FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • w94 1/3 p. 31
  • “Tsy Mizaha Tavan’olona Andriamanitra”

Tsy misy video mifandray amin’io.

Miala tsiny fa tsy mety miseho ilay video.

  • “Tsy Mizaha Tavan’olona Andriamanitra”
  • Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—1994
  • Mitovitovy Aminy
  • Vehivavy Manambady
    Fandalinana ny Soratra Masina, Boky 2
  • Vehivavy manambady iray tiana amim-piraiketam-po
    Ny Fomba Hahitana Fiainam-pianakaviana Sambatra
  • Lazao hoe Tianao Izy Ireo
    Fitantarana Momba ny Vavolombelon’i Jehovah
  • Mampiray ireo fianakaviana ny fitiavana
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—1989
Hijery Hafa
Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—1994
w94 1/3 p. 31

Mitantara Ireo Mpitory Ilay Fanjakana

“Tsy Mizaha Tavan’olona Andriamanitra”

SIVINJATO sy arivo taona lasa izay, dia nanoratra toy izao ny apostoly Petera nahazo tsindrimandry: “Tsy mizaha tavan’olona Andriamanitra; fa amin’ny firenena rehetra izay olona matahotra Azy ka manao ny marina no ankasitrahany.” (Asan’ny Apostoly 10:34, 35). Eo amin’ireo Vavolombelon’i Jehovah dia ahitana olona avy amin’ny firazanana sy ny fiaviana ara-pivavahana rehetra. Maniry ny rariny izy ireo sady matahotra an’Andriamanitra. Mandray amim-pifaliana azy rehetra ireo ao amin’ny fitambaran’olon’ny tontolo vaovao i Jehovah, toy ny nataony tamin’ny vehivavy iray tany Tchad, ohatra.

Tsy nahafa-po an’io vehivavy io ny fivavahany. Taona vitsivitsy talohan’izay izy dia nandray ilay boky hoe Ny Fahatanoranao — Ny Fomba Handraisan-tsoa Be Indrindra avy Amin’izany, navoakan’ny Vavolombelon’i Jehovah, ary nankasitrahany ny torohevitra tsara dia tsara tao anatin’ilay boky. Natomboka ny fianarana ny Baiboly, ary teo foana izy tamin’ny fianarana. Kanefa, rehefa nampirisihina hanatrika ireo fivoriana tany amin’ny Efitrano Fanjakana izy, dia tsy nandeha. Nahoana? Na dia tsy nanohitra ny fianarany aza ny vadiny, dia tsy namela azy hanatrika ireo fivoriana tany amin’ny Efitrano Fanjakana.

Rehefa naniry hanatrika ny fivoriamben’ny fizaran-tany ilay vehivavy, dia nasehon’ilay Vavolombelona nitarika ny fianarana tamin’ny vadiny ny fandaharana, tamin’ny fanasongadinana ny torohevitra tsara dia tsara haseho ao. Nanaiky izy ny handehanan’ny vadiny “indray mandeha ihany”. Nanatrika izy ary afa-po tanteraka tamin’ny fandaharana. Rehefa avy nanazava tamin’ny vadiny izay nianarany ilay vehivavy, dia tsy nanohitra ny hanatrehany ireo fivoriana hafa izy. Nanaitra mafy ilay vehivavy ny hoe voaforon’ny olona avy amin’ny foko samy hafa izay mifampihevitra lalina ny kongregasiona. Tatỳ aoriana izy dia nanatrika ny fivoriamben’ny distrika ary talanjona izy nahita ny zanany nipetraka teo am-pofoan’ny Vavolombelona avy amin’ny tany hafa. Ny Vavolombelona dia niara-nizara sakafo tamin’ireo ankizy sady nitondra azy ireo tahaka ny fianakaviana. Izany no nitarika fiovana lehibe teo aminy.

Nitranga anefa ny fanoherana nanaraka izany. Na dia saro-kenatra aza izy, dia nanomboka nanome valin-teny tany amin’ireo fivoriana ary niatrika tamin-kasahiana ireo fanakianana nataon’ny havana sy ny mpifanila trano. Na dia niara-nipetraka an-taonany maro aza izy mivady, dia vita fanambadiana ara-pomba fotsiny. Ahoana no tsy maintsy nitarihany ny resaka momba ny fanambadiana ara-dalàna? Rehefa avy nivavaka tamim-pahatsorana tamin’i Jehovah izy dia niresaka tamin’ny vadiny, izay nilaza fa hieritreritra akaiky ny amin’ny mety hanaovana izany. Izany no nataony tamin’ny farany, ary nivady ara-dalàna izy roa.

Nahatonga zava-manahirana maro ny zaobavy iray niara-nipetraka tamin’izy ireo, nefa dia nanohana ny vadiny ilay lehilahy. Tonga mba hitsidika ny rain’ilay lehilahy tatỳ aoriana. Nandidy ny zanany lahy mba hisara-panambadiana izy, satria niova finoana ny vadiny. Nilaza tamin’ny zanany lahy ilay ray fa haloany ny vodiondry ho an’ny “vady tsara lavitra kokoa” iray. Ny valin-tenin’ilay zanakalahy dia hoe: “Tsia, tsy hanao izany aho. Vady tsara izy. Raha izy no maniry ny handeha dia zavatra hafa izany, fa izaho kosa dia tsy hilaza aminy mba handeha.” Tena nanaja ny rafozan-dahiny ilay vehivavy, ka menatra noho ny fitondran-tenany izy io. Rehefa niverina tany amin’ny vohitra nisy azy anefa izy, dia nanoratra tamin’ny zanany lahy, ary tamin’itỳ indray mitoraka itỳ dia nanao farateny. Nilaza izy fa raha nanda tsy handroaka ny vadiny ilay zanany lahy dia tsy ho zanany intsony izy. Niaro ny vadiny indray ilay zanakalahy. Alao sary an-tsaina ny fifalian’ilay vehivavy nahita ny vadiny naka toerana hentitra toy izany.

Izao dia tia miaraka amin’ny reniny mankany amin’ny Efitrano Fanjakana ny zanak’izy ireo roa lahy kely. Nangataka karavato tamin-drainy mihitsy aza izy ireo, satria nahita ny rahalahy rehetra nanao lahateny nanao izany. Amin’izao fotoana izao dia anabavy vita batisa io vehivavy io.

Iray amin’ireo Vavolombelona falifaly 345 any Tchad izy, manambara ny vaovao tsara momba ny Fanjakan’i Jehovah sady mankasitraka marina tokoa fa “tsy mizaha tavan’olona Andriamanitra”.

    Fitehirizam-boky Malagasy (1965-2025)
    Hiala
    Hiditra
    • Malagasy
    • Hizara
    • Firafitra
    • Copyright © 2025 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
    • Fifanekena
    • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
    • Firafitry ny Fifanekena
    • JW.ORG
    • Hiditra
    Hizara