FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • w93 15/5 p. 8-11
  • Nahoana no Manompo An’i Jehovah?

Tsy misy video mifandray amin’io.

Miala tsiny fa tsy mety miseho ilay video.

  • Nahoana no Manompo An’i Jehovah?
  • Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—1993
  • Lohatenikely
  • Mitovitovy Aminy
  • Ilaina ny antony manosika araka ny tokony ho izy
  • Fanompoana noho ny antony manosika tsara
  • Adidy sady tombontsoa
  • Manome antony manosika ny fankasitrahana
  • Manomeza laza an’i Jehovah sy ny maha-Mpanjaka azy
  • Fifaliana sy fahafaham-po
  • Nahoana ianao no manompo an’Andriamanitra?
  • Ankalazao ny anarana masin’i Jehovah!
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—1990
  • Mifidiana ny Hanompo An’i Jehovah Dieny Mbola Tanora
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—2008
  • Manompoa An’i Jehovah Amim-paharavoam-po
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—1995
  • Manompoa an’i Jehovah amin’ny fo falifaly
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—1983
Hijery Hafa
Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—1993
w93 15/5 p. 8-11

Nahoana no Manompo An’i Jehovah?

“EFA antomotra ny andron’i Jehovah! Akaiky ny ‘fahoriana lehibe’, ary tsy ho tafita velona amin’izany ianao raha tsy manompo an’Andriamanitra.” Raha misy olona milaza izany aminao, inona no hataonao? — Zefania 2:2, 3; Matio 24:21.

Marina fa tokony hitadidy ny andron’i Jehovah ao an-tsaina isika. Marina koa fa miankina amin’ny fanompoantsika an’Andriamanitra amim-pahatokiana ny fahatafitantsika velona amin’ny fahoriana lehibe efa akaiky. Ireo ve anefa no tokony ho antony lehibe indrindra hanolorantsika fanompoana masina ho an’i Jehovah Andriamanitra? Nahoana ianao no manompo an’i Jehovah?

Ilaina ny antony manosika araka ny tokony ho izy

Raha tsy manompo an’Andriamanitra noho ny antony tsara ny olona iray, dia mety hiala amin’izany raha tsy tanteraka ao anatin’ny fe-potoana voafaritra iray ireo fanantenany. Ohatra, nisy olona nanantena ny hiverenan’i Jesosy Kristy tamin’ny 1843 na 1844. Kanefa nandalo tsy nahita ny fahatanterahan’ny fanantenany ireo daty ireo. Mahaliana eto izay nosoratan’i George Storrs, mpampanonta ny Bible Examiner ary nifankahalala tatỳ aoriana tamin’i Charles Taze Russell, prezidàn’ny Fikambanana Watch Tower voalohany. Tao amin’ny Bible Examiner tamin’ny Septambra 1846, dia nanoratra toy izao i Storrs:

“Ny adidy hanompo an’Andriamanitra dia miorina amin’ny antony ambony kokoa noho ny fahafantarana fotsiny fa hoe kely sisa dia ho tapitra ilay andro. (...) Ilay fihetsika hiseho raha mandalo araka ny mety hisehoany ny taona ’46 sy ’47, ka tsy hitrangan’ilay fiaviana faharoa, dia handiso fanantenana tsy misy ohatra izany. Manaporofo izany ny fanandraman-javatra — ny fanandraman-javatra tamin’ny ’43 sy ’44 no tiako holazaina. Aiza moa ankehitriny ny ankamaroan’ireo izay nihambo ho ‘nahazo fanentanana hanompo an’Andriamanitra’ araka ny tokony hataony, noho ilay fanambarana hoe izao no fotoana ho an’ny fiavian’ny Tompo. Ary miverina indray ilay ako — AIZA!!! Zara raha misy iray ao anatin’ny folo ireo izay hita mbola mandeha amin’ny finoana ho fanajana ny fihamboany ho Kristiana. Fa nahoana? Natosiky ny antony manosika ratsy izy ireny. Ny fitiavan-tenany no zavatra voalohany indrindra notaomina sy notairina. Tsy nisy hafa tamin’ilay mpanota izay mihevitra ny tenany ho eo am-bavahoanan’ny fahafatesana eo am-pandriana aharariany na ao anatin’ny tafiotra an-dranomasina, izy ireny. Raha tsy maintsy ho faty izy, dia ho tonga Kristiana. Raha fantany fa nieren-doza izy, dia tsy ho rototra toy ny hatramin’izay ihany.”

Fanompoana noho ny antony manosika tsara

Ny fitiavan-tena sy ny tahotra ny ho ringana dia mety hanosika ny sasany ho mody hanao ny sitrapon’i Jehovah. Ny hafa dia mety hientan-kafaliana aoka izany noho ilay fanantenana fiainana ao amin’ny Paradisa ka hanompo an’Andriamanitra noho izany antony izany fotsiny. Kanefa, raha atosiky ny antony toy izany voalohany indrindra ny olona ka mihevitra fa tsy dia akaiky loatra ny andron’i Jehovah sy ny fahoriana lehibe, dia mety tsy hirona hanompo an’Andriamanitra amin-jotom-po izy.

Mazava ho azy fa tsy fanehoam-pitiavan-tena akory ny hifaliana noho ireo fampanantenana sy fitahiana nambaran’Andriamanitra mialoha. Iriny ny hahasambatra antsika noho ireo fahatsinjovan-javatra napetraka eo anoloantsika amin’ny maha-mpanara-dia an’i Jesosy Kristy Zanany. “Mifalia amin’ny fanantenana”, hoy ny apostoly Paoly izay nanampy koa hoe: “Miareta amin’ny fahoriana; mahareta amin’ny fivavahana.” (Romana 12:12). Rehefa arahin’ny vavaka “ny fifaliana avy amin’i Jehovah”, dia manampy antsika hiaritra fitsapana ary hiandry amim-paharetana ny fahatanterahan’ireo fampanantenan’Andriamanitra. (Nehemia 8:10). Mandra-pahatongan’izany, dia manana antony maro hanompoana an’i Jehovah isika. Inona avy no sasany amin’izany?

Adidy sady tombontsoa

Amin’ny maha-Tompom-piandrianana eo Amin’izao Rehetra Izao azy, i Jehovah dia mendrika sady mitaky fifikirana aminy irery ihany. (Eksodosy 20:4, 5, NW ). Ny Kristiana tsirairay àry dia manana andraikitra mitovy ihany eo anatrehan’Andriamanitra, na hanomboka rahampitso na amin’ny herintaona na any aoriana kokoa ny fahoriana lehibe. Manana andraikitra hanompo an’i Jehovah tsy amim-pitiavan-tena izy noho ny fitiavana an’Andriamanitra amin’ny fony, ny fanahiny, ny sainy ary ny heriny rehetra. (Marka 12:30). Ny Kristiana voalohany sasany dia nihevitra fa efa akaiky ny andron’i Jehovah, kanefa tsy tanteraka ny fanantenan’izy ireny ary dia maty tsy nahita izany fisehoan-javatra izany izy ireny. (1 Tesaloniana 5:1-5; 2 Tesaloniana 2:1-5). Raha nahatoky hatramin’ny fahafatesana anefa ireny voahosotra mpanara-dia an’i Kristy ireny, dia handray ny fitsanganana amin’ny maty ho any amin’ny fiainana any an-danitra ho valisoa amin’ny farany. — Apokalypsy 2:10.

Ireo Vavolombelon’i Jehovah vita batisa dia tokony hanompo azy amim-pahatokiana satria nandray an-tsitrapo ilay andraikitra hanao ny sitrapony izy ireo. Eritrereto kely ange izany e! Toy ireo anjely masina, dia afaka manao ny sitrapon’ilay Tompom-piandrianana eo Amin’izao Rehetra Izao isika. (Salamo 103:20, 21). Nihevitra izany tombontsoa izany ho sarobidy aoka izany i Jesosy ka nilaza hoe: “Ny haniko dia ny manao ny sitrapon’Izay naniraka Ahy sy ny mahavita ny asany.” (Jaona 4:34). Raha manana izany toe-tsaina izany koa isika, dia hanambara amin-jotom-po ireo toetra mendrik’i Jehovah ary hilaza amin’ny hafa momba ireo fikasany aharihary ao amin’ny Soratra Masina. Amin’izany fomba izany, dia mahazo ny tombontsoa hanampy ny hafa eo amin’ny lafiny ara-panahy koa isika. Ary tena tombontsoa mahatalanjona ny fanaovana ny sitrapon’Andriamanitra noho ny fitiavana azy, na rahoviana na rahoviana no hanombohan’ny andron’i Jehovah.

Manome antony manosika ny fankasitrahana

Ny fankasitrahana ny fitiavan’Andriamanitra tamin’ny nanomezany ny Zanany ho sorom-panavotana dia tokony hanosika antsika hanompo an’i Jehovah koa. Nisy fotoana naha-tafasaraka antsika tamin’i Jehovah Andriamanitra noho ny fahotana. Kanefa hoy i Jesosy: “Tia izao tontolo izao[n’olombelona] aoka izany Andriamanitra, hany ka nomeny ny Zanany lahy tokana, mba tsy ho ringana izay rehetra maneho finoana azy fa hahazo ny fiainana mandrakizay.” (Jaona 3:16, NW ). Nanao ny dingana voalohany i Jehovah tamin’io lafiny io, araka ny nosoratan’i Paoly hoe: “Andriamanitra mampiseho ny fitiavany antsika, fa fony mbola mpanota isika, dia maty hamonjy antsika Kristy.” (Romana 5:8). Ny fankasitrahana io fisehoan’ny fitiavan’Andriamanitra io dia tokony hanosika antsika hanompo azy amin’ny fontsika rehetra.

Ny fankasitrahana ireo fanomezana ara-panahy sy ara-nofon’i Jehovah dia manome antsika antony fanampiny hanompoana azy amim-pahatokiana. Ny Tenin’Andriamanitra dia mpitari-dalana azo antoka — fahazavana eo amin’ny lalantsika. Ireo zavatra vita an-tsoratra omena amin’ny alalan’ny “mpanompo mahatoky sy malina” dia manampy antsika hampifanaraka ny fiainantsika amin’ny sitrapon’Andriamanitra. (Matio 24:45-47, NW; Salamo 119:105). Ary satria isika mikatsaka ilay Fanjakana voalohany indrindra, dia manome antsika izay ilaintsika ara-nofo koa i Jehovah. (Matio 6:25-34, NW ). Moa ve ianao mampiseho ny fankasitrahanao ireo zavatra ireo?

Ny fankasitrahana ny fanafahana avy tamin’ny fivavahan-diso nomen’Andriamanitra dia manome antony hafa koa hanompoana an’i Jehovah amim-pahatokiana. I Babylona Lehibe, ilay vehivavy janga ara-pivavahana dia “mipetraka eny ambonin’ny rano maro”, izany hoe eo amin’ny “olona sy vahoaka betsaka sy firenena maro ary samy hafa fiteny”. (Apokalypsy 17:1, 15). Kanefa tsy mipetraka eo ambonin’ny mpanompon’i Jehovah izy, izany hoe tsy mitaona na mifehy azy ireo eo amin’ny lafiny ara-pivavahana. Izy ireo, ohatra, dia mandà ny fampianarana ara-pivavahana diso ny amin’ny tsy fetezan’ny fanahy (âme) olombelona ho faty. Fantany fa ny olombelona dia noforonina ho ‘fanahy (âme) velona’, fa ny maty dia “tsy mba mahalala na inona na inona”, ary koa fa hisy ny fitsanganana amin’ny maty. (Genesisy 2:7, NW; Mpitoriteny 9:5, 10; Asan’ny Apostoly 24:15). Noho izany, dia sady tsy matahotra ny maty izy ireo no tsy manompo azy ireo koa. Moa ve ny fankasitrahana ny fahafahana ara-panahy toy izany mahatonga anao hanohitra ny fivadiham-pinoana sy hifikitra amin’ny fanompoam-pivavahana madio amin’i Jehovah? — Jaona 8:32.

Ny fankasitrahana ny fanohanana omen’i Jehovah isan’andro dia tokony hampitombo ny fahatapahan-kevitsika hanompo azy amin’ny tsy fivadihana. Nanambara toy izao i Davida mpanao salamo: “Isaorana anie ny Tompo, Izay mitondra ny entantsika isan-andro isan-andro”. (Salamo 68:19). Hoy koa ilay mpanao salamo: “Fa ny raiko aman-dreniko efa nahafoy ahy; fa Jehovah kosa no mandray ahy.” (Salamo 27:10). Eny, ny olona iray manompo an’i Jehovah amim-pahatokiana dia afaka mametraka ny entany ara-panoharana, toy ny fanahiana sy ny fitsapana, eo amin’Andriamanitra. Moa ve ianao mampiseho fankasitrahana ny fanohanan’i Jehovah tsy mety lefy, amin’ny fanompoana azy amim-pahatokiana? — Salamo 145:14.

Manomeza laza an’i Jehovah sy ny maha-Mpanjaka azy

Ny faniriana hankalaza an’i Jehovah koa dia tokony hanosika antsika hanompo azy. Ireo zavaboary any an-danitra dia aseho ho mankalaza an’Andriamanitra amin’ny alalan’ireto teny ireto: “Hianao, Tomponay sy Andriamanitray, no mendrika handray ny voninahitra sy ny haja ary ny hery; fa Hianao no nahary ny zavatra rehetra, ary noho ny sitraponao no nahanisy sy nahary azy.” (Apokalypsy 4:11). Nanome laza an’Andriamanitra i Davida Mpanjaka tamin’ny filazana hoe: “Anao, Jehovah ô, ny fahalehibiazana sy ny hery sy ny voninahitra sy ny famirapiratana ary ny fiandrianana (...); Anao ny fanjakana, Jehovah ô (...). Avy aminao ny harena sy ny voninahitra, ary Hianao no manjaka amin’izao rehetra izao; (...) misaotra Anao izahay, ry Andriamanitray ô, sy midera ny anaranao be voninahitra.” (1 Tantara 29:10-13). Amin’ny maha-mpanompon’i Jehovah antsika, moa ve isika tsy mahatsapa adidy hanome voninahitra azy amin’ny alalan’ny teny sy ny atao, eo am-piandrasana ny fahatanterahan’ireo fampanantenany? — 1 Korintiana 10:31.

Ny faniriana mahery hiresaka momba ny Fanjakan’Andriamanitra dia mbola manome antony hafa iray koa hanompoana an’i Jehovah. Izany antony madio izany dia voalaza tsara amin’ireto tenin’ny mpanao salamo ireto: “Jehovah ô, midera Anao ny asanao rehetra; ary ny olonao masina misaotra Anao. Milaza ny voninahitry ny fanjakanao izy sady miresaka ny herinao, mba hampahafantarina ny zanak’olombelona ny herinao sy ny haben’ny voninahitry ny fanjakanao. Fanjakana mandrakizay ny fanjakanao, ary hihatra amin’ny taranaka fara mandimby ny fanapahanao.” (Salamo 145:10-13). Ny fanambarana ny hafatra momba ilay Fanjakana no asa nasaina hataon’ny Kristiana ary ny asa lehibe indrindra tokony hatao amin’izao androntsika izao. (Matio 24:14; 28:19, 20). Moa ve ianao manana faniriana miredareda ny hihoby an’i Jehovah ary hilaza amin’ny hafa momba ny Fanjakany?

Ny fanamasinana ny anaran’i Jehovah sy ny fanamarinana ny fiandrianany dia tokony ho lehibe aoka izany amintsika ka hahatonga antsika haniry hanompo azy amim-pahatokiana. Azontsika atao ny mivavaka ho an’ny fanamasinana ny anaran’i Jehovah sy ny fanamarinana ny fiandrianany. (Matio 6:9). Afaka manao zavatra mifanaraka amin’ny vavaka ataontsika isika, amin’ny fanaovana ny fanompoana kristiana tsy tapaka sy amin’ny fampielezana ny fahamarinana momba ireo raharaha lehibe iankinan’ny aina ireo. — Ezekiela 36:23; 39:7.

Fifaliana sy fahafaham-po

Amin’ny fanompoana an’i Jehovah amim-pahatokiana, isika dia mahatsapa ny fahafaham-po azo avy amin’ny fampifaliana ny fony sy ny fanaporofoana fa mpandainga ny Devoly. Mihambo amim-pahadisoana i Satana fa ny olona dia manompo an’Andriamanitra noho ny antony feno fitiavan-tena. Ny fanompoana ataontsika amin’ny tsy fivadihana ho an’i Jehovah, noho ny fitiavana, anefa dia manaporofo fa diso ny fanendrikendrehan’ilay mpiteny ratsy. (Joba 1:8-12). Izany dia manome antsika antony tsara tokony hanohizana hanao ilay voalaza ao amin’ny Ohabolana 27:11 manao hoe: “Anaka, hendre, ary ampifalio ny foko, mba hamaliako izay miteny ratsy ahy.” Fanampin’izany, rehefa manompo an’i Jehovah amin’ny tsy fivadihana isika, na dia eo aza izay rehetra ataon’i Satana mba hanakanana antsika, ny fihazonantsika ny tsy fivadihantsika dia azo inoana fa hanatanjaka ireo mpiray finoana amintsika. — Filipiana 1:12-14.

Ny fifaliana sy ny fahafaham-po tsapa avy amin’ny fandraisana anjara amin’ny fijinjana ara-panahy dia tokony hanosika antsika koa hanompo an’i Jehovah amim-pahatokiana. I Jesosy dia nahita fahasambarana tamin’ny fanampiana ny olona, indrindra fa tamin’ny lafiny ara-panahy. Hoy ny Matio 9:35-38: “Jesosy nandeha nitety ny tanàna rehetra sy ny vohitra, nampianatra tao amin’ny synagoga sy nitory ny filazantsaran’ny fanjakana ary nahasitrana ny aretina rehetra mbamin’ny rofy rehetra. Ary nony nahita ny vahoaka Jesosy, dia nahonena Azy ny fijeriny ireo, satria nampahantraina ireo ka nafoy toy ny ondry tsy misy mpiandry. Dia hoy Izy tamin’ny mpianany: Be ny vokatra, fa ny mpiasa no vitsy; koa amin’izany mangataha amin’ny Tompon’ny vokatra mba hampandehanany mpiasa hamory ny vokatra.” Raha maharitra ela kokoa noho ny nanampoizantsika azy ny asa fijinjana, izany dia tokony hanome antsika fahafahana bebe kokoa hahita fifaliana sy fahafaham-po amin’ny fanampiana ny hafa eo amin’ny ara-panahy. Izany koa dia fomba iray hanehoantsika ny fitiava-namana antenaina amintsika. — Matio 22:39.

Nahoana ianao no manompo an’Andriamanitra?

Tsy nandinika afa-tsy vitsivitsy monja amin’ireo antony maro manery antsika hanompo an’i Jehovah amim-pahatokiana isika teo. Tsara ny hieritreretantsika amim-bavaka momba ireo antony manosika ny tenantsika manokana hanompo an’Andriamanitra, satria ny tsirairay amintsika dia tsy maintsy hampamoahina eo anatrehany. (Romana 14:12; Hebreo 4:13). Ary ireo izay mikiry hihazona antony manosika feno fitiavan-tena fotsiny dia tsy hahazo ny fankasitrahan’Andriamanitra.

Inona no azontsika antenaina raha miahy voalohany indrindra ny amin’ny fanamasinana ny anaran’i Jehovah isika ary manolotra fanompoana masina ho an’Andriamanitra noho ny antony manosika tsy misy fitiavan-tena? Tena hitahy antsika sy ny fanompoantsika tokoa i Jehovah! (Ohabolana 10:22). Hahazo fiainana mandrakizay koa isika satria nanompo an’i Jehovah tamim-pahatokiana.

[Sary nahazoan-dalana, pejy 8]

SIX SERMONS, by George Storrs (1855)

[Sary, pejy 9]

An’arivony maro no manompo an’i Jehovah any Japana

[Sary, pejy 10]

Fanompoana an’i Jehovah atsy Côte d’Ivoire

    Fitehirizam-boky Malagasy (1965-2025)
    Hiala
    Hiditra
    • Malagasy
    • Hizara
    • Firafitra
    • Copyright © 2025 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
    • Fifanekena
    • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
    • Firafitry ny Fifanekena
    • JW.ORG
    • Hiditra
    Hizara