Vavolombelon’i Jehovah Manerana Izao Tontolo Izao — Bahamas
NY Commonwealth-n’i Bahamas — vondro-nosy misy nosy sy nosikely 3 000 — dia mitsotra toy ny vakana akorandriaka mamakivaky ranomasina maitso manopy manga 900 kilaometatra eo anelanelan’i Floride sy i Cuba. Eo anivon’ireo mponina 267 000 eo aminy, dia misy amboarampeon’ny mpitory ilay Fanjakana mihamitombo hatrany. Ny hira fideran’izy ireo dia mampahatsiaro ny Isaia 42:10-12 manao hoe: “Hianareo izay midina any amin’ny ranomasina sy ny ao aminy rehetra, dia hianareo nosy sy ny mponina ao aminy, samia mihira fihiram-baovao ho an’i Jehovah (...); aoka hanao feo avo any an-tampon’ny tendrombohitra izy. Aoka hanome voninahitra an’i Jehovah izy ary hitory ny fiderana Azy any amin’ny nosy.”
Finoana vaovao niharan-java-tsarotra
Tamin’ny Jolay 1992, dia nisy mpisava lalana maharitra iray (mpitory ilay Fanjakana manontolo andro) nametraka ilay boky fianarana ny Baiboly hoe Azonao Atao ny Hiaina Mandrakizay ao Amin’ny Paradisa eto An-tany tamin’olom-pantany teo amin’ny asa fivelomana. Rehefa avy namaky ilay boky ilay rangahy, dia niteny anakampo hoe: ‘Zavatra tsy maintsy hadihadiko io fivavahana io.’ Ny alahady roa nanaraka, dia nanatrika fivoriana tany amin’ny Efitrano Fanjakanan’ny Vavolombelon’i Jehovah roa samy hafa izy. Nanaraka izany, dia natomboka ny fianarana Baiboly niaraka taminy. Iray volana sy tapany monja taorian’ny nanombohany nianatra ny Baiboly anefa, dia nipoitra ny zava-tsarotra tsy maintsy noresena iray, izay hisedra ny finoany vaovao — ireo fankalazana fitsingerenan’ny andro nahaterahana.
Ny fianakavian’ilay mpandraharaha dia tena nandray anjara be tamin’ny fankalazana toy izany, kanefa ny fitiavany ny Tenin’Andriamanitra dia nanosika azy hanohy ny fianarany ny Baiboly. Arakaraka ny nitomboan’ny fahalalany ny Soratra Masina, no nitomboan’ny fahatakarany ny anton’ireo fankalazana fitsingerenan’ny andro nahaterahana sy ireo fetin’izao tontolo izao ary ny fiheveran’i Jehovah azy ireny.
Rehefa nandamina fiaraha-mikorana ho an’ny Fetin’ny Ray ny vadiny, dia nolavin’ilay rangahy tamim-pahalalam-pomba ny hanatrika izany. Nihevitra anefa ramatoa vadiny fa tsy tia azy intsony ilay rangahy sady nametraka ny fivavahana ho alohan’ny tenany sy ny fianakaviana. Nanazava tamin-katsaram-panahy ilay rangahy fa ny fampiharana izay nianarany avy ao amin’ny Baiboly dia nanampy mba hanovana azy ho vady sy ray tsaratsara kokoa. Farany dia nitombo ny fankasitrahan’ilay ramatoa ny fitiavam-badiny ny fahamarinana araka ny Soratra Masina, ary dia nanaiky ny hianatra ny Baiboly izy. Izao ilay rangahy dia mitarika fampianarana ny Baiboly amin’ny fianakaviany. Ary toy inona moa ny hafaliany tamin’ny Fivoriamben’ny Distrika “Fampianarana Araka An’Andriamanitra” tamin’ny taon-dasa teo! Teo ny vadiny sy ny zanany vavy, sady nahita azy natao batisa.
Misy mpiavy mandre ilay fihiram-baovao
Mpiavy haitianina an’arivony maro no mifangaroharo amin’ny fitambaran’olona bahamianina. Izy ireo koa dia mila ny mandre ilay fihiram-baovaon’ny fahamarinan’ilay Fanjakana. Velom-pisaorana ireo Vavolombelona mipetraka any Bahamas noho ny fahatongavan’ny mpivady roa Haitianina-Amerikana. Ireo olona ireo dia nanampy mba hanatanjaka ilay antokon’olona haitianina vao niforona tao amin’ireo nosin’i Grande Bahama sy i Abaco.
Ho fanampiana bebe kokoa an’ireo Haitianina liana amin’ny hafatr’ilay Fanjakana, dia natao ny fivoriamben’ny distrika voalohany tamin’ny fiteny kiringy haitianina, sambany tao Bahamas, nanomboka ny 31 Jolay ka hatramin’ny 1 Aogositra 1993. Nahatratra 214 ny mpanatrika, niaraka tamin’ny olona vao nanolo-tena telo natao batisa. Hatramin’izay, dia Haitianina maro izay nianatra ny fahamarinana tao Bahamas no niverina tany amin’ny nosy niaviany na nifindra nankany an-toeran-kafa mba hampiara-peo amin’ireo Vavolombelona eo an-toerana amin’ny fihirana fiderana ho an’i Jehovah.
[Efajoro, pejy 6]
ANTONTAN’ISAN’Ilay Tany
Taom-piasana 1993a
TAMPON’ISAN’NY MPITORY: 1 294
AMIN’NY ARA-KEVINY: Vavolombelona 1 ho an’ny olona 197
MPANATRIKA NY FAHATSIAROVANA: 3 794
ANTSALAN’NY MPITORY MPISAVA LALANA: 186
ANTSALAN’NY FAMPIANARANA NY BAIBOLY: 1 715
ISAN’NY NATAO BATISA: 79
ISAN’NY KONGREGASIONA: 22
BIRAON’NY SAMPANA: NASSAU
[Fanamarihana ambany pejy]
a Mba hahazoana filazana fanampiny, dia jereo ny Calendrier des Témoins de Jéhovah 1994.
[Sary, pejy 9]
Ny Efitrano Fanjakana voalohany, miaraka amin’ny biraon’ny sampana sy ny tranon’ny misionera
[Sary, pejy 9]
Manambara amin-jotom-po ny vaovao tsara ireo Vavolombelona
[Sary, pejy 9]
I Milton G. Henschel sy i Nathan H. Knorr miaraka amin’ireo misionera tany Nassau, tokotokony ho 45 taona lasa izay
[Sary, pejy 9]
Ny biraon’ny sampana vaovao, notokanana tamin’ny 8 Febroary 1992