Jeografia Araka ny Baiboly — Marina ve Izy Io?
VAO nody ny masoandro tany Palestina. Taona 1799 tamin’izay. Taorian’ny andro iray nahamay nanaovana dia an-tongotra, dia nanangana toby ny Tafika frantsay, ary i Napoléon, filoha tampony tao amin’ny tafika, dia nandrinandry tao an-dainy. Tamin’ny hazavana nitsilopilopin’ny labozia, dia namaky tamin’ny feo avo ny Baiboly frantsay ny iray tamin’ireo mpanompony.
Toa nitranga matetika izany nandritra ireo fanafihana ara-tafika nataon’i Napoléon tany Palestina. “Rehefa nitoby teo amin’ny sisa tsy rava tamin’ireny tanàna fahiny ireny izy ireo”, hoy ny tsaroany tao amin’ny tantaram-piainany nosoratany, “dia namaky tamin’ny feo avo ny Soratra Masina isan-kariva (...) Nanaitra ny saina ny fitovian-javatra sy ny fahamarinan’ireo filazalazana: mbola mifanaraka tsara amin’io tany io ihany izy ireny taorian’ny taonjato maro sy ny fiovana maro.”
Tsy azo lavina, fa mora amin’ireo mpanao dia lavitra any Moyen-Orient ny mampifanaraka ireo zava-nitranga tao amin’ny Baiboly amin’ireo toerana misy zavatra amin’izao andro izao. Talohan’ny nandresen’ny Tafika frantsay an’i Egypta, dia kely monja no fantatr’ireo vahiny momba io tany tranainy io. Avy eo, ireo mpahay siansa sy manam-pahaizana izay nentin’i Napoléon tany Egypta, dia nanomboka nampiseho tamin’izao tontolo izao, tsipirian-javatra maro momba ny voninahitr’i Egypta taloha. Izany dia nanamora kokoa ny fakana sary an-tsaina ny “fanompoana mafy” nampianjadiana tamin’ireo Isiraelita fahizay. — Eksodosy 1:13, 14.
Tamin’ilay alina nanafahana azy ireo avy tany Egypta, dia niangona tao Ramesesa ireo Isiraelita, ary avy eo dia nandeha an-tongotra nankany “an-tsisin’ny efitra”. (Eksodosy 12:37; 13:20). Teo Andriamanitra dia nandidy azy ireo “hivily” sy ‘hitoby teo amoron’ny ranomasina’. Tamin’io fihetsehana hafahafa io dia noheverina hoe “azon’ny tamberintany” izy ireo ary nandeha ny mpanjakan’i Egypta sy ny tafiny mbamin’ny kalesy fitondra miady 600 mba hisamborana indray ireo andevony taloha. — Eksodosy 14:1-9.
Ilay Fialana tany Egypta
Araka ny voalazan’i Josephus, mpanoratra tantara tamin’ny taonjato voalohany am.f.i., ny tafika egyptiana dia nitondra ny Isiraelita “tany amin’ny toerana tery iray” ary namandrika azy ireo “teo anelanelan’ny hantsana tsy azo naleha sy ny ranomasina”. Ilay tena toerana marina niampitan’ny Isiraelita ny Ranomasina Mena dia tsy fantatra amin’ny fomba azo antoka amin’izao andro izao. Kanefa dia mora ny maka sary an-tsaina ilay zava-nitranga avy eo an-tampon’ny tendrombohitra mitomandavana iray izay ahatazanana ny fifaranan’ny Ranomasina Mena any amin’ny tapany avaratra. Mahaliana fa ilay tendrombohitra dia antsoina hoe Jebel ʽAtaqah, izay midika hoe “Tendrombohitry ny Fanafahana”. Eo anelanelan’io tendrombohitra mitomandavana io sy ny Ranomasina Mena, dia misy tany lemaka kely izay mihatery hatreo am-pototr’ilay tendrombohitra efa ho ao anaty ranomasina. Eny andafin’ny Ranomasina Mena dia misy oasis iray (faritra kely lonaka any an’efitra) manana loharano maro, antsoina hoe ʽAyun Musaʼ izay midika hoe “fantsakan’i Mosesy”. Ny fanambanin’ny ranomasina eo anelanelan’ireo toerana roa ireo dia midina tsikelikely, kanefa any an-toeran-kafa dia milatsaka tampoka lalina any amin’ny 9 ka hatramin’ny 18 metatra any ho any.
Ireo teolojiana tsy manam-pinoana ao amin’ny Tontolon’ireo Fivavahana Lazaina fa Kristiana dia nanandrana nanao izay tsy hinoana ilay fahagagana nataon’Andriamanitra fony izy nampisaraka ny ranon’ny Ranomasina Mena ka namela ny Isiraelita ho afaka nandositra teo amin’ny tany maina. Novan’izy ireo tany amin’ny heniheny marivo iray any avaratry ny Ranomasina Mena ny toerana nisehoan’ilay zava-nitranga. Izany anefa dia tsy mifanaraka amin’ilay fitantaran’ny Baiboly izay milaza imbetsaka fa ilay fiampitana dia nitranga tao amin’ny Ranomasina Mena izay nisy rano be nandifotra an’i Farao sy ny tafiny iray manontolo, eny, nitelina azy ireo. — Eksodosy 14:26-31; Salamo 136:13-15; Hebreo 11:29.
Ny efitr’i Sinay
Ny toe-piainana mafy any amin’ny Saikinosin’i Sinay dia voalazalaza amin’ny fomba velona ao amin’ny fitantaran’ny Baiboly ny amin’ny firenirenen’ny Isiraely. (Deoteronomia 8:15). Koa moa ve ny firenena iray manontolo afaka niangona teo am-pototry ny Tendrombohitra Sinay mba handray ny Lalàn’Andriamanitra ary tatỳ aoriana dia nihemotra mba hijanona “teny lavitra eny”? (Eksodosy 19:1, 2; 20:18). Moa ve nisy toerana malalaka ampy mba hamelana izany fihetsiketsehana izany izay nataon’ny vahoaka iray notombanana ho telo tapitrisa ny isany?
Ny mpanao dia lavitra iray sady manam-pahaizana manokana momba ny Baiboly tamin’ny taonjato faha-19, i Arthur Stanley, dia nitsidika ilay faritry ny Tendrombohitra Sinay ary nilazalaza toy izao ny fahitana natrehin’ilay antokon’olona niaraka taminy, taorian’ny niakarany an’i Ras Safsafa: “Teo no ho eo ny fiantraikan’izany teo aminay, toy ny tamin’ny olona tsirairay izay nahita sy nilazalaza izany. (...) Nisy tany lemaka lalina mavo nidadasika teo, nikipaka nidina hatreny am-pototr’ireo hantsana mihitsy (...) Raha dinihina amin’ny saiky tsy fisian’ny fiarahan’ny lemaka sy ny tendrombohitra toy izany mihitsy amin’io faritra io, dia tena porofo lehibe momba ny fahamarinan’ilay fitantarana tokoa ny fahitana fiarahan-javatra toy izany, ary amin’izay indray eo amin’ny manodidina an’ilay Sinay nekena hatramin’izay.”
Ilay Tany Nampanantenaina
Tamin’ny taona faha-40 nirenirenen’ny Isiraely tany an’efitra, dia nanome izao filazalazana izao momba ireo toetra nampiavaka ilay tany nadiva hidirany i Mosesy: “Fa Jehovah Andriamanitrao efa hampiditra anao any amin’ny tany soa, dia tany misy renirano sy loharano ary rano lalina eny amin’ny lohasaha sy ny tendrombohitra”. — Deoteronomia 8:7.
Tsy ela dia hita ny fahamarinan’io fampanantenana io rehefa tafangona niaraka teo amin’ny lohasahan’i Sekema tsara tondraka, teo anelanelan’ny Tendrombohitra Ebala sy ny Tendrombohitra Gerizima, ilay firenena manontolo — lehilahy, vehivavy, ankizy madinika, ary vahiny. Nitsangana teo am-pototry ny Tendrombohitra Gerizima ny foko enina. Niangona teny an-daniny ilany amin’ilay lohasaha, teo am-pototry ny Tendrombohitra Ebala, ireo foko enina hafa mba hihaino ireo fitahian’Andriamanitra ho azon’ilay firenena raha nankato ny Lalàn’i Jehovah izy ireo, ary ireo fanozonana izay ho tonga raha tsy nitandrina ny Lalàn’Andriamanitra izy ireo. (Josoa 8:33-35). Nisy toerana ampy, antonona ilay firenena ve anefa tao amin’io lohasaha tery io? Ary ahoana no nandrenesan’izy rehetra kanefa tsy nisy fitaovana fanamafisam-peo maoderina?
Azon’i Jehovah Andriamanitra nohamafisina tamin’ny fomba nahagaga ny feon’ireo Levita. Hita anefa fa toa tsy nilaina ny fahagagana toy izany. Faran’izay tsara ny fahafahan’io lohasaha io mamerina ako. “Ireo mpanao dia lavitra rehetra”, hoy ny nosoratan’i Alfred Edersheim, manam-pahaizana manokana momba ny Baiboly tamin’ny taonjato faha-19, “dia mifanaraka amin’ny hevitra roa: 1. Fa tsy nety ho nisy fahasahiranana mihitsy teo amin’ny fandrenesana mazava tsara izay rehetra notenenina tao amin’ilay lohasaha, avy teny Ebala ary koa teny Gerizima. 2. Fa ireo tendrombohitra roa ireo dia nanana toerana ampy nijoroan’ny Isiraely rehetra.”
Nilazalaza ny fanandraman-javatra hitany tao amin’io lohasaha io i William Thomson, manam-pahaizana manokana momba ny Baiboly hafa iray tamin’ny taonjato faha-19, tao amin’ny bokiny hoe The Land and the Book: “Nikiakiaka aho mba handrenesako ilay ako, ary avy eo aho dia naka sary an-tsaina izay tsy maintsy ho nitranga fony nilaza tamin’ny feo avo ireo Levita hoe (...) ‘Hozonina ny olona izay manao sarin-javatra voasokitra, izay fahavetavetana eo imason’i Jehovah’. Ary avy eo ilay AMENA! niredona mafy kokoa avo folo heny, avy amin’ilay kongregasiona mahery, niakatra, dia nihamafy be ary nanako indray avy teny Ebala nankeny Gerizima, ary avy teny Gerizima nankeny Ebala.” — Ampitahao amin’ny Deoteronomia 27:11-15.
Ny Lohasahan’i Jezirela
Any avaratr’i Sekema dia misy lohasaha lonaka hafa iray, izay miakatra avy amin’ny faritra ambanin’ny haavon’ny ranomasina ary misokatra eo amin’ny lemaka midadasika iray. Antsoina hoe Lohasahan’i Jezirela io faritra manontolo io, nomena anarana araka ny tanànan’i Jezirela. Any avaratr’ilay lohasaha no misy ireo havoanan’i Galilia, misy an’i Nazareta tanàna nahabe an’i Jesosy. “I Nazareta”, hoy ny fanazavan’i George Smith ao amin’ny bokiny hoe The Historical Geography of the Holy Land, “dia mitoetra eo amin’ny lempona iray eo anivon’ireo havoana; amin’ny fotoana ianihanao ny sisin’io lempona io anefa (...) dia fahatazanan-javatra toy inona moa no eo anoloanao! Mivelatra eo anoloanao [ny Lohasahan’i Jezirela] miaraka amin’ireo (...) saha fanaovany ady (...) Sarintanin’ny tantara araka ny Testamenta Taloha izy io.”
Tao amin’io lohasaha lemaka io ireo arkeology dia namongatra sisa tsy rava tamin’ny tanàna fanjakana izay resin’ny Isiraely tamin’ny andron’i Josoa, dia i Tanaka, i Megido, i Jokneama ary azo inoana fa i Kadesy koa. (Josoa 12:7, 21, 22). Tao amin’io faritra io ihany, tamin’ny andron’i Baraka Mpitsara sy i Gideona Mpitsara, dia nanafaka tamin’ny fomba nahagaga ny vahoakany i Jehovah tamin’ireo firenena fahavalo faran’izay nahery. — Mpitsara 5:1, 19-21; 6:33; 7:22.
Taonjato maro tatỳ aoriana, i Jeho Mpanjaka dia nitaingina kalesy niakatra ilay lohasaha nankany amin’ny tanànan’i Jezirela mba hanatanteraka ilay didim-pitsaran’i Jehovah tamin’i Jezebela sy tamin’ny ankohonan’i Ahaba nivadi-pinoana. Teo amin’ny tilikambo tany Jezirela, dia mora tazana teny atsinanana ny fanatonan’ny miaramilan’i Jeho hatrany amin’ny 19 kilaometatra. Noho izany dia nanam-potoana lava be i Jorama Mpanjaka mba handefasana iraka nitaingin-tsoavaly voalohany sy ny faharoa avy eo, ary farany mba hampiomanana ny kalesin’i Jorama mpanjakan’ny Isiraely sy i Ahazia mpanjakan’i Joda ka nifanenan’izy ireo tamin’i Jeho talohan’ny nahatongavan’io tao an-tanànan’i Jezirela. Namono faingana an’i Jorama i Jeho. Nandositra i Ahazia, saingy naratra izy tatỳ aoriana ary maty tao Megido. (2 Mpanjaka 9:16-27). Nanoratra toy izao i George Smith mikasika ny faritra fanaovana ady toy ilay etsy ambony: “Manaitra fa tsy misy amin’ireo fitantarana ireo na dia iray aza (...) tsy ho azo natao ara-jeografia.”
Tsy isalasalana fa nitsinjo matetika ny Lohasahan’i Jezirela i Jesosy ary nisaintsaina ny amin’ireo fandresena nampientam-po izay nitranga teo. Ary fantany fa izy, ilay Mesia nampanantenaina, dia voatendry hanatanteraka ny asan’ilay Josoa Lehibe, i Baraka Lehibe, i Gideona Lehibe, ary i Jeho Lehibe ho fanamarinana ny fiandrianan’i Jehovah. Marina fa ny Baiboly dia mampiasa an’i Megido, ilay tanàna famaharana tsara indrindra tao amin’io lohasaha lemaka io, ho famantarana ilay toerana hanaovana ilay adin’Andriamanitra hoe Haramagedona (midika hoe “Tendrombohitr’i Megido”). Izany dia ady maneran-tany iray izay handringanan’i Jesosy Kristy, Mpanjakan’ny mpanjaka, izay rehetra fahavalon’Andriamanitra sy fahavalon’ny kongregasiona kristiana, tena vahoakan’Andriamanitra. — Apokalypsy 16:16; 17:14.
Milaza ny Baiboly fa indray mandeha ireo Jiosy tezitra tao Nazareta dia nanandrana nanjera an’i Jesosy mba hahafaty azy, avy teny “an-tampon’ny havoana niorenan’ny tanàna”. (Lioka 4:29). Mahaliana fa any atsimo andrefan’ilay tanànan’i Nazareta maoderina dia misy hantsana iray 12 metatra izay mety ho nisehoan’izany zava-nitranga izany. Afa-nandositra ireo fahavalony i Jesosy, ary milaza ny Baiboly, ho fanampin’izany, fa “nidina tany Kapernaomy” izy. (Lioka 4:30, 31). Marina tokoa fa i Kapernaomy, raha eo amin’ny ranomasin’i Galilia, dia ambanimbany kokoa.
Ireo andinindininy ireo mbamin’ny maro hafa dia nahatonga olon-kafa, ankoatra an’i Napoléon, haneho ny fahagagany mikasika ny fahamarinan’ny jeografia araka ny Baiboly. “Maro be sady mahafa-po tanteraka ireo fanisian’ny [Baiboly] firesahana ny amin’ny vohontany”, hoy ny nosoratan’i Thomson ao amin’ny The Land and the Book. “Sarotra ny tsy ho taitra amin’ny fifanarahana eo amin’ny tantara voasoratra sy ny jeografia voajanahary ao amin’ny Testamenta Taloha sy ny Vaovao koa”, hoy ny fanazavan’i Stanley ao amin’ny Sinai and Palestine.
Ny fahamarinana mahatalanjona ananan’ny Baiboly momba ireo zavatra ara-jeografia dia vao porofo iray monja fa tsy boky avy amin’olombelona fotsiny izy io. Ireo nomeraon’ny Ny Tilikambo Fiambenana telo teo aloha dia nirakitra lahatsoratra mifandray amin’ity mikasika ny Baiboly. Manasa anao izahay mba hahazo sy hankafy ireo tapany telo hafa amin’ity fitohitohizana ity.
[Sarintany, pejy 7]
(Jereo ny gazety)
LOHASAHAN’I JEZIRELA
Jezirela
Nazareta
Tanaka
Megido
Jokneama
Kadesy
Avaratra
RANOMASIN’I GALILIA
RANOMASINA LEHIBE
maily
kilaometatra
5
10
10
20
[Sary nahazoan-dalana]
Based on a map copyrighted by Pictorial Archive (Near Eastern History) Est. and Survey of Israel.
[Sary, pejy 5]
Nahazo ny Lalàna teo amin’ny Tendrombohitra Sinay ny Isiraely
[Sary nahazoan-dalana]
Pictorial Archive (Near Eastern History) Est.