FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • w93 15/8 p. 17-22
  • Aoka Hisy ary ho Tondraka ny Fifehezan-tenanareo

Tsy misy video mifandray amin’io.

Miala tsiny fa tsy mety miseho ilay video.

  • Aoka Hisy ary ho Tondraka ny Fifehezan-tenanareo
  • Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—1993
  • Lohatenikely
  • Mitovitovy Aminy
  • Zava-dehibe izy io saingy tsy mora
  • Fifehezan-tena mahakasika ny fihetseham-pontsika
  • Ny fihetseham-ponao sy ireo rahalahinao
  • Azo atao izany!
  • Ny Fifehezan-tena — Nahoana Izy Io no Zava-dehibe Aoka Izany?
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—1992
  • Ny fifehezan-tena: iankinan’ny aina ho an’ny kristiana
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—1986
  • Aoka Isika Hamboly Fifehezan-tena Izay Vokatry ny Fanahy
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—1992
  • Mifeheza Tena mba Hahazoana ny Loka!
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—2003
Hijery Hafa
Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—1993
w93 15/8 p. 17-22

Aoka Hisy ary ho Tondraka ny Fifehezan-tenanareo

“Ny finoanareo (...) ampio fifehezan-tena”. — 2 PETERA 1:5, 6, NW.

1. Amin’ny toe-javatra tsy mahazatra inona no mety hanaovan’ny Kristiana iray fanambarana?

NITENY toy izao i Jesosy: “Ary ho entiny eo anatrehan’ny mpanapaka sy ny mpanjaka hianareo noho ny amiko, ho vavolombelona aminy”. (Matio 10:18). Raha toa ianao ampanantsoina eo anatrehan’ny governora, na mpitsara, na prezidà iray, hiresaka ny amin’inona ianao? Angamba mikasika ny antony maha-eo anao aloha, dia ilay fiampangana natao taminao. Hanampy anao hanao izany ny fanahin’Andriamanitra. (Lioka 12:11, 12). Kanefa azonao saintsainina ve ny hiresaka ny amin’ny fifehezan-tena? Mihevitra azy io ho tapany lehibe amin’ny hafatra kristiana entintsika ve ianao?

2, 3. a) Ahoana no nahatonga an’i Paoly ho afaka nanao fanambarana tamin’i Feliksa sy i Drosila? b) Nahoana ny fifehezan-tena no foto-kevitra mety tsara horesahin’i Paoly tamin’io tarehin-javatra io?

2 Diniho itỳ ohatra iray tena nisy itỳ. Voasambotra sy nentina teo amin’ny fitsarana ny Vavolombelon’i Jehovah iray. Rehefa nomena fahafahana hiteny izy, dia naniry hanazava ny zavatra ninoany tamin’ny naha-Kristiana azy, ho fanaovana fanambarana. Afaka mandinika ilay fitantarana ianao ary ho hitanao fa nanao fanambarana nifanentana tamin’ny fitsarana izy “ny amin’ny fahamarinana sy ny fifehezan-tena ary ny fitsarana ho avy”. Ny fanandraman-javatra hitan’ny apostoly Paoly tany Kaisaria no asiantsika fitenenana eto. Nisy famotorana natao voalohany. “Rehefa afaka andro vitsivitsy, dia tonga Feliksa sy Drosila vadiny, vehivavy Jiosy, dia nampaka an’i Paoly izy ka nihaino azy nitory ny finoana an’i Kristy Jesosy.” (Asan’ny Apostoly 24:24). Lazain’ny tantara fa i Feliksa dia “nanao izao karazana halozana sy filan-dratsy rehetra izao, nampiasa ny fahefan’ny mpanjaka tamin’ny fironana rehetra ananan’ny andevo”. Indroa nanambady izy talohan’ny nitaomany an’i Drosila hisaraka tamin’ny vadiny (fandikana ny lalàn’Andriamanitra) sy ho tonga vadiny fahatelo. Angamba i Drosila no naniry hihaino ny amin’ilay fivavahana vaovao, dia ny Kristianisma.

3 Nanohy niresaka “ny amin’ny fahamarinana sy ny fifehezan-tena ary ny fitsarana ho avy” i Paoly. (Asan’ny Apostoly 24:25, NW ). Izany dia ho nampiharihary ny fifanoherana teo amin’ny fari-pitsipika mahitsin’Andriamanitra ary ny halozana sy ny fanaovana ny tsy rariny niainan-dry Feliksa sy Drosila. Nety ho nanantena ny hanosika an’i Feliksa hampihatra ny rariny tamin’ilay raharaha, i Paoly. Nahoana anefa izy no niresaka ny amin’ny “fifehezan-tena sy ny fitsarana ho avy”? Nanontany ny amin’izay notakin’ny “finoana an’i Kristy Jesosy” ireto olon-droa naloto fitondran-tena ireto. Koa nilain’izy ireo ny nahafantatra fa ny fanarahana azy dia mitaky ny hifehezana ny eritreritra sy ny teny ary ny ataon’ny tena, izany no atao hoe fifehezan-tena. Ampamoahina eo anatrehan’Andriamanitra noho ny eritreriny sy ny teniny ary ny ataony ny olona rehetra. Noho izany, dia lehibe kokoa noho izay nety ho fitsaran’i Feliksa ny raharahan’i Paoly ny fitsarana natrehin’ilay governora sy ny vadiny teo anatrehan’Andriamanitra. (Asan’ny Apostoly 17:30, 31; Romana 14:10-12). Takatra mora foana fa, rehefa nandre ny hafatr’i Paoly i Feliksa, “dia raiki-tahotra”.

Zava-dehibe izy io saingy tsy mora

4. Nahoana ny fifehezan-tena no tapany lehibe iray amin’ny Kristianisma marina?

4 Niaiky ny apostoly Paoly fa ny fifehezan-tena dia tapany tena ilaina ao amin’ny Kristianisma. Nanamafy izany ny apostoly Petera, iray tamin’ireo mpiara-miasa akaiky tamin’i Jesosy. Rehefa nanoratra tany amin’ireo izay “ho tonga mpiray amin’ny fomban’Andriamanitra” any an-danitra i Petera, dia nampirisika ny hanehoana toetra tsara sasany izay tena ilaina, toy ny finoana sy ny fitiavana ary ny fifehezan-tena. Noho izany, dia tafiditra tao anatin’izao fanomezan-toky izao ny fifehezan-tena: “Fa raha misy ao aminareo ireo zavatra ireo, ary tondraka, dia hisakana anareo tsy hipetra-potsiny na tsy hamokatra raha ny amin’ny fahalalana araka ny marina an’i Jesosy Kristy Tompontsika.” — 2 Petera 1:1, 4-8, NW.

5. Nahoana isika no manahy manokana ny amin’ny fifehezan-tena?

5 Fantatrao anefa, fa mora kokoa ny miteny hoe tokony haneho fifehezan-tena isika noho ny hoe tena mampihatra izany eo amin’ny fiainantsika andavanandro tokoa. Ny antony iray dia satria toetra tsara tsy fahita firy ny fifehezan-tena. Ao amin’ny 2 Timoty 3:1-5, dia lazalazain’i Paoly ny fihetsika hanjaka amin’ny androntsika, atỳ “am-parany”. Toetoetra iray hampiavaka ny vanim-potoana misy antsika ny fahamaroan’ny olona “tsy mahonon-po [“tsy manana fifehezan-tena”, NW ]”. Hitantsika fa marina izany manodidina antsika, sa tsy izany?

6. Ahoana no isehoan’ny tsy fifehezan-tena amin’izao andro izao?

6 Olona maro no mino fa, amin’ny fotony, dia mahasalama ny “fanehoana izay tsapa tsy misy fitanan-tena” na ny “famelana ny fihetseham-po mahery na ny hatezerana hipoaka”. Izany dia hamafisin’ireo olona fanta-bahoaka tahafin’ny maro, izay toa tsy miraharaha fifehezan-tena na inona na inona karazany, fa mampanaram-po fotsiny ny fientanam-pony. Intỳ misy fanazavana: Maro amin’ireo mpitia fanatanjahan-tena natao hahazoam-bola no nanjary nihazatra tamin’ny fampisehoana fihetseham-po tsy voafehy, faharomotana feno herisetra mihitsy aza. Tsy tadidinao ve, fara faharatsiny avy tamin’ny gazety, ireo ohatra nisian’ny ady feno herisetra na fibosesehan’ny mpirotaka tamin’ireo fisehoan-javatra ara-panatanjahan-tena? Ilay foto-kevitsika anefa dia tsy mitaky ny hanokanantsika fotoana be handinihana indray ireo ohatra nampiseho tsy fifehezan-tena. Afaka mitanisa lafiny maro izay ilantsika hanehoana fifehezan-tena ianao — ny fihinanantsika hanina sy ny fisotroana, ny fitondran-tenantsika eo anoloan’ny olona tsy lahy na tsy vavy tahaka antsika, ary ny fotoana sy ny vola lany amin’ny fialam-boly. Toy izay anefa handinika ivelany fotsiny ny maro amin’izany, dia aoka isika handinika lafiny iray tena lehibe tsy maintsy anehoantsika fifehezan-tena.

Fifehezan-tena mahakasika ny fihetseham-pontsika

7. Lafiny inona amin’ny fifehezan-tena no mendrika hodinihina manokana?

7 Maro amintsika no mahita fahombiazana amin’ny fetra antonony eo amin’ny fifehezana na fitanana ny fihetsitsika. Tsy mangalatra isika, tsy manaiky ho resin’ny fahalotoam-pitondran-tena, na mamono olona; fantatsika ny lalàn’Andriamanitra mikasika ny fanaovan-dratsy toy izany. Toy inona kosa anefa ny fahombiazantsika eo amin’ny fifehezana ny fihetseham-pontsika? Rehefa mandeha ny fotoana, ireo izay tsy mamboly fifehezan-tena ara-pihetseham-po matetika dia manary ny fifehezan-tena eo amin’izay ataony. Koa aoka àry isika hifantoka amin’ny fihetseham-pontsika.

8. Inona no antenain’i Jehovah avy amintsika raha mikasika ny fihetseham-pontsika?

8 Tsy antenain’i Jehovah Andriamanitra ny haha-robot antsika, mba tsy hananantsika na hanehoantsika fihetseham-po na inona na inona. Teo amin’ny fasan’i Lazarosy, dia “vonto ny fanahin[’i Jesosy] ka toran-kovitra” izy. Avy eo i “Jesosy [dia] nitomany”. (Jaona 11:32-38). Nampiseho fihetseham-po hafa tanteraka izy rehefa nandroaka ireo mpanakalo vola tao amin’ny tempoly, tamim-pifehezana tanteraka izay nataony. (Matio 21:12, 13; Jaona 2:14-17). Naneho fihetseham-po lalina koa ireo mpianany nahatoky. (Lioka 10:17; 24:41; Jaona 16:20-22; Asan’ny Apostoly 11:23; 12:12-14; 20:36-38; 3 Jaona 4). Na dia izany aza, dia takatr’izy ireo ny nilana fifehezan-tena mba tsy hahatonga ny fihetseham-pony hitarika ho amin’ny fahotana. Manazava tsara izany ny Efesiana 4:26: “Tezera, fa aza manota; ary aoka tsy ho tratry ny masoandro milentika ny fahatezeranareo.”

9. Nahoana no zava-dehibe aoka izany ny fifehezana ny fihetseham-pontsika?

9 Eo ny loza amin’ny hoe: mety ho toa maneho fifehezan-tena ny Kristiana iray, kanefa, raha ny marina, dia tsy voafehiny ny fihetseham-pony. Tsarovy ilay fihetsika niseho rehefa nankasitraka ny fanatitr’i Abela Andriamanitra: “Tezitra indrindra Kaina, sady nanjombona ny tarehiny. Ary hoy Jehovah tamin’i Kaina: Nahoana no tezitra hianao? Ary nahoana no manjombona ny tarehinao? Raha tsara toetra hianao, moa tsy ho miramirana va? Fa raha tsy tsara toetra kosa hianao, dia mamitsaka eo am-baravarana ny ota; ary hianao no kendren’ny faniriany”. (Genesisy 4:5-7). Tsy nofehezin’i Kaina ny fihetseham-pony izay nitarika azy hamono an’i Abela. Ny fihetseham-po tsy voafehy dia nitarika tany amin’ny fanaovan-javatra tsy voafehy.

10. Inona no ianaranao avy amin’ny ohatr’i Hamana?

10 Diniho koa ny ohatra iray tamin’ny andron’i Mordekay sy i Estera. Nanjary tezitra ilay mpanao fanjakana nantsoina hoe Hamana satria tsy nitsaoka azy i Mordekay. Tatỳ aoriana dia nihevitra tamin’ny fomba diso i Hamana fa hahazo sitraka. “Dia nivoaka tamin’izany andro izany Hamana, sady faly sy ravoravo ny fony; fa raha nahita an’i Mordekay teo am-bavahadin’ny mpanjaka izy, fa, indro, tsy mba nitsangana na nihetsika hitsaoka azy akory, dia feno fahatezerana taminy izy. Kanefa nanindry fo ihany Hamana ka lasa nody tany an-tranony aloha”. (Estera 5:9, 10). Vetivety izy dia nahatsapa ilay fihetseham-po ho amin’ny fifaliana. Na dia izany aza, dia vetivety koa izy dia nahatsapa faharomotana tamin’ny fahitana fotsiny olona iray izay nananany lonilony. Mihevitra ve ianao fa fakan-tahaka teo amin’ny fifehezan-tena i Hamana rehefa milaza ny Baiboly hoe “nanindry fo ihany” izy? Tsy izany velively. Tamin’izay fotoana izay dia nofehezin’i Hamana ny fihetsiny sy izay nety ho fisehon’ny fihetseham-pony, kanefa dia tsy nifehy ny haromotany feno fialonana izy. Nitarika azy hitetika famonoana olona ny fihetseham-pony.

11. Inona no zava-nanahirana nisy tao amin’ny kongregasionan’i Filipy, ary inona no nety ho nitarika ho amin’izany?

11 Toy izany koa, fa ny tsy fisian’ny fifehezana ny fihetseham-po amin’izao andro izao dia afaka manimba betsaka ny Kristiana. ‘Eisy’, hoy ny mety ho eritreritry ny sasany, ‘tsy ho zava-manahirana ao amin’ny kongregasiona izany.’ Efa nitranga anefa izany. Nisy tsy fifanarahana lehibe, izay tsy voalazalazan’ny Baiboly, teo amin’ny Kristiana voahosotra roa tany Filipy. Alao sary an-tsaina ho toy ny zavatra nety ho nitranga izao: Nanasa rahalahy sy anabavy sasany hisakafo na ho amin’ny fiaraha-mikorana mahafinaritra iray i Eodia. Tsy nasaina i Syntyke, ka nahatsiaro tena ho voaratra. Angamba namaly izany i Syntyke tamin’ny tsy fanasana an’i Eodia koa tatỳ aoriana. Avy eo dia samy nanomboka nitady izay fahadisoan’ny andaniny avy izy roa vavy; rehefa nandeha ny fotoana, dia zara raha nifampiteny izy ireo. Amin’ny fisehoan-javatra namboamboarina toy izany, moa ve ilay tsy fanasana hisakafo no zava-nanahirana fototra? Tsia. Ho ny pitik’afo fotsiny izany. Rehefa tsy nifehy ny fihetseham-pony ireo anabavy roa voahosotra ireo, dia nanjary doro tanety ilay pitik’afo. Naharitra ilay zava-nanahirana ary nitombo mandra-pahavoatery ny apostoly iray hisalovana. — Filipiana 4:2, 3.

Ny fihetseham-ponao sy ireo rahalahinao

12. Nahoana Andriamanitra no manome antsika ilay torohevitra hita ao amin’ny Mpitoriteny 7:9?

12 Ekena aloha fa tsy mora ny mifehy ny fihetseham-pon’ny tena rehefa mahatsiaro ny tena fa natao tsinontsinona, na voaratra, na nentina tamin’ny fitsarana an-tendrony. Fantatr’i Jehovah izany, satria efa nandinika ny fifandraisan’olombelona hatrany am-piandohan’ny olona izy. Manoro hevitra antsika toy izao Andriamanitra: “Aoka tsy halaky tezitra ny fanahinao; fa ny fahatezerana mitoetra ao an-tratran’ny adala.” (Mpitoriteny 7:9). Mariho fa nasian’Andriamanitra fiheverana voalohany ny fihetseham-po fa tsy ny fanaovan-javatra. (Ohabolana 14:17; 16:32; Jakoba 1:19). Manontania tena hoe: ‘Moa ve aho tokony hanisy fiheverana kokoa ny amin’ny fifehezana ny fihetseham-poko?’

13, 14. a) Eo amin’izao tontolo izao, inona mazàna no mitombo avy amin’ny tsy fifehezana ny fihetseham-po? b) Zavatra inona avy no mety hitarika ny Kristiana hanao otri-po?

13 Misy olona maro eo amin’izao tontolo izao, tsy mifehy ny fihetseham-pony, manomboka vendettas — fanaovana valifaty maharitra feno lonilony sy herisetra mihitsy aza, ka izany dia valifaty noho ny ratsy natao tamin’ny tenany na tamin’ny havany, na tena nisy izany fanaovan-dratsy izany, na noforonin’ny saina fotsiny. Raha vantany vao tsy voafehy ny fihetseham-po, dia afaka mampihatra ny heriny manimba izy io mandritra ny fotoana maharitra. (Ampitahao amin’ny Genesisy 34:1-7, 25-27; 49:5-7; 2 Samoela 2:17-23; 3:23-30; Ohabolana 26:24-26.) Azo antoka fa ny Kristiana, na inona na inona fiaviany ara-pirazanana na ara-kolontsaina, dia tokony hihevitra ny fifandrafiana feno lonilony sy ny otri-po toy izany ho tsy mety, ratsy, tokony hohalavirina. (Levitikosy 19:17). Moa ve ianao mihevitra ny fanalavirana ny otri-po ho anisan’ny fifehezanao tena eo amin’ny fihetseham-po?

14 Toy ny tamin’izay nanjo an’i Eodia sy i Syntyke, ny tsy fifehezana ny fihetseham-po dia afaka mitarika ho amin’ny zava-manahirana amin’izao fotoana izao. Mety hahatsiaro tena ho natao tsinontsinona ny anabavy iray noho ny tsy nanasana azy tamin’ny fanasam-panambadiana iray. Na angamba ny zanany na ny zanak’olo-mpiray tam-po aminy no tsy tafiditra tamin’izany. Angamba ny rahalahy iray nividy fiarakodia efa niasa tamin’ny Kristiana namana iray, ary rehefa afaka kelikely fotsiny dia simba ilay izy. Na inona na inona antony, izany dia mahatonga fahatsiarovan-tena ho voaratra, tsy voafehy ireo fihetseham-po, ary sosotra ireo izay tafiditra amin’izany. Dia ahoana avy eo?

15. a) Vokany mampalahelo inona avy no nentin’ny fanaovana otri-po teo amin’ny samy Kristiana? b) Torohevitra ao amin’ny Baiboly inona no mihatra amin’ny fironana hanao otri-po?

15 Raha tsy miezaka mifehy ny fihetseham-pony sy mihavana amin’ny rahalahiny ny olona sosotra iray, dia mety hitombo ny otri-po. Efa nitranga ny hoe nisy Vavolombelona iray nangataka ny tsy halefa any amin’ny Fianarana ny Bokin’ny Kongregasiona sasany satria “tsy azoazony” ny Kristiana na fianakaviana sasany nanatrika tao. Mampalahelo re izany! Milaza ny Baiboly fa ho faharesena ho an’ny Kristiana ny hifampitondrany any amin’ny fitsarana eo amin’izao tontolo izao, kanefa moa ve tsy ho faharesena mitovy amin’izany koa ny fanalavirantsika rahalahy iray noho ny fihetsika na teny tsy nisy fanajana natao tamintsika na tamin’ny havantsika sasany tamin’ny lasa? Moa ve ny fihetseham-pontsika mampiseho fa mametraka ny fifandraisana amin’ny havana ara-nofo alohan’ny fihavanana amin’ireo rahalahintsika sy anabavintsika isika? Moa ve isika milaza hoe vonona ny ho faty ho an’ny rahavavintsika, kanefa manosika antsika aoka izany ny fihetseham-pontsika hany ka zara raha miresaka aminy isika amin’izao fotoana izao? (Ampitahao amin’ny Jaona 15:13.) Milaza amintsika mivantana Andriamanitra hoe: “Aza mamaly ratsy na amin’iza na amin’iza. (...) Raha azo atao, dia ataovy izay hihavananareo amin’ny olona rehetra. Ry malala, aza mamaly ratsy, fa omeo làlana ny fahatezerana”. — Romana 12:17-19; 1 Korintiana 6:7.

16. Namela ohatra tsara inona i Abrahama teo amin’ny nandaminany ny fihetseham-po?

16 Dingana iray hahazoana indray mifehy ny fihetseham-pontsika ny fihavanana na ny fandaminana ilay anton’ny fitarainana, fa tsy ny famelana ny fahatezerana haharitra. Tsarovy ilay fotoana tsy naha-omby toerana ny andiam-biby maro be nananan’i Abrahama niaraka tamin’ny an’i Lota, ary ilay nanombohan’ny mpikaraman’izy ireo nifamaly noho izany. Moa ve i Abrahama namela ny fihetseham-pony handresy azy? Sa kosa izy nampiseho fifehezan-tena? Tamin’ny fomba naha-te hidera, dia nandroso ala olana iray nampihavana ho an’ilay fifandirana momba ny asa izy; aoka samy hanana faritany mitokana ny tsirairay. Ary dia nanome an’i Lota ny safidy voalohany izy. Mba hanaporofoana fa tsy nanana lonilony sady tsy nanao otri-po i Abrahama, dia nandeha niady ho an’i Lota izy tatỳ aoriana. — Genesisy 13:5-12; 14:13-16.

17. Ahoana no nahasolafaka an’i Paoly sy i Barnabasy indray mandeha, kanefa inona no nitranga taorian’izany?

17 Afaka mianatra ny fifehezan-tena koa isika avy amin’ny fisehoan-javatra iray nahatafiditra an’i Paoly sy i Barnabasy. Rehefa avy niaraka an-taonany maro izy ireo, dia tsy nifanara-kevitra ny amin’ny hitondrana na tsia, an’i Marka tamin’ny dia iray. “Ary nifanditra mafy izy roa lahy ka nisaraka; ary Barnabasy nitondra an’i Marka, dia niondrana an-tsambo nankany Kyprosy.” (Asan’ny Apostoly 15:39). Tokony ho fampitandremana ho antsika ny tsy nifehezan’ireo lehilahy matotra ireo ny fihetseham-pony tamin’io toe-javatra io. Raha afaka nitranga tamin’izy ireo izany, dia afaka mitranga amintsika. Tsy namela ny hitomboan’ny hantsana maharitra iray na vendetta anefa, izy ireo. Porofoin’ny fitantarana fa ireo rahalahy tafiditra tamin’izany dia nahafehy indray ny fihetseham-pony, ary tatỳ aoriana dia niara-niasa tamim-pihavanana. — Kolosiana 4:10; 2 Timoty 4:11.

18. Raha voaratra ny fihetseham-po, inona no azon’ny Kristiana matotra atao?

18 Afaka manampo isika fa mety hisy fihetseham-po voaratra, otri-po mihitsy aza eo anivon’ny vahoakan’Andriamanitra. Nisy izany tamin’ny andron’ireo Hebreo sy tamin’ny andron’ireo apostoly. Efa nitranga koa izany teo amin’ireo mpanompon’i Jehovah amin’izao androntsika izao, satria samy tsy tanteraka isika rehetra. (Jakoba 3:2). Nampirisika ireo mpanara-dia azy hanao zavatra haingana i Jesosy, mba handaminana ny zava-manahirana toy izany eo amin’ny samy mpirahalahy. (Matio 5:23-25). Tsara kokoa mihitsy anefa ny misoroka izany hatrany am-boalohany, amin’ny fanatsarana ny fifehezantsika tena. Raha nahatsiaro tena ho natao tsinontsinona ianao na tafintohina noho ny zavatra madinidinika nolazaina na nataon’ny rahalahinao na ny anabavinao, nahoana raha mifehy fotsiny ny fihetseham-ponao ary manadino izany tsotra izao? Tena ilaina ve ny hifanatrehana amin’ilay olon-kafa, toy ny hoe tsy ho afa-po ianao raha tsy miaiky ilay olona hoe diso? Hatraiza fotsiny no ahaizanao mifehy ny fihetseham-ponao?

Azo atao izany!

19. Nahoana no mety ny ifantohan’ny dinidinitsika amin’ny fifehezana ny fihetseham-pontsika?

19 Nivaofy voalohany indrindra ny endriny iray amin’ny fifehezan-tena isika, dia ny fifehezana ny fihetseham-pontsika. Ary faritra tena lehibe izany satria ny tsy fifehezana ny fihetseham-pontsika dia afaka mitarika ho amin’ny famoizana ny fifehezana ny lelantsika, ny fientanam-pontsika eo amin’ny maha-lahy sy maha-vavy, ny fahazarantsika eo amin’ny fihinanana, ary lafiny maro hafa eo amin’ny fiainana izay tsy maintsy anehoantsika fifehezan-tena. (1 Korintiana 7:8, 9; Jakoba 3:5-10). Mahereza anefa, satria afaka mihatsara ianao eo amin’ny fitanana fifehezan-tena.

20. Ahoana no ahafahantsika matoky fa azo atao izany fihatsarana izany?

20 Vonona ny hanampy antsika i Jehovah. Ahoana no ahafahantsika mahazo antoka ny amin’izany? Iray amin’ny vokatry ny fanahiny ny fifehezan-tena. (Galatiana 5:22, 23, NW ). Noho izany, arakaraka ny iezahantsika ny ho mendrika sy hahazo ny fanahy masina avy amin’i Jehovah ka hanehoantsika ny vokany, dia arakarak’izany koa no ahafahantsika manampo hahay hifehy tena kokoa. Aza hadinoina mihitsy ilay fanomezan-toky nataon’i Jesosy hoe: “Ny Ray, Izay any an-danitra, no hanome ny Fanahy Masina ho an’izay mangataka aminy”. — Lioka 11:13; 1 Jaona 5:14, 15.

21. Tapa-kevitra ny hanao inona ianao amin’ny hoavy mikasika ny fifehezan-tena sy ny fihetseham-ponao?

21 Aza mieritreritra hoe ho mora izany. Ary mety ho mafy kokoa izany ho an’ny sasany izany nobeazina teo anivon’ny olona namoaka tsy nisy fitanan-tena ny fihetseham-pony, ho an’ny sasany izany manana toetra mora tohina kokoa, na ho an’ny sasany izay mbola tsy niezaka mihitsy fotsiny haneho fifehezan-tena. Ho an’ny Kristiana toy izany, dia mety ho tena zava-tsarotra iray tsy maintsy resena ny famelana ny fifehezan-tena hisy, ary ho tondraka. Na dia izany aza, dia azo atao izany. (1 Korintiana 9:24-27). Arakaraka ny anatonantsika akaiky kokoa hatrany ny faran’itỳ fandehan-javatra itỳ, dia hitombo ireo fihenjanana sy fanerena. Tsy ho kely kokoa ny fifehezan-tena ilaintsika fa ho bebe kokoa, ho betsaka lavitra! Mandiniha tena raha ny amin’ny fifehezan-tenanao. Raha mahita lafiny ilainao hohatsaraina ianao, dia iezaho izany. (Salamo 139:23, 24). Mangataha amin’Andriamanitra mba hahazo bebe kokoa amin’ny fanahiny. Handre anao izy ary hanampy anao mba hahatonga ny fifehezan-tenanao hisy, ary ho tondraka. — 2 Petera 1:5-8, NW.

Hevitra Hosaintsainina

◻ Nahoana no zava-dehibe aoka izany ny fifehezana ny fihetseham-ponao?

◻ Inona no nianaranao avy amin’ny ohatr’i Hamana sy ny an’i Eodia sy i Syntyke?

◻ Inona no hiezahanao amim-pahamarinana hatao raha misy antony mahatafintohina mitranga?

◻ Ahoana no hahafahan’ny fifehezan-tena hanampy anao hanalavitra ny fanaovana otri-po?

[Sary, pejy 18]

Rehefa teo anatrehan’i Feliksa sy i Drosila i Paoly dia niresaka ny amin’ny fahamarinana sy ny fifehezan-tena

    Fitehirizam-boky Malagasy (1965-2025)
    Hiala
    Hiditra
    • Malagasy
    • Hizara
    • Firafitra
    • Copyright © 2025 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
    • Fifanekena
    • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
    • Firafitry ny Fifanekena
    • JW.ORG
    • Hiditra
    Hizara