Tsy Azo Ialana ve Ireo Ady?
NY ADY dia endriny iray mahaketraka amin’ny vaovao. Tsy isalasalana fa mahavery hevitra anao ireny vaovao momba ny fanaovana herisetra ireny. Kanefa dia mety koa hahatonga anao hanontany tena angamba izy ireny hoe: nahoana ny fitaovam-piadiana no tsy maintsy ho mpandamina ireo fifandirana maro aoka izany? Tsy hianatra ny hiaina amim-pihavanana mihitsy ve ny olona?
Ny fanafodin’ny ady dia toa saro-pantarina kokoa noho ny fitsaboana ny SIDA. Mandritra ny taonjato faha-20, dia nisy firenena manontolo maro voaomana ho amin’ny ady, lehilahy an-tapitrisany maro no nalefa tany an’ady, ary tanàna an-jatony maro no rava. Toa tsy misy farany tsinjo ho an’ny fandripahana olona amin’ny ady. Ny varotra fitaovam-piadiana mampidi-bola be iray dia miantoka fa ireo tafika — sy ireo mpiady anaty akata — eo amin’izao tontolo izao dia hanan-kery amin’ny fomba mahatsiravina hatrany.
Arakaraka ny nahatongavan’ireo fitaovam-piadiana hanjary hahafaty kokoa, no nidanganan’ny isan’ireo maty an’ady. Maherin’ny antsasak’ireo miaramila 65 tapitrisa izay nandray anjara tamin’ny Ady Lehibe Voalohany no maty na naratra. Sahabo ho 30 taona tatỳ aoriana, dia namono sivily japoney maherin’ny 150 000 ny baomba ataomika roa monja. Hatramin’ny Ady Lehibe Faharoa dia mora voafaritra kokoa ny toerana misy ireo ady. Na dia izany aza, dia mahafaty izy ireny, indrindra fa ho an’ireo sivily izay mahaforona ny 80 isan-jaton’ireo maty an’ady izao.
Mahatsikaiky fa io fandripahana olona zavontany io dia nitranga nandritra ny vanim-potoana iray nisian’ny fiezahana tsy roa aman-tany mba handrarana ny ady tsy ho fomba fandaminana fifandirana eo amin’ireo firenena. Tamin’ny fifaranan’ny Ady Mangatsiaka vao haingana teo, dia ambony ny fanantenana fa hipoitra ny fandehan-javatra iray vaovao sy mandry feizay ho an’izao tontolo izao. Mitoetra ho hevi-dravina toy ny hatramin’izay ihany anefa ny fiadanana maneran-tany. Nahoana?
Zavatra ilaina ara-biolojia ve?
Misy mpanoratra tantara sy manam-pahaizana manokana momba ny olombelona milaza fa ny ady dia tsy azo ialana — ilaina mihitsy aza — satria fotsiny izy io anisan’ny fifandrafiana ho amin’ny fahatafitana velona avy amin’ny fivoarana miandalana. Voataonan’ny fiheverana toy izany ilay mpanadihady ara-tafika atao hoe Friedrich von Bernhardi ka nilaza, tamin’ny 1914, fa natao ny ady “ho tombontsoan’ny fandrosoana ara-biolojia sy ara-tsosialy ary ara-pitondran-tena”. Ilay tsangan-kevitra dia hoe: Ny ady dia fomba fanafoanana ireo olona na firenena osaosa, kanefa mamela izay mendrika indrindra.
Ny fanaporofoan-kevitra toy izany dia tsy hampionona velively ireo mpitondratena sy kamboty an-tapitrisany maro noho ny ady. Ankoatra ny mampaharikoriko ara-pitondran-tena izany fiheverana izany, dia tsy miraharaha ny tena zava-misy mampanaintaina avy amin’ireo ady maoderina koa izy io. Ny basy marovava dia tsy mitsimbina manokana ireo mendrika indrindra, ary ny baomba dia mandringana ny matanjaka miaraka amin’ny osaosa.
Tsy niraharaha ireo fianarana nampisaintsaina lalina tamin’ny ady lehibe voalohany i Adolf Hitler fa nanonofy ny hamolavola firazanana iray hanana fahefana amin’ny alalan’ny fanafihana ara-tafika. Nanoratra toy izao izy ao amin’ilay bokiny hoe Mein Kampf: “Nihaniavaka ny olombelona teo amin’ny fifandrafiana tsy misy farany, ary tsy ho faty izy raha tsy ao amin’ny fandriampahalemana tsy misy farany ihany. (...) Tsy maintsy manapaka ny matanjaka kokoa fa tsy hifangaro amin’ny osa kokoa.” Tsy nampisondrotra ny taranak’olombelona anefa i Hitler, fa nanao sorona ain’olona an-tapitrisany maro sy nandrava kaontinenta iray manontolo kosa.
Kanefa raha tsy zavatra ilaina ara-biolojia ny ady, inona no manosika ny taranak’olombelona ho amin’ny fandringanan-tena? Hery inona avy no manosika ireo firenena ho ao amin’io “raharahan’ny barbariàna” io?a Ny manaraka eto dia lisitr’ireo anton-javatra fototra sasany izany manakana ny ezaka tsara indrindra ataon’ireo mpampihavana.
Ny mahatonga ny ady
Fanindrahindram-pirenena. Matetika resahin’ireo mpanao politika sy ireo jeneraly ny fanindrahindram-pirenena izay anisan’ny hery matanjaka indrindra eo amin’ny fampandrosoana ny ady. Ady maro no natomboka mba hiarovana ireo “tombontsoam-pirenena” na mba hiarovana ny “voninahitry ny firenena”. Rehefa manjaka ny toe-tsaina tia manindrahindra firenena, na dia ny fanafihana an-karihary aza dia azo hamarinina ho toy ny famelezana mialoha mba tsy hampanan-kery ny fitaovam-piadian’ny fahavalo.
Fankahalana ara-pirazanana. Adim-paritra maro no niantomboka ary avy eo dia narehitry ny fifankahalana efa hatramin’ny ela teo amin’ireo firazanana sy foko ary antokom-pirazanana. Ohatra vao haingana ny amin’izany ireo ady an-trano mampalahelo any Iogoslavia teo aloha, sy any Libéria ary any Somalia.
Fifaninanana ara-toe-karena sy ara-tafika. Nandritra ilay vanim-potoana toa nisian’ny fandriampahalemana, talohan’ny Ady Lehibe Voalohany, dia nanangana tafika goavana, raha ny marina, ireo herim-panjakana eoropeana. Tafiditra tao anatin’ny fifaninanana fanamboaran-tsambo mpiady i Alemaina sy i Angletera. Koa satria ny firenen-dehibe tsirairay izay nanjary tafiditra tao amin’ilay fifamonoana tatỳ aoriana, dia nino fa ny ady dia hampitombo ny heriny sy hitondra tombontsoa ara-toe-karena tsy nampoizina, dia vonona ho amin’ny fifandirana ny toe-javatra.
Fifankahalana ara-pivavahana. Afaka miteraka fifangaroan-javatra mora mipoaka ireo tsy fitoviana ara-pivavahana rehefa hamafisin’ny fisaratsarahana ara-pirazanana. Ireo fifandirana any Liban sy any Irlande Avaratra, ary koa ireo ady nifanaovan’i India sy i Pakistan, dia nifototra tamin’ny fifankahalana ara-pivavahana.
Mpanetsika ady tsy hita maso. Ahariharin’ny Baiboly fa ilay “andriamanitr’izao tontolo izao”, i Satana Devoly, dia miasa mafy kokoa mbola tsy nisy toy izany ankehitriny. (2 Korintiana 4:4). Noho izy feno fahatezerana lehibe sy tsy manana afa-tsy vanim-potoana “kely sisa”, dia hetsehiny ireo toe-javatra, anisan’izany ny ady, izay manampy trotraka ny toe-piainana feno loza eto an-tany. — Apokalypsy 12:12.
Ireny antony fototra mahatonga ny ady ireny dia tsy mora foanana. Maherin’ny 2 000 taona lasa izay, i Platon dia nilaza fa “ny maty ihany no nahita ny faran’ny ady”. Moa ve fahamarinana mangidy tsy maintsy ianarantsika sy ekentsika io fanombanana mahakivy nataony io? Sa kosa manana antony hanantenana isika fa indray andro any dia hisy tontolo iray tsy hisian’ny ady?
[Fanamarihana ambany pejy]
a I Napoléon no nilazalaza ny ady ho “raharahan’ny barbariàna”. Noho izy nandany ny ankamaroan’ny fiainany tamin’ny naha-olon-dehibe tao amin’ny raharaha miaramila ary efa ho 20 taona tamin’ny naha-komandy ambonin’ny tafika, dia nahita ny habibian’ny ady ny tenany manokana.
[Sary nahazoan-dalana, pejy 2]
Fonony: John Singer Sargent’s painting Gassed (detail), Imperial War Museum, London
[Sary nahazoan-dalana, pejy 3]
Instituto Municipal de Historia, Barcelona