FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • w93 1/6 p. 19-22
  • Inona no Ilaina mba Hahasambatra Anao?

Tsy misy video mifandray amin’io.

Miala tsiny fa tsy mety miseho ilay video.

  • Inona no Ilaina mba Hahasambatra Anao?
  • Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—1993
  • Lohatenikely
  • Mitovitovy Aminy
  • Tia vola tsy afa-po
  • Mety ho azo ny fahasambarana, amin’ny fomba ahoana anefa?
  • Famantarana ireo zavatra ilaina ara-panahy
  • Fitokiana amin’i Jehovah
  • Fanekena ny fananaran’Andriamanitra
  • Madio sy tia fihavanana
  • Fanehoana Fiaretana
  • Fahitana fahasambarana dieny izao sy ho mandrakizay
  • Ny Fahasambarana Marina eo Am-panompoana An’i Jehovah
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—1992
  • Momba ny Fahasambarana
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—2010
  • Sambatra Izay Manompo An’ilay “Andriamanitra Falifaly”
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah (Fianarana)—2018
  • Mety Hahasambatra Anao ve ny Harena?
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—1998
Hijery Hafa
Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—1993
w93 1/6 p. 19-22

Inona no Ilaina mba Hahasambatra Anao?

MIEZAKA mafy ireo mpanao politika voafidim-bahoaka mba hanao izay hahasambatra izany vahoaka izany. Miankina amin’izany tokoa anie ny asany e. Ny gazetiboky iray anefa dia niresaka ny amin’ny “mpifidy diso fanantenana sy feno fankahalana” tany Polonina. Nanazava ny mpanao gazety iray fa i Etazonia no fitambaran’olona “tsy matoky tanteraka ny politika ofisialy”. Miresaka amintsika ny amin’ny “fitomboan’ny tsy firaikana ara-politika any Frantsa” ny mpanoratra hafa iray. Ny tsy firaikana sy ny tsy fahafaliana miely patrana toy izany — izay tsy voafetra velively ho amin’ireo tany telo ireo fotsiny — dia milaza tsy mivantana fa tsy mahomby ireo mpanao politika eo amin’ny ezaka ataony mba hahasambatra ny olona.

Ireo mpitondra fivavahana koa dia mampanantena fahasambarana izay, raha tsy amin’ity fiainana ity, dia ao amin’ny fiainana iray ho avy fara faharatsiny. Izany dia aorin’izy ireo amin’ilay hevitra lazaina fa marina hoe manana fanahy tsy mety maty na fanahy mifindra vatana ny olona, dia hevitra izay lavin’ny olona maro noho ny antony isan-karazany, ary porofoin’ny Baiboly mazava tsara fa diso. Asehon’ireo fiangonana foana tsy misy olona sy ireo lisitry ny mpikambana mihena isa, fa olona an-tapitrisany maro no tsy mihevitra intsony ny fivavahana ho tena ilaina mba hahazoana fahasambarana. — Ampitahao amin’ny Genesisy 2:7, 17; Ezekiela 18:4, 20. 

Tia vola tsy afa-po

Aiza àry no hahitana fahasambarana raha tsy any amin’ny politika na ny fivavahana? Angamba any amin’ny tontolon’ny varotra? Izy io koa dia mihambo ho afaka manome fahasambarana. Miaro ny tenany izy amin’ny alalan’ny fampitam-baovao momba ny dokam-barotra, amin’ny filazana mazava tsara hoe: Ny fahasambarana dia avy amin’ny fananana ireo zavatra ara-nofo rehetra sy ireo fikarakarana rehetra izay azon’ny vola vidina.

Hita fa mitombo ny isan’ny olona mitady fahasambarana amin’izany fomba izany. Voalaza, taona maromaro lasa izay, fa ny 50 isan-jaton’ny ankohonana tany Alemaina dia nidiran-trosa be. Tsy mahagaga àry raha nilaza mialoha ilay gazety alemanina malaza hoe Die Zeit fa “maro [amin’izy ireo] no tsy ho tafavoaka mihitsy amin’ny trosa”. Nanazava izy hoe: “Mora erỳ ny maka vola mihoatra noho izay anananao any amin’ny banky noho ireo fampisamboram-bola ataon’ny banky tsy tapaka — ary sarotra erỳ ny manala ny tendanao avy ao anatin’ilay tadivavarana.”

Mitovy amin’izany ny toe-javatra any amin’ireo firenena hafa be taozava-baventy. Taona vitsivitsy lasa izay, i David Caplovitz, sosiology any amin’ny City University any New York, dia nanombana fa any Etazonia, dia ankohonana eo anelanelan’ny 20 tapitrisa ka hatramin’ny 25 tapitrisa no idiran-trosa be. “Difotry ny trosa ny olona”, hoy izy, “ary manimba ny fiainan’izy ireo izany.”

Toa tsy fahasambarana velively izany! Kanefa moa ve isika tokony hanampo fa ny tontolon’ny varotra dia afaka manatanteraka izay miharihary fa tsy vitan’ireo roa hafa (ny politika sy ny fivavahana)? Nanoratra toy izao indray mandeha i Solomona Mpanjaka nanankarena: “Izay tia vola tsy hety ho voky vola; ary izay fatra-pitia harena be tsy hety ho vokin’ny fitomboan-karena; fa zava-poana koa izany.” — Mpitoriteny 5:9.

Ny fitadiavana fahasambarana amin’ny fananana ara-nofo dia mitovy amin’ny fanaovana ariary zato am-pandriana. Mety handrisika ny saina erỳ ny fanonofinofisana ilay ariary zato, fa hahita zava-manahirana ianao raha mitady hividy zavatra amin’ilay izy.

Mety ho azo ny fahasambarana, amin’ny fomba ahoana anefa?

Niantso an’i Jehovah ho “ilay Andriamanitra sambatra” ny apostoly Paoly. (1 Timoty 1:11, NW ). Tamin’ny famoronana ny olombelona tahaka ny endriny, ilay Andriamanitra sambatra dia nanome azy ireo koa ny fahafahana ho sambatra. (Genesisy 1:26). Ny fahasambaran’izy ireo anefa dia tsy maintsy miankina amin’ny fanompoan’izy ireo an’Andriamanitra, araka ny nasehon’ny mpanao salamo toy izao: “Sambatra ny firenena izay manana an’i Jehovah ho Andriamaniny.” (Salamo 144:15b). Mety ho takatra tsara kokoa izay tafiditra amin’ny fanompoantsika an’Andriamanitra sy ny fomba itondran’izany tena fahasambarana, raha dinihintsika ny vitsivitsy amin’ireo toerana 110 isehoan’ny teny hoe “sambatra” sy “fahasambarana” ao amin’ny Fandikan-tenin’Izao Tontolo Izao Vaovao.

Famantarana ireo zavatra ilaina ara-panahy

Hoy i Jesosy Kristy, Zanak’Andriamanitra, tao amin’ilay Toriteny teo An-tendrombohitra malaza nataony: “Sambatra izay mahatsapa fa mila zavatra ara-panahy”. (Matio 5:3, NW ). Ny tontolon’ny varotra dia manandrana mamitaka antsika amin’ny fieritreretana fa ny fividianana ireo rendrarendra eo amin’ny fiainana dia ampy mba hahazoana fahasambarana. Milaza amintsika izy fa ny fahasambarana dia ny fananana ordinatera ao an-tokantrano, na fananana caméra vidéo, telefaonina, fiarakodia, fitaovana fanaovana fanatanjahan-tena nivoaka farany, fitafiana ara-damody. Izay tsy lazainy amintsika kosa dia ny hoe: Misy olona am-polony tapitrisa maro eo amin’izao tontolo izao tsy manana ireny zavatra ireny, ary anefa dia tsy voatery ho tsy sambatra. Na dia mety hahatonga ny fiainana hampiadana sy ho mora kokoa aza ireny zavatra ireny, dia tsy tena ilaina mba hahazoana fahasambarana.

Toy ny nataon’i Paoly, ireo izay mahatsapa ny zavatra ilainy ara-panahy dia milaza hoe: “Raha manan-kanina sy fitafiana isika, dia aoka hianina amin’izany.” (1 Timoty 6:8). Nahoana? Satria ny fanomezana fahafaham-po ireo zavatra ilaina ara-panahy no mitarika ho amin’ny fiainana mandrakizay. — Jaona 17:3.

Misy maha-ratsy azy ve ny fankafizana zavatra tsara raha manam-bola ividianana izany isika? Mety tsy ho izany. Na dia izany aza, dia manatanjaka ny fiainantsika ara-panahy ny fianarana tsy manaram-po amin’ny rendrarendra tsirairay na hividy zavatra iray satria fotsiny hoe manam-bola ho amin’izany isika. Mianatra fahaiza-mianina isika amin’izany, ary mitana fahasambarana toy ny nataon’i Jesosy, na dia tsy ny fari-piainana ara-bola tsara indrindra araka ny fari-pitsipik’izao tontolo izao aza no nananany. (Matio 8:20). Ary tsy nilaza tsy fahasambarana akory i Paoly rehefa nanoratra hoe: “Nianatra ny hahavita tena aho, na manao ahoana na manao ahoana toe-javatra misy ahy. Fantatro tokoa izany hoe tsy manam-batsy firy, fantatro tokoa izany hoe manam-be. Tamin’ny zavatra rehetra sy tamin’ny toe-javatra rehetra aho dia nianatra ny tsiambaratelon’ny hoe voky ary koa ny hoe noana, ny hoe manam-be ary koa ny hoe mizaka tsy fisiana.” — Filipiana 4:11, 12, NW.

Fitokiana amin’i Jehovah

Ny fahatsapana ny zavatra ilain’ny tena ara-panahy dia milaza fahavononana hitoky amin’Andriamanitra. Izany dia mitondra fahasambarana, araka ny nanazavan’i Solomona Mpanjaka azy hoe: “Izay matoky an’i Jehovah no ho sambatra.” — Ohabolana 16:20.

Tsy zava-misy ve anefa ny fametrahan’ny olona maro fitokiana bebe kokoa amin’ny vola sy ny fananana noho ny amin’Andriamanitra? Raha jerena avy amin’izany, dia tsy misy toerana faran’izay tsy mifanentana amin’ny fampisehoana ilay teny faneva hoe “Andriamanitra no Ametrahanay ny Fitokianay” toy ny eo amin’ny vola, kanefa dia miseho eo amin’ny vola amerikana io fitenenana io.

I Solomona Mpanjaka, izay tsy orin-java-tsoa azon’ny vola novidina, dia niaiky fa ny fitokiana amin’ireo fananana ara-nofo dia tsy mitarika ho amin’ny fahasambarana maharitra. (Mpitoriteny 5:11-14). Ny vola any amin’ny banky dia mety ho very noho ny banky bankirompitra na noho ny fisondrotan’ny vidim-piainana. Ny trano sy tany dia mety ho potiky ny tafio-drivotra mahery. Ireo fifanekem-piantohana, na dia manolo ampahany amin’ny fahavoazan’ny fananana aza, dia tsy afaka manonitra na oviana na oviana ny fahavoazana ara-pihetseham-po. Ireo petra-bola miasa sy ny renivola nampisamborina dia mety ho tonga tsinontsinona vetivety foana ao anatin’ny firodanan’ny tsenam-bola tampoka iray. Na dia ny asa be karama iray aza dia mety hihelina ihany, noho ny antony maro.

Noho ireo antony ireo, dia hitan’izay mitoky amin’i Jehovah fa fahendrena ny fihainoana ilay fampitandreman’i Jesosy manao hoe: “Aza mihary harena ho anareo etỳ an-tany, izay misy kalalao sy harafesina manimba, sady misy mpangalatra manamitrano sy mangalatra. Fa miharia harena ho anareo any an-danitra, izay tsy misy kalalao na harafesina manimba, sady tsy misy mpangalatra manamitrano na mangalatra.” — Matio 6:19, 20.

Inona moa no mety ho fahatsapana tsy fananana ahiahy sy fahasambarana lehibe kokoa noho ny fahafantarana fa ny tena dia mitoky amin’ilay Andriamanitra Tsitoha izay manome mandrakariva izay ilaina? — Salamo 94:14; Hebreo 13:5, 6.

Fanekena ny fananaran’Andriamanitra

Raisina an-tanan-droa ny torohevitra, na ny fananarana mihitsy aza, rehefa omen’ny tena namana iray amin’ny toe-tsaina feno fitiavana izany. Niteny tamim-piheveran-tena ho marina toy izao indray mandeha ny olona iray nihambo ho sakaizan’i Joba mpanompon’Andriamanitra: “Sambatra ny zanak’olombelona izay anarin’Andriamanitra”. Na dia marina aza ilay filazana, ilay tian’i Elifaza holazaina tamin’izany — hoe meloka ho nanao ratsy lehibe i Joba — dia tsy marina. “Mpampionona mahasorisorena” re izany! Rehefa nananatra an’i Joba tamim-pitiavana anefa i Jehovah tatỳ aoriana, dia nanaiky tamim-panetren-tena ilay fananarana i Joba ary nametraka ny tenany teo amin’ny lalan’ny fahasambarana lehibe kokoa. — Joba 5:17; 16:2; 42:6, 10-17.

Amin’izao andro izao, Andriamanitra dia tsy miresaka amin’ny mpanompony mivantana toy ny nataony tamin’i Joba. Mananatra azy ireo kosa izy amin’ny alalan’ny Teniny sy ny fandaminany tarihin’ny fanahiny. Ny Kristiana izay mikatsaka tombontsoa feno fitiavana fatratra zavatra ara-nofo anefa, dia matetika tsy manana na ny fotoana, na ny tanjaka, na ny fironana hianatra tsy tapaka ny Baiboly sy hanatrika ireo fivoriana rehetra alamin’ny fandaminan’i Jehovah.

Ny olona izay anarin’Andriamanitra, mifanaraka amin’ny Ohabolana 3:11-18, dia miaiky fa fahendrena ny manaiky ny fananarana toy izany: “Sambatra izay olona mahita fahendrena sy izay olona mahazo fahalalana. Fa ny fandrantoana azy dia tsara noho ny fandrantoana volafotsy, ary ny tombom-barotra aminy dia mihoatra noho ny volamena tsara. Saro-bidy noho ny voahangy izy; ary izay rehetra irinao tsy misy azo ampitahaina aminy. Fa andro maro no eo an-tànany ankavanana; ary harena sy voninahitra no eo an-tànany ankavia. Làlana mahafinaritra ny làlany, ary fiadanana ny alehany rehetra. Hazon’aina ho an’izay rehetra mifikitra aminy izy; ary izay rehetra mitana azy no hatao hoe sambatra.”

Madio sy tia fihavanana

Nilazalaza ny olona sambatra ho “madio am-po” sy “mpampihavana” i Jesosy. (Matio 5:8, 9). Kanefa eo amin’ny tontolo iray izay mampirisika fomba fiaina tia fatratra ny zavatra ara-nofo, dia mora foana toy inona moa ny hamakan’ny faniriana feno fitiavan-tena, angamba maloto mihitsy aza, ao am-pontsika! Raha tsy tarihin’ny fahendren’Andriamanitra isika, dia ho mora toy inona moa ny ho voafitaka hitady izay hahasoa ara-bola amin’ny fomba mampiahiahy izay hanapotika ny fifandraisana milamina amin’ny hafa! Tsy hoe tsy misy antony akory ny ampitandreman’ny Baiboly hoe: “Fa ny fitiavam-bola no fototry ny ratsy rehetra, koa ny sasany izay fatra-pitady izany dia efa voavily niala tamin’ny finoana ka nanindrona ny tenany tamin’ny alahelo be.” — 1 Timoty 6:10.

Ny fitiavam-bola dia mampirisika hanana fomba fijery mihevi-tena ho zavatra izay mampitombo tsy fahafaham-po sy tsy fisiam-pankasitrahana ary faniriana mihoa-pampana. Mba hisorohana ny fitomboan’ny toe-tsaina ratsy toy izany, ny Kristiana sasany dia manontany tena toy izao alohan’ny hanaovana fanapahan-kevitra lehibe ara-bola: Tena mila izany marina tokoa ve aho? Moa ve aho mila io fividianan-javatra lafo be io, na io asa be karama sy mandany fotoana io, bebe kokoa noho ireo olon-kafa an-tapitrisany maro izay tsy maintsy miaina tsy misy izany zavatra na asa izany? Moa ve aho afaka mandany amin’ny fomba tsara kokoa angamba, ny volako sy ny fotoanako amin’ny fanitarana ny fandraisako anjara amin’ny fanompoam-pivavahana marina; amin’ny fanohanana ny asa fitoriana maneran-tany, na amin’ny fanampiana ireo tsy nambinina kokoa noho ny tenako?

Fanehoana Fiaretana

Iray amin’ireo fitsapana voatery niaretan’i Joba ny fahavoazana lehibe ara-toe-karena. (Joba 1:14-17). Araka ny asehon’ny ohatra nomeny, ny fiaretana dia takina eo amin’ny lafim-piainana rehetra. Misy Kristiana sasany tsy maintsy miaritra fanenjehana; ny hafa, fakam-panahy; ny hafa koa, toe-piainana tsizarizary ara-toe-karena. Ny karazana fiaretana rehetra anefa dia hovalian’i Jehovah soa, araka ny nosoratan’i Jakoba mpianatra kristiana rehefa nanisy fitenenana ny amin’i Joba izy nanao hoe: “Ataontsika fa sambatra izay efa [niaritra, NW ]”. — Jakoba 5:11.

Ny fanaovana tsirambina ireo tombontsoa ara-panahy mba hanatsarana ny tarehin-javatra ara-toe-karena misy antsika dia mety hitondra fanamaivanana ara-bola mihelina ihany. Kanefa moa ve izany hanampy mba hitanana ho mazava hatrany ilay fahitantsika ny fanamaivanana ara-toe-karena haharitra eo ambanin’ny Fanjakan’Andriamanitra? Moa ve izany fisetrana loza mendrika hatao? — 2 Korintiana 4:18.

Fahitana fahasambarana dieny izao sy ho mandrakizay

Misy olona sasany manohitra miharihary ny fiheveran’i Jehovah ny amin’izay ilaina mba hahasambatra ny olombelona. Noho izy ireo tsy mijery ireo soa lehibe kokoa any aoriana, dia tsy mahita tombontsoa manokana avy hatrany amin’ny fanaovana izay asain’Andriamanitra atao izy ireo. Tsy takatr’izy ireo fa ny fitokiana amin’ny zavatra ara-nofo dia zava-poana ary mitarika ho amin’ny fahakiviana. Nanontany tamin’ny fomba mety toy izao ny mpanoratra Baiboly iray: “Raha mitombo ny fananana, dia mitombo koa ny mpihinana azy; ary inona no soa azon’ny tompony, afa-tsy ny mijery maso azy fotsiny ihany?” (Mpitoriteny 5:10; jereo koa Mpitoriteny 2:4-11; 7:12.) Haingana toy inona moa dia lefy ny fahalianana, ary ireo zavatra izay noheverintsika fa tsy maintsy ananantsika tsotra izao, dia miafara eny ambony talantalana, tsy manao afa-tsy ny mibahan-toerana sy manangom-bovoka fotsiny!

Ny Kristiana marina iray dia tsy hamela ny tenany mihitsy ho voatery ‘hifaninana amin’ny manodidina’ eo amin’ny fananana zavatra ara-nofo. Fantany fa ny tena fahamendrehana dia tsy tombanana amin’izay ananan’ny tena fa amin’ny maha-izy ny tena. Tsy misy fisalasalana mihitsy ao an-tsainy raha ny amin’izay ilaina mba hahatonga ny olona iray ho sambatra — ho sambatra marina tokoa: ny fananana fifandraisana tsara amin’i Jehovah sy ny fitoerana ho be raharaha eo amin’ny fanompoana Azy.

[Sary, pejy 20]

Tsy afaka mitondra fahasambarana maharitra mihitsy ny zavatra ara-nofo fotsiny

[Sary, pejy 22]

Hoy ny Baiboly: “Sambatra izay mahatsapa fa mila zavatra ara-panahy”

    Fitehirizam-boky Malagasy (1965-2025)
    Hiala
    Hiditra
    • Malagasy
    • Hizara
    • Firafitra
    • Copyright © 2025 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
    • Fifanekena
    • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
    • Firafitry ny Fifanekena
    • JW.ORG
    • Hiditra
    Hizara