FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • w94 15/1 p. 15-20
  • Ireo Mpiandry sy Ireo Ondry ao Anatin’ny Teokrasia Iray

Tsy misy video mifandray amin’io.

Miala tsiny fa tsy mety miseho ilay video.

  • Ireo Mpiandry sy Ireo Ondry ao Anatin’ny Teokrasia Iray
  • Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—1994
  • Lohatenikely
  • Mitovitovy Aminy
  • Amin’ny fomba ahoana avy isika no teokratika amin’izao andro izao?
  • Teokrasia maoderina iray
  • Ireo loholona ao anatin’ny teokrasia iray
  • Fanompoana amin’ny toe-tsaina kristiana
  • Ireo ondry ao anatin’ilay teokrasia
  • Miara-miasa ireo mpiandry sy ireo ondry
  • Porofon’ny finoana
  • Mifikira Hatrany Amin’ny Teôkrasia
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—1998
  • Manapaka i Jehovah — Amin’ny Alalan’ny Teokrasia
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—1994
  • Ahoana no Andaminana ny Fiangonana?
    Ankafizo Mandrakizay ny Fiainana!—Fianarana Baiboly Natao ho Anao
  • ‘Tiavo fatratra hatrany ny olona karazan’izany’
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—1989
Hijery Hafa
Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—1994
w94 15/1 p. 15-20

Ireo Mpiandry sy Ireo Ondry ao Anatin’ny Teokrasia Iray

“Jehovah no Mpitsara antsika; Jehovah no Mpanome lalàna antsika; Jehovah no Mpanjakantsika; Izy no hamonjy antsika.” — ISAIA 33:22.

1. Ahoana no ahafahana milaza fa ny Kristiana tamin’ny taonjato voalohany sy ny Kristiana amin’izao andro izao dia teokrasia iray?

NY TEOKRASIA dia midika hoe fanapahana iray ampiharin’Andriamanitra. Izany dia mahatafiditra fanekena ny fahefan’i Jehovah ary fanarahana ireo torolalana sy toromarika omeny eo amin’ny fanapahan-kevitra lehibe na kely ataontsika eo amin’ny fiainana. Tena teokrasia marina ilay kongregasiona tamin’ny taonjato voalohany. Afaka nilaza tamim-pahamarinana toy izao ireo Kristiana tamin’izany: ‘Jehovah no Mpitsara anay; Jehovah no Mpanome lalàna anay; Jehovah no Mpanjakanay’. (Isaia 33:22). Tena teokrasia toy izany koa ny fandaminan’i Jehovah Andriamanitra amin’izao andro izao, izay manana ny sisa voahosotra ho votoatiny.

Amin’ny fomba ahoana avy isika no teokratika amin’izao andro izao?

2. Inona ilay fomba iray aneken’ny Vavolombelon’i Jehovah ny fanapahan’i Jehovah?

2 Ahoana no ahafahantsika milaza fa teokrasia ny fandaminan’i Jehovah eto an-tany? Satria ireo izay anisan’izany dia azo antoka fa manaiky ny fanapahan’i Jehovah. Ary arahin’izy ireo ny fitarihan’i Jesosy Kristy, dia ilay nomen’i Jehovah fiandrianana ho Mpanjaka. Amin’ny fotoan’ny farany, ohatra, dia ampitaina any amin’i Jesosy itỳ baiko mivantana avy any amin’ilay Teokraty Lehibe itỳ: “Arosoy ny fijinjanao, ka mijinjà, satria tonga ny andro fijinjana; fa masaka dia masaka ny vokatry ny tany.” (Apokalypsy 14:15). Mankato i Jesosy ary mandray an-tanana ny fijinjana ny tany. Manohana ny Mpanjakany amin’io asa lehibe io ireo Kristiana amin’ny fitoriana amin-jotom-po ny vaovao tsara sy amin’ny fanaovana mpianatra. (Matio 28:19; Marka 13:10; Asan’ny Apostoly 1:8). Amin’ny fanaovana izany, dia mpiara-miasa amin’i Jehovah, ilay Teokraty Lehibe, koa izy ireo. — 1 Korintiana 3:9.

3. Ahoana no aneken’ny Kristiana ny teokrasia eo amin’ny raharaha mahakasika ny fitondran-tena?

3 Manaiky ny fanapahan’Andriamanitra amin’ny fitondran-tena koa ny Kristiana. Hoy i Jesosy: “Izay manao ny marina kosa dia manatona ny fahazavana, mba hiseho fa notontosaina araka an’Andriamanitra ny asany.” (Jaona 3:21, DIEM ). Amin’izao andro izao, dia misy ady hevitra tsy misy farany mikasika ireo fari-pitsipika ara-pitondran-tena. Tsy manan-toerana eo anivon’ireo Kristiana anefa ireny fifandirana ireny. Heverin’izy ireo ho maloto ara-pitondran-tena izay lazain’i Jehovah fa maloto ara-pitondran-tena, ary halavirin’izy ireo toy ny areti-mandoza izany! Mikarakara ny fianakaviany koa izy ireo, mankato ny ray aman-dreniny, ary manaiky hatrany ireo manam-pahefana ambony. (Efesiana 5:3-5, 22-33; 6:1-4; 1 Timoty 5:8; Titosy 3:1). Araka izany, izy ireo dia manao zavatra amin’ny fomba teokratika, mifanaraka amin’Andriamanitra.

4. Fihetsika ratsy inona avy no nasehon’i Adama sy i Eva ary i Saoly, ary ahoana no anehoan’ny Kristiana fihetsika tsy mitovy amin’izany?

4 Namoy ny Paradisa i Adama sy i Eva noho izy ireo naniry hanao ny fanapahan-keviny manokana ny amin’izay tsara sy izay ratsy. Naniry ny nifanohitra tamin’izany indrindra i Jesosy. Hoy izy: “Tsy mitady ny sitrapoko Aho, fa ny sitrapon’Izay naniraka Ahy.” Zavatra toy izany no katsahin’ny Kristiana. (Jaona 5:30; Lioka 22:42; Romana 12:2; Hebreo 10:7). Nankato an’i Jehovah i Saoly, mpanjakan’ny Isiraely voalohany — saingy tamin’ny fomba tapany ihany. Noho izany dia nolavina izy. Hoy i Samoela taminy: “Ny manaraka no tsara noho ny fanatitra, ary ny mihaino no tsara noho ny saboran’ondrilahy.” (1 Samoela 15:22). Teokratika ve ny fanarahana ny sitrapon’i Jehovah amin’ny ampahany sasany, angamba amin’ny tsy fanapatapahana eo amin’ny asa fitoriana na eo amin’ny fanatrehana fivoriana, ary avy eo dia hanaiky lembenana eo amin’ny raharaha mahakasika ny fitondran-tena na amin’ny fomba hafa sasany? Mazava ho azy fa tsia! Mikely aina isika “manao izay sitrapon’Andriamanitra amin’ny fo”. (Efesiana 6:6; 1 Petera 4:1, 2). Tsy sahala amin’i Saoly isika fa manaiky tanteraka ny fanapahan’Andriamanitra.

Teokrasia maoderina iray

5, 6. Ahoana no ifandraisan’i Jehovah amin’ny olombelona amin’izao andro izao, ary miteraka inona ny fiaraha-miasa amin’io fandaharana io?

5 Tamin’ny lasa, i Jehovah dia nanapaka sy nanambara fahamarinana tamin’ny alalan’ny olona toy ny mpaminany sy mpanjaka ary apostoly. Tsy izany intsony no izy amin’izao andro izao; tsy misy intsony ny mpaminany na apostoly nahazo tsindrimandry. Nilaza kosa i Jesosy fa mandritra ny fanatrehany amin’ny maha-mpanjaka, dia hampahafantatra ny fitambaran’ny mpanara-dia azy mahatoky, dia “mpanompo mahatoky sy malina” iray izy, ary hanendry azy io ho mpanapaka ny fananany rehetra. (Matio 24:45-47, NW; Isaia 43:10). Tamin’ny 1919, io mpanompo io dia nampahafantarina ho ilay sisa amin’ny Kristiana voahosotra. Hatramin’izay, dia izy io no foiben’ny teokrasia eto an-tany ka ny Fitambara-mpitantana eo amin’ny Vavolombelon’i Jehovah no misolo tena azy. Maneran-tany, ny Fitambara-mpitantana dia asehon’ny Komitin’ny Sampana sy ireo mpiandraikitra mpitety faritany ary ireo loholon’ny kongregasiona.

6 Tapany tena lehibe eo amin’ny fanekena ny teokrasia ny fiaraha-miasa amin’ny fandaminana teokratika. Miasa ho amin’ny fampiraisana sy ho amin’ny filaminana maneran-tany eo amin’ny “fitambaran’ny rahalahy manontolo” ny fiaraha-miasa toy izany. (1 Petera 2:17, NW ). Izany kosa dia mampifaly an’i Jehovah, izay “Andriamanitry ny filaminana fa tsy Andriamanitry ny fikorontanana”. — 1 Korintiana 14:33, NW.

Ireo loholona ao anatin’ny teokrasia iray

7. Nahoana no azo lazaina fa ireo loholona kristiana dia voatendry amin’ny fomba teokratika?

7 Ny loholona voatendry rehetra, na inona na inona toeram-pahefana ananany, dia mahafeno ireo fepetra voasoritra ao amin’ny Baiboly ho an’ny asan’ny mpiandraikitra, na loholona. (1 Timoty 3:1-7; Titosy 1:5-9). Ankoatra izany, ny tenin’i Paoly ho an’ny loholona tany Efesosy dia mihatra amin’ny loholona rehetra: “Tandremo ny tenanareo sy ny ondry rehetra izay nanaovan’ny Fanahy Masina anareo ho mpitandrina, hiandrasanareo ny fiangonan’Andriamanitra”. (Asan’ny Apostoly 20:28). Eny, ireo loholona dia notendren’ny fanahy masina izay avy amin’i Jehovah Andriamanitra. (Jaona 14:26). Teokratika ny fanendrena azy ireo. Ambonin’izany, izy ireo dia miandry ny andian’ondrin’Andriamanitra. An’i Jehovah ilay andian’ondry fa tsy an’ireo loholona. Teokrasia ilay fandaminan’Andriamanitra.

8. Inona avy ireo andraikitra, amin’ny ankapobeny, ananan’ireo loholona amin’izao andro izao?

8 Ao amin’ny taratasiny ho an’ny Efesiana, ny apostoly Paoly dia nanoritra ireo andraikitra, amin’ny ankapobeny, ananan’ny loholona tamin’ny filazana hoe: “Izy no nanome ny sasany ho Apostoly, ary ny sasany ho mpaminany, ary ny sasany ho evanjelista [“mpitory ny filazantsara”, NW ], ary ny sasany ho mpiandry sy mpampianatra, ho fanatanterahana ny olona masina, ho amin’ny asan’ny fanompoana amin’ny fiangonana, ho amin’ny fampandrosoana ny tenan’i Kristy”. (Efesiana 4:11, 12). Tsy nisy apostoly sy mpaminany intsony taorian’ny fahazazan’ny “tenan’i Kristy”. (Ampitahao amin’ny 1 Korintiana 13:8.) Ireo loholona anefa dia mbola miasa mafy ihany eo amin’ny fitoriana ny filazantsara sy ny fiandrasana ny ondry ary ny fampianarana. — 2 Timoty 4:2; Titosy 1:9.

9. Ahoana no tokony hanomanan’ireo loholona ny tenany mba hampiseho ny sitrapon’Andriamanitra ao amin’ny kongregasiona?

9 Koa satria fanapahan’Andriamanitra ny teokrasia, ireo loholona mahita vokatra dia mifankazatra tanteraka amin’ny sitrapon’Andriamanitra. Nomena baiko hamaky ny Lalàna isan’andro i Josoa. Ireo loholona koa dia mila mianatra sy maka hevitra avy ao amin’ny Soratra Masina tsy tapaka ary mifankazatra tanteraka amin’ireo zavatra vita an-tsoratra momba ny Baiboly avoakan’ny mpanompo mahatoky sy malina. (2 Timoty 3:14, 15). Izany dia mahatafiditra ireo gazety Ny Tilikambo Fiambenana sy Mifohaza! ary ireo zavatra vita an-tsoratra hafa izay mampiseho ny fomba iharan’ny fotopoto-pitsipiky ny Baiboly amin’ireo tarehin-javatra voafaritra tsara.a Kanefa na dia zava-dehibe aza, ho an’ny loholona iray, ny mahafantatra sy ny manaraka ireo torolalana mivoaka ao amin’ny zavatra vita an-tsoratry ny Fikambanana Watch Tower, dia tokony hifankazatra tanteraka koa amin’ireo fotopoto-pitsipika araka ny Soratra Masina iorenan’ireny torolalana ireny izy. Amin’izay izy dia ho afaka hampihatra ireo torolalana araka ny Soratra Masina amim-pahatakarana tsara sy amim-pangorahana. — Ampitahao amin’ny Mika 6:8.

Fanompoana amin’ny toe-tsaina kristiana

10. Tokony hitandrin-tena amin’ny fihetsika ratsy inona ireo loholona, ary amin’ny fomba ahoana?

10 Nanoratra ny taratasiny voalohany ho an’ny kongregasiona tany Korinto ny apostoly Paoly, tany amin’ny taona 55 am.f.i. tany ho any. Ny iray tamin’ireo zava-nanahirana nalaminy dia nifandray tamin-dehilahy sasany izay naniry ny hisongadina tao amin’ny kongregasiona. Nanoratra toy izao i Paoly: “Efa afa-po sahady hianareo, efa manan-karena sahady hianareo, efa manjaka hianareo; kanefa hay! tsy izahay tsy akory no nahazoanareo izany! Enga anie ka manjaka tokoa hianareo, hiarahanay sy hianareo manjaka.” (1 Korintiana 4:8). Tamin’ny taonjato voalohany am.f.i., ny Kristiana rehetra dia samy nanana fanantenana ny hanapaka amin’ny maha-mpanjaka sy mpisorona any an-danitra miaraka amin’i Jesosy. (Apokalypsy 20:4, 6). Miharihary anefa fa hadinon’ny sasany tao Korinto fa eto an-tany, dia tsy misy mpanjaka ao amin’ilay teokrasia kristiana. Tsy hanao zavatra toy ireo mpanjaka eo amin’izao tontolo izao ireo mpiandry kristiana fa hamboly fanetren-tena kosa, dia toetra izay mampifaly an’i Jehovah. — Salamo 138:6; Lioka 22:25-27.

11. a) Inona avy ireo oha-panetren-tena miavaka sasany? b) Fiheveran-tena ahoana no tokony hananan’ireo loholona sy ny Kristiana hafa rehetra?

11 Fahalemena ve ny fanetren-tena? Tsy izany velively! Ny tenan’i Jehovah mihitsy aza dia lazalazaina ho manetry tena. (Salamo 18:35, NW ). Ireo mpanjakan’ny Isiraely dia nitari-tafika an’ady, ary nanapaka ilay firenena teo ambany fanapahan’i Jehovah. Kanefa dia tsy maintsy nitandrina ny tsirairay “mba tsy hiavonavonan’ny fony amin’ny rahalahiny”. (Deoteronomia 17:20). Mpanjaka any an-danitra i Jesosy tafatsangana amin’ny maty. Fony izy teto an-tany anefa, dia nanasa ny tongotr’ireo mpianany izy. Fanetren-tena re izany! Ary rehefa nasehony fa niriny hanetry tena toy izany koa ireo apostoliny, dia niteny toy izao izy: “Koa raha Izaho, Tompo sy Mpampianatra aza, no nanasa ny tongotrareo, hianareo kosa mba tokony hifanasa tongotra.” (Jaona 13:14; Filipiana 2:5-8). Ny voninahitra sy ny dera rehetra dia tokony hankany amin’i Jehovah, fa tsy hankany amin’olona na iza na iza. (Apokalypsy 4:11). Na loholona izy ireo na tsia, ny Kristiana rehetra dia tokony hihevitra ny tenany araka ny tenin’i Jesosy hoe: “Mpanompo tsy mahasoa izahay; ny tokony ho nataonay ihany no efa nataonay.” (Lioka 17:10). Izay mety ho fiheverana hafa rehetra dia tsy teokratika.

12. Nahoana ny fitiavana no toetra tena lehibe tokony hambolen’ireo loholona kristiana?

12 Miaraka amin’ny fanetren-tena, dia mamboly fitiavana ireo loholona kristiana. Nasehon’ny apostoly Jaona ny maha-zava-dehibe ny fitiavana rehefa niteny izy hoe: “Izay tsy tia dia tsy mba mahalala an’Andriamanitra; fa Andriamanitra dia fitiavana.” (1 Jaona 4:8). Ireo olona tsy manam-pitiavana dia tsy teokratika. Tsy mahalala an’i Jehovah izy ireo. Izao no lazain’ny Baiboly mikasika ny Zanak’Andriamanitra: “Efa tia ny Azy izay amin’izao tontolo izao Izy [Jesosy], dia tia azy hatramin’ny farany.” (Jaona 13:1). Raha niresaka tamin’ireo lehilahy 11 izay ho anisan’ny fitambara-mpitantana tao amin’ny kongregasiona kristiana i Jesosy, dia niteny hoe: “Izao no didiko, dia ny mba hifankatiavanareo tahaka ny nitiavako anareo.” (Jaona 15:12). Marika ahafantarana ny Kristianisma marina ny fitiavana. Izy io dia manintona ireo olona manana fo torotoro sy ireo malahelo ary ireo voafatotra ara-panahy izay maniry fatratra fahafahana. (Isaia 61:1, 2; Jaona 13:35). Tsy maintsy ho fakan-tahaka ireo loholona eo amin’ny fanehoana io fitiavana io.

13. Na dia mety ho sarotra aza ny zava-manahirana amin’izao andro izao, ahoana no ahafahan’ny loholona iray ho tonga fitaomana mahasoa ao anatin’ny tarehin-javatra rehetra?

13 Amin’izao andro izao, dia matetika ireo loholona no angatahina hanampy amin’ny fandaminana zava-manahirana sarotra. Mety ho lalim-paka sy haharitra ireo fahasahiranana ao amin’ny fanambadiana. Ireo tanora dia manan-java-manahirana izay toa sarotra amin’ny olon-dehibe ny mahatakatra azy. Matetika dia sarotra ny mahatakatra ireo aretina ara-pihetseham-po. Ny loholona iray miatrika zavatra toy izany dia mety tsy hahazo antoka ny amin’izay tokony hatao. Afaka matoky anefa izy fa raha miantehitra amim-bavaka amin’ny fahendren’i Jehovah izy, raha manao fikarohana ao amin’ny Baiboly sy ny fanazavana avoakan’ny mpanompo mahatoky sy malina, ary raha mifandray amim-panetren-tena sy amim-pitiavana amin’ny ondry, dia ho fitaomana mahasoa ny tenany na dia ao anatin’ny tarehin-javatra faran’izay sarotra aza.

14, 15. Inona avy ireo filazana sasany mampiseho fa nitahy ny olony i Jehovah tamin’ny alalan’ny loholona tsara dia tsara maro?

14 Nanome fitahiana manana amby ampy ny fandaminany i Jehovah tamin’ny “fanomezana lehilahy”. (Efesiana 4:8, NW ). Indraindray ny Fikambanana Watch Tower dia maharay taratasy mampifaly ny fo izay manaporofo ny fitiavana asehon’ireo loholona manetry tena izay miandry amim-pangorahana ny ondrin’Andriamanitra. Nanoratra toy izao, ohatra, ny loholon’ny kongregasiona iray: “Tsy tsaroako hoe nisy fitsidihan’ny mpiandraikitra ny fizaran-tany nisy fiantraikany tamiko kokoa na mbola asiana fitenenana ihany ao amin’ny kongregasiona toy izany. Nanampy ahy ilay mpiandraikitra ny fizaran-tany mba hahita ny maha-zava-dehibe ny hananana fihetsika manorina rehefa mifandray amin’ireo rahalahy, tamin’ny fanamafisana ny fanaovana teny fiderana.”

15 Nanoratra toy izao ny anabavy iray izay voatery nandeha tany amin’ny hopitaly lavitra iray mba hahazoana fitsaboana: “Nanome toky toy inona moa ny fahafahana nihaona tamin’ny loholona iray tamin’iny alina nampanahy voalohany iny, tao amin’ny hopitaly iray lavitra ny fonenan’ny tena! Nandany fotoana maro niarahana tamiko izy sy ny anadahy hafa. Na dia ireo olona eo amin’izao tontolo izao izay nahafantatra tsara izay nahazo ahy aza dia nihevitra fa tsy ho tafavoaka tamin’izany aho raha tsy nisy ny fampiononana sy ny fikarakarana ary ny vavaka nataon’ireo anadahy be fitiavana sy fandavan-tena ireo.” Nanoratra toy izao ny anabavy hafa iray: “Velona aho ankehitriny satria nitari-dalana ahy tamim-paharetana ny fitambaran-doholona nandritra ny ady nataoko tamin’ny fahaketrahana lehibe. (...) Tsy nahafantatra izay holazaina tamiko ny anadahy iray sy ny vadiny. (...) Ny nanohina ahy indrindra anefa, dia ny niheveran’izy ireo ahy tamim-pitiavana na dia tsy takatr’izy ireo tanteraka aza izay nanjo ahy.”

16. Fampirisihana inona no nomen’i Petera an’ireo loholona?

16 Eny, loholona maro no mampihatra ilay fampirisihan’ny apostoly Petera hoe: “Andraso ny ondrin’Andriamanitra izay eo aminareo, mitandrina azy tsy an-tery, fa amin’ny sitrapo [araka an’Andriamanitra]; tsy amin’ny fitiavana harena maloto, fa amin’ny zotom-panahy; tsy ho mpanjakazaka amin’ny anjara-fiandrasana, fa ho fianaran’ny ondry.” (1 Petera 5:1-3). Fitahiana toy inona moa ny loholona teokratika toy izany!

Ireo ondry ao anatin’ilay teokrasia

17. Milazà toetra sasany izay tokony hambolen’ny mpikambana rehetra ao amin’ny kongregasiona.

17 Tsy voaforon’ny loholona fotsiny anefa ny teokrasia iray. Raha tsy maintsy teokratika ireo mpiandry, dia tsy maintsy mba toy izany koa ny ondry. Amin’ny fomba ahoana avy? Eny, ireo fotopoto-pitsipika izay mitari-dalana ny mpiandry ihany no tsy maintsy mitari-dalana ny ondry. Ny Kristiana rehetra, fa tsy ny loholona ihany, dia tsy maintsy manetry tena raha ta hahazo fitahiana avy amin’i Jehovah. (Jakoba 4:6). Tsy maintsy mamboly fitiavana ny rehetra satria raha tsy misy azy io dia tsy ankasitrahan’i Jehovah ny fanatitra ataontsika. (1 Korintiana 13:1-3). Ary isika rehetra, fa tsy ny loholona fotsiny, dia samy tokony “hofenoina fahalalana [araka ny marina, NW ] ny sitrapony [ny an’i Jehovah] (...) amin’ny fahendrena sy ny fahazavan-tsaina rehetra avy amin’ny Fanahy”. — Kolosiana 1:9.

18. a) Nahoana no tsy ampy ny fahalalana ivelany ny fahamarinana fotsiny? b) Ahoana no ahafahantsika rehetra ho feno fahalalana araka ny marina?

18 Ny tanora sy ny antitra dia samy miatrika tsy tapaka fanapahan-kevitra sarotra eo am-piezahan’izy ireo hitoetra ho mahatoky na dia miaina eo amin’izao tontolo izaon’i Satana aza. Misedra ny fahasalamana ara-panahin’ny sasany ireo fironan’izao tontolo izao eo amin’ny fitafiana, ny mozika sy ny sinema ary ny zavatra vita an-tsoratra. Tsy ampy mba hitanana antsika hahay handanjalanja ny fahalalana ivelany ny fahamarinana. Mba hahazoana antoka ny amin’ny fitoerana ho mahatoky, dia ilaintsika ny ho feno fahalalana araka ny marina. Ilaintsika ilay fahaiza-manavaka sy ilay fahendrena izay ny Tenin’Andriamanitra ihany no afaka manome azy antsika. (Ohabolana 2:1-5, NW ). Izany dia midika ho fambolena fahazarana mianatra tsara sy fisaintsainana izay nianarantsika ary fampiharana izany. (Salamo 1:1-3; Apokalypsy 1:3). Nanoratra ho an’ny Kristiana rehetra i Paoly, fa tsy ho an’ny loholona fotsiny, rehefa nilaza hoe: “Fa ho an’izay efa lehibe ny ventin-kanina, dia ho an’izay manana ny saina efa zatra nampiasaina tsara ka mahay manavaka ny tsara sy ny ratsy.” — Hebreo 5:14.

Miara-miasa ireo mpiandry sy ireo ondry

19, 20. Fampirisihana inona avy no omena ny rehetra mba hiara-miasa amin’ireo loholona, ary nahoana?

19 Farany, dia tokony holazaina fa ny toe-tsaina teokratika marina tokoa dia asehon’ireo izay miara-miasa amin’ny loholona. Nanoratra toy izao ho an’i Timoty i Paoly: “Aoka ny loholona izay mitondra tsara hatao tokony hahazo fanajana roa heny, indrindra fa izay mikely aina amin’ny teny sy ny fampianarana.” (1 Timoty 5:17; 1 Petera 5:5, 6). Tombontsoa mahatalanjona ny maha-loholona, kanefa ny ankamaroan’ny loholona dia raim-pianakaviana izay mandeha any amin’ny asa fivelomany isan’andro sady manam-bady aman-janaka hokarakaraina. Na dia faly aza izy ireo manompo, dia mora kokoa sy valian-tsoa kokoa ny fanompoan’izy ireo rehefa tia manohana ny kongregasiona fa tsy mpanakiana be loatra sy mitaky zavatra be loatra. — Hebreo 13:17.

20 Niteny toy izao ny apostoly Paoly: “Tsarovy ny mpitondra anareo, izay efa nitory ny tenin’Andriamanitra taminareo; hevero ny niafaran’ny fiainany, ka araho [“tahafo”, NW ] ny finoany.” (Hebreo 13:7). Tsia, tsy nampirisika ireo rahalahy hanaraka ireo loholona akory i Paoly. (1 Korintiana 1:12). Tsy teokratika ny fanarahana olona iray. Kanefa dia azo antoka fa fanehoam-pahendrena ny fanahafana ny finoana voazaha toetran’ny loholona teokratika iray izay marisika eo amin’ny asa fitoriana ny filazantsara, izay tsy tapatapaka eo amin’ny fivoriana ary mifandray amin’ny kongregasiona amim-panetren-tena sy amim-pitiavana.

Porofon’ny finoana

21. Ahoana no anehoan’ny Kristiana finoana matanjaka sahala amin’ny an’i Mosesy?

21 Marina tokoa fa ny fisian’ny fandaminana teokratika iray amin’izao fotoana faran’izay mikororosy eo amin’ny tantaran’olombelona izao dia porofon’ny herin’ilay Teokraty Lehibe. (Isaia 2:2-5). Izy io koa dia porofon’ny finoan’ireo Kristiana lehilahy sy vehivavy ary ankizy efa ho dimy tapitrisa, izay miady mafy amin’ireo zava-manahirana eo amin’ny fiainana andavanandro, saingy tsy manadino na oviana na oviana fa i Jehovah no Mpanapaka azy ireo. Sahala amin’i Mosesy nahatoky izay “naharitra toy ny nahita Izay tsy hita”, dia manana finoana matanjaka toy izany koa ny Kristiana amin’izao andro izao. (Hebreo 11:27). Manana tombontsoa miaina ao anatin’ny teokrasia iray izy ireo, ary misaotra an’i Jehovah isan’andro noho izany. (Salamo 100:4, 5). Eo am-panandramana ny hery famonjen’i Jehovah, dia faly izy ireo manambara hoe: “Jehovah no Mpitsara antsika; Jehovah no Mpanome lalàna antsika; Jehovah no Mpanjakantsika; Izy no hamonjy antsika.” — Isaia 33:22.

[Fanamarihana ambany pejy]

a Anisan’izany zavatra vita an-tsoratra izany ilay boky hoe “Tandremo ny Tenanareo sy ny Ondry Rehetra”, izay mirakitra torolalana araka ny Soratra Masina ary natao ho an’ireo mpiandraikitra na loholona voatendry ao amin’ny kongregasiona.

Inona no Asehon’ny Baiboly?

◻ Amin’ny fomba ahoana no aneken’ny Kristiana ny teokrasia?

◻ Ahoana no andaminana ny teokrasia amin’izao andro izao?

◻ Amin’ny fomba ahoana avy no tokony hanomanan’ireo loholona ny tenany mba hanatanterahana ny andraikiny?

◻ Toetra kristiana inona avy no tena ilain’ireo loholona hambolena sy haseho?

◻ Ao amin’ny teokrasia, inona no fifandraisana tokony hisy eo amin’ny ondry sy ny mpiandry?

[Sary, pejy 16]

Namoy ny Paradisa i Adama sy i Eva noho izy ireo naniry hanao ny fanapahan-keviny manokana mikasika ny tsara sy ny ratsy

[Sary, pejy 18]

Raha mifandray amim-​panetren-tena sy amim-pitiavana amin’ny ondry ny loholona iray, dia ho fitaomana mahasoa mandrakariva izy

    Fitehirizam-boky Malagasy (1965-2025)
    Hiala
    Hiditra
    • Malagasy
    • Hizara
    • Firafitra
    • Copyright © 2025 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
    • Fifanekena
    • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
    • Firafitry ny Fifanekena
    • JW.ORG
    • Hiditra
    Hizara