireo.
Ny asa nanendrena ahy tany Shanghai
Herintaona tatỳ aoriana dia notendrena mba hanompo tany Shanghai koa aho. Tsy nomena adiresin-trano aho, fa nomeraona boîte postale iray fotsiny. Rehefa avy nanaovana famotopotorana lalina tany amin’ny paositra aho, dia afaka nampiaiky azy ireo hoe iza ny tenako, ka nomeny ny adiresin’ny toerana nisy ny Fikambanana. Nilaza tamiko anefa ilay Sinoa nipetraka tao fa efa nifindra trano ny sampana ary tsy namela adiresy.
‘Inona no hataoko izao?’, hoy aho nanontany tena. Nivavaka mangina aho mba hahazoana fitarihana. Rehefa nitraka aho, dia nahatazana lehilahy telo, lavalava kokoa noho ny ankamaroan’ireo olona ary somary tsy nitovy tamin’ny hafa rehetra ny endriny ivelany. Tena nitovy tamin’ireo Alemanina telo nijanona tany Singapour nandritra ireo ora vitsy dia vitsy mihitsy izy ireo. Nanatona azy ireo haingana aho.
“Aza fady indrindra”, hoy aho niakanakana tamim-pahataitairana. Nijanona izy ireo ary nibanjina ahy tamin’ny fomba fijery feno ahiahy sy fanontaniana. “Singapour. Vavolombelon’i Jehovah. Tadidinareo ve aho?”, hoy aho nanontany.
Rehefa afaka fotoana kelikely, dia namaly izy ireo hoe: “Ja! Ja! Ja!” Nifamihina tampoka teo izahay, ary nirotsaka teo amin’ny tarehiko ny ranomasom-pifaliana. Olona an-tapitrisany maro no nonina tao, koa nahoana no sendra nandalo tamin’io toerana io tamin’io fotoana io izy telo mirahalahy ireo? Hoy fotsiny aho hoe: “Misaotra, Jehovah ô.” Fianakaviana sinoa telo, ireo Alemanina telo ary izaho no hany Vavolombelona tany Shanghai tamin’izay.
Hong-Kong ary avy eo dia Birmania
Rehefa avy nanompo tany Shanghai nandritra ny volana vitsivitsy aho dia notendrena ho any Hong-Kong. Rehefa tsy tonga avy tany Aostralia ilay mpisava lalana tokony ho namako, dia nanjary izaho irery no hany Vavolombelona tao amin’io zanatany io. Teo indray koa dia tsy maintsy nampahatsiahy tena aho fa nilaza tamin’i Jehovah hoe: “Inty aho, iraho aho.”
Tamin’ireo Sinoa niteny anglisy no tena nanaovako ny asako. Sarotra tamiko anefa ny nihoatra ny vavahadin’ireo trano be, satria tsy niteny afa-tsy teny sinoa ireo mpiambina teo. Nianatra teny sinoa kely tamin’ireo fitenim-paritra roa fampiasa indrindra àry aho. Nahomby ilay izy! Nanatona ireo mpiambina aho, nampiseho ny karatro nisy ny anton-draharahako, nanonona ireo teny sinoa vitsivitsy fantatro, ary mazàna dia nampandrosoina.
Indray mandeha, rehefa nitsidika sekoly iray aho, dia nanaraka io fomba fanaoko io ihany mba hahafahako hiresaka tamin’ny talen’ilay sekoly. Mpampianatra iray tamin’ny kilasy ambaratonga voalohany no tonga nitsena ahy teo amin’ny lalantsara fidirana. Nanaraka azy namakivaky lakilasy sasantsasany aho, naneho fankasitrahana ny fanehoam-panajana nataon’ireo ankizy, ary niomana mba hifankahalala tamin’ilay tale. Nandondòna ilay mpampianatra, nanokatra ilay varavarana, nihemotra ary nanasa ahy hiditra. Sady gaga aho no tezitra rehefa nahita fa nentiny tamim-pahalalam-pomba tany amin’ny toeram-pivoahana! Toa tsy azony ilay teny sinoa nampiasaiko, ary, araka ny nolazain’ilay tale tamiko tatỳ aoriana, dia noheveriny ho mpanara-maso ny fandehan’ireo fantsona sy ny fivarinan-drano maloto aho.
Rehefa avy niasa tao efa-bolana aho dia nampahafantarin’ny polisin’i Hong-Kong fa norarana ny asa fitorianay, ka na, tsy maintsy manajanona izany aho, na, mivoaka hiala ilay tany. Nifidy ny hiala ilay tany aho, satria tany amin’ny toerana hafa dia mbola nisokatra ny fahafahana hanohy hitory. Fony tao Hong-Kong aho, dia nahapetraka boky 462 ary nanampy olona roa hafa handray anjara tamin’ny fanompoana.
Avy tao Hong-Kong aho dia notendrena ho any Birmania. Tany aho dia nanao ny asan’ny mpisava lalana sady nanampy teo amin’ny asa tao amin’ny fitahirizana ireo zavatra vita an-tsoratra tao Rangoon (Yangon ankehitriny). Ny iray tamin’ireo fanandraman-javatra nahaliana indrindra dia ny fitoriana tao amin’ireo tanàna sy tanàna kely niparitaka nanaraka ny lalana lehibe indrindra nampitohy an’i Rangoon tamin’i Mandalay ary tonga hatrany amin’ny tanànan’i Lashio, teo amin’ny sisin-tanin’i Sina. Nifantoka tamin’ireo mponina niteny anglisy izahay sy ilay mpisava lalana namako, ary nahazo famandrihana tamin’ny Consolation (ny gazety Mifohaza! ankehitriny) an-jatony maromaro. Lazaiko kely eto fotsiny fa io lalana lehibe indrindra nampitohy an’i Rangoon tamin’i Mandalay io dia nanjary fantatra ho ny Lalan’i Birmania, dia ilay lalana nampiasain’ny Amerikana mba handefasana ireo fitaovam-piadiana nankany Sina.
Matetika izahay dia nahatsiaro ho nila nandro rehefa avy nandeha an-tongotra tao anaty vovoka hakitrokely. Izany dia nitarika ho amin’ilay fisehoan-javatra notantaraiko tetsy am-boalohany, rehefa nosamborina izahay teo am-pandroana tao amin’ny renirano iray teo ambanin’ny tetezana iray. Tsy ela taorian’izay, ny ady sy ny aretina dia nanery anay hiverina tany Rangoon. Afaka nijanona tao Birmania hatramin’ny 1943 aho, rehefa nanery ahy hiverina tany Aostralia ny ady nihamafy.
Niverina tany Aostralia
Nandritra izany fotoana izany, dia norarana ny asan’ny Vavolombelon’i Jehovah tany Aostralia. Kanefa, tsy ela dia nesorina izany fandrarana izany, ary tatỳ aoriana dia nasaina hiasa tao amin’ny biraon’ny sampana indray aho. Avy eo, tamin’ny 1947, dia nanambady an’i Betty Moss, izay niasa tao amin’ny sampan’ny Fikambanana tao Aostralia, aho. Samy mpisava lalana ny rain’i Betty sy ny reniny, ary nampirisika azy sy i Bill anadahiny mba hanao ny asan’ny mpisava lalana ho ny asa hataon’izy ireo teo amin’ny fiainany. Nanomboka nanao ny asan’ny mpisava lalana tamin’ny andro nandaozany ny sekoly, teo amin’ny faha-14 taonany, i Betty. Nihevitra aho fa hety tsara ny hiarahanay, satria izy koa, raha ny tena izy, dia nilaza tamin’i Jehovah hoe: “Inty aho, iraho aho.”
Rehefa nivady herintaona izahay, dia nasaina mba hanao ny asa fitetezana fizaran-tany aho, mba hitsidika ireo kongregasionan’ny Vavolombelon’i Jehovah. Tena sarotra ny fiasana tany amin’ny faritra ambanivohitr’i Aostralia. Ireo tondra-drano matetika dia nahatonga ny fanaovana dia ho sarotra, indrindra fa tamin’ireo lalana feno fotaka malama. Tafakatra ho 43 degrés Celsius ny maripana amin’ny aloka tamin’ny fahavaratra. Nipetraka tao anaty lay izahay, ary nila tsy ho tanty mihitsy ny hafanana tamin’ny fahavaratra nigaingaina sy ny hatsiaka tamin’ny ririnina namirifiry.
Fifaliana ny nanompo tamin’ny naha-mpiandraikitra ny distrika, fony mbola tsy nisy afa-tsy roa ny distrika tany Aostralia. I Donald MacLean no tao amin’ny distrika iray, ary izaho no tao amin’ilay faharoa. Avy eo dia nifanova distrika izahay. Mampientana aoka izany ny mamaky fa misy kongregasiona maro ankehitriny any amin’ireo toerana nanompoanay fahiny ireo. Tena nitsimoka sy namokatra tokoa ireo voan’ny fahamarinana ao amin’ny Baiboly!
Niverina tany am-piandohana
Tamin’ny 1961 aho dia nahazo ny tombontsoa hanatrika ny kilasy voalohany tamin’ny sekolin’i Gileada fampiofanana misionera taorian’ny nifindrany tany Brooklyn, any New York. Efa nahazo fanasana maro hanatrika io sekoly io aho talohan’izay, saingy tsy afaka nanaiky izany noho ny antony ara-pahasalamana. Rehefa avy nanaraka fianarana naharitra folo volana aho, dia nasaina mba hanaiky fanendrena ho atỳ Nouvelle-Zélande.
Nanomboka tamin’ny Janoary 1962 àry dia teto Nouvelle-Zélande izahay sy i Betty. Matetika dia antsoina ho ny iray amin’ireo vatosoan’i Pasifika izy io. Teo amin’ny lafiny teokratika, dia fifaliana ny nanompo teo amin’ny asa fitetezana fizaran-tany sy distrika. Nandritra ireo 14 taona farany, nanomboka tamin’ny Aprily 1979, dia miasa ato amin’ny biraon’ny sampana eto Nouvelle-Zélande izahay.
Samy 70 taona mahery izahay sy i Betty, ary raha atambatra, dia nandany 116 taona teo amin’ny asa fanompoana manontolo andro niasana ho an’ilay Fanjakana tsy nisy fiatoana, izahay. I Betty dia nanomboka ny asan’ny mpisava lalana tamin’ny Janoary 1933 ary izaho tamin’ny Aprily 1937. Maro ireo fifaliana hitanay nahita ireo zanakay sy zafinay ara-panahy nanao koa ilay nataonay fony izahay tanora, izany hoe nanaraka ilay torohevitra ao amin’ny Mpitoriteny 12:1 manao hoe: “Ary tsarovy ny Mpanao anao amin’ny andro fahatanoranao”.
Toy inona moa ny tombontsoa nandany saika ny fiainanay manontolo mihitsy nitoriana ny vaovao tsaran’ny Fanjakan’Andriamanitra sy nanaovana mpianatra, araka ny baikon’i Jesosy Kristy Tompontsika! (Matio 24:14; 28:19, 20). Faly aoka izany izahay fa nanaiky ny fanasan’Andriamanitra toy ny nataon’i Isaia mpaminany efa ela izay, ka nanao hoe: “Inty aho, iraho aho.”