Manohitra ny Toe-tsain’izao Tontolo Izao ve Ianao?
“Isika tsy nandray ny fanahin’izao [“toe-tsain’izao”, NW ] tontolo izao, fa ny Fanahy Izay avy amin’Andriamanitra”. — 1 KORINTIANA 2:12.
1, 2. Loza inona nahatafiditra gaza mahafaty no nitranga tany Bhopal, any India, kanefa “gaza” mahafaty kokoa inona no fohina manerana izao tontolo izao?
INDRAY alina nangatsiaka, tamin’ny Desambra 1984, dia nisy zavatra nanaitra mafy nitranga tao Bhopal, any India. Ao amin’io tanàna io, dia misy ozinina iray fanodinana raha simika. Ary tamin’io alin’ny Desambra io, dia tsy niasa tsara ny fitaovana mandrindra ny fivoahana gaza tao amin’ny iray amin’ireo sinibe fitahirizana gaza propane. Tampoka teo, dia nisy cyanure de méthylène an-taoniny maro nanomboka nihanaka teny amin’ny rivotra. Nentin’ny rivotra nivoivoy nankao anaty trano sy teo ambonin’ireo fianakaviana natory, io gaza mahafaty io. An’arivony maro ny isan’ireo maty, ary mbola maro kokoa no nitondra takaitra. Io no voina avy amin’ny taozava-baventy ratsy indrindra hatramin’io fotoana io.
2 Nalahelo ny olona rehefa nandre ny amin’i Bhopal. Na dia nahafaty toy izany aza izy io, ilay gaza nivoaka tany dia namono olona vitsy kokoa noho ireo voavonon’ilay “gaza” ara-panahy izay fohin’ny olona manerana izao tontolo izao isan’andro. Antsoin’ny Baiboly hoe “toe-tsain’izao tontolo izao” izy io. Io rivotra mahafaty io no nampifanoherin’ny apostoly Paoly tamin’ny fanahy avy amin’Andriamanitra rehefa nilaza izy hoe: “Fa isika tsy nandray ny fanahin’izao [“toe-tsain’izao”, NW ] tontolo izao, fa ny Fanahy Izay avy amin’Andriamanitra, mba ho fantatsika izay zavatra nomen’Andriamanitra antsika.” — 1 Korintiana 2:12.
3. Inona ilay “toe-tsain’izao tontolo izao”?
3 Inona marina moa “ny toe-tsain’izao tontolo izao”? Araka ny voalazan’ny The New Thayer’s Greek English Lexicon of the New Testament, ny dikan’ilay teny hoe “toe-tsaina” (esprit) (Grika: pneuʹma) amin’ny ankapobeny dia “ilay fironana na fitaomana izay mameno sy manapaka ny fanahin’iza na iza”. Ny olona iray dia mety hanana toe-tsaina (esprit) na fironana tsara na ratsy. (Salamo 51:10; 2 Timoty 4:22). Ny antokon’olona iray koa dia mety hanana toe-tsaina na fironana misongadina. Nanoratra tany amin’i Filemona sakaizany toy izao ny apostoly Paoly: “Ho amin’ny fanahinareo [“toe-tsaina asehonareo”, NW ] anie ny fahasoavan’i Jesosy Kristy Tompontsika.” (Filemona 25). Toy izany koa — kanefa amin’ny ambaratonga lehibe lavitra — izao tontolo izao amin’ny ankapobeny dia manana fironana iray misongadina, ary izany no “toe-tsain’izao tontolo izao” nasian’i Paoly fitenenana. Araka ny voalazan’ny Word Studies in the New Testament, nataon’i Vincent, “ilay fitenenana dia midika ho ilay fotopoto-pitsipiky ny ratsy izay manosika izao tontolo izao mafy hatoka”. Izy io dia ilay fironana feno ota izay mamonto ny fomba fisainan’itỳ tontolo itỳ sy mampihatra fitaomana amin-kery eo amin’ny fomba fanaovan’ny olona zavatra.
4. Iza no niavian’ny toe-tsain’izao tontolo izao, ary inona no vokatr’io toe-tsaina io eo amin’ny olombelona?
4 Misy poizina io toe-tsaina io. Nahoana? Satria izy io dia avy amin’i Satana, ilay “andrianan’izao tontolo izao”. Marina tokoa fa izy dia antsoina hoe “mpanapaka ny fanjakana eny amin’ny rivotra, dia ny fanahy [“toe-tsaina”, NW ] izay miasa ankehitriny ao anatin’ny zanaky ny tsi-fanarahana”. (Jaona 12:31; Efesiana 2:2). Sarotra ny ahafahana mandositra io “rivotra” na “toe-tsaina izay miasa ankehitriny ao anatin’ny zanaky ny tsi-fanarahana” io. Eny rehetra eny, eo amin’ny fitambaran’olona, izy io. Raha mifoka izany isika, dia hanomboka hanaraka ny fihetsiny sy ny zava-kendreny. Ny toe-tsain’izao tontolo izao dia mampirisika ny ‘hivelomana araka ny nofo’, izany hoe, araka ny tsy fahatanterahantsika feno ota. Mahafaty izy io, satria “raha velona araka ny nofo hianareo, dia tsy maintsy maty”. — Romana 8:13.
Fanalavirana ny toe-tsain’itỳ tontolo itỳ
5. Ahoana no nanaovan’ny Vavolombelona iray zavatra tamim-pahendrena nandritra ilay loza tany Bhopal?
5 Nandritra ilay loza tany Bhopal, dia nisy Vavolombelon’i Jehovah iray taitra tamin’ny feon’anjombona sy ny fofona nafarak’ilay gaza nisy poizina. Nofohaziny tsy nisy hataka andro ny fianakaviany ary nokorodosiny hivoaka tany amin’ny arabe. Niato kely fotsiny izy mba hamantarana ny fizotran’ny rivotra, dia niezaka mafy nanavatsava tao anatin’ny vahoaka nifanjevo izy, nitarika ny fianakaviany teny an-tampon-kavoana iray tany ivelan’ny tanàna. Tany izy ireo dia afaka nameno ny havokavony tamin’ny rivotra vaovao sy madio izay nitsoka avy teo amin’ny farihy akaiky iray.
6. Aiza no azontsika aleha mba hahafahana handositra ny toe-tsain’izao tontolo izao?
6 Moa ve misy toerana avo iray azontsika aleha mba hiafenana amin’ilay “rivotra” misy poizin’itỳ tontolo itỳ? Milaza ny Baiboly fa misy izany. Raha niandrandra tamim-pifaliana izao androntsika izao ny mpaminany Isaia, dia nanoratra hoe: “Izao no ho tonga any am-parany: ny tendrombohitra misy ny tranon’i Jehovah dia haorina eo an-tampon’ny tendrombohitra ary hasandratra ho avo noho ny havoana; ary ny jentilisa rehetra hitanjozotra hankany. Eny, maro ny firenena no hiainga ka hanao hoe: Andeha isika hiakatra any an-tendrombohitr’i Jehovah, ho any an-tranon’Andriamanitr’i Jakoba, mba hampianarany antsika ny amin’ny làlany, ka handehanantsika amin’ny atorony; fa avy any Ziona no hivoahan’ny lalàna, ary avy any Jerosalema ny tenin’i Jehovah.” (Isaia 2:2, 3). Ilay toerana avo ho an’ny fanompoam-pivavahana madio, ilay “tendrombohitra misy ny tranon’i Jehovah” nasandratra, no hany toerana eto amin’itỳ planeta itỳ, afaka amin’ilay toe-tsaina manempotra sy misy poizin’itỳ tontolo itỳ. Any no ikorianan’ny fanahin’i Jehovah malalaka eo amin’ireo Kristiana mahatoky.
7. Ahoana no nahavoavonjy ny olona maro tamin’ny toe-tsain’izao tontolo izao?
7 Maro amin’ireo izay nifoka an’io toe-tsain’izao tontolo izao io teo aloha no nahazo fanamaivanana toy ilay hitan’io Vavolombelona tany Bhopal io. Rehefa avy niresaka ny amin’ireo “zanaky ny tsi-fanarahana” izay mifoka io rivotra, na toe-tsain’itỳ tontolo itỳ io ny apostoly Paoly dia niteny hoe: “Teo amin’ireo no nitondrantsika rehetra tena koa fahiny tamin’ny filan’ny nofontsika, ka nanaovantsika ny danin’ny nofo sy ny saina; ary araka ny toetsika dia zanaky ny fahatezerana toy ny sasany koa isika. Fa Andriamanitra, Izay manan-karena amin’ny famindrampo, noho ny halehiben’ny fitiavany izay nitiavany antsika, na dia fony mbola matin’ny fahadisoana aza isika, dia nahavelona antsika niaraka tamin’i Kristy”. (Efesiana 2:3-5). Ireo izay tsy mifoka afa-tsy ny rivotra misy poizin’itỳ fandehan-javatra itỳ, dia maty amin’ny heviny ara-panahy. Noho i Jehovah anefa, dia an-tapitrisany maro ankehitriny no mandositra any amin’ilay toerana avo ara-panahy ka afa-mandositra ilay toe-piainana mahafaty.
Fisehoan’ny “toe-tsain’izao tontolo izao”
8, 9. a) Inona no mampiseho fa tsy maintsy mitandrina tsy an-kijanona isika amin’ny toe-tsain’izao tontolo izao? b) Ahoana no mety hanimban’ny toe-tsain’i Satana antsika?
8 Mbola mivoivoy manodidina antsika ilay rivotra mahafatin’i Satana. Tsy maintsy mitandrina isika ka tsy hidina na oviana na oviana ny havoana, ho any amin’izao tontolo izao indray, angamba ho sempotra ara-panahy. Ilana fiambenana tsara tsy an-kijanona izany. (Lioka 21:36; 1 Korintiana 16:13). Diniho, ohatra, itỳ zava-misy itỳ. Samy mahafantatra tsara ny fari-pitsipik’i Jehovah momba ny fitondran-tena ny Kristiana rehetra, ary tsy hanaiky mihitsy izy ireo fa azo ekena ny fanao maloto toy ny fanitsakitsaham-bady sy ny fijangajangana ary ny fandrian’ny samy lehilahy na ny samy vehivavy. Isan-taona anefa, dia olona 40 000 eo ho eo no voaroaka avy ao amin’ny fandaminan’i Jehovah. Nahoana? Amin’ny toe-javatra maro, dia noho ireo fanao maloto voalaza ireo ihany. Ahoana no ahafahan’izany mitranga?
9 Satria isika rehetra dia samy tsy tanteraka. Malemy ny nofo, ary tsy maintsy miady tsy an-kijanona amin’ireo fironan-dratsy izay mipoitra ao am-pontsika isika. (Mpitoriteny 7:20; Jeremia 17:9). Ireo fironan-dratsy ireo anefa dia ampirisihin’ny toe-tsain’izao tontolo izao. Maro eo amin’itỳ tontolo itỳ no tsy mahita ny maha-ratsy ny fahalotoam-pitondran-tena, ary ilay hevitra hoe “azo atao ny zava-drehetra” dia tapany amin’ilay fironana ara-tsain’ny fandehan-javatr’i Satana. Raha manao izay hahavoa ny tenantsika amin’ny fisainana toy izany isika, dia azo inoana mihitsy fa hanomboka hisaina sahala amin’izao tontolo izao. Tsy ho ela ny eritreritra maloto toy izany dia mety hiteraka fanirian-dratsy izay hiafara amin’ny fahotana lehibe. (Jakoba 1:14, 15). Ho niala tamin’ilay tendrombohitry ny fanompoam-pivavahana madio amin’i Jehovah isika, ka nidina nankao amin’ny toerana iva voaloto an’izao tontolo izaon’i Satana. Na iza na iza minia mijanona ao dia tsy handova fiainana mandrakizay. — Efesiana 5:3-5, 7.
10. Inona no fisehoan’ny rivotr’i Satana iray, ary nahoana ny Kristiana no tokony hanalavitra izany?
10 Miharihary eny amin’ny manodidina antsika rehetra eny ny toe-tsain’izao tontolo izao. Eo, ohatra, ny fihetsika tsy misy fanajana sy maneso andraisan’ny maro ny fiainana. Noho izy ireo diso fanantenana tamin’ireo mpanao politika mandray kolikoly na tsy ampy fahaizana, sy tamin’ireo mpitondra fivavahana ratsy fitondran-tena sy feno faniriana mihoa-pampana, dia resahin’izy ireo tsy amim-panajana na dia ireo zava-dehibe aza. Manohitra io fironana io ny Kristiana. Na dia mety hanana fahaizana manao vazivazy mahasoa aza isika, dia halavirintsika ny hitondra ao anatin’ny kongregasiona toe-tsaina tia maneso tsy mampiseho fanajana. Ny fitenin’ny Kristiana iray dia mampiseho taratry ny tahotra an’i Jehovah sy fahadiovam-po. (Jakoba 3:10, 11; ampitahao amin’ny Ohabolana 6:14.) Na tanora isika na antitra, ny fitenintsika dia tokony “ho amin’ny fahasoavana mandrakariva, ho mamy sira, mba ho fanta[tsika] izay tokony havalin[tsika] ny olona rehetra”. — Kolosiana 4:6.
11. a) Inona no lafiny faharoa amin’ny toe-tsain’izao tontolo izao? b) Nahoana ny Kristiana no tsy mitovy amin’ireo izay mampiseho taratr’io lafiny io?
11 Fironana fahita hafa iray mampiseho taratry ny toe-tsain’izao tontolo izao ny fankahalana. Izao tontolo izao dia saratsarahin’ny fankahalana sy ny valifaty maharitra izay miorina amin’ny tsy fitoviana ara-pirazanana, ara-poko, ara-pirenena, ary amin’ny tsy fitovian’ny tsirairay manokana koa aza. Tsara lavitra toy inona moa ny tarehin-javatra any amin’izay iasan’ny fanahin’Andriamanitra! Nanoratra toy izao ny apostoly Paoly: “Aza mamaly ratsy na amin’iza na amin’iza. Miomàna hanao izay mahamendrika eo imason’ny olona rehetra. Raha azo atao, dia ataovy izay hihavananareo amin’ny olona rehetra. Ry malala, aza mamaly ratsy, fa omeo làlana ny fahatezerana; fa voasoratra hoe: ‘Ahy ny famaliana; Izaho no hamaly, hoy Jehovah’. Fa raha noana ny fahavalonao, omeo hanina izy; raha mangetaheta izy, omeo hosotroiny; fa raha manao izany hianao, dia hanambatra vainafo ho eo an-dohany. Aza mety ho resin’ny ratsy hianao, fa reseo amin’ny soa ny ratsy.” — Romana 12:17-21.
12. Nahoana ny Kristiana no manalavitra ny fitiavana fatratra zavatra ara-nofo?
12 Mandrisika ny fitiavana fatratra zavatra ara-nofo koa ny toe-tsain’itỳ tontolo itỳ. Ampirisihin’ny tontolon’ny varotra ny olona maro, dia matimaty amin’ireo fitaovana mekanika na elektronika farany, ny lamaody farany, ny modelim-piarakodia farany. Andevozin’ny “filan’ny maso” izy ireo. (1 Jaona 2:16). Ny ankamaroan’ny olona dia manombana ny fahombiazany eo amin’ny fiainana araka ny haben’ny tranony na araka ny habetsaky ny volany any amin’ny banky. Manohitra izany fironana izany ny Kristiana izay mifoka rivotra ara-panahy madio eo amin’ny tendrombohitra avo misy ny fanompoam-pivavahana madio amin’i Jehovah. Fantatr’izy ireo fa mety hitondra fahavoazana lehibe ny fahatapahan-kevitra hikatsaka zavatra ara-nofo. (1 Timoty 6:9, 10). Nampahatsiaro ny mpianany toy izao i Jesosy: “Ny ain’ny olona tsy miankina amin’ny habetsahan’ny zavatra ananany.” — Lioka 12:15.
13. Inona avy ireo fisehoan’ny toe-tsain’izao tontolo izao fanampiny sasany?
13 Misy fisehoany hafa ilay “rivotra” tsy mahasalama eo amin’itỳ tontolo itỳ. Iray amin’izany ny toe-tsaina tia fikomiana. (2 Timoty 3:1-3). Voamarikao ve fa olona maro no tsy miara-miasa intsony amin’ny fahefana? Voadinikao tany am-piasanao ve ilay fanao miely patrana hoe tsy miasa raha tsy misy olona tena miambina? Firifiry moa ireo olona fantatrao izay nandika lalàna — angamba nisoloky tamin’ireo hetra na nangalatra tany amin’ny toeram-piasana? Raha mbola mankany an-tsekoly ianao, efa mba nahakivy anao ve ny hanao izay tsara indrindra mety ho vitanao, satria ireo iray kilasy aminao dia nanamavo ireo nahomby teo amin’ny fianarana? Izany rehetra izany dia fisehoan’ny toe-tsain’izao tontolo izao izay tsy maintsy toherin’ny Kristiana.
Fomba hanoherana ny toe-tsain’itỳ tontolo itỳ
14. Amin’ny fomba ahoana avy ny Kristiana no tsy mitovy amin’ireo tsy Kristiana?
14 Ahoana àry no ahafahantsika manohitra ny toe-tsain’izao tontolo izao, kanefa isika dia tena miaina eo amin’izao tontolo izao marina tokoa? Tsy maintsy mitadidy isika fa na aiza na aiza sendra misy antsika ara-batana, dia tsy anisan’izao tontolo izao isika amin’ny ara-panahy. (Jaona 17:15, 16). Ny zava-kendrentsika dia tsy zava-kendren’itỳ tontolo itỳ. Hafa ny fomba fijerintsika zavatra. Olona araka ny fanahy isika, miresaka sy misaina “tsy amin’ny teny ampianarin’ny fahendren’olona, fa amin’ny teny ampianarin’ny Fanahy, raha milaza zava-panahy amin’izay olona araka ny Fanahy”. — 1 Korintiana 2:13.
15. Ahoana no ahafahantsika manohitra ny toe-tsain’izao tontolo izao?
15 Inona no azon’ny olona iray atao raha sendra any amin’ny faritra iray voaloton’ny gaza misy poizina ny tenany? Azony atao ny mametaka saron-tava fiarovana amin’ny gaza, izay mifandray amin’ny tahirin-drivotra madio, na azony atao ny miala ara-batana amin’ilay faritra. Manakambana ireo fomba roa ireo ny fialana amin’ny rivotr’i Satana. Araka izay farany azo atao, dia miezaka isika ny hiala ara-batana amin’izay mety hamela ny toe-tsain’izao tontolo izao hisy fiantraikany eo amin’ny fisainantsika. Araka izany, dia halavirintsika ny naman-dratsy, ary tsy manao izay hisetrana loza amin’izay mety ho karazana fialam-boly mampandroso herisetra, fahalotoam-pitondran-tena, spiritisma, fikomiana, na izay mety ho asan’ny nofo hafa, isika. (Galatiana 5:19-21, NW ). Kanefa noho isika miaina eo amin’izao tontolo izao, dia tsy afaka manalavitra tanteraka ny fisetrana loza amin’ireny zavatra ireny isika. Koa manao zavatra amim-pahendrena isika raha mifandray amin’ny tahirin-drivotra madio ara-panahy. Mameno ny havokavotsika ara-panahy isika, raha azo atao ny milaza izany, amin’ny fanatrehana fivoriana tsy tapaka, amin’ny fianarana manokana, amin’ireo asa sy fiarahana kristiana, ary amin’ny vavaka. Amin’izany, raha misy amin’ny rivotr’i Satana tafatsofoka ao anatin’ny havokavotsika ara-panahy, dia manatanjaka antsika mba hanary izany ny fanahin’Andriamanitra. — Salamo 17:1-3; Ohabolana 9:9; 13:20; 19:20; 22:17.
16. Ahoana no anaporofoantsika fa manana ny fanahin’Andriamanitra isika?
16 Ny fanahin’Andriamanitra dia manova Kristiana iray ho olona hiharihary fa tsy mitovy amin’ireo izay anisan’itỳ tontolo itỳ. (Romana 12:1, 2). Hoy i Paoly: “Ny vokatry ny fanahy dia fitiavana, fifaliana, fiadanana, fahari-po, hatsaram-panahy, hatsaram-po, finoana, fahalemem-panahy, fifehezan-tena. Tsy misy lalàna manohitra ny zavatra toy izany.” (Galatiana 5:22, 23, NW ). Ny fanahin’Andriamanitra koa dia manome fahatakaran-javatra lalina kokoa ho an’ny Kristiana. Hoy i Paoly: “Tsy nisy tonga tamin’ny fahafantarana ireo zavatr’Andriamanitra, afa-tsy ny fanahin’Andriamanitra.” (1 Korintiana 2:11, NW ). Amin’ny ankapobeny, “ireo zavatr’Andriamanitra” dia mahatafiditra fahamarinana toy ny sorom-panavotana, ny Fanjakan’Andriamanitra eo ambany fanapahan’i Jesosy Kristy, ny fanantenana fiainana mandrakizay, sy ny fanesorana efa antomotra an’itỳ tontolo ratsy itỳ. Noho ny fanampian’ny fanahin’Andriamanitra, ny Kristiana dia mahafantatra sy manaiky ireo zavatra ireo ho fahamarinana, ary izany dia mahatonga ny fijeriny ny fiainana tsy hitovy amin’ny an’ny olona eo amin’izao tontolo izao. Afa-po izy ireo mahita fifaliana amin’ny fanompoana an’i Jehovah izao, amin’ny fahatsinjovana ny hanompo azy mandritra ny mandrakizay ho avy.
17. Iza no namela ny ohatra tsara indrindra tamin’ny fanoherana ny toe-tsain’izao tontolo izao, ary tamin’ny fomba ahoana?
17 I Jesosy no filamatra tsara indrindra ho an’izay manohitra ny toe-tsain’itỳ tontolo itỳ. Tsy ela taorian’ny batisan’i Jesosy, dia nandraman’i Satana navily tsy hanompo an’i Jehovah izy tamin’ny fanolorana fakam-panahy telo. (Matio 4:1-11). Ilay farany dia nahatafiditra ilay fahafahan’i Jesosy hahazo fanapahana eo amin’izao tontolo izao manontolo ho vidin’ny fanolorana fanompoam-pivavahana indray mandeha monja amin’i Satana. Afaka nanjohy hevitra toy izao i Jesosy: ‘Hataoko ilay fanompoam-pivavahana, ary avy eo, rehefa azoko ny fanapahana an’izao tontolo izao, dia hibebaka aho ka hiverina hanolotra fanompoam-pivavahana amin’i Jehovah. Ho tsara toerana lavitra aho mba hitondra soa ho an’ny taranak’olombelona amin’ny maha-mpanapaka an’izao tontolo izao ahy, noho izao maha-mpandrafitra ahy avy any Nazareta izao.’ Tsy nanjohy hevitra toy izany i Jesosy. Vonona ny hiandry izy mandra-panomen’i Jehovah azy ny fanapahana an’izao tontolo izao. (Salamo 2:8). Tamin’io tarehin-javatra io, sy tamin’ireo tarehin-javatra hafa rehetra teo amin’ny fiainany, dia nanohitra ny fitaomana misy poizin’ny rivotr’i Satana, izy. Araka izany, dia nandresy itỳ tontolo voaloto ara-panahy itỳ izy. — Jaona 16:33.
18. Amin’ny ahoana ny fanoherantsika ny toe-tsain’izao tontolo izao no mitondra fiderana ho an’Andriamanitra?
18 Nilaza ny apostoly Petera fa tokony hanaraka akaiky ny dian’i Jesosy isika. (1 Petera 2:21, NW ). Modely tsara kokoa inona moa no mety hananantsika? Amin’izao andro farany izao, ny olombelona dia milentika lalindalina kokoa hatrany ao anatin’ny faharatsiam-panahy noho izy ireo voataonan’ny toe-tsain’izao tontolo izao. Zava-mahatalanjona toy inona moa ny hoe, eo anivon’ny tontolo iray toy izany, ny toerana avo misy ny fanompoam-pivavahana amin’i Jehovah dia mitoetra ho madio sy tsy misy loto! (Mika 4:1, 2). Azo antoka fa ny herin’ny fanahin’Andriamanitra dia hita eo amin’ny fisian’ny olona an-tapitrisany maro mitanjozotra miakatra mankany amin’ny toerana fanaovana fanompoam-pivavahana amin’Andriamanitra, manohitra ilay toe-tsaina manenika tanteraka itỳ tontolo itỳ, ary mitondra voninahitra sy fiderana ho an’i Jehovah! (1 Petera 2:11, 12). Enga anie isika rehetra ho tapa-kevitra ny hitoetra eo amin’izany toerana avo izany, mandra-panaisotr’ilay Mpanjaka voahosotr’i Jehovah an’itỳ tontolo ratsy itỳ sy handefasany an’i Satana Devoly sy ireo demoniany any amin’ny lavaka tsy hita noanoa. (Apokalypsy 19:19–20:3). Amin’izay dia tsy hisy intsony ny toe-tsain’itỳ tontolo itỳ. Fotoana hahasambatra toy inona moa izany!
Azonao Hazavaina Ve?
◻ Inona ilay toe-tsain’izao tontolo izao?
◻ Inona no vokatry ny toe-tsain’itỳ tontolo itỳ eo amin’ny olona?
◻ Inona avy no fisehoan’ny toe-tsain’izao tontolo izao sasany, ary ahoana no ahafahantsika manalavitra izany?
◻ Ahoana no anehoantsika fa manana ny fanahin’Andriamanitra isika?
◻ Fitahiana inona avy no tonga amin’ireo izay manohitra ny toe-tsain’izao tontolo izao?
[Sary, pejy 16, 17]
Avy amin’i Satana ny toe-tsain’izao tontolo izao
Mba hanalavirana ny toe-tsain’izao tontolo izao, dia mandosira any amin’ny toerana avo misy ny fanompoam-pivavahana amin’i Jehovah