Ny Assomption — Foto-pinoana Iray Nambaran’Andriamanitra Ve?
NY ASSOMPTION — ilay foto-pampianarana ilazana fa hoe i Maria, renin’i Jesosy, dia niakatra ho any an-danitra tao amin’ny tenany nofo — dia lalain’ny Katolika Romana an-tapitrisany maro. Nilaza toy izao ilay mpanoratra tantara atao hoe George William Douglas: “Ny Assomption, na ny fampiakarana an’i Maria Virjiny ho any an-danitra, dia nohajaina [hatry ny ela] ho toy ny lehibe indrindra amin’ireo fety fankalazana azy sy iray amin’ireo fankalazana ara-pomba lehibe amin’ny fanisanandron’ny Eglizy.”
Miaiky anefa ireo teolojiana katolika fa ny Baiboly dia tsy miresaka ny fampiakarana an’i Maria ho any an-danitra toy izany. Raha ny marina, dia Katolika vitsivitsy no mahafantatra fa io foto-pampianarana mamin’izy ireo io dia fototry ny ady hevitra mafana nandritra ny taonjato maro. Koa ahoana no nahatonga ny eglizy handray ny Assomption an’i Maria ho toy ny foto-pinoanaa? Mety hisy antony tokony hiheverana azy io ho nambaran’Andriamanitra ve? Tsy mahakasika ny hevitra fotsiny ny valin’ireo fanontaniana ireo. Misy heviny lalina ho an’izay rehetra tia ny fahamarinana izy ireo.
Fivoaran’ny foto-pinoana iray
Hahagaga anao angamba ny hahafantatra fa tamin’ireo taonjato voalohandohany taorian’ny nahafatesan’i Jesosy, ny hevitra ny amin’ny hoe Assomption an’i Maria ho any an-danitra dia tsy fantatra mihitsy teo amin’ny fisainan’ireo Kristiana. Nanoratra toy izao tao amin’ny L’Osservatore Romano i Jean Galot, teolojiana katolika: “Tany am-piandohana, dia tsy nisy mihitsy fahatsiarovana ny amin’ny nahafatesan’i Maria nampifandraisina tamin’ny fiaraha-monina kristiana.”
Kanefa, rehefa tonga foto-pampianarana ofisialin’ny eglizy ny fampianarana ny amin’ny Trinite, dia nanomboka nomena anjara asa lehibe kokoa hatrany i Maria. Nanomboka nampiharina taminy ny fitenenana marevaka toy ny hoe “Renin’Andriamanitra”, “notorontoronina tsy nisy ota”, “Mpanalalana”, sy “Mpanjakavavin’ny Lanitra”. Tamin’ny farany, hoy ny fanazavan’ilay teolojiana atao hoe Galot, “dia tsy afaka nanome fahafaham-po feno an’ireo Kristiana izay nanaiky ny fahatanterahan’i Maria sy naniry ny hankamasina azy, ny fanginan’ny lovantsofina tany am-boalohany mikasika ny fahafatesan’i Maria. Noho izany, dia nanomboka naka endrika ireo filazalazana ny amin’ny Assomption, izay vokatry ny zavatra foronin’ny saina neken’ny besinimaro”.
Tany amin’ny taonjato fahefatra am.f.i. tany ho any, dia nanomboka niely ireo soratra tsy ara-tsindrimandry lazaina ho manohana ny Assomption. Ireny asa soratra ireny dia nanome fitantarana noforonin’ny saina momba izay heverina ho fiakaran’i Maria ho any an-danitra. Raiso ohatra, ilay asa soratra antsoina hoe “Ny Fatorian’ilay Reny Masin’Andriamanitra”. Araka ny voalaza, dia ny apostoly Jaona ihany, hono, no nanoratra azy io, nefa azo inoana kokoa ho nosoratana efa ho 400 taona taorian’ny nahafatesan’i Jaona izy io. Araka io fitantarana sandoka io, dia nangonina tamin’ny fomba mahagaga teo amin’i Maria ireo apostolin’i Kristy, teo amin’ny toerana izay nahitan’izy ireo azy nanasitrana ny jamba sy ny marenina ary ny kilemaina. Tamin’ny farany, araka izay hamafisina eto, ireo apostoly dia nandre ny Tompo nilaza tamin’i Maria toy izao: “Jereo fa manomboka izao, ny tenanao sarobidy dia hafindra ho any amin’ny paradisa, ary ny fanahinao masina dia ho any an-danitra, ao amin’ny haren’ny Raiko izay ao amin’ny fahazavana malaza, izay misy fiadanana sy fifalian’ny anjely masina, ary fitohizan’izany.”
Ahoana no fihetsik’ireo mpino teo anoloan’ny asa soratra toy izany? Manazava toy izao i René Laurentin, mpandinika ny teolojia momba an’i Maria Virjiny: “Samy hafa tanteraka ny fihetsika. Ny ankamaroan’ireo ninonino foana dia voafitaky ny famirapiratr’ilay tantara mahafinaritra, ka tsy nieritreritra intsony. Ny hafa dia nanao tsinontsinona ireny fitantarana tsy mirindra ireny, izay matetika mifanohitra sady tsy misy porofo.” Niady àry ny tsangan-kevitra ny amin’ny Assomption mba hanekena azy tamin’ny fomba ofisialy. Nanampy tamin’ny fisafotofotoana ny hoe nankamasinina tany amin’ny toerana sasany izay heverina ho relikan’ny tenan’i Maria. Sarotra ny nampifandray izany tamin’ny finoana fa ny tenany nofo dia nakarina ho any an-danitra.
Tamin’ny taonjato faha-13, tahaka ireo teolojiana maro hafa, i Thomas d’Aquin dia nilaza marimarina fa tsy azo natao ny namaritra ny Assomption ho toy ny foto-pinoana, satria “ny Soratra Masina dia tsy mampianatra azy io”. Kanefa, dia nihanalaza hatrany ilay zavatra inoana, ary ny fanaovana sary fampisehoana izay heverina ho fampiakarana an’i Maria ho any an-danitra, nataon’ireo mpanao sary hoso-doko nalaza toa an-dry Raphaël, Correggio, Titien sy Carracci ary Rubens dia niely aoka izany.
Tsy voalamina ilay raharaha niadian-kevitra raha tsy vao haingana. Araka ilay Jesoita atao hoe Giuseppe Filograssi, tatỳ aoriana be, tatỳ amin’ny tapany voalohany amin’ny taonjato misy antsika, dia nanohy namoaka “fandinihana sy ady hevitra tsy nankasitraka foana” ny tsangan-kevitra ny amin’ny Assomption, ireo manam-pahaizana katolika. Na dia ireo papa, toa an-dry Léon XIII sy Pie X ary Bénédicte XV aza dia “malina ihany momba ilay raharaha”. Tamin’ny 1 Novambra 1950 anefa, dia naka toerana mazava ny eglizy tamin’ny farany. Nanambara toy izao ny Papa Pie XII: “Faritanay fa foto-pinoana nambaran’Andriamanitra ny hoe, i Maria Imakole Renin’Andriamanitra, Virjiny mandrakizay, dia nakarina ho any amin’ny voninahitry ny lanitra tamin’ny tena sy ny fanahy, rehefa nifarana ny fandehan’ny fiainany teto an-tany.” — Munificentissimus Deus.
Tsy hoe zavatra azo fidina hinoana na tsia intsony teo amin’ireo Katolika ny nandehanan’i Maria tao amin’ny tenany ho any an-danitra — nanjary foto-pinoan’ny Eglizy io izao. Nanambara ny Papa Pie XII fa “raha misy olona (...) sahy mandà na minia mampiditra fisalasalana eo amin’izay nofaritanay, dia tokony ho fantany fa tsy mahafeno ny fari-pitsipiky ny Finoana avy amin’Andriamanitra sy ny Finoana Katolika izy”.
Izay tena lazain’ny Soratra Masina
Nefa, niorina tamin’inona no nandraisan’ny eglizy izany toerana sahisahy loatra izany? Tohanan’ny Papa Pie XII fa ny foto-pinoana ny amin’ny Assomption dia manana “ny fotony tena lehibe ao amin’ny Soratra Masina”. Anisan’ny andalan-teny tononina matetika ho porofon’ny fampiakarana an’i Maria ho any an-danitra ny Lioka 1:28, 42. Ireo andininy ireo dia milaza toy izao momba an’i Maria: “Arahaba, ry ilay feno hasoavana; ny Tompo ao aminao; (...) nosoavina noho ny vehivavy hianao (...), ary nosoavina ny hateraky ny kibonao.” (Kat.). Manazava ireo mpanohana ny Assomption fa noho i Maria “feno hasoavana”, dia tsy nety maty velively izy. Ary noho izy ‘nohasoavina’ tahaka ilay ‘nateraky ny kibony’, dia tsy maintsy nanana tombontsoa nitovy tamin’ny an’i Jesosy izy — anisan’izany ny fiakarany ho any an-danitra. Mihevitra ve ianao fa antony marim-pototra izany?
Voalohany, dia milaza ireo manam-pahaizana momba ny fiteny fa tsy fandikana tena marina ny fitenenana hoe “feno hasoavana” ary fa ny fitenenana grika tany am-boalohany nampiasain’i Lioka dia adika araka ny marina kokoa hoe “niantefan’ny fankasitrahan’Andriamanitra”. Ny fandikan-teny katolika Jerusalem Bible àry dia mandika ny Lioka 1:28 toy izao: “Mifalia, ry nankasitrahana fatratra!” Tsy misy mihitsy antony hanatsoahana hevitra fa i Maria dia nampiakarina ho any an-danitra tao amin’ny tenany nofo satria ‘nankasitrahin’Andriamanitra fatratra’ izy. I Stefana na Etiena, Kristiana voalohany maty maritiora, dia resahin’ny Baiboly Katolika tahaka izany koa, ho toy ny nankasitrahana fatratra na “feno fahasoavana” — ary tsy nisy mihitsy fananganana tao amin’ny tena lazaina momba azy. — Asan’ny Apostoly 6:8.
Kanefa, moa ve tsy notahina na nankasitrahana i Maria? Eny, nefa mahaliana ny manamarika koa fa ilay vehivavy nantsoina hoe Jaela, velona tamin’ny andron’ny mpitsara ny Isiraely dia noheverina ho “voatahy raha samy vehivavy”. (Mpitsara 5:24, Dy). Azo antoka fa tsy misy afaka hilaza fa nakarina ho any an-danitra tao amin’ny tenany nofo koa i Jaela. Ankoatra izany, ny hevitra manontolo momba ny Assomption dia miorina amin’ny fanombantombanana fa niakatra ho any an-danitra tao amin’ny nofo ny tenan’i Jesosy. Milaza anefa ny Baiboly fa i Jesosy dia “novelomina” na natsangana “tamin’ny fanahy”. (1 Petera 3:18, Kat.; ampitahao amin’ny 1 Korintiana 15:45.) Milaza ny apostoly Paoly ambonin’izany fa “tsy mahazo mandova ny fanjakan’Andriamanitra ny nofo aman-drà”. — 1 Korintiana 15:42-50, Kat.
Marina fa ny Baiboly dia miresaka ny amin’ny fitsanganana ho any an-danitra, ho an’ireo Kristiana mahatoky voahosotry ny fanahy. Kanefa, ny 1 Tesaloniana 4:13-17 dia mampiharihary fa tsy hanomboka alohan’ny ‘fihavian’ny [“fanatrehan’ny”, NW ] Tompo’, mandritra ny andro faran’ny vanim-potoana feno faharatsiana, io fitsanganana io. Mandra-pahatongan’izay dia natory tao amin’ny fahafatesana niaraka tamin’ireo Kristiana hafa an’arivony maro nahatoky, i Maria. — 1 Korintiana 15:51, 52.
I Maria — Vehivavy iray nanam-pinoana
Aoka ho azonao antoka fa tsy mihevitra ny haneho tsy fanajana an’i Maria mihitsy izahay rehefa nilaza ny tetsy aloha. Tsy isalasalana fa vehivavy fakan-tahaka i Maria — vehivavy izay mendrika hotahafina ny finoany! Nanaiky avy hatrany ny andraikitra nisy tombontsoa ho tonga ny renin’i Jesosy izy, niaraka tamin’ny fisedrana sy ny sorona rehetra tafiditra tamin’izany. (Lioka 1:38; 2:34, 35). Izy sy i Josefa, dia nitaiza an’i Jesosy tao amin’ny fahendrena araka an’Andriamanitra. (Lioka 2:51, 52). Nitoetra teo anilan’i Jesosy nandritra ny fijaliany teo amin’ny hazo izy. (Jaona 19:25-27). Ary tamin’ny naha-mpianatra nahatoky azy, dia nijanona tamim-pankatoavana tao Jerosalema izy, ka nahita ny filatsahan’ny fanahy masin’Andriamanitra tamin’ny Pentekosta. — Asan’ny Apostoly 1:13, 14; 2:1-4.
Ny fiheverana mivaona momba an’i Maria dia tsy manome voninahitra na ny Mpamorona na an’i Maria. Ny foto-pinoana ny amin’ny Assomption dia manamafy ny filazana tsy misy fototra iorenany fa mpanalalana amin’Andriamanitra i Maria. Nefa moa ve i Jesosy Kristy efa mba nilaza ny fankasitrahany ny fampianarana toy izany? Mifanohitra amin’izany kosa, dia izao no nolazainy: “Izaho no làlana sy fahamarinana ary fiainana; tsy misy olona mankany amin’ny Ray, afa-tsy amin’ny alalako. Raha mangataka zavatra amin’ny anarako hianareo, dia hataoko izany.” (Jaona 14:6, 14, fanamarihana ambany pejy; ampitahao amin’ny Asan’ny Apsotoly 4:12.) Eny, i Jesosy Kristy irery ihany, fa tsy i Maria, no manalalana amin’ny Mpamorona. Amin’ny alalan’i Jesosy — fa tsy amin’ny alalan’i Maria — no tokony hanatonantsika ilay Mpanome Aina antsika mba “hamonjena antsika amin’ny andro ilàntsika izany”. — Hebreo 4:16, Kat.
Mety ho tena sarotra amin’ny sasany ny fanekena ny fahamarinana momba an’i Maria. Angamba mihitsy izany hidika ho famoizana zavatra inoana sasany hatry ny ela sy hevitra nolalaina. Kanefa, na dia tena sarotra aza izany indraindray, dia ‘manafaka ny olona iray tsy ho andevo’ ny fahamarinana amin’ny farany. (Jaona 8:32). Nilaza i Jesosy fa ny Rainy dia nitady ireo olona izay hivavaka aminy “amin’ny fanahy sy fahamarinana”. (Jaona 4:24, Kat.). Ho an’ny Katolika tso-po, dia milaza zava-tsarotra tsy maintsy resena ireo teny ireo.
[Fanamarihana ambany pejy]
a Amin’ny Fivavahana Katolika, ny hoe foto-pinoana, dia tsy toy ny zavatra inoana tsotra, fa lazaina ho fahamarinana iray kosa naorina ara-pomba na tamin’ny alalan’ny konsily eokiomenika iray na tamin’ny alalan’ny “fahefana mampianatra tsy mety diso” ananan’ny papa. Ny Assomption an’i Maria no vao haingana indrindra amin’ireo foto-pampianarana nofaritan’ny Eglizy Katolika tamin’izany fomba izany.
[Efajoro, pejy 27]
Nody Mandry ve i Maria?
Nody mandry tokoa ve i Maria talohan’izay heverina ho fiakarany ho any an-danitra? Ireo teolojiana katolika dia miatrika safidy teolojika roa mitovy tsy mahafinaritra momba io raharaha iadian-kevitra io. Milaza ny Nuovo dizionario di teologia fa “ho sarotra ny hanome an’i Maria ny tombontsoa ny amin’ny tsy fetezana ho faty, izay tsy nananan’i Jesosy akory aza”. Etsy an-kilany, ny filazana fa nody mandry tokoa i Maria dia mampipoitra raharaha iadian-kevitra sarotra mitovy amin’izany. Manao fanamarihana ilay teolojiana atao hoe Kari Børresen fa “ny fahafatesana dia sazin’ny fahotana tany am-boalohany izay, araka ny [foto-pampianarana ny amin’ny “Immaculée Conception”] dia tsy nahakasika an’i Maria”. Miorina amin’inona àry no nahafaty azy? Tsy mahagaga raha nisoroka tamim-pitandremana ilay raharaha iadian-kevitra manontolo momba ny fahafatesan’i Maria ny Papa Pie XII rehefa namaritra ny foto-pinoana ny amin’ny Assomption.
Soa ihany fa tsy misy fisafotofotoana toy izany ny fampianaran’ny Baiboly. Na aiza na aiza izy io dia tsy mampianatra — na manipy hevitra akory aza — fa i Maria dia “notorontoronina tsy azon’ny fahotana tamin’ny fototra”. Mifanohitra amin’izany kosa, dia milaza izy io fa olombelona tsy tanteraka mila fanavotana i Maria. Noho izany antony izany, taorian’ny niterahany an’i Jesosy, dia nankany amin’ny tempoly izy ary nanao fanatitra noho ny ota ho an’Andriamanitra. (Levitikosy 12:1-8; Lioka 2:22-24). Toy ny olombelona tsy tanteraka hafa rehetra, dia maty i Maria tamin’ny farany. — Romana 3:23; 6:23.
Io fahamarinana tsotra io dia mifanohitra tanteraka amin’ireo fanontaniana tsy azo valiana mipoitra noho ny foto-pinoana ny amin’ny Assomption.
[Sary, pejy 26]
‘Assomption’ilay Virjiny’, hosodokon’i Titien (tany ho any amin’ny 1488-1576)
[Sary nahazoan-dalana, pejy 26]
Giraudon/Art Resource, N.Y.
[Sary, pejy 28]
Tamin’ny fitondrana fanatitra noho ny ota tao amin’ny Tempoly taorian’ny niterahany an’i Jesosy, dia nanambara ny naha-mpanota azy, nila fanavotana i Maria