Mitantara Ireo Mpitory Ilay Fanjakana
Mitondra Valisoa Be dia Be ny Fahatokiana
NANAMBARA mialoha i Jesosy fa henjehina ireo mpanara-dia azy, ary nilaza toy izany koa ny apostoly Paoly, araka izay voalaza ao amin’ny 2 Timoty 3:12 toy izao: “Eny, izay rehetra te-ho velona amin’ny toe-panahy araka an’Andriamanitra, izay ao amin’i Kristy Jesosy, dia henjehina.” Mitondra valisoa be dia be kosa anefa ny fahatokiana amin’ny fanompoana an’i Jehovah Andriamanitra.
◻ Izany dia marina tao amin’ny tanàna iray any amin’ny moron-tsiraka avaratra atsinanan’i Malezia. Na dia Bodista tsy voahozongozona izay nandrara mafy ny zanany aza ny raim-pianakaviana iray, dia tsy afaka nanakana ny zanany vavy telo sy ny zanany lahy telo, tamin’ny fianaran’izy ireo ny Baiboly niaraka tamin’ireo Vavolombelon’i Jehovah izy. Ny vadiny aza dia nampiseho fahalianana tamin’ny fahamarinana. Indray andro àry dia naneso azy toy izao ny mpifanila trano iray: “Ahoana no tsy ahafahanao mifehy ny zanakao ka mamela azy ireo ho tonga Vavolombelon’i Jehovah? Ny zanako rehetra dia manaraka ahy sy ny fivavahan-drazantsika bodista. Mampahonena ianao!”
Nody faingana tany an-trano ilay raim-pianakaviana, nandrahona ny hikapoka ilay anabavy nitarika ny fianarana tamin’ireo zanany. Kanefa, ireo zanany dia nampitony azy sy nanohy niara-nianatra ny Baiboly tamin’ireo Vavolombelon’i Jehovah ary namonjy ireo fivoriana, nomban’ny fanohanan-dreniny.
Tamin’ny farany anefa, dia nampiantso ny fianakaviana iray manontolo teo aminy ilay raim-pianakaviana. “Misafidiana” hoy izy, “na izaho, dia hijanona ato an-trano ianareo, na ho tonga Kristiana ianareo, dia hiala ato an-trano.” Ilay zanaka lahimatoa, izay tovolahy tena malefa-piteny, dia nanomboka namehy ny entany avy hatrany mba handeha. “Tsia!” hoy ilay raim-pianakaviana niantso mafy. “Koa satria ianareo rehetra ankizy mpikomy, dia tsara kokoa ho ahy ny ho faty.” Nivoaka haingana ny trano àry izy, narahin’ny fianakaviana, izay niangavy azy mba tsy hamono tena. Nandaitra taminy ny fiangavian’izy ireo ka niverina nody izy.
Nandeha ny fotoana. Nanomboka nanamarika ny vokatra tsaran’ny fahamarinana ao amin’ny Baiboly teo amin’ny fitondran-tenan’ireo zanany ilay raim-pianakaviana. Indray andro izy dia nifanena tamin’ilay namany naneso azy, izay toa lehilahy nalahelo kosa izao, ary nilaza hoe: “Tena diso fanantenana amin’ireo zanako aho. Mamitaka ahy sady mangalatra amiko izy ireo.” Ilay raim-pianakaviana izay nanana zanaka niara-nianatra tamin’ny Vavolombelon’i Jehovah kosa anefa dia nilaza toy izao: “Odre! ny ahy ny zanako dia hafa! Tena tsara fanahy amiko izy ireo ary nanampy ahy handoa ny trosa tsikelikely naloako tamin’ny fiarako mihitsy aza izy ireo raha mbola tsy an’asa aho.”
Ankehitriny, dia vita batisa ireo zanakavavy telo sy ilay reny. Mpisava lalana manokana ny zanakalahy iray. Ary ilay raim-pianakaviana tsy voahozongozona sy tezitra teo aloha? Tsara fanahy izy izao ary efa nanatrika ny Fahatsiarovana.
Namaly soa ilay zanakalahy sy ireo anabaviny telo i Jehovah ary koa ny renin’izy ireo, noho ny nanehoan’izy ireo fahatokiana teo anatrehany. Mpitory ilay Fanjakana be zotom-po izy ireo izao, ka mampifaly ny fon’i Jehovah. — Ohabolana 27:11.