Lova Kristiana Tsy Fahita Firy
NOTANTARAIN’I BLOSSOM BRANDT
Nisy orampanala nilatsaka tao San Antonio, any Texas, tamin’ny 17 Janoary 1923, ilay andro nahaterahako. Nangatsiaka tany ivelany, fa izaho kosa dia noraisina tsara teo an-tsandry mafanan’ny ray aman-dreny kristiana be fitiavana, i Judge sy i Helen Norris. Hatramin’izay nahatsiarovako saina, ny zavatra rehetra nataon’ireo ray aman-dreniko dia nifantoka tamin’ny fanompoam-pivavahany tamin’i Jehovah Andriamanitra.
TAMIN’NY 1910, fony i Neny valo taona, dia nifindra avy tany akaikin’i Pittsburgh, any Pennsylvania, nankany amin’ny toeram-piompiana tany ivelan’i Alvin, any Texas, ny ray aman-dreniny. Tany izy ireo dia faly nianatra ireo fahamarinana ao amin’ny Baiboly tamin’ny mpiara-monina iray. Nandany ny andro sisa niainany tamin’ny fitadiavana izay hahaliana ny olona tamin’ny fanantenan’ilay Fanjakana i Neny. Natao batisa izy tamin’ny 1912, rehefa avy nifindra tany Houston, any Texas, ny fianakaviana.
Nifankahita voalohany tamin’i Charles T. Russell, prezidà voalohan’ny Watch Tower Bible and Tract Society, i Neny sy ny ray aman-dreniny fony izy io nitsidika ny kongregasionan’izy ireo tany Houston. Matetika ilay fianakaviana no nampiantrano solontenan’ny Fikambanana mpitety faritany, izay nantsoina tamin’izany hoe pèlerins. Taona vitsivitsy tatỳ aoriana, dia nifindra tany Chicago, any Illinois, i Neny sy ny ray aman-dreniny, ary nitsidika ny kongregasiona tany koa ny Anadahy Russel.
Tamin’ny 1918, dia voan’ny gripa espaniola i Nenibe, ary noho ny vokany nampahosa ny fahasalamany, dia nanoro hevitra azy hipetraka any amin’ny toe-tany mafanafana kokoa ny dokotera. Koa satria niasa ho an’ny kaompanian’ny fiarandalamby Pullman i Dadabe, dia nahazo fifindran-toerana niverina tany Texas izy tamin’ny 1919. Tany, tao San Antonio, i Neny dia nifankahita tamin’ny mpikambana iray tao amin’ny kongregasiona, tanora sy be zotom-po nantsoina hoe Judge Norris. Avy hatrany dia samy voasintona ny andaniny avy, ary rehefa afaka kelikely dia nivady izy ireo, ka tonga raiko i Judge.
Nianatra ny fahamarinana ao amin’ny Baiboly i Dada
Nomena ilay anarany tsy nahazatra i Judge (Mpitsara) teo amin’ny fahaterahany. Rehefa nahita azy voalohany ny rainy, dia niteny hoe: “Maotina be toy ny mpitsara iray itỳ zaza itỳ”, ary dia tonga anarany izany. Tamin’ny 1917, rehefa 16 taona i Dada, dia nisy nanome azy ireo taratasy mivalona hoe Aiza Moa Ireo Maty? sy hoe Inona no Atao hoe Fanahy? natontan’ny Watch Tower Bible and Tract Society. Maty roa taona talohan’izay ny rain’i Dada, ary ireo taratasy mivalona dia nanome ireo valiny notadiaviny mikasika ny toetran’ny maty. Fotoana fohy taorian’izay izy dia nanomboka nanatrika ireo fivorian’ny Mpianatra ny Baiboly, araka ny nahafantarana ny Vavolombelon’i Jehovah tamin’izany.
Naniry handray anjara avy hatrany tamin’ireo asan’ny kongregasiona i Dada. Nahazo faritany nahafahany nitory izy, ary rehefa nirava avy nianatra izy dia nitaingina ny bisikiletiny nankany mba hizara taratasy mivalona. Nanjary revo tanteraka tamin’ny fizarana ny fanantenan’ilay Fanjakana izy, ary tamin’ny 24 Martsa 1918, dia nanamarika ny fanoloran-tenany ho an’i Jehovah tamin’ny batisa anaty ny rano.
Ny taona nanaraka, rehefa nifindra tany San Antonio i Neny, dia voasintona avy hatrany i Dada tamin’izay nolazainy fa “tsiky nahafinaritra indrindra sy maso manga indrindra” hitany. Nampahafantarin’izy ireo tsy ela ny faniriany hivady, saingy nahita fahasahiranana izy ireo nampiaiky ny ray aman-drenin’i Neny. Tamin’ny 15 Aprily 1921 anefa, dia natao ny fampakaram-bady. Samy nanana ho tanjona ny fanompoana manontolo andro izy roa.
Fanombohana teo amin’ny fanompoana tany am-boalohany
Raha mbola revo namolavola hevitra ny hanatrika ilay fivoriambe tamin’ny 1922 tany Cedar Point, tany Ohio, i Dada sy i Neny, dia hitan’izy ireo fa bevohoka ahy i Neny. Fotoana fohy taorian’ny nahaterahako, fony i Dada vao 22 taona, dia voatendry ho talen’ny asa tao amin’ny kongregasiona izy. Izany dia nidika fa izy no nanao ireo fandaharana rehetra tamin’ny asa fanompoana. Tao anatin’ny herinandro vitsivitsy monja dia nitondra ahy nivoaka tany amin’ny fitoriana isan-trano i Neny. Raha ny marina, ny raibe sy renibeko koa dia tia ny niarahako tamin’izy ireo teny amin’ny fanompoana.
Raha vao roa taona monja aho dia nifindra tany Dallas, any Texas, ny ray aman-dreniko, ary nanomboka ny fanompoana manontolo andro tamin’ny naha-mpisava lalana izy ireo, telo taona taorian’izay. Tamin’ny alina, dia natory teo amin’ny fandriana azo naforitra teo akaikin’ny arabe izy ireo, ary napetrany teo amin’ny seza aorian’ny fiara aho. Marina aloha fa nihevitra izany ho kilalao aho, kanefa tsy ela dia niharihary fa mbola tsy vonona tsotra izao tamin’ny fiainan’ny mpisava lalana izy ireo. Koa nanomboka raharaham-barotra iray i Dada. Tatỳ aoriana, dia nanamboatra tranofiara kely izy ho fiomanana mba hanombohana indray ny asan’ny mpisava lalana.
Talohan’ny nanombohako nandeha tany an-tsekoly, dia nampianatra ahy namaky teny sy nanoratra i Neny, ary nahay hatramin’ny maribavan’ny efatra aho. Ny nifantohany mandrakariva dia ny fanampiana ahy hianatra. Natsangany teo ambony seza teo anilany aho mba hahafahako hamafa izay lovia voasasany, ary nampianatra ahy hanao tsianjery andinin-teny izy, sy hihira ireo hiran’ilay Fanjakana, na koa hoe hiram-pivavahana araka ny niantsoanay azy tamin’izany.
Fanompoana an’Andriamanitra niaraka tamin’ireo ray aman-dreniko
Tamin’ny 1931 izahay rehetra dia nanatrika ilay fivoriambe nampientam-po tany Columbus, any Ohio, izay nandraisanay ny anarana hoe Vavolombelon’i Jehovah. Na dia vao valo taona monja aza aho, dia nihevitra fa izany no anarana tsara indrindra reko hatramin’izay. Fotoana fohy taorian’ny nodianay tany an-trano, dia kila hatrany amin’ny fotony ilay raharaham-barotr’i Dada, ary dia noraisin’i Dada sy i Neny ho “sitrapon’ny Tompo” izany mba hanombohan’izy ireo ny asan’ny mpisava lalana indray. Araka izany, nanomboka tamin’ny fahavaratry ny taona 1932, dia nankafy taona maro tao amin’ny fanompoana manontolo andro izahay.
Nanao ny asan’ny mpisava lalana tany Texas afovoany ny ray aman-dreniko mba hipetrahana akaikin’ny ray aman-drenin’i Neny izay mbola tany San Antonio. Ny fifindrafindrana avy tamin’ny toerana nanendrena iray ho any amin’ny iray hafa dia nidika fa matetika tokoa aho no niova sekoly. Indraindray, dia nisy namana tsy nieritreritra izay naloaky ny vavany nilaza hoe: “Nahoana ianareo no tsy manorim-ponenana amin’ny toerana iray ary manana trano ho an’io zaza io”, toy ny hoe tsy voakarakara araka ny tokony ho izy erỳ aho. Nihevitra anefa aho fa nampientanentana ny fiainanay, ary nanampy an’i Dada sy i Neny teo amin’ny fanompoany aho. Raha ny marina, dia nampiofanina sy nomanina ho amin’ilay hanjary ho fomba fiainako manokana atỳ aoriana aho.
Nandritra ny volana maro dia tsy nitsahatra nilaza tamin’i Dada sy i Neny aho fa naniry ny hatao batisa, ary niresaka ny amin’izany matetika tamiko izy ireo. Naniry ny hahazo antoka izy ireo fa nahafantatra ny naha-zava-dehibe an’ilay fanapahan-kevitro aho. Tamin’ny 31 Desambra 1934, dia tonga ilay andro ho an’io fisehoan-javatra lehibe teo amin’ny fiainako io. Ny alina talohan’izay anefa, dia nataon’i Dada izay hahazoana antoka fa efa nivavaka tamin’i Jehovah aho. Avy eo dia nanao zavatra nahafinaritra iray i Dada. Nasainy nandohalika daholo izahay rehetra, ary dia nivavaka izy. Nilaza tamin’i Jehovah izy fa faly aoka izany izy ny amin’ny fanapahan-kevitry ny zanany vavy kely hanolotra ny fiainany ho Azy. Mahazo matoky ianareo fa ao anatin’ireo taona rehetra ho avy, dia tsy hanadino mihitsy izay alina izay aho!
Fiofanana avy tamin’ny raibe sy renibeko
Teo anelanelan’ny 1928 sy 1938, dia nandany fotoana maro be tamin’ny fitsidihana ny raibe sy renibeko tany San Antonio aho. Ny fanao nahazatra niaraka tamin’izy ireo dia saiky be nitoviana tamin’ny an’ireo ray aman-dreniko. I Nenibe dia colporteur, araka ny niantsoan’izy ireo taloha ny mpisava lalana, ary avy eo izy dia tonga mpisava lalana tapa-potoana. Voatendry ho mpisava lalana tamin’ny Desambra 1929 i Dadabe, koa ny asa fanompoana foana no asa nahazatra isan’andro.
Nitrotro ahy i Dadabe tamin’ny alina ary nampianatra ahy ny anaran’ireo kintana. Nanao tsianjery tononkalo tamiko izy. Nanao dia lavitra maro niaraka taminy aho tamin’ny fiarandalamby Pullman (fiarandalamby nisy izay zavatra rehetra nampiadana), fony izy niasa ho an’ny lalamby. Izy no azoko nohatonina foana rehefa nanan-java-nanahirana aho; nampionona ahy izy ary namafa ny ranomasoko. Rehefa nofaizina noho ny fitondran-tena tsy nety anefa aho, ka nankany aminy nitady fampiononana, dia nilaza tamiko (teny izay tsy azoko tamin’izany, fa nazava tsara kosa ny toetran’ny feo) fotsiny izy hoe: “Malala a, mafy dia mafy ny lalan’ny mpandika lalàna.”
Ireo taona nisy fanenjehana
Tamin’ny 1939, dia nanomboka ny Ady Lehibe Faharoa, ary nizaka fanenjehana sy ny herisetran’ny mpirotaka ny vahoakan’i Jehovah. Tamin’ny faran’ny taona 1939, dia narary mafy i Neny ary tamin’ny farany dia nila fandidiana, noho izany dia niverina tany San Antonio izahay.
Niforona ny mpirotaka raha teo am-pizarana gazety teny amin’ny araben’i San Antonio izahay. Isan-kerinandro anefa, dia teo izahay tamin’ny naha-fianakaviana, ny tsirairay teo amin’ny kihon-dalana nanendrena anay avy. Matetika aho no nitazana rehefa nitondra an’i Dada tany amin’ny biraon’ny polisy izy ireo.
Niezaka nanohy ny asan’ny mpisava lalana i Dada na dia voatery nijanona aza i Neny. Tsy afaka nahazo vola ampy anefa izy tamin’ny fiasana tapa-potoana, koa dia voatery nijanona koa. Nahavita ny fianarako aho tamin’ny 1939, ary dia nandeha niasa koa.
Ny anaran’i Dada hoe Judge (Mpitsara) dia azo nampiasaina tsara nandritra ireny taona ireny. Ohatra, nisy mpinamana maromaro nandeha nitory tany amin’ny tanàna iray, teo avaratra kelin’i San Antonio, ary nanomboka nampiditra azy rehetra tany an-tranomaizina ny shériff (karazana zandary). Nisambotra olona 35 teo ho eo izy, anisan’izany ny raibe sy renibeko. Nampilaza tany amin’i Dada izy ireo, ary nandeha fiara nankany izy. Niditra tao amin’ny biraon’ilay shériff izy ary nilaza hoe: “Izaho no Judge Norris avy any San Antonio.”
“Eny ry ingahy Mpitsara [Judge], inona no azoko atao ho anao?” hoy ilay shériff nanontany.
“Tonga mba handamina izay hamoahana ireo olona ireo avy ato an-tranomaizina aho”, hoy i Dada namaly. Tamin’izay ilay shériff dia namela azy ireo hivoaka tao an-tranomaizina tsy nisy fangatahana antoka — ary tsy nisy fanontaniana fanampiny!
Tia nitory tany amin’ireo birao tany an-tanàn-dehibe i Dada, ary tiany indrindra ny nitsidika ireo mpitsara sy mpisolovava. Nilaza tamin’ilay mpandray mpitsidika izy hoe: “Izaho no Judge Norris, ary tonga mba hitsidika ny Mpitsara [Judge] Ranona aho.”
Avy eo, rehefa nifankahita tamin’ilay mpitsara izy, dia izao foana aloha no nolazainy: “Izao, alohan’ny hiresahako ny amin’ny anton-diako, dia iriko ny hanazava fa efa Mpitsara [Judge] ela be talohanao aho. Efa toy izany nandritra ny fiainako manontolo aho.” Ary avy eo izy dia nanazava ny fomba nahazoany ilay anarany. Izany dia nahatonga fampahafantarana ara-pomba ny tenany tamim-pisakaizana, ary namboly fifandraisana tsara maro tamin’ireo mpitsara tamin’izany andro izany izy.
Mankasitraka ny fitarihan’ny ray aman-dreny
Tao anatin’ireo taona naha-zatovo nisamboaravoara aho, ary fantatro fa imbetsaka no nitaintaina i Dada sy i Neny teo am-pandinihana sy teo am-panontaniana tena ny amin’izay ho nataoko nanaraka. Toy ny ataon’ny ankizy rehetra, dia nisedra an’i Dada sy i Neny imbetsaka aho, nangataka ny hanao zavatra na handeha tany amin’ny toerana iray, tamin’ny fahafantarana mialoha fa ho tsia ny valin-tenin’izy ireo. Nisy ranomaso indraindray. Raha ny marina, dia ho nampikorontan-tsaina ahy lalina raha sanatria ka niteny izy ireo hoe: “Mandehana e, ataovy izay tianao hatao. Tsy miraharaha izany izahay.”
Ny fahafantarana fa tsy afaka nanosika azy ireo hampiova ny fari-pitsipiny aho, dia nanome ahy fahatsapana tsy fananana ahiahy. Raha ny marina, izany dia nanamora zavatra ho ahy, rehefa nampirisika hanao fialam-boly tsy nampiseho fahendrena ireo tanora hafa, satria afaka niteny aho hoe: “Tsy hamela ahy handeha any ny Dadanay.” Rehefa 16 taona aho, dia nataon’i Dada izay hianarako namily fiara ary dia nahazo ny taratasy fahazoan-dalana hamily fiarakodia aho. Tamin’izay fotoana izay koa dia nanome ahy ny fanalahidin’ny trano i Dada. Tohina aoka izany aho fa natoky ahy izy. Nahatsiaro tena ho olon-dehibe terỳ aho, ary izany dia nanome ahy fahatsapana andraikitra sy faniriana ny tsy hamadika ny fitokian’izy ireo.
Tamin’izany andro izany, dia tsy nisy torohevitra firy nomena mikasika ny fanambadiana, kanefa i Dada dia nahafantatra ny Baiboly sy izay nolazainy mikasika ny fanambadiana “ao amin’ny Tompo ihany”. (1 Korintiana 7:39). Nataony nazava tsara tamiko fa raha sanatria aho ka nitondra zazalahy eo amin’izao tontolo izao tany an-trano, na hoe nihevitra ny hiaraka aminy fotsiny aza, dia ho mafy tokoa ny fahadisoam-panantenany. Fantatro fa marina ny azy, satria nahita ny fahasambarana sy ny firaisan-tsaina tao amin’ny fanambadian’izy ireo aho, noho izy ireo nanambady ‘tao amin’ny Tompo’.
Tamin’ny 1941, fony aho 18 taona, dia nihevitra aho fa raiki-pitia tamin’ny tovolahy iray tao amin’ny kongregasiona. Mpisava lalana izy ary nianatra mba ho tonga mpisolovava. Nientanentana erỳ aho. Rehefa nilaza tamin’ny ray aman-dreniko izahay fa naniry ny hivady, dia tsy nilaza tsy fankasitrahana na nanakivy izy ireo fa nilaza fotsiny hoe: “Maniry ny hangataka zavatra iray aminao izahay ry Blossom. Heverinay fa mbola kely loatra ianao, ary irinay ny hangataka anao mba hiandry mandritra ny taona iray. Raha tena tia tokoa ianao, dia tsy hampiova na inona na inona ny herintaona.”
Velom-pisaorana aoka izany aho noho ny nihainoako izany torohevitra feno fahendrena izany. Tao anatin’ny herintaona, dia nihamatotra kokoa aho ary nanomboka nahita fa tsy nanana ireo toetra nilaina tamin’ny vady tsara iray io tovolahy io. Niala tao amin’ny fandaminana izy tatỳ aoriana, ary afaka tamin’ilay nety ho loza teo amin’ny fiainako aho. Mahafinaritra toy inona moa ny manana ray aman-dreny hendry izay manana fitsaran-javatra azo ianteherana!
Fanambadiana sy ny asa fitetezam-paritany
Tamin’ny ririnin’ny 1946, rehefa avy nandany enin-taona nanaovana ny asan’ny mpisava lalana sy niasana tapa-potoana aho, dia niditra tao amin’ny Efitrano Fanjakananay ny tovolahy tsara indrindra nifanena tamiko. I Gene Brandt dia voatendry ho naman’ilay mpanompo mpitety faritany ho an’ireo rahalahy tao aminay, toy izany no niantsoana ny mpiandraikitra ny fizaran-tany tamin’izany. Fifanintonana nifamaly ilay izy, ary tamin’ny 5 Aogositra 1947, dia nivady izahay.
Fotoana fohy taorian’izay, dia nanokatra raharaham-barotra i Dada sy i Gene. Nilaza tamin’i Gene anefa i Dada hoe: “Amin’ny andro izay hanakanan’itỳ asa itỳ antsika amin’ny fivoriana na ny fanendrena teokratika, dia hohidiako ny varavarana ary hariako ny lakile.” Nitahy io toe-tsaina araka ny fanahy io i Jehovah, ary nanome izay nilainay ara-nofo tamin’ny fomba ampy io asa io sady namela ny hisian’ny fotoana nanaovana ny asan’ny mpisava lalana. Mpandraharaha nahay i Dada sy i Gene, ary afaka ny ho mpanankarena mora foana izahay, saingy tsy izany mihitsy ny tanjon’izy ireo.
Tamin’ny 1954 i Gene dia nasaina hanao ny asan’ny fizaran-tany, izay nidika ho fiovana lehibe teo amin’ny fiainanay. Ahoana no fihetsiky ny ray aman-dreniko? Teto indray, dia tsy ny amin’ny tenan’izy ireo no nahiny fa ny tombontsoan’ilay Fanjakana, sy izay hahasoa ara-panahy ny zanany. Tsy nilaza taminay mihitsy izy ireo hoe: “Nahoana ianareo no tsy manome zafikely anay?” Izao foana kosa no nolazainy: “Inona no azonay atao mba hanampiana anareo ao amin’ny fanompoana manontolo andro?”
Koa rehefa tonga ny fotoana hiainganay, dia tsy nisy afa-tsy teny fampaherezana sy fifaliana tamin’ilay tombontsoa lehibe nanananay. Tsy nataon’izy ireo mihitsy izay hahatsapanay fa nahafoy azy ireo izahay, fa nanohana anay tanteraka izy ireo. Rehefa lasa izahay, dia nitana ny tenany ho revo tamin’ny asan’ny mpisava lalana izy ireo nandritra ny folo taona nanaraka. Voatendry ho mpiandraikitra ny tanàna tao San Antonio i Dada, dia toerana izay notanany nandritra ny 30 taona. Faly izy nahita ny fitomboana avy amin’ny kongregasiona tokana tao amin’ilay tanàna tamin’ireo taona 1920, ho amin’ny kongregasiona 71 talohan’ny nahafatesany tamin’ny 1991.
Ho anay sy i Gene, ny fiainana dia feno zavatra nampientanentana. Nahazo fifaliana nanana amby ampy tamin’ny fanompoana ireo anadahy sy rahavavy malala nanerana ny fanjakana 31 izahay, ary azo inoana fa ny nisongadina indrindra tamin’izany rehetra izany, dia ilay tombontsoa nanatrika ny kilasy faha-29-n’ny Sekoly Ara-baibolin’i Gileada An’ny Watchtower, tamin’ny 1957. Taorian’izay izahay dia niverina tao amin’ny asa fitetezam-paritany. Tamin’ny 1984, taorian’ny 30 taona tao amin’ny asan’ny fizaran-tany sy ny distrika, dia nanendry an’i Gene tamin-katsaram-panahy tao amin’ny fizaran-tanin’i San Antonio ny Fikambanana, satria ireo ray aman-dreniko dia efa maherin’ny 80 taona ary efa osa ara-pahasalamana.
Fikarakarana ireo ray aman-dreny
Herintaona sy tapany monja taorian’ny niverenanay tao San Antonio, dia voan’ny tsy fahatsiarovan-tsaina i Neny ka maty. Haingana aoka izany no nitrangan’izany, hany ka tsy nahalaza ny zavatra sasany izay tiako holazaina taminy aho. Izany dia nampianatra ahy hiresaka betsaka tamin’i Dada. Taorian’ny 65 taona nivadiana, dia nanembona mafy an’i Neny izy, kanefa dia teo izahay nanome azy fitiavana sy fanohanana.
Ny ohatra navelan’i Dada nandritra ny androm-piainany teo amin’ny fanatrehana ireo fivoriana kristiana sy teo amin’ny fianarana ary teo amin’ny fanompoana dia nitohy mandra-pahafatiny. Tia ny namaky teny izy. Koa satria voatery nitoetra irery izy rehefa tany amin’ny fanompoana izahay, dia nody tao an-trano aho ary nanontany azy hoe: “Nanirery ve ianao?” Revo aoka izany namaky teny sy nianatra izy ka tsy tonga tao an-tsainy akory ny hoe nanirery izy.
Nisy fahazarana hafa iray nandritra ny androm-piainany notananay. Nanantitrantitra foana i Dada ny hiarahan’ny fianakaviana misakafo, indrindra fa tamin’ny fotoam-pisakafoana maraina rehefa nodinihina ny teny ao amin’ny Soratra Masina natao hovakina isan’andro. Tsy navela hivoaka ny trano mihitsy aho raha tsy nanao izany. Indraindray aho dia niteny hoe: “Dada a, ho tara any an-tsekoly (na any am-piasana) anie aho e.”
“Tsy ny teny natao hovakina no mahatonga anao ho tara; tsy nifoha ara-potoana ianao”, hoy izy. Ary dia voatery nijanona sy nihaino azy io aho. Nataony izay hisian’io ohatra tsara io hatramin’ireo andro farany niainany. Io no lova hafa iray navelany ho ahy.
Nitoetra ho navitrika ara-tsaina hatramin’ny farany i Dada. Ny nahatonga ny fikarakarana azy ho mora, dia noho izy tsy nanjary kizintina na be taraina. Eny e, indraindray izy dia nanisy fitenenana ny amin’ny aretin’ny vanin-taolany, kanefa dia nampahatsiaro azy aho fa ny tena nahazo azy dia “aretin’i Adama”, ary dia nihomehy izy. Raha nipetraka teo anilany izahay sy i Gene, dia maty tamim-piadanana i Dada tamin’ny marainan’ny 30 Novambra 1991.
Maherin’ny 70 taona aho izao ary mbola mandray soa ihany avy amin’ilay ohatra tsara navelan’ireo ray aman-dreniko kristiana be fitiavana. Ary vavaka ataoko amin-kafanam-po ny mba hanehoako fankasitrahana feno an’io lova io amin’ny fampiasana tsara izany mandritra ireo taona rehetra ho avy. — Salamo 71:17, 18.
[Sary, pejy 5]
Izahay sy i Neny
[Sary, pejy 7]
1. Fivoriambe natrehiko voalohany: San Marcos, any Texas, tamin’ny Septambra 1923
2. Fivoriambe natrehin’i Dada farany: Fort Worth, any Texas, tamin’ny Jona 1991 (mipetraka i Dada)
[Sary, pejy 9]
I Gene sy i Blossom Brandt