Ny Sakafo Harivan’ny Tompo — Impiry no Tokony Hitandremana Azy Io?
KRISMASY, Paka, andron’ireo “olo-masina”. Andro fankalazana sy fety maro be no ankalazain’ny fiangonan’ny Tontolon’ireo Fivavahana Lazaina fa Kristiana. Nefa moa ve fantatrao hoe fankalazana firy no nandidian’i Jesosy Kristy ny mpanara-dia azy mba hotandremana? Ny valiny: Tokana ihany! Tsy nisy tamin’ireo fety hafa ireo naorin’ilay Mpamorona ny Kristianisma.
Mazava ho azy fa matoa i Jesosy tsy nanorina afa-tsy fankalazana tokana ihany, dia tena zava-dehibe izy io. Ny Kristiana dia tokony hitandrina azy io mifanaraka amin’izay nandidian’i Jesosy azy. Inona moa io fankalazana tokana io?
Ilay fankalazana tokana
Io fankalazana io dia nampidirin’i Jesosy tamin’ny andro nahafatesany. Niara-nankalaza ny fetin’ny Paska jiosy tamin’ireo apostoliny izy. Taorian’izany izy dia nanolotra ho azy ireo tapany tamin’ny mofo tsy nisy masirasira nampiasaina tamin’ny Paska, ka nilaza hoe: “Ity no tenako izay omena ho anareo”. Nanaraka izany, dia nanolotra kapoaka iray nisy divay i Jesosy, ka nilaza hoe: “Ity kapoaka ity no fanekena vaovao amin’ny rako, izay aidina ho anareo.” Nilaza koa izy hoe: “Aza mitsahatra manao izao ho fahatsiarovana ahy”. (Lioka 22:19, 20; 1 Korintiana 11:24-26, NW ). Io fankalazana io no antsoina hoe ny Sakafo Harivan’ny Tompo, na ny Fahatsiarovana. Izy io no hany fankalazana nandidian’i Jesosy ny mpanara-dia azy mba hotandremana.
Fiangonana maro no milaza fa mitandrina an’io fankalazana io mikambana amin’ireo fetiny hafa rehetra, nefa mankalaza azy io amin’ny fomba hafa noho izay nandidian’i Jesosy azy ny ankamaroan’izy ireo. Angamba ny fahasamihafana mendrika homarihina indrindra dia ny hatetiky ny fanaovana ilay fankalazana. Ny fiangonana sasany dia mankalaza azy io isam-bolana, isan-kerinandro, isan’andro mihitsy aza. Izany ve no tao an-tsain’i Jesosy rehefa nilaza tamin’ny mpanara-dia azy izy hoe: “Aza mitsahatra manao izao ho fahatsiarovana ahy”? Ny Fandikan-teny malagasy dia milaza toy izao: “Izao no ataovy ho fahatsiarovana Ahy.” (1 Korintiana 11:24, 25). Impiry no tokony hotandremana ny fahatsiarovana na ny fitsingerenan’ny fisehoan-javatra iray? Mazàna dia indray mandeha isan-taona ihany.
Tadidio koa fa nampiditra an’io fankalazana io i Jesosy ary avy eo izy dia maty tamin’ny datin’ny 14 Nisanaa amin’ny fanisanandro jiosy. Tamin’ny andron’ny Paska izany, andro firavoravoana iray nampahatsiahy an’ireo Jiosy ny fanafahana lehibe azony tany Egypta tamin’ny taonjato faha-16 al.f.i. Tamin’izany fotoana izany, ny soron’ny zanak’ondry iray dia nahatonga ny famonjena ny lahimatoan’ny Jiosy, kanefa kosa namely nahafaty ny lahimatoa rehetran’i Egypta ny anjelin’i Jehovah. — Eksodosy 12:21, 24-27.
Amin’ny ahoana izany no manampy antsika amin’ny fahatakarantsika zavatra? Nanoratra toy izao i Paoly, apostoly kristiana: “Fa voavono Kristy, Paska ho antsika”. (1 Korintiana 5:7). Ny fahafatesan’i Jesosy dia sorona Paska lehibe kokoa, nanome fahafahana ho an’ny olombelona hahazo famonjena lehibe lavitra. Noho izany, ho an’ny Kristiana, dia ny Fahatsiarovana ny nahafatesan’i Kristy no nisolo ny Paska jiosy. — Jaona 3:16.
Ny Paska dia fankalazana iray natao isan-taona. Araka ny fandrindran-kevitra àry dia toy izany koa ny amin’ny Fahatsiarovana. Ny Paska — ny andro nahafatesan’i Jesosy — dia nitranga foana tamin’ny faha-14 amin’ny volana jiosy hoe Nisana. Noho izany, ny fahafatesan’i Kristy dia tokony hotsarovana indray mandeha isan-taona amin’ny andro mifanitsy amin’ny 14 Nisana amin’ny fanisanandro. Amin’ny 1994, izany andro izany dia ny asabotsy 26 Martsa, aorian’ny filentehan’ny masoandro. Nahoana anefa no tsy nanao azy io ho andro fankalazana manokana ireo fiangonana ao amin’ny Tontolon’ireo Fivavahana Lazaina fa Kristiana? Hamaly izany fanontaniana izany ny topy maso fohy amin’ny tantara.
Tandindomin-doza ny fomba fanaon’ny apostoly
Tsy misy isalasalana fa nandritra ny taonjato voalohany am.f.i., ireo olona notarihin’ireo apostolin’i Jesosy dia nankalaza ny Sakafo Harivan’ny Tompo nifanaraka tamin’izay nandidiany azy. Kanefa, nandritra ny taonjato faharoa, dia nanomboka nanova ny fotoana nankalazana azy io ny sasany. Izy ireo dia nankalaza ny Fahatsiarovana tamin’ny andro voalohany amin’ny herinandro (antsoina ankehitriny hoe alahady), fa tsy tamin’ny andro nifanitsy tamin’ny 14 Nisana. Nahoana no natao izany?
Ho an’ny Jiosy, ny andro dia nanomboka tamin’ny enina ora hariva teo ho eo ka nitohy hatramin’ny enina ora hariva ny andro nanaraka. I Jesosy dia maty tamin’ny 14 Nisana taona 33 am.f.i., izay nanomboka ny alakamisy hariva ka nitohy hatramin’ny zoma hariva. Natsangana tamin’ny maty izy ny andro fahatelo, ny alahady vao maraina be. Ny sasany dia naniry hitandrina isan-taona ny fahatsiarovana ny nahafatesan’i Jesosy amin’ny andro tsy miova amin’ny herinandro, fa tsy amin’ilay andro mety hitrangan’ny 14 Nisana. Nihevitra ny andro nitsanganan’i Jesosy ho lehibe kokoa noho ny andro nahafatesany koa izy ireo. Noho izany, dia nofidiny ny alahady.
I Jesosy dia nandidy mba hahatsiarovana ny nahafatesany fa tsy ny nitsanganany. Koa satria àry isan-taona dia mitranga amin’ny andro miova hatrany ny Paska jiosy araka ny fanisanandro gregoriana izay ampiasaintsika ankehitriny, dia ara-dalàna fotsiny ny tokony haha-toy izany ny Fahatsiarovana. Noho izany, dia maro no nitana ny fandaminana tany am-boalohany ka nitandrina ny Sakafo Harivan’ny Tompo isan-taona ny 14 Nisana. Tamin’ny farany izy ireo dia nanjary nantsoina hoe Quartodécimans, izay midika hoe “Mpitandrina ny fahefatra ambin’ny folo”.
Niaiky ny manam-pahaizana sasany fa ireny “Mpitandrina ny fahefatra ambin’ny folo” ireny dia nanaraka ny modelin’ny apostoly tany am-boalohany. Hoy ny mpanoratra tantara iray: “Mikasika ilay andro hitandremana ny Paska [ny Sakafo Harivan’ny Tompo], ny fanaon’ireo fiangonana quartodécimans tany Azia dia notohizina araka ny an’ny fiangonan’i Jerosalema. Tamin’ny taonjato faha-2, dia nankalaza ny avotra notanterahina tamin’ny alalan’ny fahafatesan’i Kristy ireny fiangonana ireny tamin’ny Paskany, ny faha-14 Nisana.” — Studia Patristica, Boky faha-5, 1962, pejy faha-8.
Mihamafy ny ady hevitra
Na dia maro aza no nanaraka ny fanaon’ny apostoly tany Azia Minora, dia ny alahady kosa no natokana hotandremana tany Roma. Tany amin’ny taona 155 am.f.i. tany ho any, i Polycarpe avy tany Smyrna, solontenan’ireo kongregasiona tany Azia, dia nitsidika tany Roma mba hidinika ny amin’io sy ny zava-manahirana hafa. Mampalahelo fa tsy nisy fifanarahana hita momba an’io raharaha niadian-kevitra io.
Nanoratra toy izao i Irénée avy tany Lyon tao amin’ny taratasy iray: “I Anicée [avy tany Roma] dia tsy afaka nandresy lahatra an’i Polycarpe mba tsy hitandrina izay notandremany foana niaraka tamin’i Jaona, ilay mpianatry ny Tompontsika, sy ireo apostoly hafa izay niarahany; ary na i Polycarpe koa aza dia tsy afaka nandresy lahatra an’i Anicée mba hitandrina azy io, satria nilaza i Anicée fa tokony hifikitra amin’ny fanaon’ny loholona talohany izy.” (Eusebius, Boky faha-5, toko faha-24). Mariho fa i Polycarpe dia voalaza fa nanorina ny heviny tamin’ny fahefan’ny apostoly, ary etsy an-kilany i Anicée dia niantso ny fahefan’ireo loholona tany alohany, tao Roma.
Nihamafy io ady hevitra io hatramin’ny fiafaran’ny taonjato faharoa am.f.i. Tany amin’ny 190 am.f.i. tany ho any dia nisy lehilahy natao hoe Victor voafidy ho evekan’i Roma. Nino izy io fa ny Sakafo Harivan’ny Tompo dia tokony hotandremana ny alahady, ary nitady ny fanohanan’ny filoha hafa maro araka izay azony natao izy. Nampihatra fanerena tamin’ireo kongregasiona tany Azia i Victor mba hanaraka ny fandaminana momba ny alahady.
Nanome valin-teny nanohana an’ireo tany Azia Minora i Polycrate avy tany Efesosy, ka tsy nety nilefitra teo anoloan’io fanerena io. Hoy izy: “Izahay dia mitandrina ilay andro tsy misy fanovaovana, na fanampiana na fanesorana.” Avy eo izy dia nitanisa fahefana maro, tao anatin’izany ny an’ny apostoly Jaona. “Ireny rehetra ireny”, hoy ny nambarany, “dia nitandrina ny andro fahefatra ambin’ny folo hoenti-mankalaza ny Paska araka ny Filazantsara, ka tsy nivily tamin’izany na manao ahoana na manao ahoana.” Nanampy teny toy izao i Polycrate: “Izaho kosa, ry rahalahy, (...) dia tsy matahotra ireo fandrahonana. Satria ireo tsara kokoa noho izaho dia nilaza hoe: Izahay dia tsy maintsy manaiky an’Andriamanitra mihoatra noho ny olona.” — Eusebius, Boky faha-5, toko faha-24.
Tsy nahafaly an’i Victor izany valin-teny izany. Ny asa soratra ara-tantara iray dia milaza fa “naongany ny Fiangonana rehetra tany Azia, ary nampitondra taratasy ho an’ny Fiangonana rehetra izay nanaiky ny heviny izy fa tsy tokony hanana fiombonana amin’ny fiangonana naongana izy ireo.” Kanefa, “izany zavatra nataony tsy voahevitra sy sahisahy izany dia tsy nankasitrahan’ireo lehilahy manam-panahy sy maotina avy tamin’ny antokony ihany, ny maromaro taminy nanoratra taratasy henjana ho azy, nanoro hevitra azy (...) mba hitandro ny fitiavana sy ny firaisan-tsaina ary ny fihavanana”. — Antiquities of the Christian Church, nataon’i Bingham, Boky faha-20, toko faha-5.
Niorina ny fivadiham-pinoana
Na dia teo aza ny filazana tsy fankasitrahana toy izany, dia nanjary nihanitokana hatrany ny Kristiana tany Azia Minora momba ilay raharaha niadian-kevitra hoe amin’ny fotoana toy inona no tokony hankalazana ny Sakafo Harivan’ny Tompo. Nanjary nekena tsikelikely ny fiovaovana tany an-toeran-kafa. Ny sasany dia nankalaza ny fe-potoana manontolo nanomboka ny 14 Nisana ka hatramin’ny alahady nanaraka. Ny hafa nanao ilay fankalazana tamin’ny fomba matetika kokoa — isan-kerinandro, ny alahady.
Tamin’ny 314 am.f.i., dia nanandrana nanery ny hanarahana ny fandaminana nataon’i Roma ny Konsilin’i Arles (Frantsa) ary nisakana izay mety ho fanoloran-kevitra hafa. Tsy nety nilefitra ireo Quartodécimans sisa. Mba handaminana an’io raharaha io sy ny hafa izay nampizarazara ireo nilaza tena ho Kristiana tao amin’ny empirany, dia namory synoda eokiomenika iray, ny Konsilin’i Nicée, tamin’ny 325 am.f.i., ilay emperora mpanompo sampy atao hoe Constantin. Io konsily io dia namoaka didy izay namepetra an’ireo rehetra tany Azia Minora mba hanaraka ny fanao romana.
Mahaliana ny manamarika ny iray amin’ireo fanaporofoan-kevitra lehibe naroso mba hialana tamin’ny fankalazana ny Fahatsiarovana ny nahafatesan’i Kristy, araka ny datin’ny fanisanandro jiosy. Milaza toy izao Ny Tantaran’ireo Konsily Kristiana (anglisy) nataon’i K. J. Hefele: “Nambara fa tsy mendrika indrindra ho an’io masina indrindra amin’ny andro firavoravoana rehetra io, ny hanaraka ny fanaon’ny (ny fanisana) Jiosy, izay voarohirohy tamin’ny fomba mahamenatra tamin’ilay heloka faran’izay ratsy indrindra, sady nanana saina nohajambaina.” (Boky voalohany, pejy faha-322). Ny hoe eo amin’ny toerana toy izany dia noheverina ho toy ny “ ‘fanekena mampietry’ aseho amin’ny Synagoga izay nanorisory ny Eglizy”, hoy i J. Juster, voatonona ao amin’ny Studia Patristica, Boky faha-4, 1961, pejy faha-412.
Izany ka fankahalana Jiosy! Noheverina ho toy ny mpanaraka ny fomban’ny Jiosy ireo izay nankalaza ny Fahatsiarovana ny nahafatesan’i Jesosy tamin’ny andro nahafatesany mihitsy. Nohadinoina fa i Jesosy mihitsy dia Jiosy ary izy no nanome ny heviny an’ilay andro tamin’ny nanolorany ny ainy ho an’ny olombelona tamin’io fotoana io. Nanomboka hatreo ireo Quartodécimans dia nohelohina ho toy ny mpanohitra ny foto-pinoana sy mpisaraka amin’ny Eglizy, ka nenjehina. Tamin’ny 341 am.f.i., dia namoaka didy ny Konsilin’i Antiokia fa tokony haongana izy ireo. Mbola nisy maro taminy anefa tamin’ny 400 am.f.i., ary naharitra tamin’ny antokon’olom-bitsy izy ireo ela be tatỳ aoriana.
Hatramin’ireny andro ireny, dia tsy niverina tamin’ny fandaminan’i Jesosy tany am-boalohany ny Tontolon’ireo Fivavahana Lazaina fa Kristiana. Niaiky toy izao ny Profesora William Bright: “Rehefa nanjary natokana ho fahatsiarovana ny Fijalian’i Jesosy Kristy ny andro manokana iray, ny Zoma Masina, dia diso aoriana loatra vao noferana tamin’izy io ny fifandraisana ny amin’ny ‘paka’, izay nakamban’i Md. Paoly tamin’ilay fahafatesana ho sorona: nampiharina nalalaka tamin’ny fetin’ny Fitsanganana mihitsy izy ireo [ny fifandraisana ny amin’ny ‘paka’], ary nanjary tafaorina ny fisafotofotoan-kevitra tamin’ny fiteny grika sy latina ara-pomban’ny Tontolon’ireo Fivavahana Lazaina fa Kristiana.” — The Age of the Fathers, Boky voalohany, pejy faha-102.
Ahoana ny amin’izao andro izao?
‘Atỳ aorian’ireny taona rehetra ireny’, hoy angamba ianao hanontany, ‘dia tena misy antony ve ny hahalalana ny fotoana hitandremana ny Fahatsiarovana?’ Eny, tena misy antony tokoa. Ireo fanovana dia nataon’ny olona nahery loha niady ho an’ny fahefana. Ny olona dia nanaraka ny hevitry ny tenany manokana fa tsy nankato an’i Jesosy Kristy. Niharihary fa tanteraka ny fampiomanana nataon’ny apostoly Paoly hoe: “Fantatro fa rehefa lasa aho dia hisy amboadia masiaka hiditra eo aminareo [ireo Kristiana] izay tsy hiantra ny ondry. Ary avy aminareo no hiposahan’ny olona sasany mitory teny tsy marina hitaona ny mpianatra hanaraka azy.” — Asan’ny Apostoly 20:29, 30.
Ny zavatra ilaina halamina dia momba ny fankatoavana. Fankalazana tokana ihany no naorin’i Jesosy mba hotandreman’ny Kristiana. Manazava miharihary ny Baiboly hoe amin’ny fotoana toy inona ary amin’ny fomba ahoana no tokony hitandremana azy io. Iza no manana zo hanova izany? Naleon’ireo Quartodécimans voalohany niaritra fanenjehana sy fanonganana toy izay hanaiky lembenana tamin’io raharaha io.
Mety hahaliana anao ny hahafantatra fa eto ambonin’ny tany dia mbola misy Kristiana manaja ny fanirian’i Jesosy ka mankalaza ny Fahatsiarovana ny nahafatesany amin’ny daty naoriny. Amin’itỳ taona itỳ, dia hiara-mivory ao amin’ireo Efitrano Fanjakanany maneran-tany ny Vavolombelon’i Jehovah aorian’ny amin’ny 6 ora hariva, ny asabotsy 26 Martsa — rehefa manomboka ny andro faha-14 amin’ny volana Nisana. Izy ireo àry dia hanao araka izay nolazain’i Jesosy fa tokony hatao amin’io fotoana misy heviny indrindra io. Nahoana raha miara-mankalaza ny Sakafo Harivan’ny Tompo amin’izy ireo? Amin’ny fahatongavanao hanatrika koa, dia ho afaka hampiseho ny fanajanao ny fanirian’i Jesosy Kristy ianao.
[Fanamarihana ambany pejy]
a Ny Nisana, volana voalohany amin’ny taona jiosy, dia nanomboka rehefa hita voalohany ny tsinam-bolana. Tamin’ny fenomanana foana àry no nahatongavan’ny 14 Nisana.
[Efajoro, pejy 6]
“Izany Avotra Sarobidy Izany”
Ny sorom-panavotan’i Jesosy Kristy dia mihoatra lavitra noho ny foto-pampianarana iray. Hoy i Jesosy momba ny tenany: “Ny Zanak’olona tsy tonga mba hotompoina, fa mba hanompo ka hanolotra ny ainy ho avotra hisolo ny maro.” (Marka 10:45). Nanazava toy izao koa izy: “Fa toy izao no nitiavan’Andriamanitra izao tontolo izao[n’olombelona]: nomeny ny Zanani-lahy Tokana, mba tsy ho very izay rehetra mino Azy, fa hanana fiainana mandrakizay.” (Jaona 3:16). Ho an’ny maty, ny avotra dia manokatra ny lalana ho amin’ny fitsanganana sy ny fahatsinjovana fiainana mandrakizay. — Jaona 5:28, 29.
Ny fahafatesan’i Jesosy Kristy, izay zava-dehibe iankinan’ny aina, no tsarovana isaky ny fankalazana ny Sakafo Harivan’ny Tompo. Manatanteraka zavatra betsaka aoka izany ny sorona nataony! Ny vehivavy manambady iray izay nampianarin’ny ray aman-dreny tia an’Andriamanitra sady nandeha araka ny fahamarinan’Andriamanitra nandritra ny am-polony taona maro, dia naneho ny fankasitrahany tamin’izao teny izao:
“Miandry amim-pifaliana ny Fahatsiarovana izahay. Manjary fisehoan-javatra manokana kokoa izy io isan-taona. Tadidiko aho nijoro tao anatin’ny tranom-paty, 20 taona lasa izay, nijery ny fatin’i Dada malalako ka nahatsapa tamim-pahatsorana, fankasitrahana marina ny avotra. Raharaha momba ny fahalalana ao an-tsaina fotsiny izy io talohan’izay. Eny, haiko ireo andinin-teny rehetra sy ny fomba fanazava azy ireo! Nefa, rehefa nahatsapa ny zava-misy mahaketraka momba ny fahafatesana aho vao nentanim-kafaliana tokoa ny foko ny amin’izay hotanterahina ho antsika amin’ny alalan’izany avotra sarobidy izany.”