FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • w94 15/3 p. 10-15
  • Jehovah — Ilay Andriamanitry ny Fikasana

Tsy misy video mifandray amin’io.

Miala tsiny fa tsy mety miseho ilay video.

  • Jehovah — Ilay Andriamanitry ny Fikasana
  • Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—1994
  • Lohatenikely
  • Mitovitovy Aminy
  • Ilay Andriamanitry ny fikasana
  • Naharihary miandalana
  • Fahazavana
  • Mifidy ny tsy hahafantatra ny ankamaroany
  • Araho Ilay Fahazavan’izao Tontolo Izao
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—1993
  • Mpitondra Fahazavana — Ho Amin’ny Zava-kendrena Inona?
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—1993
  • “Indro, Havaoziko ny Zavatra Rehetra”
    “Indro, Havaoziko ny Zavatra Rehetra!”
  • Iza no Manaraka ny Fahazavan’izao Tontolo Izao?
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—1993
Hijery Hafa
Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—1994
w94 15/3 p. 10-15

Jehovah — Ilay Andriamanitry ny Fikasana

“Araka izay noheveriko no hatao (...) ary araka izay nokasaiko no hotovina”. — ISAIA 14:24.

1, 2. Inona no lazain’ny maro mikasika ny zava-kendren’ny fiainana?

NA AIZA na aiza ny olona dia manontany hoe: “Inona no zava-kendren’ny fiainana?” Izao no nolazain’ny mpitondra ara-politika tandrefana iray: “Tena betsaka kokoa noho ny hatramin’izay ireo olona manontany hoe: ‘Iza isika? Inona no zava-kendrentsika?’ ” Rehefa nitsapa ny hevitry ny tanora mikasika ny zava-kendren’ny fiainana ny gazety iray, dia toy izao ny valin-teny nampiavaka azy ireo: “Manao izay rehetra irin’ny fonao.” “Manararaotra amin’ny fomba feno ny fotoana rehetra iainana.” “Manao fiainana.” “Manan-janaka sy sambatra ary avy eo dia maty.” Ny ankamaroany dia nihevitra fa tsy misy afa-tsy itỳ fiainana itỳ. Tsy nisy niresaka ny amin’izay mety ho zava-kendrena mahatafiditra fe-potoana maharitra ho an’ny fiainana eto an-tany.

2 Hoy ny manam-pahaizana confucianiste iray: “Ny tena hevitry ny fiainana dia hita eo amin’ny fiainan’olombelona tsotra ananantsika.” Araka izany, dia hitohy ny fisian’ny olona ho teraka sy hiady mafy mandritra ny 70 na 80 taona, ary avy eo dia ho faty sy tsy hisy mandrakizay. Hoy ny mpahay siansa iray mino ny fivoarana miandalana: “Mety haniry hahazo valiny ‘ambony kokoa’ isika — kanefa tsy misy ny toy izany.” Ho an’ireny mino ny fivoarana miandalana ireny, ny fiainana dia ady mafy ho amin’ny fahatafitana velona, ka ny fahafatesana no mamarana ny zava-drehetra. Ny filozofia toy izany dia manolotra fiheverana tsy misy fanantenana ny amin’ny fiainana.

3, 4. Inona no vokatry ny toe-piainana eo amin’izao tontolo izao eo amin’ny fomba fiheveran’ny maro ny fiainana?

3 Maro no misalasala ny amin’ny fananan’ny fiainana zava-kendrena, rehefa mahita ny fiainan’olombelona feno fahoriana izaitsizy. Amin’izao androntsika izao, izay heverina fa nahatratraran’ny olombelona ny fara tampon’ny fahavitan-javatra teo amin’ny taozava-baventy sy ny siansa, dia olona sahabo ho arivo tapitrisa maneran-tany no marary mafy na ratsy sakafo. Ankizy an-tapitrisany maro isan-taona no maty noho izany antony izany. Fanampin’izany, tamin’itỳ taonjato faha-20 itỳ dia avo efatra heny noho ny tamin’ireo efa-jato taona teo aloha mitambatra ny isan’ny olona maty noho ny ady. Ny heloka bevava, ny herisetra, ny fidorohana amin’ny zava-mahadomelina, ny firodanan’ny fianakaviana, ny SIDA sy ireo aretina hafa mifindra amin’ny alalan’ny firaisana — mitombo ny lisitr’ireo anton-javatra ratsy. Tsy manana ala olana ho an’ireny zava-manahirana ireny ireo mpitondra eo amin’izao tontolo izao.

4 Noho izany toe-piainana izany, dia nilaza izay inoan’ny maro ny olona iray nanao hoe: “Tsy misy zava-kendrena ny fiainana. Raha mitranga ireo zava-dratsy rehetra ireo, dia tsy misy heviny firy ny fiainana.” Niteny toy izao ny lehilahy be taona iray: “Nanontany tena ny amin’ny antony maha-eto ahy aho nandritra ny ankamaroan’ny fiainako. Raha misy zava-kendrena aza, dia tsy raharahaiko intsony izao.” Koa satria olona maro be no tsy mahafantatra ny antony amelan’Andriamanitra ny fijaliana hisy, ny toe-piainana mampahory eo amin’izao tontolo izao dia mahatonga azy ireo tsy hanana tena fanantenana ho an’ny hoavy.

5. Nahoana ny fivavahana eo amin’izao tontolo izao no manampy trotraka ny fisavorovoroan-kevitra mikasika ny zava-kendren’ny fiainana?

5 Na dia ireo mpitondra fivavahana aza dia voazarazara sy tsy mahalala marina ny amin’ny zava-kendren’ny fiainana. Hoy ny lehiben’ny pretra taloha tao amin’ny Katedraly St. Paul any Londres: “Nandritra ny fiainako manontolo aho, dia niady mafy mba hahita ny zava-kendren’ny fiainana. (...) Tsy nahomby aho.” Marina fa maro amin’ireo mpitondra fivavahana no mampianatra fa eo amin’ny fahafatesana, ny tsara fanahy dia mankany an-danitra ary ny ratsy fanahy mankany amin’ny afobe mirehitra mandrakizay. Io fiheverana io anefa dia mbola mamela ny olombelona eto an-tany hanohy ny fiainany feno fijaliana ihany. Ary raha fikasan’Andriamanitra ny hanana olona hiaina any an-danitra, nahoana izy no tsy nanao azy ireo fotsiny ho zavaboary tany an-danitra hatramin’ny voalohany, toy ny nanaovany ireo anjely, ka tamin’izay dia ho nitsimbina ny olombelona tamin’izao fijaliana be izao? Koa mahazatra àry ny fisavorovoroan-kevitra raha ny amin’ny zava-kendren’ny fiainana eto an-tany na ny amin’ny tsy fetezana hino fa manana zava-kendrena izy io.

Ilay Andriamanitry ny fikasana

6, 7. Inona no lazain’ny Baiboly amintsika mikasika ilay Tompom-piandrianana eo Amin’izao Rehetra Izao?

6 Ilay boky miely patrana indrindra eo amin’ny tantara anefa, ny Baiboly Masina, dia milaza amintsika fa i Jehovah, ilay Tompom-piandrianana eo Amin’izao Rehetra Izao, dia Ilay Andriamanitry ny fikasana. Asehon’izy io amintsika fa i Jehovah dia manana fikasana mahatafiditra fe-potoana maharitra, raha ny marina, mandrakizay, ho an’ny taranak’olombelona eto an-tany. Ary rehefa misy zavatra kasain’i Jehovah hatao, dia tsy maintsy hitranga tokoa izany. Toy ny ranonorana mahatonga ny voa hitsiry, hoy Andriamanitra, “dia ho tahaka izany ny teniko izay aloaky ny vavako: tsy hiverina amiko foana izy, raha tsy efa mahatanteraka izay sitrako ary ambinina amin’izay ampandehanako azy”. (Isaia 55:10, 11). Na inona na inona lazain’i Jehovah, dia hotanterahiny izany, “hotovina”. — Isaia 14:24.

7 Isika olombelona dia afaka matoky tanteraka fa tsy hivadika amin’ny fampanantenana nomeny ny Tsitoha, satria “Andriamanitra tsy mahay mandainga”. (Titosy 1:2; Hebreo 6:18). Rehefa milaza amintsika izy fa hanao zavatra, ny teniny dia antoka fa hitranga izany. Toy ny hoe efa eo am-pahavitana ilay izy. Izao no nambarany: “Izaho no Andriamanitra, ka tsy misy hafa; Izaho no Andriamanitra, ka tsy misy tahaka Ahy, Izay manambara ny farany hatramin’ny voalohany, ary nanambara hatramin’ny ela izay tsy mbola natao akory, dia Ilay manao hoe: Ho to ny fikasako, ary hefaiko ny sitrapoko rehetra (...); sady efa niteny izany Aho no hahatanteraka azy koa, sady nikasa Aho no hahefa azy.” — Isaia 46:9-11.

8. Afaka mahita an’Andriamanitra ve ireo izay maniry amim-pahatsorana ny hahafantatra azy?

8 Ankoatra izany, dia tsy misy olona tian’i Jehovah “ho very, fa mba ho tonga amin’ny fibebahana izy rehetra”. (2 Petera 3:9). Noho izany antony izany, dia tsy iriny ny hisian’olona na iza na iza tsy hahafantatra azy. Hoy ny mpaminany iray atao hoe Azaria: “Raha mitady [an’Andriamanitra] (...) hianareo, dia hahita Azy; fa raha mahafoy Azy hianareo, dia hahafoy anareo Izy.” (2 Tantara 15:1, 2). Noho izany, ireo izay maniry amim-pahatsorana hahafantatra an’Andriamanitra sy ny fikasany dia azo antoka fa afaka manao izany raha miezaka mitady azy izy ireo.

9, 10. a) Inona no nomena ho an’ireo izay maniry hahafantatra an’Andriamanitra? b) Mahatonga antsika ho afaka hanao inona ny fitadiavana ny Tenin’Andriamanitra?

9 Hitady aiza? Andriamanitra dia nanome ny Teniny, ny Baiboly, ho an’ireo izay mitady azy marina tokoa. Tamin’ny alalan’ny fanahiny masina, dia ilay hery miasa izay nampiasainy mba hamoronana izao rehetra izao, Andriamanitra dia nitarika lehilahy nahatoky maro mba hanoratra izay ilaintsika hofantarina mikasika ny fikasany. Niteny toy izao, ohatra, ny apostoly Petera mikasika ny faminaniana ao amin’ny Baiboly: “Tsy nisy faminaniana avy tamin’ny sitrapon’ny olona tany aloha rehetra; fa avy tamin’Andriamanitra no nitenenan’ny olona araka izay nitondran’ny Fanahy Masina azy.” (2 Petera 1:21). Toy izany koa no nambaran’ny apostoly Paoly hoe: “Ny Soratra rehetra dia ara-tsindrimandrin’Andriamanitra sady mahasoa ho fampianarana, ho fananarana, ho fanitsiana ny diso, ho fifehezana amin’ny rariny, mba hanana fahaizana feno, ho tena ampy fitaovana ho amin’ny asa tsara rehetra, ny olon’Andriamanitra.” — 2 Timoty 3:16, 17, NW; 1 Tesaloniana 2:13.

10 Mariho fa ny Tenin’Andriamanitra dia mahatonga antsika, tsy hoe hanana fahaizana tapatapany, na tsy ho tena ampy fitaovana, fa “hanana fahaizana feno, ho tena ampy fitaovana”. Izy io dia mahatonga ny tena ho afaka hahazo antoka ny amin’ny hoe iza moa Andriamanitra, inona avy ny fikasany sy izay takiny amin’ireo mpanompony. Izany no antenaina avy amin’ny boky iray nosoratan’Andriamanitra. Ary izy io no hany loharano azontsika tadiavina mba hahazoana fahalalana marina an’Andriamanitra. (Ohabolana 2:1-5; Jaona 17:3). Amin’ny fanaovana izany dia “tsy ho zaza intsony isika, ka ahilangilana sy ampitambolimbolenin’ny rivotry ny fampianarana samy hafa rehetra amin’ny saim-petsy ataon’ny olona sy ny fihendreny hahatanteraka ny hevitry ny famitahana”. (Efesiana 4:13, 14). Nilaza fomba fijery araka ny tokony ho izy ny mpanao salamo nanao hoe: “Fanilon’ny tongotro sy fanazavana ny làlako ny teninao [ny an’Andriamanitra].” — Salamo 119:105.

Naharihary miandalana

11. Ahoana no nampihariharian’i Jehovah ny fikasany tamin’ny olombelona?

11 Teo am-piandohan’ny fianakavian’olombelona mihitsy, dia nahariharin’i Jehovah ny fikasany mikasika itỳ tany itỳ sy ny olombelona eo aminy. (Genesisy 1:26-30). Rehefa nanda ny fiandrianan’Andriamanitra anefa ireo ray aman-drenintsika voalohany, dia latsaka tao anatin’ny haizina ara-panahy sy ny fahafatesana ny olombelona. (Romana 5:12). Na dia izany aza, dia fantatr’i Jehovah fa hisy olona izay haniry hanompo azy. Noho izany dia naharihariny miandalana tamin’ireo mpanompony nahatoky ny fikasany, nandritra ireo taonjato. Ny sasany tamin’ireo izay nampitany hafatra, dia i Enoka (Genesisy 5:24; Joda 14, 15), i Noa (Genesisy 6:9, 13), i Abrahama (Genesisy 12:1-3), sy i Mosesy (Eksodosy 31:18; 34:27, 28). Nanoratra toy izao i Amosa mpaminanin’Andriamanitra: “Tsy manao na inona na inona tokoa Jehovah Tompo, raha tsy milaza ny heviny amin’ny mpaminany mpanompony.” — Amosa 3:7; Daniela 2:27, 28.

12. Ahoana no nandefasan’i Jesosy fahazavana bebe kokoa teo amin’ny fikasan’Andriamanitra?

12 Fony teto an-tany i Jesosy Kristy, Zanak’Andriamanitra, 4 000 taona teo ho eo taorian’ny fikomiana tany Edena, dia nisy tsipiriany bebe kokoa momba ny fikasan’i Jehovah naharihary. Izany indrindra no izy raha ny amin’ny fikasan’Andriamanitra hanorina Fanjakana iray any an-danitra mba hanapaka ny tany. (Daniela 2:44). Nataon’i Jesosy loha hevitry ny fampianarany izany Fanjakana izany. (Matio 4:17; 6:10). Samy nampianatra izy sy ny mpianany fa eo ambanin’io Fanjakana io, dia ho tanteraka ilay fikasan’Andriamanitra tany am-boalohany momba ny tany sy ny olombelona. Hiova ho paradisa honenan’olombelona tanteraka izay hiaina mandrakizay ny tany. (Salamo 37:29; Matio 5:5; Lioka 23:43, NW; 2 Petera 3:13; Apokalypsy 21:4). Ambonin’izany, dia nasehon’i Jesosy sy ny mpianany izay hitranga ao amin’io tontolo vaovao io, tamin’ny alalan’ireo fahagagana izay nanomezan’Andriamanitra azy ireo hery hotanterahina. — Matio 10:1, 8; 15:30, 31; Jaona 11:25-44.

13. Fiovana inona no nitranga tamin’ny Pentekosta 33 am.f.i., mikasika ny fifandraisan’Andriamanitra tamin’ny taranak’olombelona?

13 Tamin’ny Pentekosta 33 am.f.i., izany hoe 50 andro taorian’ny nahafatesan’i Jesosy, ny fanahin’Andriamanitra dia nilatsaka teo amin’ny kongregasionan’ireo mpanara-dia an’i Kristy. Io kongregasiona io dia nisolo toerana ny Isiraely tsy nahatoky tamin’ny naha-vahoakan’ny faneken’i Jehovah azy. (Matio 21:43; 27:51; Asan’ny Apostoly 2:1-4). Ny filatsahan’ny fanahy masina tamin’io fisehoan-javatra io dia porofo fa, nanomboka tamin’izay fotoana izay no ho mankatỳ, dia ahariharin’Andriamanitra amin’ny alalan’io masoivoho vaovao io ny fahamarinana momba ny fikasany. (Efesiana 3:10). Nandritra ny taonjato voalohany am.f.i., dia naorina ny rafitra ara-pandaminan’ny kongregasiona kristiana. — 1 Korintiana 12:27-31; Efesiana 4:11, 12.

14. Ahoana no ahafahan’ireo mpitady ny fahamarinana mamantatra ny tena kongregasiona kristiana?

14 Amin’izao andro izao, ireo mpitady ny fahamarinana dia afaka mamantatra ny tena kongregasiona kristiana amin’ny fanehoan’izy io amin’ny fomba mitovy ilay toetran’Andriamanitra voalohany indrindra, dia ny fitiavana. (1 Jaona 4:8, 16). Marina tokoa fa ny fitiavan-drahalahy dia marika iray famantarana ny Kristianisma marina. Hoy i Jesosy: “Izany no hahafantaran’ny olona rehetra fa mpianatro hianareo, raha mifankatia.” “Izao no didiko, dia ny mba hifankatiavanareo tahaka ny nitiavako anareo.” (Jaona 13:35; 15:12). Ary nampahatsiaro ny mpihaino azy toy izao i Jesosy: “Hianareo no sakaizako, raha manao araka izay andidiako anareo.” (Jaona 15:14). Koa ireo tena mpanompon’Andriamanitra àry dia ireo izay miaina ny lalàn’ny fitiavana. Tsy hoe miresaka ny amin’izany fotsiny izy ireo, satria “maty (...) ny finoana, raha tsy misy asa”. — Jakoba 2:26.

Fahazavana

15. Mahazo antoka ny amin’inona ny mpanompon’Andriamanitra?

15 Nambaran’i Jesosy mialoha fa arakaraka ny fandehan’ny fotoana dia hahazo fahazavana bebe kokoa hatrany mikasika ny fikasan’Andriamanitra ny kongregasiona kristiana. Nampanantena ireo mpanara-dia azy toy izao izy: “Ny Mpananatra, dia ny Fanahy Masina, Izay hirahin’ny Ray amin’ny anarako. Izy no hampianatra anareo ny zavatra rehetra”. (Jaona 14:26). Nilaza koa i Jesosy hoe: “Indro, Izaho momba anareo mandrakariva ambara-pahatongan’ny fahataperan’izao tontolo izao.” (Matio 28:20). Araka izany, dia mitombo ny fahazavana mikasika ny fahamarinana momba an’Andriamanitra sy ny fikasany eo amin’ireo mpanompon’Andriamanitra. Eny, “ny làlan’ny marina dia toy ny fipoak’andro maraina, izay mihamazava mandra-pitataovovonan’ny andro”. — Ohabolana 4:18.

16. Inona no lazain’ny fahazavana ara-panahy ananantsika amintsika, mikasika ny fotoana misy antsika, mifandray amin’ireo fikasan’Andriamanitra?

16 Amin’izao andro izao, dia mihamazava kokoa mbola tsy nisy toy izany io fahazavana ara-panahy io, noho isika miaina amin’ny fotoana isian’ny faminaniana maro ao amin’ny Baiboly eo am-pahatanterahana, na madiva ho tanteraka. Izany dia mampiseho amintsika fa miaina amin’ny “andro farany” ho an’itỳ fandehan-javatra ratsy itỳ isika. Izao no fe-potoana antsoina hoe “fifaranan’ny fandehan-javatra”; hanaraka izany ny tontolo vaovaon’Andriamanitra. (2 Timoty 3:1-5, 13, NW; Matio 24:3-13, NW ). Araka ny nambaran’i Daniela mialoha, tsy ho ela ny Fanjakan’Andriamanitra any an-danitra dia ‘hanorotoro sy handevona ireo fanjakana rehetra [misy amin’izao fotoana izao] ireo, fa izy kosa hitoetra mandrakizay’. — Daniela 2:44.

17, 18. Faminaniana lehibe inona avy no eo am-pahatanterahana amin’izao fotoana izao?

17 Anisan’ireo faminaniana eo am-pahatanterahana izao ilay voarakitra ao amin’ny Mt 24:14 andininy faha-14 amin’ny Matio toko faha-24 (NW ). Ao i Jesosy dia nilaza hoe: “Hotorina amin’ny tany onenana manontolo itỳ vaovao tsaran’ny Fanjakana itỳ ho vavolombelona amin’ny firenena rehetra; ary avy eo dia ho tonga ny farany.” Manerana ny tany manontolo, dia eo am-panaovana io asa fitoriana ilay Fanjakana io ny Vavolombelon’i Jehovah an-tapitrisany maro. Ary olona ana hetsiny maro no manatevin-daharana azy ireo isan-taona. Izany dia mifanaraka amin’ilay faminaniana ao amin’ny Isaia 2:2, 3 izay milaza fa “any am-parany” ho an’itỳ tontolo ratsy itỳ, dia hisy olona avy amin’ny firenena maro ho tonga ao amin’ny fanompoam-pivavahana marina amin’i Jehovah, ary ‘izy hampianatra azy ireo ny amin’ny lalany ka handeha amin’ny atorony ireo’.

18 Ireo vaovao ireo dia mitangorona ao amin’ny fanompoam-pivavahana amin’i Jehovah “tahaka ny rahona”, araka ny voambara mialoha ao amin’ny Isaia 60:8 toko faha-60, ny andininy faha-8. Manampy teny toy izao ny Is 60:22 andininy faha-22: “Ny kely ho tonga arivo, ary ny malemy ho tonga firenena mahery; Izaho Jehovah no hanafaingana izany amin’ny fotoany.” Asehon’ny porofo fa izany fotoana izany dia izao ankehitriny izao indrindra. Ary afaka matoky ireo vaovao fa amin’ny fiarahany amin’ny Vavolombelon’i Jehovah, dia manjary mifandray amin’ny tena kongregasiona kristiana izy ireo.

19. Nahoana isika no milaza fa ireo vaovao izay miaraka amin’ny Vavolombelon’i Jehovah dia tonga ao amin’ny tena kongregasiona kristiana?

19 Nahoana isika no afaka milaza izany amim-pahazoana antoka? Satria nanolotra ny fiainany ho an’Andriamanitra sy manao ny sitrapony ireny vaovao ireny, miaraka amin’ireo an-tapitrisany maro efa ao anatin’ny fandaminan’i Jehovah. Izany dia mahatafiditra fiainana mifanaraka amin’ny lalàn’ny fitiavana araka an’Andriamanitra. Porofo iray amin’izany ny nanefen’ireny Kristiana ireny ‘ny sabany ho fangady sy ny lefony ho fanetezam-boaloboka, ka tsy hianarany ady intsony’. (Isaia 2:4). Nanao izany ny Vavolombelon’i Jehovah rehetra maneran-tany satria mampihatra ny fitiavana izy ireo. Izany dia midika fa tsy afaka mihitsy ny handray fitaovam-piadiana hifamelezany na hamelezana olon-kafa izy ireo. Tsy manan-tsahala izy ireo amin’izany — tsy mitovy amin’ireo fivavahana eo amin’izao tontolo izao. (Jaona 13:34, 35; 1 Jaona 3:10-12, 15). Tsy manjary tafiditra amin’ny fanindrahindram-pirenena mampizarazara izy ireo, satria mahaforona fianakavian’ny mpirahalahy maneran-tany akamban’ny fitiavana, izay “fatorana mampiray tanteraka”, izy ireo. — Kolosiana 3:14, NW; Matio 23:8; 1 Jaona 4:20, 21.

Mifidy ny tsy hahafantatra ny ankamaroany

20, 21. Nahoana ny ankamaroan’ny taranak’olombelona no ao anatin’ny haizina ara-panahy? (2 Korintiana 4:4; 1 Jaona 5:19).

20 Raha mihamazava ny fahazavana ara-panahy eo amin’ireo mpanompon’Andriamanitra, ny sisa amin’ny mponin’ny tany kosa dia milentika ao anatin’ny haizina ara-panahy mihamikitroka kokoa hatrany. Tsy mahafantatra an’i Jehovah na ny fikasany izy ireo. Nilazalaza izany fotoana izany ny mpaminanin’Andriamanitra iray rehefa nanambara hoe: “Indro, ny aizina manarona ny tany, ary ny aizim-pito manarona ny firenena”. (Isaia 60:2). Izany no izy satria ny olona tsy mampiseho fahalianana amim-pahatsorana amin’ny fianarana ny momba an’Andriamanitra, na mampiseho faniriana ny hanandrana hampifaly azy. Hoy i Jesosy: “Ary izao no fanamelohana, fa tonga amin’izao tontolo izao ny mazava, nefa aleon’ny olona ny maizina toy izay ny mazava, satria ratsy ny asany. Fa izay rehetra manao ratsy dia mankahala ny mazava sady tsy manatona ny mazava, fandrao hita miharihary ny asany.” — Jaona 3:19, 20.

21 Tsy tena liana marina amin’ny fitadiavana hahalala ny sitrapon’Andriamanitra ny olona toy izany. Afantok’izy ireo amin’ny fanaovana ny sitrapon’ny tenany kosa ny fiainany. Amin’ny tsy firaharahana ny sitrapon’Andriamanitra, dia mametraka ny tenany eo amin’ny toerana mampidi-doza izy ireo, satria izao no ambaran’ny Tenin’Andriamanitra: “Izay manentsin-tadìny tsy hihaino ny lalàna, na ny fivavahany aza dia fahavetavetana.” (Ohabolana 28:9). Hizaka ny vokatry ny lalana nofidiny izy ireo. Nanoratra toy izao ny apostoly Paoly: “Aza mety hofitahina hianareo; Andriamanitra tsy azo vazivazina, fa izay afafin’ny olona no hojinjany.” — Galatiana 6:7.

22. Manao inona izao ireo olona maro be izay maniry ny hahafantatra an’Andriamanitra?

22 Misy anefa olona maro be izay maniry tokoa hahafantatra ny sitrapon’Andriamanitra, ary mitady azy amim-pahatsorana, ka voasintona hankany aminy. “Manatòna an’Andriamanitra, dia hanatona anareo Izy”, hoy ny Jakoba 4:8. Mikasika ny olona toy izany, dia hoy i Jesosy: “Fa izay manao ny marina kosa dia manatona ny mazava, mba haseho ny asany, fa atao amin’Andriamanitra izany.” (Jaona 3:21). Ary hoavy mahatalanjona toy inona moa no kasain’Andriamanitra ho an’ireo izay tonga ao amin’ny mazava! Ny lahatsoratra manaraka dia hiresaka ny amin’ireo fahatsinjovan-javatra mampientam-po.

Ahoana no Havalinao?

◻ Inona no lazain’ny maro mikasika ny zava-kendren’ny fiainana?

◻ Ahoana no ampihariharian’i Jehovah ny tenany ho Andriamanitry ny fikasana?

◻ Fahazavana lehibe inona no niseho tamin’ny taonjato voalohany am.f.i.?

◻ Ahoana no ahafantarana ny tena kongregasiona kristiana amin’izao andro izao?

    Fitehirizam-boky Malagasy (1965-2025)
    Hiala
    Hiditra
    • Malagasy
    • Hizara
    • Firafitra
    • Copyright © 2025 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
    • Fifanekena
    • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
    • Firafitry ny Fifanekena
    • JW.ORG
    • Hiditra
    Hizara