Andosiro ny Loza Rehefa Mananontanona
VITSY ny olona mora mahatsapa kokoa ny fiavian’ny loza toy ny ahatsapan’ireo tantsambo azy. Tsy maintsy ho mailo ny amin’izay fiovana rehetra eo amin’ny toetr’andro sy ny samonta ary ny fahakekezan’ny sambony amin’ny moron-tsiraka izy ireo. Rehefa mitambatra ny samonta sy ny rivotra mba hitarika ilay sambo ho eny amin’ny morona, dia miatrika asa mafy sy loza lehibe ireo tantsambo.
Ao anatin’izany toe-javatra izany — fantatra hoe terre sous le vent — dia mihazona elanelana lehibe eo amin’ny sambony sy ny moron-tsiraka ny tantsambo iray, indrindra fa raha lay fotsiny no mampandeha ilay sambo kely. Manazava ny boky momba ny familiana sambo iray fa ‘izany tratran’ny rivo-mahery ao anatin’ny terre sous le vent izany angamba no fahavoazana lehibe indrindra’ mety ho hitan’ny tantsambo iray. Ny ala olana anoroana hevitra? ‘Aza mamela na oviana na oviana ny sambonao ho tratran’ny toe-javatra sarotra toy izany.’ Ny fomba tsy mampidi-doza mba hisorohana ny faharendrehana eo amin’ny dongom-pasika iray na amin’ny moron-dranomasina be vato dia ny fandosirana lavitra ny loza.
Ireo Kristiana dia tsy maintsy ho mora mahatsapa ny fiavian’ny loza izay mety hahavaky sambo ny finoany. (1 Timoty 1:19). Amin’izao fotoana izao, ireo toe-javatra dia tsy tonga lafatra velively mba hihazonana lalana tsy mivilivily. Tahaka ny sambo iray mety hivily lalana noho ny rivotra sy ny samonta, dia mety hivily lalana toy izany koa ny tenantsika vita fanoloran-tena noho ny fisarihan’ny nofontsika tsy tanteraka tsy an-kijanona sy ny fanosehana mahery avy amin’ny toe-tsain’izao tontolo izao — izay efa ho toy ny rivo-mahery amin’ny hamafiny ankehitriny.
Lehilahy iray izay nanana fiainana nampidi-doza
Mora erỳ ny mankahatra loza amin’ny fomba tsy nahy mankany amin’ny rano mampidi-doza ara-panahy!
Diniho ny ohatra iray izay nitranga tany akaikin’ny rano iray voahodidin’ny tany, dia ny Ranomasina Maty. Te hilaza ny ohatr’i Lota izahay. Ny fanapahan-keviny hipetraka tao Sodoma dia nitondra ho azy zava-manahirana maro sy alahelo be. Taorian’ny fifandirana teo amin’ireo mpiandry ny andiam-biby fiompin’ny andaniny sy ny ankilany, dia nifanaraka i Abrahama sy i Lota fa hipetraka any amin’ny faritra samy hafa. Voalaza tamintsika fa i Lota dia nifidy ny Distrikan’i Jordana ary nanangana ny lainy teny amin’ireo tanànan’ilay Distrika. Tatỳ aoriana, dia nanapa-kevitra ny hipetraka tao Sodoma izy, na dia nampahory azy aza ny fomba fiainan’ireo Sodomita. — Genesisy 13:5-13; 2 Petera 2:8.
Nahoana moa i Lota no nanohy nipetraka tao amin’ny tanàna iray nalaza ratsy tamin’ny fahalotoam-pitondran-tena izay nampahatezitra mafy an’i Jehovah ary niteraka fitarainan’ny olona nipetraka teny akaiky teny mihitsy aza? Nanankarena i Sodoma, ary tsy isalasalana fa nankafy ireo tombontsoa ara-nofo nentin’ny fipetrahana tao an-tanàna ny vadin’i Lota. (Ezekiela 16:49, 50). Angamba na dia i Lota aza dia voasinton’ny toe-karena natanjaka nananan’i Sodoma. Na inona na inona antony nipetrahany tao, dia tokony ho niala tao aloha kokoa tsy toy ny nataony izy. Noho ny fandodonana mafy nataon’ireo anjelin’i Jehovah ihany vao nandao ilay faritra nampidi-doza ny fianakavian’i Lota tamin’ny farany.
Milaza toy izao ny fitantaran’ny Genesisy: “Nony maraina koa ny andro, dia nandodona an’i Lota ireo anjely ka nanao hoe: Miaingà, ento ny vadinao sy ny zanakao roa vavy izay eto, fandrao mba haringana hianao noho ny heloky ny tanàna.” Kanefa, na dia taorian’izany fampiomanana nandodona izany aza, dia “nitaredretra” i Lota. Tamin’ny farany, ireo anjely dia ‘nitantana azy sy ny vadiny ary ny zanany roa vavy; dia nitondra azy nivoaka izy roa lahy ka nandao azy tany ivelan’ny tanàna’. — Genesisy 19:15, 16.
Teny amin’ny sisiny ivelan’ny tanàna, dia nanome toromarika farany ho an’ny fianakavian’i Lota ireo anjely nanao hoe: “Mandosira hamonjy ny ainao; aza miherika hianao, na mijanona eny amin’ny tany lemaka rehetra; mandosira any an-tendrombohitra, fandrao haringana hianao.” (Genesisy 19:17). Na dia tamin’izay aza, i Lota dia niangavy mba homen-dalana hankeny Zoara, tanàna teo akaiky teo fa tsy handao tanteraka kosa ilay faritra. (Genesisy 19:18-22). Hita mazava fa tsy nazoto i Lota ny hampanalavitra ny tenany araka izay azony natao tamin’ny loza.
Teny an-dalana ho any Zoara, dia niherika nijery an’i Sodoma ny vadin’i Lota, angamba nanembona ireo zavatra voatery nilaozany. Noho ny tsy firaharahany ireo toromariky ny anjely, dia namoy ny ainy izy. Tafita velona tamin’ny fandravana ilay tanàna i Lota — lehilahy marina — niaraka tamin’ireo zanany vavy roa. Kanefa toy inona moa ny vidiny naloany noho ny nifidianana ny hipetraka teo akaikin’ny loza! — Genesisy 19:18-26; 2 Petera 2:7.
Fitoerana lavitra an’izay mety ho loza
Ny fanandraman-javatra nangidy hitan’i Lota dia mampiseho hoe inona no mety hitranga raha manatona na mitaredretra ao anatin’ny toe-javatra mampidi-doza isika. Ny fahendrena dia handidy fa, tahaka ny tantsambo mahay, isika dia tsy hamela na oviana na oviana ny tenantsika ho tafiditra ao anatin’ny toe-javatra sarotra toy izany. Inona avy ireo faritra mampidi-doza sasany tokony hohalavirintsika? Nivily lalana ny Kristiana sasany tamin’ny fidirana be loatra tamin’ny fandraharahana ahazoam-bola, tamin’ny fisakaizana akaiky tamin’ireo namana teo amin’izao tontolo izao, na tamin’ny fahatongavana ho voafatotra ara-pihetseham-po tamin’ny olona iray tsy lahy na tsy vavy toy ny tenany, kanefa tsy afaka ny hivady izy ireo.
Ny lalana mampiseho fahendrena, amin’ny fisehoan-javatra tsirairay, dia ny fandosirantsika ny loza. Ohatra, moa ve isika mailo mahatsinjo ireo loza ara-panahy mety hoentin’izay antsoina hoe fahafahana ara-barotra hahazoan-tombony? Ny rahalahy sasany dia nampiditra lalina ny tenany tao anatin’ny fanaovan-draharaha ara-barotra ka nitondra fahavoazana ho an’ny fianakaviany sy ny fahasalamany ary ireo andraikiny teokratika. Indraindray ny fandrika dia ny fomba fiaina mampiadana kokoa izay azon’ny vola omena. Amin’ny fotoana hafa, izy io dia ny fihaikana hitsapana ny hakingan-tsainy eo amin’ny fandraharahana ahazoam-bola. Nety ho nanjohy hevitra ny sasany fa ny antony manosika azy dia ny hanomezana asa fivelomana ho an’ireo rahalahy hafa na ny hahafahana handray anjara amim-pahalalahan-tanana kokoa ho tombontsoan’ny asa maneran-tany. Angamba izy ireny mihevitra fa rehefa mandeha tsara ny fandraharahana ahazoam-bola, dia hanam-potoana bebe kokoa hatokana ho amin’ireo tombontsoan’ilay Fanjakana izy ireo.
Inona avy ireo fandrika sasantsasany? Ny rivo-piainana ara-toe-karena tsy azo antoka sy ny ‘fisehoan-javatra tsy ampoizina’ dia mety hampihitsoka ny volavolam-pandraharahana ahazoam-bola faran’izay maty paika. (Mpitoriteny 9:11, NW ). Ny fiadiana mafy amin’ny trosa mavesatra dia mety hitondra fahoriana be ary hanilika ireo raharaha ara-panahy. Ary na dia rehefa mandroso aza ny fandraharahana ahazoam-bola iray, dia azo inoana fa haka fotoana sy herin-tsaina bebe kokoa izany, ary mety hitaky fiarahana betsaka amin’ny olona eo amin’izao tontolo izao.
Ny loholona kristiana iray any Espaina dia tao anatin’ny fahasahiranana lehibe ara-bola rehefa nanao fanolorana nanintona taminy ny kompanian’ny fiantohana iray. Na dia nanome fahatsinjovana hanangom-bola be aza izany tamin’ny naha-mahasoivohon’ny asa fiantohana nahaleo tena, dia nanda ilay fanolorana izy tamin’ny farany. “Tsy fanapahan-kevitra mora izany, kanefa faly aho nilaza hoe tsia”, hoy ny fanazavany. “Ny zavatra iray aloha dia izao: tsy nazoto aho ny hanangom-bola — na dia tsy tamin’ny fomba nivantana aza — tamin’ny alalan’ireo olom-pantatro teokratika. Ary na dia tiako aza ilay hevitra hoe izaho no ho lehiben’ny asako, dia ho voatery handeha matetika aho ary handany ora maro amin’ny asa. Izany dia hidika amin’ny fomba tsy azo ihodivirana ho fanaovana tsirambina ny fianakaviako sy ny kongregasiona. Ambonin’ny zavatra rehetra, dia miaiky aho fa raha nanaiky ilay fanolorana ny tenako, dia ho namoy ny fifehezana ny fiainako aho.”
Tsy misy Kristiana na dia iray aza ho afaka hamoy ny fifehezana ny fiainany ka tsy hiharam-pahavoazana. Nasehon’i Jesosy ny vokatra mampahonena entin’ny lalana toy izany tamin’ny fitantarana ny fanoharana ny amin’ny lehilahy iray izay nanangona harena maro hatrany mba hakana aina sy hampiadanana ny tenany. Nefa tamin’ny alina nanapahany hevitra indrindra fa nahangona vola ampy izy tamin’ny farany, dia maty izy. “Toy izany izay mihary harena ho an’ny tenany ihany, nefa tsy mba manan-karena ny amin’Andriamanitra”, hoy ny fampitandreman’i Jesosy. — Lioka 12:16-21; ampitahao amin’ny Jakoba 4:13-17.
Tsy maintsy mitandrina koa isika amin’ny fifaneraserana miitatra miaraka amin’ireo olona eo amin’izao tontolo izao. Angamba mpiara-monina izy io, namana any am-pianarana, mpiara-miasa, na mpiombona amin’ny fandraharahana ahazoam-bola. Mety hanjohy hevitra toy izao isika: ‘Manaja ny Vavolombelona izy sady manana fiainana madio ara-pitondran-tena, ary miresaka ny amin’ny fahamarinana izahay indraindray.’ Kanefa ny fanandraman-javatra hitan’ny hafa dia manaporofo fa rehefa ela ny ela dia mety hahita isika hoe aleontsika ny fiarahana toy izany amin’ny olona eo amin’izao tontolo izao toy izay ny an’ny rahalahy na anabavy ara-panahy iray. Inona avy ireo loza sasantsasany amin’ny fisakaizana toy izany?
Mety hanomboka hanamaivana ny fahadodonan’ny andro iainantsika isika na hanana fahalianana mitombo ho amin’ny zavatra ara-nofo fa tsy ara-panahy. Mety haniry mihitsy ny horaisin’izao tontolo izao isika, noho ny tahotra sao tsy ho tian’ny namantsika eo amin’izao tontolo izao. (Ampitahao amin’ny 1 Petera 4:3-7.) Naleon’i Davida mpanao salamo kosa tetsy an-kilany, nifanerasera tamin’ny olona izay tia an’i Jehovah. “Hitory ny anaranao amin’ny rahalahiko aho; eo amin’ny fiangonana no hiderako Anao”, hoy ny nosoratany. (Salamo 22:22). Ho voaro isika raha manahaka ny ohatr’i Davida, ka mitady fisakaizana izay afaka ny hampandroso antsika amin’ny lafiny ara-panahy.
Ny lalana mampidi-doza hafa dia ny fifamatorana ara-pihetseham-po amin’ny olona iray tsy lahy na tsy vavy tahaka ny tena, kanefa tsy afaka ny hanambady ny andaniny na ny ankilany. Mety hitranga ny loza rehefa voasarika ny olona iray ho amin’ny olon-kafa iray izay manintona sady mamelombelona ny resaka ataony ary manana fomba fijery zavatra sy toe-tsaina tia vazivazy mitovy amin’ny azy mihitsy aza. Mety hankafy ny fiarahana aminy izy, amin’ny fanjohiana hevitra hoe: ‘Fantatro hoe aiza no farany azo aleha. Mpinamana fotsiny izahay.’ Kanefa, ny fihetseham-po rehefa notairina dia tsy mora fehezina.
Tian’i Mary, anabavy tanora manambady iray ny fiarahana tamin’i Michael.a Rahalahy nahafinaritra izy saingy nahita fa sarotra ny nahazo namana. Nanana zavatra maro niombonana izy ireo, ary nahita fa afaka nifamazivazy. Nidera tena i Mary tamin’ny fieritreretana fa naniry ny hamboraka tsiambaratelo taminy ny rahalahy mpitovo iray. Vetivety dia nanjary firaiketam-po lalina ilay fisakaizana toa tsy nisy tsininy. Nandany fotoana nihamaro hatrany niarahana izy ireo ary tamin’ny farany dia latsaka tao amin’ny fahalotoam-pitondran-tena. “Tokony ho nahatsapa ny loza hatrany am-boalohany aho”, hoy ny fisentoan’i Mary. “Raha vao nirobona ilay fisakaizana, dia nanjary toy ny fasi-polaka izay nandentika anay lalindalina kokoa.”
Tsy tokony hohadinointsika na oviana na oviana ny fampitandreman’ny Baiboly manao hoe: “Ny fo dia mamitaka mihoatra noho ny zavatra rehetra sady manana aretina tsy azo sitranina; iza moa no mahafantatra ny aminy?” (Jeremia 17:9). Ny fontsika mamitaka, tahaka ny samonta izay mitondra ny sambo hidona amin’ny vato, dia mety hitondra antsika ho amin’ny fifandraisana ara-pihetseham-po mampidi-doza. Ny ala olana? Raha tsy afaka ny hanambady ianao, dia miezaha amim-piniavana ny handositra ny fihetseham-po amin’ny olona iray izay hitanao fa manintona. — Ohabolana 10:23.
Fialana avy ao anatin’ny loza sy fandosirana azy
Ahoana anefa raha toa ny tenantsika efa tafiditra ao anatin’ny loza ara-panahy? Rehefa tarihin’ny rivotra sy ny samonta hidona amin’ny moron-dranomasina be vato ny tantsambo, dia miezaka amin’ny fara heriny mamonjy ny afovoan-dranomasina, na mihodina mamonjy toerana tsara manalavitra ny morona mba tsy ho rendrika, mandra-pahatratrarany ireo faritra tsy mampidi-doza kokoa. Toy izany koa, tsy maintsy miady mafy isika mba hanafahana ny tenantsika. Amin’ny fanarahana ny torohevitra omen’ny Soratra Masina sy amin’ny fangatahana amin-kafanam-po ny fanampian’i Jehovah ary amin’ny fitadiavana fanampiana avy amin’ireo rahalahy kristiana matotra, dia afaka miverina amin’ny lalana tsy mampidi-doza isika. Hotahina indray isika amin’ny alalan’ny fiadanan’ny saina sy ny fo. — 1 Tesaloniana 5:17.
Na inona na inona toe-javatra misy antsika, dia hampiseho fahendrena isika amin’ny fanalavirana ireo ‘zavatr’izao tontolo izao’. (Galatiana 4:3, DIEM ). Nifanohitra tamin’i Lota, i Abrahama dia nifidy ny hipetraka ho tafasaraka tamin’ny Kananita olon’izao tontolo izao, na dia nidika ho fitoerana an-day nandritra ny taona maro aza izany. Angamba tsy nanana zavatra ara-nofo nampiadana sasany izy, kanefa ny fomba fiainany tsotra dia niaro azy tamin’ny lafiny ara-panahy. Tsy azon’ny fahavakian’ny sambon’ny finoany izy, fa tonga “rain’ny olona rehetra izay mino” kosa. — Romana 4:11.
Noho isika voahodidin’ny tontolo mampanara-po ny tenany izay ny “fanahy” miasa ao aminy dia mihamafy mbola tsy nisy toy izany, isika dia mila ny manaraka ny ohatra navelan’i Abrahama. (Efesiana 2:2). Raha manaiky ny fitarihan’i Jehovah isika amin’ny raharaha rehetra, dia hotahina amin’ny fahazoana mivantana ny fiarovany miharo fitiavana isika. Hahatsapa toy izao isika tahaka izay tsapan’i Davida: “Mamelombelona ny fanahiko Izy; mitarika ahy amin’ny làlan’ny fahamarinana noho ny anarany Izy. Eny tokoa, fahasoavana sy famindrampo no hanaraka ahy amin’ny andro rehetra hiainako, dia hitoetra ao an-tranon’i Jehovah andro lava aho.” Tsy misy isalasalana ny amin’izany, ny fandehanana manaraka ny “làlan’ny fahamarinana”, fa tsy ny fiviliana ho any amin’ny lalana ahitan-doza akory, no hitondra fitahiana mandrakizay. — Salamo 23:3, 6.
[Fanamarihana ambany pejy]
a Novana ny anarana sasany.
[Sary, pejy 24]
Raha tsy afaka ny hanambady ianao, dia mandosira ny fihetseham-po amin’ny olona iray izay hitanao fa manintona