Tontolo Iray Tsy Hisian’ny Ady — Tsy ho Ela Intsony!
TAMIN’NY 24 Desambra 1914, dia nandeha namakivaky ilay faritra nampisaraka ireo tafika mpifahavalo ny miaramila tanora anglisy iray atao hoe Jim Prince mba hiresaka tamin’ny miaramila mandeha an-tongotra alemanina iray. “Saxon aho. Ianao Anglo-Saxon. Nahoana isika no miady?” hoy ilay Alemanina nanontany azy. Taona maro tatỳ aoriana, dia niaiky toy izao i Prince: “Mbola tsy fantatro ihany ny valin’izay fanontaniana izay.”
Nandritra ny herinandro nampitolagaga iray tamin’ny 1914, ireo miaramila anglisy sy alemanina dia nihavana sy nilalao baolina kitra, ary nifanolotra fanomezana tamin’ny Krismasy mihitsy aza. Mazava ho azy fa tsy ofisialy izany fampitsaharana poa-basy izany. Tsy nirin’ireo jeneraly ny hahitan’ireo andian-tafiny fa ny “fahavalo” anie ka tsy ilay hery fandrahonana tsy mifaditrovana voalazalazan’ny fampielezan-kevitra momba ny ady. Izao no tsaroan’i Albert Moren, miaramila anglisy iray tatỳ aoriana: “Raha nitohy nandritra ny herinandro hafa iray ilay fampitsaharana poa-basy, dia ho tena sarotra ny nanaovana izay hanombohan’ny ady indray.”
Izany fampitsaharana poa-basy tonga ho azy vokatry ny fo izany dia milaza tsy mivantana fa na dia miaramila maro nahazo fiofanana aza dia maniry mafy fandriampahalemana fa tsy ady. Ny ankamaroan’ireo miaramila izay nahafantatra ny horohoron’ny ady dia hanaiky ilay ohabolana espaniola hoe: “Avelao handeha an’ady izay tsy mahafantatra ny atao hoe ady.” Tsy isalasalana fa ny fanadihadiana iray atao maneran-tany eo amin’ny mponina amin’ny ankapobeny dia hampiharihary fa ho be an’isa indrindra ireo izay tia kokoa ny fandriampahalemana noho ny ady. Ahoana anefa no ahafahana manova io fanirian’izao rehetra izao fandriampahalemana io ho tonga tontolo iray tsy hisy ady?
Alohan’ny hahafahana hanafoana ny ady, dia misy fihetsika tsy maintsy ovana. Milaza toy izao ny lalàm-panorenan’ny Sampan-draharahan’ny ONU misahana ny Siansa sy ny Kolontsaina ary ny Fanabeazana: “Koa satria manomboka ao an-tsain’ny olona ny ady, dia ao an-tsain’ny olona no tsy maintsy anorenana ny fiarovana ny fandriampahalemana.” Manjary mihamahery setra anefa, fa tsy tia fihavanana kokoa, ny fitambaran’olona ankehitriny izay anjakan’ny tsy fatokiana sy ny fankahalana.
Na dia izany aza, dia ny tenan’Andriamanitra mihitsy no nampanantena fa indray andro any ny fandriampahalemana dia hiraikitra tsy ho azo kosehina ao an-tsain’ireo olona mirona ho amin’ny fahamarinana. Hoy izy tamin’ny alalan’i Isaia mpaminaniny: “Ary hitsara ny adin’ny jentilisa Izy [Andriamanitra] ka hampiaiky [“handamina ireo zavatra mahakasika”, NW ] firenena maro; dia hanefy ny sabany ho fangady ireny, ary ny lefony ho fanetezam-boaloboka; ny firenena tsy hanainga sabatra hifamely na hianatra ady intsony.” — Isaia 2:4.
Fampandrosoana fandriampahalemana ao an-tsaina
Mety hitranga ao an-tsaina ve ny fiovana lehibe toy izany? Mba hianatra hiaro ny fandriampahalemana fa tsy hankalaza ny ady ve ny olona indray andro any? Hevero ny ohatr’i Wolfgang Kusserow. Tamin’ny 1942, dia nanapa-doha an’io Alemanina 20 taona io ny Nazia noho izy ‘tsy nety nianatra ady’. Nahoana izy no nifidy ny ho faty? Tao anatin’ny filazana an-tsoratra iray, dia notononiny ny fotopoto-pitsipika ao amin’ny Soratra Masina toy ny hoe “Tiava ny namanao tahaka ny tenanao”, ary ny hoe “Izay rehetra mandray sabatra no hovonoina amin’ny sabatra”. (Matio 22:39; 26:52). Avy eo izy dia nanontany mazava tsara hoe: “Ho an’ny hazo ve no nampanoratan’ny Mpamorona antsika izany rehetra izany?”
Ny tenin’Andriamanitra voarakitra an-tsoratra ao amin’ny Baiboly dia “mahery” ka nanosika io Vavolombelon’i Jehovah tanora io mba hikatsaka hatrany ny fandriampahalemana, na inona na inona vokany. (Hebreo 4:12; 1 Petera 3:11). Tsy i Wolfgang Kusserow ihany anefa no hany nikatsaka ny fandriampahalemana. Ao amin’ilay boky hoe The Nazi Persecution of the Churches 1933-45, i J. S. Conway dia nanonona ireo tahirin-taratasy ofisialin’ny Nazia izay nanamarina fa nanda tsy handray fiadiana ny Vavolombelon’i Jehovah tamin’ny naha-antokon’olona. Araka ny asehon’i Conway, ny fijoroana tamin-kerim-po toy izany dia nidika tanteraka ho fanaovan-tsonia ny fanamelohana azy ireo ho faty.
Manohy mikatsaka fandriampahalemana ny Vavolombelon’i Jehovah amin’izao andro izao, na toy inona na toy inona firazanany na firenena niaviany. Nahoana? Satria izy ireo nianatra avy ao amin’ny Baiboly fa ny tena mpanompon’Andriamanitra dia tsy maintsy manefy ny sabany ho fangady. Afaka nanamarina izany zava-misy izany manokana i Alejandro, tovolahy arzantinina izay nifindra monina nankany Isiraely tamin’ny 1987.
Nandritra ny telo taona i Alejandro dia nipetraka tany amin’ny toeram-piompiana iombonana (kibboutz) iray raha mbola nianatra tany amin’ny oniversite izy no sady niasa tany amin’ny hotely sy trano fisakafoana maro isan-karazany. Nandritra izany fotoana izany, dia nanomboka namaky ny Baiboly izy ary nitady zava-kendrena teo amin’ny fiainana. Ambonin’ny zava-drehetra, dia naniry mafy hahita tontolo iray hahafahan’ny olona hifaly amin’ny fiadanana sy ny rariny, izy. I Alejandro — izay nanaraka ny Jodaisma — dia niasa teo anilana Jiosy sy Arabo kanefa naleony tsy niandany na tamin’iza na tamin’iza.
Tamin’ny 1990, dia nanasa an’i Alejandro tany amin’ny fivoriambe naharitra iray andro tany Haifa ny namany iray izay nianatra ny Baiboly niaraka tamin’ny Vavolombelon’i Jehovah. Nitolagaga izy nahita Jiosy sy Arabo 600 nifangaro tamim-pifaliana tao amin’ilay fivoriambe, ka niteny anakampo hoe: ‘Izao no fomba mety tokony hiainan’ny olona.’ Tao anatin’ny enim-bolana, dia tonga Vavolombelona ny tenany ary izao izy dia manokana ny ankamaroan’ny fotoanany hitoriana ny hafatra momba ny fandriampahalemana ao amin’ny Baiboly.
Ny fomba hitondran’Andriamanitra fandriampahalemana
Na dia manohina ny fo aza ireo ohatra ireo, dia maningana izy ireo fa tsy mahazatra eo amin’izao tontolo izao ankehitriny. Na dia miandany am-bava amin’ny fandriampahalemana aza ny fandehan-javatra ankehitriny, dia manondraka ny voan’ny ady izy io. Irinao ve ny hipetraka mifanila amin’ny arabe iray misy mponina mandany eo amin’ny 7 ka hatramin’ny 16 isan-jaton’izay azony amin’ny basy sy amin’ireo fandaharam-piarovana ny tranony? Raha ny marina, dia izany no ataon’ireo firenena amin’ny alalan’ireo fandaniana ara-tafika tao anatin’ireo taona faramparany. Tsy mahagaga raha ahariharin’ny faminanian’i Isaia fa ny taranak’olombelona amin’ny fitambarany dia tsy hanefy ny sabany ho fangady mihitsy ‘mandra-pandamin’Andriamanitra ireo zavatra mahakasika firenena maro’. Ahoana no hanaovany izany?
Ny Fanjakan’i Jehovah Andriamanitra no fitaovana lehibe indrindra handaminan-javatra. Nilaza mialoha ny mpaminany Daniela fa ny “Andriamanitry ny lanitra dia hanorina fanjakana izay tsy ho rava mandrakizay”. Io Fanjakana io, hoy ny teny nanampiny, ‘dia hanorotoro sy handevona ireo fanjakana [fitondram-panjakana eo amin’izao tontolo izao] rehetra ireo, fa izy kosa hitoetra mandrakizay’. (Daniela 2:44). Ireo teny ireo dia mampiharihary fa ny Fanjakan’Andriamanitra dia hanorina mafy ny fahefany manerana ny tany manontolo. Amin’ny fanafoanana ireo fefy ara-pirenena, dia hataon’ilay Fanjakana ho efa lany andro ireo fifandrafiana. Ankoatra izany, noho ireo olom-peheziny ho “samy efa nampianarin’i Jehovah”, dia “ho be” ny fiadanan’izy ireo. (Isaia 54:13). Tsy mahagaga raha nasain’i Jesosy isika hivavaka amin’Andriamanitra hoe: “Ho tonga anie ny fanjakanao”! — Matio 6:10.
Fanesorana ireo fanakanana ara-pivavahana
Andriamanitra dia hanaisotra koa ireo fanakanana ara-pivavahana ny fandriampahalemana. Ny fivavahana no nahatonga ilay fifandirana nampiasana fitaovam-piadiana lava indrindra teo amin’ny tantara — ny Croisades, na “Ady Masina”, izay napoakan’ny Papa Urbain II tamin’ny 1095 am.f.i.a Amin’izao taonjato misy antsika izao dia malaza ny klerjy eo amin’ny fandrisihana sy fahazoana ny fanohanam-bahoaka ireo ady, na dia ireo ady tsy misy ifandraisany velively amin’ny fivavahana aza.
Rehefa niresaka ny amin’ny anjara asan’ireo fiangonana nilaza tena fa Kristiana nandritra ny Ady Lehibe Voalohany ilay mpanoratra tantara atao hoe Paul Johnson, dia nanoratra toy izao: “Ireo anisan’ny klerjy dia tsy afaka no sady, tamin’ny ankamaroan’ny toe-javatra, tsy vonona ny hametraka ny finoana kristiana talohan’ny firazanana. Nifidy ny lalana mora ny ankamaroan’izy ireo ary nampitovy ny Kristianisma tamin’ny fitiavan-tanindrazana. Ireo miaramila kristiana avy amin’ny antokom-pivavahana rehetra dia nampirisihina hifamono tamin’ny anaran’ny Mpamonjy azy ireo.”
Nanao zavatra betsaka mba handrehetana ny ady ny fivavahana fa tsy nanolokolo ny fandriampahalemana. Raha ny marina, ny Baiboly dia milazalaza ny fivavahan-diso ho toy ny “vehivavy janga” iray izay manome fahafaham-po ny filan’ireo mpanapaka eo amin’izao tontolo izao. (Apokalypsy 17:1, 2). Nambaran’Andriamanitra fa izy no tompon’andraikitra meloka voalohany tamin’ny fandatsahana ny ran’izay rehetra novonoina teto an-tany. (Apokalypsy 18:24). Vokatr’izany, dia hanafoana io fanakanana ny fandriampahalemana io indray mandeha tsy hiverina i Jehovah Andriamanitra. — Apokalypsy 18:4, 5, 8.
Na dia eo aza ny fanjavonan’ireo foto-javatra mpanasaraka toy ny politika sy ny fivavahan-diso, dia tsy ho voaro mihitsy ny fandriampahalemana raha tsy esorina ilay mpanetsika ady lehibe indrindra amin’ny rehetra — i Satana Devoly. Io no asa farany hataon’izany Fanjakan’Andriamanitra izany eo amin’ny fandaharana nataony mba hitondrana fandriampahalemana eto an-tany. Lazain’ilay boky ao amin’ny Baiboly hoe Apokalypsy fa i Satana dia ‘hosamborina’ sy ‘hofatorana’ ary ‘hatsipy ao amin’ny lavaka tsy hita noanoa mba tsy hamitahany ny firenena maro intsony’. Aorian’izany dia horinganina tanteraka izy. — Apokalypsy 20:2, 3, 10.
Ny fampanantenan’ny Baiboly fifaranana ho an’ny ady dia tsy nofy tsy misy ilana azy akory. Efa mitsangana ilay fandaharan’i Jehovah Andriamanitra ho amin’ny fandriampahalemana. Efa miorina any an-danitra ny Fanjakany ary efa vonona ny hanatanteraka fepetra fanampiny mba hiantohana ny fandriampahalemana maneran-tany. Mandra-pahatongan’izany, dia misy Vavolombelon’i Jehovah an-tapitrisany maro izay manohana io fitondram-panjakana any an-danitra io, efa nianatra ny hiaina amim-pihavanana.
Mazava àry, fa manana antony azo ekena isika mba hinoana fa tsy hoe tsy azo ialana akory ny ady. Mbola tsara kokoa anefa, isika dia afaka miandrandra ilay andro efa antomotra, izay hampitsaharan’i Jehovah mandrakizay ny ady. (Salamo 46:9). Hataony izay hisian’ny tontolo iray tsy hisy ady tsy ho ela.
[Fanamarihana ambany pejy]
a Indraindray dia ny tenan’ireo filoha ara-pivavahana mihitsy no tonga mpiady. Tamin’ny Adin’i Hastings (1066), dia nanamarina ny fandraisany anjara tamin’izany ilay eveka katolika atao hoe Odo, tamin’ny fitondrana kibay misy fonjam-by fa tsy sabatra. Nilaza izy fa raha tsy nisy ra latsaka, dia afaka namono ara-dalàna ny olon’Andriamanitra. Taonjato dimy taorian’izay, dia ny tenan’ny Kardinaly Ximenes mihitsy no nitarika fanafihan’ny Espaniola tany Afrika Avaratra.
[Sary, pejy 7]
Ho afaka hiaina eo amin’ny tontolo vaovao iray tsy hisian’ny ady ianao