FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • w94 15/4 p. 26-29
  • Tapa-kevitra ny Hanompo An’i Jehovah!

Tsy misy video mifandray amin’io.

Miala tsiny fa tsy mety miseho ilay video.

  • Tapa-kevitra ny Hanompo An’i Jehovah!
  • Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—1994
  • Lohatenikely
  • Mitovitovy Aminy
  • Fandresena ny fahatsiarovan-tena ho manirery
  • Miorina mafy manoloana ny fanoherana
  • Fanekena tsy misy fanekena lembenana
  • ‘Voataona tsy amin’ny teny’
  • ‘Mamafaza am-pitomaniana; mijinjà am-pifaliana’
  • Vehivavy manambady iray tiana amim-piraiketam-po
    Ny Fomba Hahitana Fiainam-pianakaviana Sambatra
  • “Ny Lehilahy no Lohan’ny Vehivavy”
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah (Fianarana)—2021
  • Milaza inona ny fanekena ao amin’ny fanambadiana?
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—1991
  • Ry lehilahy manambady, aoka ho voamariky ny fahafoizan-tena ny fitiavanareo
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—1983
Hijery Hafa
Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—1994
w94 15/4 p. 26-29

Tapa-kevitra ny Hanompo An’i Jehovah!

“TSY mahazo mivoaka hitory ianao!” “Aza asaina mitsidika atỳ ireny namanareo ireny!” Vehivavy kristiana maro no mandre izany fitenenana izany sy ny mitovy amin’izany avy amin’ireo vadiny manohitra. Kanefa, rehefa manompo ao amin’ny tafika ireny lehilahy ireny, dia miatrika zava-tsarotra manokana ho an’ny finoany ireo vehivavy vadin’izy ireo. (Isaia 2:4; Jaona 17:16). Ahoana àry no itondran’ny vehivavy kristiana toy izany ny raharaha, mba hitoerana ho matanjaka ara-panahy sy marisika eo amin’ny fanompoana ilay Fanjakana?

Ny tsy fivadihana amin’i Jehovah Andriamanitra, miaraka amin’ny fahatapahan-kevitra manokana, dia manampy azy ireo haharitra. “Heveriko fa izany dia fahatapahan-kevitro manokana tsy misy fangarony”, hoy ny fanazavan’i Yvonne, vadina miaramila. “Fantatro fa tsy maintsy misy fomba hanakiviana ny fanoheran’ny vadiko.” Ary tena nisy marina tokoa izany.

Nisy vehivavy kristiana hafa iray, nanambady manamboninahitra iray ao amin’ny tafika, nitantara ny fomba nanamoran’ny fijoroany feno fahatapahan-kevitra, ny fiainana ho an’ny vadiny mihitsy aza. Nanazava izy hoe: “Fantany ny fandaharam-potoanako sy ny azy koa, ary mankasitraka izany ny miaramila.” Na dia izany aza, dia tsy lalana mora akory ny fanohizany ny fanompoana an’i Jehovah.

Fandresena ny fahatsiarovan-tena ho manirery

Mazàna ireo vadina miaramila dia miatrika zava-tsarotra momba ny fifindrana izay tsy fantatra raha tsy andro vitsy mialoha, raha voatery manaraka ny vadiny any amin’ny toerana anendrena lavitra ny tokantrano izy ireo. Amin’izay, satria mipetraka ao amin’ny manodidina tsy mahazatra, dia mora ny mahatsapa ho tafasaraka amin’ny hafa. Tsy voatery ho toy izany anefa no izy. Manana tombony ireo manompo an’i Jehovah. Inona izany? Araka ny filazan’i Petera, apostoly kristiana, izy io dia “ny fitambarana manontolon’ireo rahalahy”. Ankehitriny, dia manao asa amin’ny maha-fianakaviam-be kristiana, “fianakavian’ny mpirahalahy” ireo Vavolombelon’i Jehovah, miisa an-tapitrisany maro, any amin’ny tany 231. Hitanao saika hatraiza hatraiza izy ireo. — 1 Petera 2:17, fanamarihana ambany pejy NW.

Nesorina tampoka avy tao amin’ny faritra fonenany i Susan, ary tonga hipetraka tao amin’ny tobin’ny tafika ana habakabaka izay nanendrena ny vadiny. Vaovao tao amin’ny finoana izy, ary teo ambanin’ny faneren’ny vadiny tsy mpino mba hitsaharany tsy handray anjara amin’ny fanompoana kristiana. Hoy izy mitantara: “Nandeha avy hatrany tany amin’ireo fivoriana teo an-toerana aho, ary tany dia afaka nipetraka sy niresaka tamin’ireo rahavavy hafa. Afaka nilaza tamim-pahamarinana aho fa io fiarahana io no nampahery ahy hanohy.”

Indraindray dia miteraka fahaketrahana ny fahatsiarovan-tena ho manirery. Na dia amin’izay aza, dia manolotra fandrisihana mahafaly ny vaovao tsara. Mitantara toy izao i Glenys, anabavy anglisy iray, izay nanaraka ny vadiny rehefa voatendry tany ampitan-dranomasina izy io: “Rehefa tena ketraka iny aho, tamin’ny fotoana tsy nampoizina, dia nisy olona iray izay fantatro taona maro lasa izay, fony tao amin’ny tafika ny tenako, nanoratra ary nilaza fa natao batisa vao haingana tamin’ny naha-Vavolombelon’i Jehovah izy. Nanome fampaherezana ahy tamin’ny fotoana nety indrindra izany.”

I Jane, izay nanao dia niaraka tamin’ny vadiny tatsy Kenya, dia nahita fa voaporofo ho zava-dehibe iankinan’ny aina ireo fivoriana kristiana, na dia natao tamin’ny fiteny tsy azony aza izy ireny. “Fantatro fa teto no toerana tian’i Jehovah hisy ahy”, hoy izy manazava. “Niaraka tamin’ireo anadahiko aho ary nanome aina sy tanjaka ara-panahy izy ireo. Noraisiny tsara aho, ary tsapako fa fianakaviana iray izahay.”

Iray monja amin’ireo maro be ao anatin’izany toe-javatra izany i Jane izay nahita havana ara-panahy tsy fantany akory hoe nananany! — Marka 10:29, 30.

Miorina mafy manoloana ny fanoherana

Hoy ny fampitandreman’i Jesosy: “Aza ataonareo fa tonga hitondra fiadanana ambonin’ny tany Aho; tsy tonga hitondra fiadanana Aho, fa sabatra.” (Matio 10:34). Inona no tiany hambara? Na dia ao anatin’ny fianakaviana izay anampoizana hahitana fiadanana aza, dia mety hisy “tsindron-tsabatra amin-kery tampoka”, hoy ny fanazavan’i A. T. Robertson tao amin’ny Word Pictures in the New Testament. “Ary ny ankohonan’ny olona ihany no fahavalony”, hoy ny fanamarihan’i Jesosy. (Matio 10:36). Voaporofo fa marina toy inona moa ireo teny ireo rehefa maneho fankahalana ny fahamarinana ny vady!

Rehefa nanomboka nianatra Baiboly niaraka tamin’ny Vavolombelon’i Jehovah i Diane, dia tena tsy nankasitraka izany ny vadiny izay manamboninahitra tao amin’ny tafika ana habakabaka. Inona no fiantraikan’izany teo amin’ny fanambadian’izy ireo? Nanazava toy izao i Diane: “Izany dia toy ny vaingan-dranomandry tonga teo anelanelanay. Nivady tao anatin’ny hasambarana izahay. Tampoka teo, dia niaina fotsiny tao amin’ny ankohonana iray izahay.” Ahoana tamin’izay no niatrehany ny tarehin-javatra? “Ny fiekena sy ny fahatapahan-kevitra manokana no tena zava-dehibe, miaraka amin’ny fanampian’i Jehovah sy ny fanahiny.” Nalatsak’i Diane tao am-po ny ohatra ara-baibolin’ny mpaminany Daniela.

Rehefa natao sesitany sy notolorana sakafo tsy azon’ny mpanompon’Andriamanitra nekena i Daniela dia “nanapa-kevitra tao am-pony tsy handoto ny tenany tamin’ny hanim-pin’ny mpanjaka”. Eny, nanao fanapahan-kevitra tamim-pisainana mazava i Daniela. Nanapa-kevitra tao am-pony izy tsy handoto na oviana na oviana ny tenany tamin’ny fihinanana an’io sakafo io. Tanjaka ara-tsaina toy inona no nasehony tamin’izay, rehefa “nangataka hatrany tamin’ny lehiben’ny tandapa izy mba havela tsy handoto ny tenany”! Inona no vokany? Nitahy ny fijoroany nampiseho fahatapahan-kevitra i Jehovah. — Daniela 1:8, 9, 17, NW.

Toy izany koa amin’izao andro izao, ny lehilahy manambady iray manohitra dia mety hitaky ny hitsaharan’ny vadiny tsy hanatrika ireo fivorian’ny kongregasiona. Ahoana no tokony ho fihetsiny? Tao anatin’izany tarehin-javatra izany ny tenan’i Jane. Manazava toy izao izy: “Tsy nitsoa-pahana na oviana na oviana aho teo ambany fanerena. Fantatro fa tsy nety ho nisy fanekena lembenana. Tsy maintsy nasehoko hoe toy inona no naha-zava-dehibe ireo fivoriana tamiko.” Nitahy ny fahatapahan-keviny i Jehovah arakaraka ny nanohizany nivory.

“Nanandrana nisakana ahy tsy handeha tany amin’ny fivoriana ny vadiko, kanefa tsy naharitra ela loatra izany”, hoy ny fitantaran’i Glenys. “Mbola nandeha foana aho. Rehefa niverina tany an-trano aho, dia nokapohiny indraindray, ary tamin’ny fotoana hafa dia notsenain’ny fanginana aho.” Nahazaka anefa izy, noho ny vavaka matetika dia matetika nataony. Nisy roa tamin’ireo loholon’ny kongregasiona koa niara-nivavaka tsy tapaka taminy, ka izany dia nampahery indrindra azy hivory hatrany. — Jakoba 5:13-15; 1 Petera 2:23.

Indraindray, dia mety hampihatra fanerena amin’ilay lehilahy manambady ireo lehibeny mba hanakivy ny vadiny tsy hitory ny vaovao tsara. Hitan’i Diane fa tsy maintsy nampiseho mazava tamin’ny vadiny ireo zavatra nomeny ny laharam-pahamehana izy. “Voaomana aho”, hoy izy, “mba handray ny vokatry ny fanohizako hitory.” Fijoroana mitovy amin’ny an’ny apostoly re izany! (Asan’ny Apostoly 4:29, 31). Na dia izany aza, dia malina izy teo amin’ny fitoriany. Hoy ny fitantarany: “Fanaoko ny nanomana fikoranana sy nanolotra boky Fahamarinana tamin’izay rehetra nanatrika teo.” — Matio 10:16; 24:14.

Fanekena tsy misy fanekena lembenana

Na dia ory noho ny fihenjanana avy amin’ny vadiny aza ireo vehivavy kristiana, dia mibanjina ny hoavy sy miantehitra amin’i Jehovah izy ireo. Izany dia manampy azy hihazona fomba fijery voalanjalanja. Omeny ny vadiny izay fanohanana rehetra azony omena, tsy misy fampanekena lembenana ny finoany. Amin’ny fanaovana toy izany, dia arahin’izy ireo ny torohevitr’i Petera ara-tsindrimandry manao hoe: “Hianareo vehivavy, maneke ny vadinareo”. (1 Petera 3:1). Toy izao ny vakin’io toromarika avy amin’ny apostoly io ao amin’ny The Amplified New Testament: “Aoka ny tenanareo hanaiky toy ny eo amin’ny laharana faharoa sy hiankina aminy, ary ampifanaraho aminy ny tenanareo.” Mariho ny fomba nanarahan’i Jane io torohevitra io. Toy izao no fanazavany: “Nilaza tamiko ny vadiko fa izay niriko hatao dia tsy tokony hisalovana amin’ny asa nofidiny hatao eo amin’ny fiainana. Koa nanandrana nitady fomba hahafahako hanampy azy aho.”

Nisy vehivavy kristiana manambady sasany, ohatra, nanaiky hanatrika fikoranana izay nanasana ny vadiny. Kanefa dia mbola tapa-kevitra ny tsy hampanaiky lembenana na oviana na oviana ny finoany ihany izy ireo. Naka fotoana hiresahana tamin’ny vadiny momba izany i Jane. Nohazavainy tamin-katsaram-panahy fa vonona hanatrika izy saingy tsy niriny hahasanganehana azy ny fanatrehany. “Fantatro fa indraindray izay rehetra tonga eo dia antenaina fa hitsangana ary handray hanjara amin’ny fifandonam-bera. Nianarako fa ny fahatokiana dia tokony ho an’i Jehovah irery ihany, ary ny fifandonam-bera dia nihoatra lavitra noho ny fanehoana fanajana fotsiny. Takatry ny vadiko hoe tena hahasakodiavatra ilay tarehin-javatra, koa dia hoy fotsiny izy: ‘Aza mandeha!’ Nankato aho.”

Etsy an-danin’izany, i Glenys dia niaraka tamin’ny vadiny tamin’ny fikoranana iray toy izany, kanefa nojereny tsara ny manamboninahitra nitarika teny amin’ny latabatra. Rehefa hitany niomana ho amin’ny fifandonam-bera ireo, dia nisinda tamim-pahamalinana ho any amin’ny trano fivoahana sy fidiovana izy! Eny, nampifanaraka ny tenany ireny vehivavy ireny, kanefa tsy nanaiky lembenana na oviana na oviana.

‘Voataona tsy amin’ny teny’

Toy izao ny fanjohian-kevitr’i Yvonne: “Raha manatsara ny fahaizan’ny tenako amin’ny maha-vehivavy manambady ahy aho, dia ho hitan’ny vadiko fa manova ahy ny fahamarinana.” Koa novakiny ary naveriny novakina ilay toko mitondra ny lohateny hoe “Vehivavy Manambady Iray Tiana Amim-piraiketam-po” ao amin’ny boky Fiainam-pianakaviana.a “Nasiako fiheverana manokana ny fianarana eo ambanin’ny lohatenikely hoe ‘Ireo vehivavy mpitomany sy tia ady’! Hitako anefa fa, arakaraka ny nanandramako niresaka tamin’ny vadiko no nahatonga ny raharaha hiharatsy kokoa.” Kanefa, dia nahavita nanampy ny vadiny hanompo an’i Jehovah izy, tamin’ny farany. Tamin’ny fomba ahoana? Tamin’ny fampiharana ny fotopoto-pitsipika voalazalaza ao amin’ny 1 Petera 3:1 fa mety ho ‘voataona tsy amin’ny teny’ ny vady.

Ny fomba ikarakaran’ny vehivavy kristiana ny fianakaviany dia mahavita be amin’ny filazana amin’ny hafa ny hatsaran’ny Kristianisma. Hoy ny fitantaran’i Diane: “Niezaka nanao ny fahamarinana ho manintona araka izay azoko natao aho. Rehefa nandeha tamin’ireo fivoriana aho, dia nahatsapa ho navela irery ny vadiko, koa nataoko vain-dohan-draharaha ny namepetra ny ankizy mba ho hendry amin’ny fomba miavaka rehefa tonga tany an-trano izahay. Niezaka koa aho naneho fiheverana amboniny azy rehefa tafaverina izahay.” Tsikelikely dia niova ny fihetsiky ny vadiny arakaraka ny nandraisany tsara ny fiheverana feno hatsaram-panahy nasehon’ny fianakaviany.

Afaka manampy koa ireo namana mpiara-manompo an’i Jehovah. Mitantara i Jane fa nankafy ny fiarahana tamin’ireo misionera Vavolombelona nihaona taminy tany Kenya ny vadiny. “Nanjary mpinamana taminy izy ireo ary dia niresaka baolina kitra, ary tena nahay nandray vahiny izy ireo. Tamin’ny fotoana maromaro, dia voasa hisakafo tany amin’ny tranon’ny misionera samy hafa izahay.” Nanazava toy izao ralehilahy vadiny tatỳ aoriana: “Nanomboka nijery ny finoan’i Jane tamin’ny fomba fihevitra hafa tanteraka aho. Ireo namany dia olona tena manan-tsaina izay afaka niresaka momba ny foto-kevitra maro samihafa.” Toy izany koa fa nanova ny fiheviny ny fahamarinana ny vadin’i Diane. Rehefa maty ilay fiara nentiny, dia tonga namonjy azy ny tanora Vavolombelona iray. Hoy ilay lehilahy: “Tena nanohina ahy tokoa izany.”

Mazava ho azy fa tsy voataona ho amin’ny fahamarinana avokoa akory ny vady rehetra. Ahoana àry? Manome fanampiana i Jehovah mba hahafahan’ireo izay mahatoky hiaritra. (1 Korintiana 10:13). Hevero ny fampaherezan’i Glenys ho an’ireo izay ao anatin’ny toe-javatra sahala amin’ny azy: “Aza misalasala na oviana na oviana ny amin’ny hoe i Jehovah no Ilay niandohan’ny fanambadiana ary iriny ny hiarahan’ireo mpivady hatrany. Koa tsy maninona izay mety hataon’ilay vady na izay fanoherana mety ho azonao avy amin’ireo manodidina anao, i Jehovah dia tsy hamela anao hangozohozo na oviana na oviana.” Na dia mbola tsy manompo an’i Jehovah aza ny vadiny, dia efa nihamalefaka ny fihetsiny aminy sy ny fihetsiny manoloana ny fahamarinana.

‘Mamafaza am-pitomaniana; mijinjà am-pifaliana’

Tena marina fa tapa-kevitra ny hanompo an’i Jehovah ireny vehivavy kristiana ireny. Raha ao amin’ny toe-javatra mitovy amin’izany ianao, dia ataovy ho fahatapahan-kevitrao koa io. Tadidio ilay fananarana mafy manao hoe: “Jehovah Andriamanitrao no hatahoranao; Izy no hotompoinao, ary Izy no hifikiranao”. — Deoteronomia 10:20.

‘Izay mandeha mitomany mitondra ny voa afafy, dia hiverina mitondra ny amboarany amin’ny fihobiana kosa’, hoy ny fanambaran’ny mpanao salamo. (Salamo 126:6). Miaiky toy izao ny Vavolombelona iray: “Mandrotsaka ranomaso be tokoa ianao rehefa miezaka mampiseho ny fahamarinana amin’ny vadinao, na amin’ny fanginana izany na amin’ny teny. Kanefa, amin’ny farany ianao dia mihoby kosa, satria na dia tsy manaiky ny fahamarinana aza izy, i Jehovah dia mitahy anao noho ny ezaka ataonao.”

Izay rehetra manompo amim-pahatokiana an’i Jehovah na dia eo aza ny fanoherana ao an-tokantrano, dia mendrika hoderaina tokoa. Tokony hahazo fanohanana sy fitiavana izy ireny. Enga anie izy ireny hihazona ny fijoroany tsy misy fanekena lembenana, tapa-kevitra ny hanompo an’i Jehovah!

[Fanamarihana ambany pejy]

a Ny Fomba Hahitana Fiainam-pianakaviana Sambatra, navoakan’ny Watchtower Bible and Tract Society of New York, Inc. (1978).

[Sary, pejy 28]

Manatanjaka ny fahatapahan-kevitra kristiana ny fianarana amim-pahatsorana

    Fitehirizam-boky Malagasy (1965-2025)
    Hiala
    Hiditra
    • Malagasy
    • Hizara
    • Firafitra
    • Copyright © 2025 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
    • Fifanekena
    • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
    • Firafitry ny Fifanekena
    • JW.ORG
    • Hiditra
    Hizara