Ny Antenimieran’ireo Fivavahana Eran-tany — Hahomby ve Izy Io?
MPITONDRA fivavahana an-jatony maro no nivory tao amin’ny Antenimiera faharoan’ireo Fivavahana Eran-tany natao tany Chicago, Illinois, any Etazonia, tamin’ny fahavaratry ny taona 1993. Nanana solontena tao avokoa ny Bodisma, ny Tontolon’ireo Fivavahana Lazaina fa Kristiana, ny Hindoisma sy ny Jodaisma ary ny Silamo. Tonga tao koa ireo mpanao ody sy mpivavaka amin’ny andriamanibavy. Nidinika ny amin’ny anjara asany amin’ny fampitsaharana ny ady izy ireo. Niaiky ny mpitari-draharahan’ilay antenimiera fa “ny androatokon’ireo ady lehibe eo amin’izao tontolo izao ankehitriny dia mahatafiditra fivavahana”.
Zato taona lasa izay
Nahomby ve ilay antenimiera? Jereo izay nitranga zato taona lasa izay tao amin’ny Antenimiera voalohan’ireo Fivavahana Eran-tany. Natao tany Chicago koa izy io, tamin’ny fahavaratry ny taona 1893, ary fivavahana maherin’ny 40 no nanana solontena tao. Niaiky ny Konsily ho an’ny Antenimieran’ireo Fivavahana Eran-tany fa ireo izay nanatrika tamin’ny 1893 dia “nino fa izy io no ho voalohany amin’ny fitohitohizam-pivorian’ny fanakambanam-pinoana iraisam-pirenena izay handray anjara amin’ny fahatakarana ny fihevitry ny hafa sy ny fiadanana ary ny fandrosoana. Tsy izany no nitranga. Ampahany tamin’ireo ady nitranga nandritra ireo 100 taona lasa ny tsy fileferana sy ny herisetra ara-pivavahana, ary mbola mitohy hatramin’izao izany”. Inona no nahatonga ny tsy fahombiazana? Satria ny hevitra manontolo ny amin’ny fanakambanam-pinoana dia tsy ankasitrahan’Andriamanitra. Milaza ny Baiboly hoe: “Aza mety hasiana zioga tsy antonona anareo hikambanana amin’ny tsy mino.” — 2 Korintiana 6:14-17.
Mifanaraka amin’izany, dia nanasongadina ny tsy fanohanan’ny Soratra Masina ny Antenimieran’ireo Fivavahana Eran-tany ny gazety Ny Tilikambo Fiambenan’i Ziona tamin’ny Septambra 1893 rehefa nilaza toy izao, narahin’ny fanesoana kely: “Ireo [arkeology] dia nandoatra avy tany anaty sisan-javatra rava avy amin’ny tanànan’i Babylona sy ireo tanàna fahizay hafa, varingarina tsara tarehy maro vita tamin’ny tanimanga masaka, nefa mbola misy tsy hitan’izy ireo. (...) Tsy nahita na inona na inona izay niresaka ny amin’i Mosesy sy i Josoa nampiantso ‘Antenimieran’ireo Fivavahana’ iray voaforon’ny Moabita sy ny Amonita ary ny Edomita, izy ireo (...) Tsy nahita na inona na inona, izay niresaka ny amin’i Samoela be taona tsy azo nohozongozonina nampaniraka tany Gata sy Ekrona mba handefa solontenan’ireo mpisoron’i Dagona hiakatra hankany Silo sy hanao fivoriana niaraka tamin’ireo mpisoron’i Jehovah, izy ireo (...) Tsy nahita na inona na inona izay niresaka ny amin’i Elia be taona nanao fehikibo hoditra nanipy hevitra momba ny ‘fivoriambe’ iray niaraka tamin’ireo mpisoron’i Bala sy i Moloka izy ireo mba hidinika nandritra ny herinandro ny amin’ny foto-pampianaran’ny rafi-pinoany tsirairay avy, ho fikendrena ny fampandrosoana ny fifanajana ny fivavahan’ny andaniny avy.”
Ny Fanjakan’Andriamanitra — Ny hany fanantenana
Tsy hahomby ny Antenimieran’ireo Fivavahana Eran-tany. Ireo gazety sy ireo solontena dia nampiasa teny toy ny hoe “fikorontanana” sy “fisafotofotoana” ary “fikorontanana tanteraka” nifandray tamin’ilay antenimiera. Araka ny tatitra iray, na dia ny polisy aza dia tafiditra tamin’ny fandaminana korontana roa vokatry ny fisaratsarahana ara-politika. Tao amin’ny tahirin-kevitra iray tamin’ny 1952, dia nanonona ny iray amin’ireo zava-kendreny ilay antenimiera, dia ny hoe: “Hanorina Antenimieran’ireo Fivavahana Eran-tany maharitra iray mba hiasa miaraka amin’ny FIRENENA MIKAMBANA amin’ny fanatratrarana ny fandriampahalemana eo amin’izao tontolo izao sy ny fahatakarana ny fihevitry ny hafa eo amin’ireo firenena rehetra.” Mifanohitra amin’izany, dia nilaza i Jesosy fa ny Fanjakany dia tsy anisan’itỳ tontolo itỳ. Manondro ny Fanjakan’Andriamanitra ho ny hany fanafodin’ireo zava-manahirana ny olombelona ny Baiboly. — Daniela 2:44; Jaona 18:36.