Sary avy any Amin’ny Tany Nampanantenaina
Andeha Isika Hizaha ny Ranomasin’i Galilia!
VITSY ny toerana tonga avy hatrany matetika kokoa ao an-tsain’ireo mpamaky ny Baiboly noho ny Ranomasin’i Galilia. Afaka manakimpy ny masonao ve anefa ianao ka maka sary an-tsaina itỳ ranomasina mamy itỳ, amin’ny fahitana ireo toerana tena lehibe, toy izay idiran’ny Onin’ny Jordana sy ivoahany, na ireo toerana nisy an’i Kapernaomy sy i Tiberiasy?
Makà fotoana handinihana ny sary nalaina avy eny ambony ary hita eto ambany, amin’ny fampifanitsiana ireo nomerao. Firy amin’ireo toerana nomena nomerao ireo no azonao fantarina? Arakaraka ny hamaroan’ny fantatrao amin’izy ireo no hahavelona kokoa sy hampisy heviny kokoa ny Baiboly ho anao. Ho fikendrena izany, dia andeha isika hiara-manao fizahana fohy sady hahitana fianarana.
Mitodika any avaratra-atsinanana itỳ sary nalaina avy eny ambony itỳ. Aoka isika hanomboka amin’ny #1. Tapany aiza amin’ilay ranomasina izany? Eny, ny tendrony atsimo, izay ivoahan’i Jordana, ka anohizany ny lalany midina eo anelanelan’i Samaria sy Gileada mba hivarina any amin’ny Ranomasina Maty. Eo ankavia dia mahita sary akaiky kokoa mampiseho an’io tendron’ilay ranomasina io ianao, hita ao amin’ny Calendrier des Témoins de Jéhovah 1993 koa izy io.
Any afovoan’ny Lemak’i Arabah no misy ny Ranomasin’i Galilia, tokony ho 200 metatra eo ho eo ambanin’ny Ranomasina Mediterane. Raha eo am-pandinihana ny sary nalaina avy eny ambony ianao, dia mariho ireo tendrombohitra hita eo amin’ny morony atsinanana (manodidina ny #7). Misy havoana sy tendrombohitra koa eny amin’ny manodidina akaiky, na eo amin’ny morony andrefana, manamafy fa ao anaty lempona iray no misy itỳ ranomasina itỳ, izay tokony ho 21 kilaometatra eo ho eo ny halavany ary 12 kilaometatra raha be indrindra ny sakany. Nalalaka teny amin’ny morony mba hiorenan’ny vohitra sy ny tanàna mihitsy aza, toa an’i Tiberiasy (#2). Tadidinao fa avy tao Tiberiasy no nisy vahoaka niondrana an-tsambo ka niampita ilay ranomasina mba hankany amin’ny toerana izay namahanan’i Jesosy tamin’ny fomba mahagaga lehilahy 5 000. — Jaona 6:1, 10, 17, 23.
Raha mandeha manaraka ny morony avaratra avy eo Tiberiasy ianao, dia mandalo ny faritra lonak’i Genesareta (#3).a Tao amin’io faritra io no nanaovan’i Jesosy ny Toriteny teo An-tendrombohitra, ary azo inoana fa teny amin’ny morony teny akaiky teny no niantsoany an’i Petera sy ireo telo hafa mba ho tonga “mpanarato olona”, araka ny aseho eto. (Matio 4:18-22, NW ). Rehefa manohy ny dia ianao dia ho tonga ao Kapernaomy (#4), izay nataon’i Jesosy foibe fandaminana ny asany, toerana nolazaina mihitsy hoe “tanànany”. (Matio 4:13-17; 9:1, 9-11; Lioka 4:16, 23, 31, 38-41). Rehefa manohy miantsinanana manodidina ny ranomasina ianao dia manapaka (#5) eo amin’ny toerana ikorianan’i Jordana ambony ao amin’ilay ranomasina (etsy ambany). Avy eo ianao, dia tonga eo amin’ny faritr’i Betsaida (#6).
Azontsika ampiasaina mihitsy aza ireo toerana vitsivitsy ireo mba hampisehoana ny fomba hanampian’ny fahalalana ny Ranomasin’i Galilia anao, hanaraka sy haka sary an-tsaina ireo fitantarana ao amin’ny Baiboly. Taorian’ny namahanan’i Jesosy ireo lehilahy 5 000 tao amin’ny faritr’i Betsaida ka nanandraman’ny vahoaka nanao azy ho mpanjaka, dia nandefa ireo apostoly hiverina an-tsambo tany Kapernaomy izy. Nandritra ny dian’izy ireo, dia nisy tafio-drivotra tampoka nitsoka nahery vaika avy teny amin’ireo tendrombohitra sady niteraka onjan-dranomasina, ka nampahatahotra ireo apostoly. Nefa nanatona azy ireo i Jesosy, nandeha teny ambonin’ny ranomasina sy nampitony ny tafio-drivotra ary nanao izay hahatafitan’izy ireo soa aman-tsara teny an-tanety, teo akaikin’i Genesareta. (Matio 14:13-34). Ireo izay avy tany Tiberiasy dia niampita indray nankany Kapernaomy. — Jaona 6:15, 23, 24.
Rehefa manohy manodidina ny ilany atsinanan’ilay ranomasina ianao, dia mandalo izay azo inoana fa nantsoina hoe ny “tanin’ny Gadarena [na Gerasena]”. Tadidio fa teo no namoahan’i Jesosy demonia maro tamin’ny lehilahy roa. Nahita fahafinaretana ratsy ireny fanahy ireny niditra tao amin’ny andiana kisoa, izay niriotra teny amin’ny hantsana ka latsaka tao anaty ranomasina. Ny iray tamin’ireo lehilahy taorian’izany, dia nanao fanambarana teny amin’ireo tanànan’i Dekapolisy, izay nitenenana tamin’ny fiteny grika. I Jesosy dia sady tonga no niala teo amin’io faritra io, nandeha an-tsambo niampita ny Ranomasin’i Galilia. — Matio 8:28–9:1; Marka 5:1-21.
Raha eo am-pamaranana ny fizahanao ny tendrony ambany kokoa amin’ilay ranomasina ianao, dia mandalo eo akaikin’ny toerana izay amakivakian’ilay ony lehibe indrindra (antsoina hoe ny Yarmuk) havoana ianao, sady ampitomboany be dia be ny Onin’i Jordana ambany.
Tsy milaza mazava ny anaran’ny toerana nitrangan’ny fisehoan-javatra sasantsasany nanodidina ny Ranomasin’i Galilia ny Baiboly, tahaka ilay nisehoan’i Jesosy taorian’ny nitsanganany raha teo am-panaratoana i Petera sy ireo apostoly hafa (etsy ambany). Mihevitra ve ianao fa teo akaikin’i Kapernaomy no nitrangan’izany? Na ahoana na ahoana, ny fahalalanao an’io ranomasina lehibe io dia manampy anao haka sary an-tsaina ny nety ho nisehoan’izany.
[Fanamarihana ambany pejy]
a Jereo ilay lahatsoratra hoe “Genesareta — ‘Mahatalanjona sady kanto’ ” ao amin’ny Ny Tilikambo Fiambenana tamin’ny 1 Janoary 1992.
[Sary, pejy 24]
1
2
3
4
5
6
7
Avaratra
Atsimo
Atsinanana
Andrefana
[Sary nahazoan-dalana, pejy 24]
Pictorial Archive (Near Eastern History) Est.
[Sary nahazoan-dalana, pejy 24]
Pictorial Archive (Near Eastern History) Est.
[Sary nahazoan-dalana, pejy 24, 25]
Garo Nalbandian
[Sary nahazoan-dalana, pejy 25]
Pictorial Archive (Near Eastern History) Est.