FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • w93 15/10 p. 8-11
  • Ny Zava-manahirana Amin’ny Fianarana Miandry

Tsy misy video mifandray amin’io.

Miala tsiny fa tsy mety miseho ilay video.

  • Ny Zava-manahirana Amin’ny Fianarana Miandry
  • Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—1993
  • Lohatenikely
  • Mitovitovy Aminy
  • Ny fahendrena amin’ny fianarana miandry
  • Zava-tsarotra vaovao ho an’ny maro
  • Fianarana avy amin’ny hafa
  • Fiadiana ny ady tsara
  • Fianarana miandry amin’ny lafiny rehetra
  • Vonona Hiandry An’i Jehovah ve Ianao?
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah (Fianarana)—2017
  • Hilamina Ihany ve ny Olana Ara-toe-karena?
    Foto-kevitra Hafa
  • Nahoana no misondrotra toy izao ny vidim-piainana?
    Mifohaza!—1990
  • Tsy Maintsy Miandry An’i Jehovah Isika
    Mihirà Fiderana ho An’i Jehovah
Hijery Hafa
Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—1993
w93 15/10 p. 8-11

Ny Zava-manahirana Amin’ny Fianarana Miandry

AZO inoana fa iray amin’ireo lesona sarotra indrindra nasaina nekentsika olombelona ny fianarana miandry ireo zavatra irintsika. Voajanahary ao amin’ny ankizy madinika ny tsy fananana faharetana. Na inona na inona manintona ny masony, dia iriny izany, ary iriny ho azo izao ankehitriny izao! Araka ny mety ho fantatrao avy amin’ny fanandraman-javatra anefa, dia zavatra tsy maintsy ekena eo amin’ny fiainana ny hoe tsy àry ho azo avokoa akory izay angatahina rehetra. Na dia mikasika ireo faniriana ara-dalàna aza, dia tsy maintsy mianatra ny miandry fotoana mety isika mba hanomezana fahafaham-po izany. Maro no mianatra izany lesona izany; misy hafa tsy nanao izany mihitsy.

Manana antony manokana hianarana miandry ny olona izay maniry hahazo sitraka amin’Andriamanitra. Nanantitrantitra ny amin’izany toy izao i Jeremia, mpanompon’i Jehovah talohan’ny Kristianisma: “Tsara ny miandry ny famonjen’i Jehovah amin’ny fanginana.” Tatỳ aoriana, dia niteny toy izao i Jakoba mpianatra kristiana: “Ary amin’izany dia mahareta tsara, ry rahalahy, mandra-pihavin’ny Tompo.” — Fitomaniana 3:26; Jakoba 5:7.

I Jehovah dia manana ny fandaharam-potoanany manokana mba hanatanterahana ireo fikasana araka an’Andriamanitra. Raha tsy afaka miandry hatramin’ny fotoana mety aminy isika amin’ny fanaovan-javatra sasany, dia hanjary tsy ho afa-po sy ho sosotra, ka izany dia hamono ny fifaliana. Raha tsy eo ny fifaliana, dia hanjary osa ara-panahy ny mpanompon’Andriamanitra, araka izay nolazain’i Nehemia tamin’ireo mpiray firenena taminy hoe: “Ny fifaliana amin’Iaveh no herinareo.” — Nehemia 8:10, Kat.

Ny fahendrena amin’ny fianarana miandry

Voajanahary ao amin’olona tokan-tena ny faniriana hanambady, na ao amin’ny mpivady tsy niteraka ny hanan-janaka. Ambonin’izany, dia tsy misy maha-ratsy ny faniriana hanome fahafaham-po ireo zavatra ilaina na irina ara-nofo sahaza. Na dia izany aza, noho ny finoana fa tsy ho ela dia hifarana itỳ fandehan-javatra itỳ, ary koa fa ao amin’ilay tontolo vaovao ho avy Andriamanitra dia ‘hanokatra ny tanany ka hanome fahafaham-po ny fanirian’ny zavamiaina rehetra’, dia Kristiana maro no nanapa-kevitra ny hiandry mba hanatanteraka ny sasany amin’ireny faniriana ireny, amin’ny fotoana mety kokoa. — Salamo 145:16, NW.

Ny olona tsy manana io fanantenana kristiana mafy orina io anefa, dia tsy hahita antony hanaovana fampihemorana. Noho izy ireo tsy manam-pinoana an’i Jehovah, izay iavian’ny “fanomezan-tsoa rehetra sy ny fanomezana tanteraka rehetra”, dia misalasala izy ireo ny amin’ny maha-fanehoam-pahendrena ny fampihemorana ny zavatra ho any amin’ny hoavy iray izay tsy azony antoka ho tonga mihitsy. Izy ireo dia miaina mifanaraka amin’ilay fanekem-pinoana hoe: “Aoka isika hihinana sy hisotro, fa rahampitso dia ho faty”. — Jakoba 1:17; 1 Korintiana 15:32; Isaia 22:13.

Any amin’ireo firenena mandroso, ny tontolon’ny dokam-barotra dia manararaotra ilay fironana mazava tsara hahazo fahafaham-po avy hatrany. Ampirisihina ny olona mba hampanaram-po ny tenany. Ataon’ny varotra izay hinoantsika fa zavatra tsy maintsy ilaina ireo fitaovana tsy mampanano sarotra sy ireo zavatra mampiadana. Nahoana no tsy hanana izany, hoy ny voalaza, indrindra rehefa mamela hahazo azy rehetra ary hahazo azy dieny izao ny carte de crédit, sy ny fandoavana tsikelikely ary ireo fandaharana momba ny “vidio izao — aloavy any aoriana”? Ankoatra izany ny hoe: ‘Mendrika ny tsara indrindra ianao; aoka ianao ho tsara fanahy amin’ny tenanao! Tsarovy fa, raha tsy manana azy io ianao izao, dia mety tsy hahazo azy mandrakizay!’ Toy izany ny fitompoan-teny fantatr’ireo dokam-barotra tiam-bahoaka.

Mandritra izany fotoana izany ihany, dia olona am-polony tapitrisa maro any amin’ireo tany an-dalam-pandrosoana no zara raha mahita izay ivelomany — na ny latsaka noho izany mihitsy aza. Moa ve misy zavatra afaka manamafy an-tsary mazava kokoa noho izany ny tsy fahalavorariana sy ny tsy rariny amin’ny fandehan-javatra ara-politika sy ara-toe-karena naorin’olombelona?

Ny fahendrena amin’ny fianarana miandry dia hita eo amin’ireo olona an-tapitrisany maro tsy vonona ny hanao izany — na fara faharatsiny tsy mahita antony hanaovana izany — izay nidi-trosa be mba hanomezana fahafaham-po ireo faniriana hahazo zavatra avy hatrany. Mety hidika ho loza ny toe-javatra tsy ampoizina, toy ny aretina na ny tsy fananana asa. Nanazava ny antony isian’ny olona voalaza fa iray tapitrisa tsy manam-ponenana any Alemaina ilay gazety alemanina hoe Frankfurter Allgemeine Zeitung: “Amin’ny fomba miavaka, ny tsy fananam-ponenana matetika dia ialohavan’ny tsy fananana asa na ny trosa tafahoatra.”

Noho izy ireo tsy afaka mandoa ny faktiorany, dia maro amin’ireny olona tsy ambinina ireny no mizaka ny famoizana mampalahelo ny trano sy ny fananana. Matetika tokoa ny fitomboan’ny fanerena dia mitondra fihenjanana ao amin’ny fianakaviana. Manomboka rava ireo fanambadiana mihilangilana. Manjary mahazatra ny vanim-potoana isian’ny fahaketrahana sy zava-manahirana ara-pahasalamana hafa. Raha ny amin’ny Kristiana, dia mety hiharam-pahavoazana ny fahasalamany ara-panahy, ka hitarika ho amin’ny fisainana tsy mety sy ny fitondran-tena tsy araka ny tokony ho izy, ho setrin’izany. Ny olona izay manomboka maniry hahazo ny zava-drehetra amin’ny fomba tsy mampiseho fahendrena dia miafara amin’ny saiky tsy fananana na inona na inona.

Zava-tsarotra vaovao ho an’ny maro

Nataon’i Jesosy nazava fa tokony hitandrina isika sao “ny fiahiahiana izao fiainana izao sy ny fitaky ny harena ary ny filana ny zavatra hafa miditra, dia mangeja ny teny”. (Marka 4:19). Tokony hotadidintsika fa tsy misy fandehan-javatra ara-politika nahavita nanafoana ireo fanahiana, anisan’izany ireo fanahiana ara-bola, izay noresahin’i Jesosy.

Ny Kaominisma, izay nolavin’ireo tany any Eoropa Atsinanana izao, dia nanandrana nampitovy zavatra tamin’ny alalan’ny toe-karena notantanan’ny Fanjakana. Mifanohitra amin’ny fandehan-javatra isian’ny fandraharahana malalaka, ilay fandehan-javatra ara-toe-karena taloha dia nanome ho an’ny olona toa tsy fananana ahiahy ara-bola izay matetika tsy omen’ny kapitalisma. Na dia izany aza, ireo fanahiana noresahin’i Jesosy dia nisy tamin’ny endriky ny tsy fahampian’ny zavatra tena ilain’ny olona sy ny fihenan’ny fahafahan’ny tena manokana.

Amin’izao andro izao, dia maro amin’ireny tany ireny no mampiditra toe-karena ahafahan’ny mpihinana mividy sy ny mpamokatra mivarotra (économie du marché), ka noho izany dia manolotra zava-tsarotra vaovao ho an’ireo olom-pireneny. Hoy ny tatitra natao vao haingana: “Ny fahatsorana loatra dia miaraka amin’ny faniriana hahatratra haingana ny fari-pandaniana tandrefana.” Mba hahavitana izany dia “olona mihamitombo isa hatrany any amin’ny Länder vaovao any Alemaina atsinanana no tafalentika ao anatin’ny trosa izay mety tsy hahatafavoaka azy intsony”. Nanampy teny toy izao ilay tatitra: “Taorian’ireo faharavoravoana voalohany noho ilay fahafahana ara-toe-karena vaovao, dia miely izao ny tahotra sy ny famoizam-po.” Mitoetra ireo fanahiana, fa izao izy ireo dia mitafy ny akanjon’ny kapitalisma.

Ireo fahafahana ara-politika sy ara-toe-karena lehibe kokoa dia nanokatra fahafahana vaovao ho amin’ny fanatsarana ny toe-karena. Noho izany, dia olona maro no mety halaim-panahy hanisy fiheverana lehibe an’ilay hevitra hoe hanomboka raharaha ho an’ny tena manokana na hifindra any an-tany hafa misy fahafahana hahita asa tsara kokoa.

Raharahan’ny tena manokana ny fanapahan-kevitra toy izany. Tsy ratsy ho an’ny Kristiana akory ny faniriana hanatsara ny toe-javatra ara-bola misy azy. Mety hatosiky ny faniriana hikarakara ny ankohonany izy, noho ny fahafantarana fa “raha misy tsy mamelona ny azy, indrindra fa ny ankohonany, dia efa nandà ny finoana izy ka ratsy noho ny tsy mino aza”. — 1 Timoty 5:8.

Tsy mety àry ny manakiana ny fanapahan-kevitra ataon’ny hafa. Amin’izay fotoana izay ihany, dia tokony hotsaroan’ny Kristiana fa tsy fanehoam-pahendrena ny fitadiavana fanamaivanana amin’ny fahasahiranana ara-bola amin’ny fidirana amin’ny trosa tafahoatra izay mety hamandrika azy ireo. Ho ratsy toy izany koa ny fitadiavana fanamaivanana amin’ny fahasahiranana ara-bola amin’ny fomba izay mahatafiditra fanaovana an-tsirambina ireo andraikitra sy tombontsoa ara-panahy.

Fianarana avy amin’ny hafa

Tamin’ireo taona nanaraka ny Ady Lehibe Faharoa, dia Alemanina an’arivony maro no nifindra monina niala avy tany Eoropa rotidrotiky ny ady, nankany an-tany hafa, indrindra fa i Aostralia sy i Kanada. Maro tamin’izany no afaka nanatsara ny toe-piainany ara-bola, kanefa tsy nisy tamin’izy ireo afaka nandositra tanteraka ireo fanahiana ara-bola izay noresahin’i Jesosy. Indraindray ny fandaminana zava-manahirana ara-bola dia miteraka zava-manahirana vaovao — fanembonana ny tany niaviana, fitenenana hafahafa iray, fizarana amin’ireo sakafo vaovao, fomba amam-panao hafa, fanaovana izay hifanarahana amin’ny namana vaovao, na fizakana ireo fihetsika hafa.

Ny sasany tamin’ireny mpifindra monina ireny dia Vavolombelon’i Jehovah. Mendri-piderana fa ny ankamaroan’izy ireo dia tsy nanaiky hamela ireo zava-manahirana manokana amin’ny fifindra-monina hanembantsembana ny fiainan’izy ireo ara-panahy. Nisy naningana anefa. Ny sasany dia azon’ny hery mamitaky ny harena. Tsy niara-namindra tamin’ny fiadanana ara-bola ny fandrosoana teokratika nataon’izy ireo.

Azo antoka fa izany dia manazava ny maha-fahendrena ny famakafakana amim-pitandremana ny tarehin-javatra misy antsika, alohan’ny hanaovana fanapahan-kevitra izay mety tsy hampiseho fahendrena. Ireo fironana ho amin’ny fitiavana fatratra zavatra ara-nofo dia hampiadana ilay asa fanaovana mpianatra atao indray mandeha tsy miverina, izay asaina hataon’ny Kristiana. Marina izany na aiza na aiza iainantsika, satria tsy misy tany manana olom-pirenena afaka amin’ireo fanahiana ara-bola.

Fiadiana ny ady tsara

Nananatra an’i Timoty toy izao i Paoly: “Miezaha mitady fahamarinana, toe-panahy araka an’Andriamanitra, finoana, fitiavana, faharetana, fahalemem-panahy. Miadia ny ady tsaran’ny finoana, hazòny ny fiainana mandrakizay; fa ho amin’izany no niantsoana anao”. Hoy izy tamin’ireo Kristiana tany Korinto: “Miorena tsara, aza miova, ary mahefà be mandrakariva amin’ny asan’ny Tompo”. — 1 Timoty 6:11, 12; 1 Korintiana 15:58.

Ny fanarahana io torohevitra tsara dia tsara io no fomba tsara indrindra hiadiana amim-pahombiazana amin’ny fitiavana fatratra ny zavatra ara-nofo, ary azo antoka fa manan-javatra betsaka hatao ny Kristiana! Any amin’ny tany sasany izay vitsy ny isan’ireo mpitory ilay Fanjakana, dia olona sesehena no tsy nanana afa-tsy fahafahana voafetra hifandray tamin’ny fahamarinana. Nanambara mialoha tamim-pahamarinana i Jesosy hoe: “Be ny vokatra, fa ny mpiasa no vitsy”. — Matio 9:38.

Tsy mamela ireo fanahiana ara-bola any amin’ireny tany ireny hampiala azy amin’ny asa ara-panahy efa eo ny Vavolombelon’i Jehovah fa manararaotra ny tarehin-javatra amin’ny fampiasana amin’ny fomba feno ireo fahafahana misy ankehitriny. Rehefa tsy an’asa mandritra ny fotoana kelikely ny maro amin’izy ireo, dia manitatra ny asa fitoriany izy. Ny fanompoany, ankoatra ny hoe mampitombo ny hiakam-piderana ho an’i Jehovah, dia manome azy ireo ny fifaliana ilaina mba hiatrehana amim-pahombiazana ireo zava-manahirana azy ireo ara-bola.

Ireny Vavolombelona ireny dia manome ny toerana voalohany ho an’ny asa fitoriana ary mametraka ny zava-tsarotra ara-bola eo amin’ny toerana faharoa, ka izany dia mampiseho amin’ireo rahalahy maneran-tany fa matoky amim-pahatsorana ny hikarakaran’i Jehovah azy izy ireo. Izao tokoa no fampanantenany: “Fa katsaho aloha ny fanjakany sy ny fahamarinany, dia hanampy ho anareo izany rehetra izany.” — Matio 6:33.

Hatramin’ny famerenana tamin’ny laoniny indray ny fanompoam-pivavahana marina tamin’ny 1919, dia tsy namela ny vahoakany hangozohozo i Jehovah. Niaro azy ireo izy nandritra ireo fanenjehana mafy sy nandritra ny am-polony taona maro nanaovana asa miafina tany amin’ny toerana sasany. Tapa-kevitra ny Vavolombelon’i Jehovah fa izay tsy vitan’ny Devoly tamin’ny fanenjehana, dia tsy ho vitany amin’ilay fandrika ankolaka kokoa, dia ny fitiavana fatratra zavatra ara-nofo!

Fianarana miandry amin’ny lafiny rehetra

Ireo Efitrano Fanjakana malalaka, ireo fitaovana fanamafisam-peo lafo vidy, ireo Efitrano fanaovana Fivoriambe, ary ireo trano Betela manintona dia manome voninahitra an’Andriamanitra ary manao fanambarana mangina ny amin’ny fitahiany ny vahoakany. Ny Vavolombelon’i Jehovah any amin’ny tany izay nandrarana ny asa nandritra ny fotoana ela dia mety hihevitra fa amin’io lafiny io dia manan-javatra betsaka hotratrarina izy ireo raha oharina amin’ny tany hafa. Kanefa ny zavatra lehibe indrindra dia ny fanohizan’izy ireo manao fandrosoana ara-panahy. Ny fisehoan’ny fitahian’Andriamanitra etỳ ivelany eo amin’ny lafiny ara-nofo dia hanaraka amin’ny fotoana mety.

Mila ny miambina ireo mpanompon’i Jehovah vita fanoloran-tena sao dia manomboka mieritreritra fa ampy izay ny fihafiana ara-nofo, amin’ny fitadiavana ny tombontsoan’ny tenany manokana. Ny faniriana fatratra fanamaivanana amin’ny tsy fitoviana ara-bola sy ara-tsosialy dia mora takatry ny saina, kanefa ny vahoakan’i Jehovah dia tsy minia tsy mahalala fa maniry fanamaivanana avokoa ny mpanompon’Andriamanitra rehetra. Ny jamba maniry fatratra ny hahita indray, ny taizain’aretina maniry fatratra fiverenan’ny fahasalamana amin’ny laoniny, ny ketraka maniry fatratra fahatsinjovan-javatra mamiratra amin’ny hoavy, ary ireo mana-manjo dia maniry fatratra ny hahita indray ireo olon-tiana efa maty.

Noho ny toe-javatra, amin’ny lafiny sasany ny Kristiana tsirairay dia voatery miandry ny tontolo vaovaon’i Jehovah mba handamina ny zava-manahirana azy. Izany dia tokony hahatonga antsika hanontany tena hoe: ‘Raha manan-kohanina sy hotafina aho, moa ve aho tsy tokony hianina amin’ireo zavatra ireo ary ho vonona ny hiandry fanamaivanana amin’ireo zava-manahirana ara-bola?’ — 1 Timoty 6:8.

Ny Kristiana izay matoky tanteraka an’i Jehovah dia afaka mahazo antoka fa, raha vonona ny hiandry fotsiny izy ireo, dia hahazo fahafaham-po tsy ho ela ny faniriany sy ny zavatra ilainy araka ny tokony ho izy rehetra. Tsy hisy ho nisasa-poana niandry. Averinay ny tenin’i Paoly hoe: “Miorena tsara, aza miova, ary mahefà be mandrakariva amin’ny asan’ny Tompo, satria fantatrareo fa tsy foana tsy akory ny fikelezanareo aina ao amin’ny Tompo.” — 1 Korintiana 15:58.

Koa tokony ho tena zava-manahirana lehibe àry ve ny fianarana miandry?

[Sary, pejy 10]

Afaka mamonjy ny ainao ny fianarana miandry

    Fitehirizam-boky Malagasy (1965-2025)
    Hiala
    Hiditra
    • Malagasy
    • Hizara
    • Firafitra
    • Copyright © 2025 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
    • Fifanekena
    • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
    • Firafitry ny Fifanekena
    • JW.ORG
    • Hiditra
    Hizara